Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-2

7 Nisy dimampolo lahy tamin'ny zanaky ny mpaminany nanaraka azy, ary nipetraka eny lavitra eny tandrify azy, ary izy roa lahy dia nijanona teo amoron'i Jordany. 8 Dia nalain'i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin'ny tany maina. 9 Nony tafita izy ireo dia hoy Elia tamin'i Elisea: Angataho izay tianao hataoko aminao, alohan'ny hangalana ahy aminao. Ary hoy ny navalin'i Elisea: Ny mba hahazo anjara roa amin'ny fanahinao.

10 Ka hoy Elia: Mangataka zava-tsarotra hianao; kanefa raha mahita ahy hianao amin'ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany. 11 Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin'ny tafio-drivotra Elia.

12 Sady nijery Elisea no niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin'Israely sy mpitaingi-tsoavaliny! dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin'izay nalainy ny fitafiany, notriariny roa, 13 ary noraisiny ny kapaotin'i Elia izay nitambotsotra niala taminy. Rahefa izay dia teo amin'i Jordany izy dia nijanona teo amorony. 14 Noraisiny ny kapaotin'i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: Aiza Iaveh Andriamanitr'i Elia! Aiza izy! Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita Elisea. 15 Nahatazana azy ireo zanaky ny mpaminany izay any Jerikao tandrify azy, ka nanao hoe: Mipetraka ao amin'i Elisea ny fanahin'i Elia. Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany,

16 ary nanao taminy hoe: Indro dimampolo lahy mahery fo eto amin'ny mpanomponao, ka aoka handeha hitady ny tomponao izy ireo, fa angamba nofaohin'ny fanahin'ny Tompo izy ka natsipiny any amin'ny tendrombohitra anankiray, na any amin'ny lohasaha anankiray. 17 Nefa mbola noteren'izy ireny mafy ihany ka safo-kenatra aza izy, ka nanao hoe: Iraho izy. Dia nirahin'izy ireo izy dimampolo lahy, ka nikaroka hateloana, nefa tsy nahita azy. 18 Nony tafaverina teo amin'i Elisea ireo, fa nitoetra tao Jerikao izy, dia hoy izy tamin'ireo: Tsy efa nilazako va hianareo fa hoe: Aza mandeha. 19 Ary hoy ny olona tao an-tanàna, tamin'i Elisea: Araka izao hitan'ny tompoko, dia tsara honenana ity tanàna ity, saingy ratsy rano, sady tsy mahavokatra ny tany.

20 Ka hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, asio sira ao anatiny. Dia nitondran'ny olona izany izy. 21 Nandeha nankany amin'ny fiandohan'ny rano sy nanipy sira tao izy nanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro ataoko mahasalama ireto rano ireto, ka tsy hisy fahafatesana na tsy fahavokarana hiseho avy ao intsony. 22 Dia tonga mahasalama ny rano mandrak'androany araka ny teny nolazain'i Elisea. 23 Niakatra avy tao izy dia nankany Betela; ary raha mbola niakatra teny an-dàlana izy, dia nisy ankizilahy madinika nivoaka avy ao an-tanàna, naniratsira azy hoe: Miakara, ry ilay sola, miakara, ry ilay sola;

24 dia niherika nijery an'ireo izy, ka nanozona azy tamin'ny anaran'ny Tompo. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny roa amby efapolo tamin'ireo ankizy ireo. 25 Avy ao izy dia nankany an-tendrombohitra Karmela; avy ao indray dia niverina ho any Samaria.

Toko faha-3

1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folon'i Josafata mpanjakan'i Jodà, no tonga mpanjakan'Israely tao Samaria Jorama zanak'i Akaba, ary roa ambin'ny folo taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy aman-dreniny tsy akory, satria nesoriny ilay tsangam-baton'i Baala nataon-drainy. 3 Fa nikiry tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata nampanota an'Israely izy, ka tsy nialany izany. 4 Ary nanana biby fiompy Mesa mpanjakan'i Moaba, ka nandoa zanak'ondry iray hetsy sy ondralahy iray hetsy, mbamin'ny volony koa, ho an'ny mpanjakan'Israely.

5 Nony maty anefa Akaba dia niodina tamin'ny mpanjakan'Israely ny mpanjakan'i Moaba. 6 Ka nivoaka avy tao Samaria Jorama mpanjaka, tamin'izany andro izany, nampanao matso an'Israely rehetra. 7 Niainga nandeha izy, ka nampilaza tamin'i Josafata mpanjakan'i Jodà hoe: Niodina tamiko ny mpanjakan'i Moaba ka mba hiaraka amiko hiady amin'i Moaba va hianao? Ary hoy ny navalin'i Josafata: Eny handeha aho, fa ny tenako dia toy ny tenanao ihany, ny oloko dia toy ny olonao, ny soavaliko toy ny soavalinao. 8 Dia hoy koa izy: Iza no làlana hombantsika? Ka hoy Jorama: Ilay làlan'ny efitr'i Edoma. 9 Dia niainga ny mpanjakan'Israely sy ny mpanjakan'i Jodà ary ny mpanjakan'i Edoma. Nony nandeha lalan-kafitoana izy ireo, dia tsy nisy rano ho an'ny tafika sy ny biby nomba azy,

10 ka hoy ny mpanjakan'Israely: Indrisy, ny hanolotra azy eo an-tanan'i Moaba no niantsoan'ny Tompo an'ireto mpanjaka telo ireto! 11 Fa hoy kosa Josafata: Tsy misy mpaminanin'ny Tompo va eto, azontsika anontaniana amin'ny Tompo? Dia namaly ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'Israely nanao hoe: Eto ihany Elisea zanak'i Safata ilay mpampidina rano tamin'ny tanan'i Elia. 12 Ka hoy Josafata: Ao amin'izy iny ny tenin'ny Tompo. Dia nidina nankany aminy ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà, ary ny mpanjakan'i Edoma. 13 Dia hoy Elisea tamin'ny mpanjakan'Israely: Mba mitady inona atý amiko koa ity hianao? Any amin'ny mpaminanin-drainao sy amin'ny mpaminanin-dreninao aleha. Fa hoy ny mpanjakan'Israely taminy: Tsia, fa ny hanoloran'ny Tompo an'ireto mpanjaka telo ireto eo an-tanan'i Moaba no niantsoany azy.

14 Ary hoy Elisea: Velona Iavehn'ny tafika izay itsanganako eo anatrehany, fa raha tsy ny fanajako an'i Josafata mpanjakan'i Jodà, dia tsy nasiako raharaha akory hianao, na nojereko akory aza. 15 Fa izao, angalao mpitendry harpa aho. Ary nony nitendry ilay mpitendry harpa, dia nanindry an'i Elisea ny tanan'ny Tompo, 16 ka hoy izy: Izao no lazain'ny Tompo: Manaova lavadavaka amin'ity lohasaha ity. 17 Fa izao no lazain'ny Tompo: Tsy hahita rivotra ary tsy hahita ranonorana hianareo, nefa ho feno rano ity lohasaha ity, ka hisotro hianareo, dia hianareo sy ny biby fiompinareo ary ny bibinareo. 18 Mbola zavatra kely eo imason'ny Tompo anefa izany: hatolony eo an-tànanareo Moaba, 19 ka horavanareo ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa indrindra rehetra, hokapainareo ny hazo mamoa rehetra, hotampenanareo ny loharano rehetra, ary hataonareo kilaototo amin'ny vato ny tanimboly soa rehetra. 20 Nony maraina, tamin'ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia indro tonga tokoa ny rano, tamin'ny làlan'i Edoma, ka feno rano ny tany. 21 Nony ren'ny Moabita rehetra fa niakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nantsoiny ny lehilahy rehetra mahahetra ny hetran-tsabatra ary mihoatra noho ireo aza, ka naka toerana hiadiana teo amin'ny sisin-tany izy.

22 Nifoha maraina koa izy ireo, ary nony notarafin'ny masoandro ny rano, dia mena tahaka ny ra no nahitany ny rano tandrify azy. 23 Ka hoy izy: Ra io! Nifandringana ireo mpanjaka ireo, nifamely izy samy izy, ka baboy amin'izao, ry Moabita ô! 24 Dia nandroso ho any amin'ny tobin'Israely izy ireo. Kanjo nitsangana Israely namely ny Moabita, izay vaky nandositra teo anoloany. Dia nitsofohany nasiana hatrany amin'ny taniny Moaba. 25 Noravany ny tanànany, samy nanipy vato iray tamin'ny tanimboly soa rehetra dia nataony tototra; notampenany ny loharano rehetra; nokapainy ny hazo mamoa rehetra, ary tsy nisy tavela na inona na inona tao Kir-Karoseta afatsy ny vato, fa voahodidin'ny mpandefa antsamotady sy nasiany. 26 Nony hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy tantiny ny ady, dia naka fiton-jato lahy mitan-tsabatra voatsoaka homba azy izy hanavatsava hatrany amin'ny mpanjakan'i Edoma, nefa tsy afa-nanao izany izy ireo. 27 Tamin'izay izy naka ity zanany lahimatoa, efa natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho sorona dorana teo ambony manda. Tezitra nisafoaka terý Israely ka nilaozany teo ny mpanjakan'i Moaba fa niverina ho any amin'ny taniny izy.

Toko faha-4

1 Nisy vehivavy anankiray vadin'ny iray amin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisea, nanao hoe: Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an'ny Tompo ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.

2 Dia hoy Elisea taminy: Inona no azoko atao ho anao? Lazao hoe izay anananao ao an-trano. Ary hoy ny navalin-dravehivavy: Tsy manana na inona na inona ao an-trano ny ankizivavinao afa-tsy diloilo iray tavoara monja.

3 Ka hoy izy: Mandehana mindran-tavoara amin'ny mifanolo-bodirindrina aminao rehetra, dia tavoara foana, ka aza atao vitsy loatra. 4 Ary rahefa tafiditra hianao, dia mirindrina aman-trano ao, hianao sy ny zanakao, ka aidino amin'izay tavoara rehetra eo ny diloilo, ary isaky ny misy feno dia atokany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0885