Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko faha-4
5 Dia nandao azy ravehivavy; ary nirindrina aman-trano tao izy sy ireo zanany, ka ireo zanany moa nitondra ny tavoara nankeo aminy, izy kosa nampidina ny diloilo. 6 Rahefa feno ny tavoara dia hoy izy tamin-janany: Mbola itondray tavoara aho. Fa hoy ny navalin'ny zanany: Tsy misy tavoara intsony. Dia nitsahatra ny diloilo. 7 Koa lasa nilaza izany tamin'ilay olon'Andriamanitra izy ary hoy izy: Mandehana amidio ny diloilo hanefanao ny trosan'olona aminao, dia hivelomanao sy ny zanakao ny sisa. 8 Indray andro Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisafako.9 Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy: Indro fantatro fa olo-masin'Andriamanitra iny mpandalo eto amintsika matetika iny. 10 Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina, ho azy, dia hasiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy. 11 Dia tonga tao Sonama Elisea indray andro ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano avo sy nandry tao. 12 Ary hoy izy tamin'i Giezi mpanompony: Antsoy ilay vehivavy Sonamita. Dia nantsoin'i Giezi ka nandroso nankeo anatrehany. 13 Ary hoy Elisea tamin'i Giezi: Lazao azy kely izao: Indro nikarakara anay tamin'izao zavatra rehetra izao hianao, ka inona kosa no mety hatao ho anao? Tianao va ny hiresahako amin'ny mpanjaka na amin'ny filohan'ny tafika mba ho anao? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Efa monina eto amin'ny fireneko aho. 14 Ary hoy Elisea: Ka inona ary no hatao ho azy? Dia hoy ny navalin'i Giezi: Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra. 15 Ary hoy Elisea: Antsoy ary izy. Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana; 16 ka hoy Elisea taminy: Raha afaka herintaona amin'izao fotoana izao dia hisafosafo zazalahy hianao. Fa hoy izy: Tsia, aza dia laingainao ny ankizivavinao, ry olon'Andriamanitra tompoko. 17 Ary nanana anaka ravehivavy, ka tera-dahy nony afaka herintaona tamin'izany fotoana izany, araka ny voalazan'i Elisea taminy. 18 Dia nihalehibe ny zaza. Ary indray andro, nankany amin-drainy tany amin'ny mpijinja vary izy,
19 ka nanao tamin-drainy hoe: Izany an-dohako! Izany an-dohako! Dia hoy rainy tamin'ny mpanompony: Ento any amin-dreniny izy. 20 Nony nentin'ny mpanompo sy nateriny tany amin-dreniny ilay zaza, dia nipetraka teo am-pofoan-dreniny mandra-pitataovovonana ny andro ary tamin'izay dia maty izy. 21 Niakatra nampandry azy teo amin'ny farafaran'ilay olon'Andriamanitra ravehivavy, dia narindriny aman-trano tao ny zaza, ary nivoaka izy, 22 dia niantso ny lahy, nanao hoe: Aza mahafady, alefaso mankaty amiko kely ny anankiray amin'ny mpanomponao sy ny anankiray amin'ny ampondravavy, hankanesako faingana amin'ilay olon'Andriamanitra, dia hiverina aho. 23 Fa hoy ny lahy: Nahoana no hankanesanao any anio? Tsy tsinam-bolana izao, tsy andro sabata akory? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Aza manana ahiahy. 24 Dia nasainy nasiana lasely ny ampondravavy, ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Tariho làlana aho ka miaingà ary aza mampijanona ahy any an-dàlana, raha tsy efa izaho no nilaza taminao. 25 Dia lasa izy, nankany amin'ilay olon'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Vao nahatazana azy teny lavidavitra teny ity olon'Andriamanitra dia nanao tamin'i Giezi mpanompony hoe: Indrý ilay vehivavy Sonamita, 26 ka mandehana faingana, tsenao izy, ary ilazao hoe: Tsara ihany va hianao? Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zanakao? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Eny. 27 Nony vao tonga tany amin'ity olon'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia namihina ny tongony. Nanatona hanifika azy Giezi, fa hoy ny olon'Andriamanitra: Avelao izy, fa difotr'alahelo ny fony, ary nafenin'ny Tompo tamiko izany, fa tsy nampahalalainy ahy. 28 Dia hoy ravehivavy: Moa ve nangata-jaza tamin'ny tompoko aho? Tsy izao va no nataoko: Aza laingainao aho? 29 Ary hoy Elisea tamin'i Giezi: Misikìna hianao, ento eny an-tànanao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin'olona aza miarahaba azy; raha arahabain'olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin'ny tavan'ny zaza ny tehiko, 30 Fa hoy ny renin'ny zaza: Velona Iaveh! ary velona koa ny fanahinao! ka tsy ilaozako hianao. Koa nitsangana Elisea dia nanaraka azy. 31 Nialoha azy ireo Giezi nametraka ny tehina tamin'ny tavan'ilay zaza nefa tsy nisy feo na famantaran'ny naharenesany. Ka niverina hitsena an'i Elisea izy, nilaza izany taminy, nanao hoe: Tsy nahatsiaro akory ny zaza. 32 Nony tonga tao an-trano Elisea, indro maty ilay zaza ary nandry teo am-parafarany. 33 Nony tafiditra izy dia nirindrina aman-trano tao izy roa lahy ary nivavaka tamin'ny Tompo Elisea.
34 Dia niakatra nandry teo ambonin'ilay zaza Elisea: ny vavany nataony tamin'ny vavany, ny masony nataony tamin'ny masony, ny tànany nataony tamin'ny tànany, ny tenany niampatra teo amboniny, ka nihanafana ny tenan'ny zaza. 35 Dia niala teo izy sy nandehandeha eran'ny trano, izay vao niakatra indray niampatra teo ambonin'ny zaza, ka nievina impito ny zaza, dia nihiratra ny mason'ny zaza. 36 Dia niantso an'i Giezi Elisea nanao hoe: Antsoy ilay Sonamita. Nony nantsoiny izy dia nankao amin'i Elisea, ka hoy Elisea taminy: Raiso ny zanakao. 37 Nandroso niankohoka tamin'ny tongony ravehivavy sady nihohoka tamin'ny tany, vao nandray ny zanany sy lasa nivoaka. 38 Niverina nankany Galgalà Elisea, ary nisy mosary tamin'ny tany. Nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminany tamin'izany, ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, dia mahandroa rò ho an'ny zanaky ny mpaminany.
39 Ny iray tamin'izy ireo kosa nivoaka hitsongo anana tany an-tsaha, ka nahita sarisarim-boaloboka maniry ho azy dia nioty voatavomontan'ala tamin'io izy, nahafeno ny lambany. Nony tafaverina izy dia notetehiny madinika tao anaty vilany nisy ny hanina ireny, nefa tsy nahalala izany izy ireo. 40 Kanjo nony noloarana hohanin'izy ireo izany, vao nihinana izy ireo, dia nikiakiaka nanao hoe: Misy mahafaty ao am-bilany, ry olon'Andriamanitra ô! ka tsy afa-nihinana izy ireo. 41 Dia hoy Elisea: Itondray lafarina aho. Ary narotsany tao am-bilany izany, dia hoy izy: Arosoy amin'izao hohanin'ny olona. Izay vao tsy nisy nampaninona intsony tao am-bilany. 42 Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin'ny santabary ho an'ity olon'Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasakany; ka hoy Elisea: Omeo ny olona hohaniny.
43 Fa ny navalin'ny mpanompony: Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan'ny olona zato? Fa hoy Elisea: Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain'ny Tompo: Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany. 44 Dia norosoana izy ireo ka nihinana, nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny tenin'ny Tompo.
Toko faha-5
1 Naamana, komandin'ny tafiky ny mpanjakan'i Siria dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin'ny tompony, fa izy no namonjen'ny Tompo ny Siriana; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.2 Fahizany kosa nisy Siriana nanao andiany ka nivoaka, ary nitondra zazavavy kely anankiray avy amin'ny tanin'Israely, izay tonga mpanompon'ny vadin'i Naamana. 3 Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Raha mba any amin'ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompolahiko, dia hositranin'ny mpaminany amin'ny habokany tokoa! 4 Ka lasa Naamana nilaza izany tamin'ny tompony, nanao hoe: Izao sy izao avy no nolazain'ilay zazavavy kely, avy any amin'ny tanin'Israely. 5 Dia hoy ny mpanjakan'i Siria: Mankanesa any, ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan'Israely. Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena enina arivo sikla; ary akanjo impolo miova. 6 Nateriny tamin'ny mpanjakan'Israely ilay taratasy izay misy manao hoe: Rahefa tonga atý aminao àry ity taratasy ity, dia indro hofantarinao fa nirahiko ho atý aminao Naamana mpanompoko, mba hositraninao amin'ny habokany. 7 Nony voavakin'ny mpanjakan'Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan'ilay iny olona ho atý amiko hositraniko amin'ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filany ady amiko izao. 8 Vao nandre Elisea olon'Andriamanitra fa hoe: notriarin'ny mpanjakan'Israely ny fitafiany, dia naniraka izy hilaza amin'ny mpanjaka hoe: Nahoana hianao no nandriatra ny fitafianao? Aoka hankatý amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin'Israely.
9 Dia nandeha Naamana mbamin'ny soavaly aman-kalesiny, ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisea. 10 Olona no nirahin'i Elisea hilaza aminy hoe: Mandehana mandro impito ao Jordany, fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio hianao.
