Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko faha-5
11 Tezitra Naamana, ka lasa niombotra nanao hoe: Indro aho nanao anakampò hoe: hivoaka hankatý amiko izy, ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran'ny Tompo Andriamaniny sy hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny fery, dia hahasitrana ilay boka. 12 Tsy tsara noho ny ranon'Israely rehetra va Abana sy Farfara onin'i Damasa? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho, ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana. 13 Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy nanao hoe: Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain'ny mpaminany hataonao moa tsy ho nataonao ihany va? Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao: Mandroa, dia hadio hianao! 14 Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin'ny olon'Andriamanitra ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy. 15 Dia niverina nankao amin'ilay olon'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra afatsy eto amin'Israely ihany! Koa ankehitriny dia aoka handray ny fanatitra avy amin'ny mpanomponao hianao.16 Fa hoy Elisea: Velona Iaveh izay itoerako eo anatrehany, ka dia tsy handray mihitsy aho. Mbola nanery azy handray ihany Naamana, nefa tsy nety izy. 17 Ka hoy Naamana: Rahefa tsy mety hianao, dia avelao kosa ny mpanomponao mba homena tany zakan'ny mole roa, satria tsy tian'ny mpanomponao intsony ny manatitra sorona dorana na sorona, amin'andriamani-kafa, afatsy amin'ny Tompo ihany. 18 Fa aoka havelan'ny Tompo ny mpanomponao amin'izao ihany: raha miditra ao amin'ny tranon-dRemona ny tompoko mba hivavaka ao sy mitehina amin'ny tànako izy, dia mba miankohoka ao amin'ny tranon-dRemona koa aho; Iaveh anie hamela ny mpanomponao amin'izany hiankohofako ao amin'ny tranon-dRemona izany. 19 Dia hoy Elisea taminy: Mandehana amim-piadanana! Dia nilaozan'i Naamana izy. 20 Vao lasa kelikely izy, dia hoy kosa Giezi mpanompon'i Elisea olon'Andriamanitra anakampony: Nitsimbina an'i Naamana Siriana ny tompoko, ka tsy nandray avy amin'ny tànany ny zavatra nentiny. Velona Iaveh! fa hihazakazaka hanaraka azy aho, ka hahazo zavatra aminy.
21 Dia rafitra nanaraka an'i Naamana Giezi. Vao nahatazana azy nihazakazaka nanaraka azy Naamana, dia nidina niala tamin'ny kalesiny hitsena azy, ka nanao hoe: Tsara ihany daholo va? 22 Dia hoy Giezi: Tsara daholo ihany. Nirahin'ny tompoko aho hilaza aminao hoe: Indro fa misy tovolahy roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany, vao tonga atý amiko avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima ka raha sitrakao, mba omeo talenta volafotsy iray sy fitafiana indroa miova kely ho azy ireo. 23 Ary hoy Naamana: Aoka re ho talenta roa no horaisinao. Sady nanery azy izy no nanisika tao anaty lasaka roa ny talenta roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, dia napetrany tamin'ny mpanompony roa lahy izany hoentiny eo alohan'i Giezi. 24 Nony tonga tao amin'ny havoana, nalain'i Giezi teny an-tanan'ireo izany, napetrany tao an-trano, dia nandefa ireo olona ireo izy ka lasa ireo. 25 Dia lasa niseho teo anatrehan'ny tompony izy, ka hoy Elisea taminy: Avy taiza ity hianao, ry Giezi? Dia hoy izy namaly hoe: Tsy taiza tsy taiza ny mpanomponao. 26 Fa hoy Elisea taminy: Tsy niaraka taminao va ny fanahiko, tamin'ilay nilaozan-dralehilahy ny kalesiny hitsena anao? Moa va izao no fotoana fandraisam-bola, na fandraisam-pitafiana, na oliva, na voaloboka, na ondry, na omby na mpanompo lahy sy vavy? 27 Koa hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan'i Naamana! Dia niala teo anatrehan'i Elisea Giezi ka fotsy hoatry ny oram-panala izy azon'ny habokana.
Toko faha-6
1 Ary hoy ny zanaky ny mpaminany tamin'i Elisea: Ety loatra ho anay ny toerana hipetrahanay eto anatrehanao.2 Ka aoka hankany Jordany izahay dia haka sakamandimby iray avy, hanaovanay trano itoeranay any. Dia hoy ny navaliny: Mandehana ary. 3 Fa hoy kosa ny anankiray tamin'izy ireo: Aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao koa hianao. Ary namaly izy hoe: Handeha aho; ka dia lasa niaraka taminy izy. 4 Nony tonga tany Jordany izy ireo, dia nikapa hazo. 5 Kanjo latsaka tany anaty rano ny lela famakin'ny anankiray tamin'izy ireo, tamin'ny nikapany sakamandimby ka nikiaka indray niantso izy nanao hoe: Indrisy, tompoko! sady zavatra nindramina iny. 6 Ary hoy ity olon'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy ny toerana. Ka nanapaka tapa-kazo iray Elisea natsipiny tamin'io toerana io, dia nitsinkafona ilay lela famaky. 7 Ary hoy izy: Raisonao izy. Dia natsotrany ny tànany ka noraisiny. 8 Niady tamin'Israely ny mpanjakan'i Siria. Nivory nidinika tamin'ny mpanompony izy ka niteny hoe: Any Ananona sy Ananona no hitobiako.
9 Fa naniraka hilaza amin'ny mpanjakan'Israely ny olon'Andriamanitra hoe: Tandremo fandrao mandalo any Ananona hianao, fa midina any ny Siriana. 10 Dia naniraka olona ho any amin'ny toerana voalazany sy natoron'ny olon'Andriamanitra ny mpanjakan'Israely, ka niambina tsara teny, tsy indray mandeha, na indroa ihany. 11 Nahavelon'ahiahy ny fon'ny mpanjakan'i Siria izany fihetsi-miaramila izany, ka niantso ny mpanompony izy, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Tsy tianareo hambara amiko va izay momba ny mpanjakan'Israely eto amintsika?
12 Fa namaly kosa ny iray tamin'ireo mpanompony nanao hoe: Tsy iza tsy iza, ry mpanjaka tompoko ô, fa Elisea mpaminany ao amin'Israely ihany, no milaza amin'ny mpanjakan'Israely, na dia izay teny lazainao ao an'efitrano fandrianao aza. 13 Ka hoy ny mpanjaka: Mandehana zahao izay itoerany, hanirahako hisambotra azy. Dia nisy nilaza taminy hoe: Indro izy, any Dotana. 14 Koa nandefa soavaly aman-kalesy ary miaramila betsaka, antokony iray, ho any izy; dia tonga alina tany ireo, ka notemerany ny tanàna. 15 Nifoha maraina koa kosa ny mpanompon'ny olon'Andriamanitra, ka nivoaka, ka indro antoko-miaramila anankiray manodidina ny tanàna omban-tsoavaly aman-kalesy. Ary hoy ilay mpanompo tamin'i Elisea hoe: Indrisy tompoko, ahoana no hataontsika? 16 Fa hoy ny navaliny: Aza matahotra na inona na inona, fa be noho ny momba azy ny momba antsika. 17 Sady nivavaka Elisea nanao hoe: Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany. Ary nosokafan'ny Tompo ny mason'ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an'i Elisea, ny tendrombohitra. 18 Nony nirotsaka ho eo amin'ity olon'Andriamanitra ny Siriana, nivavaka tamin'ny Tompo kosa Elisea nanao hoe: Raha sitrakao, asio fanjambana io firenena io. Dia nasian'ny Tompo fanjambana ireo, araka ny tenin'i Elisea.
19 Ka hoy Elisea taminy: Tsy ity no làlana, ary tsy ity no tanàna, fa izaho arahina, dia hitarika anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo. Ary tany Samaria no nitarihany azy ireo, 20 ka nony tafiditra tao Samaria izy, dia hoy Elisea: Iaveh ô, sokafy ny mason'ireto olona ireto, mba hahitany. Nosokafan'ny Tompo ny mason'izy ireo dia nahita, ka indro fa teo afovoan'i Samaria izy. 21 Nony nahita azy ireo kosa ny mpanjakan'Israely, dia nilaza tamin'i Elisea hoe: Hasiako amin'izao ve, hasiako amin'izao ve, ry ikaky ô? 22 Fa namaly Elisea hoe: Aza mamely. Izay azonao babo tamin'ny sabatra aman-tsipìkanao no asio, fa ireto kosa rosoy mofo sy rano hohaniny sy hosotroiny, dia aoka izy handeha ho any amin'ny tompony. 23 Koa nasain'ny mpanjakan'Israely nanaovana fanasana lehibe izy ireo, dia nihinana sy nisotro, vao nalefany handeha ho any amin'ny tompony. Izay dia tsy niverina tamin'ny tanin'Israely intsony ny mpitoha ady Siriana. 24 Taorian'izany, novorin'i Benhadada mpanjakan'i Siria ny tafiny rehetra, dia niakatra nanao fahirano an'i Samaria izy.
25 Nisy mosary lehibe tao Samaria, ary indro fa mafy loatra no nanaovana fahirano azy ka lafo volafotsy valopolo sikla ny loham-boriky iray, ary volafotsy dimy sikla, ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba. 26 Nony nandalo teny ambonin'ny manda kosa ny mpanjakan'Israely, dia nisy vehivavy anankiray nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko ô! 27 Dia hoy izy: Raha Iaveh tsy mamonjy anao, amin'inona no azoko amonjena anao? Amin'ny vokatry ny famoloana sa amin'ny famiazam-boaloboka? 28 Hoy koa ny mpanjaka taminy: Maninona hianao? Dia hoy ilay vehivavy: Ravehivavy ity no nanao tamiko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, fa ny ahy kosa hohanintsika rahampitso. 29 Ary efa nandrahoinay sy nohaninay ny zanako. Nony ampitso anefa nilazako izy nataoko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika? Kanjo efa nafeniny ny zanany! 30 Nony nandre ny tenin'io vehivavy io ny mpanjaka, dia nandrovitra ny fitafiany raha ilay nandalo teny ambony manda iny izy, ary hitan'ny vahoaka, ka indro ambanin'ny fitafiany, nitafy lasaka manolo-koditra azy izy. 31 Ary hoy ny mpanjaka: Hataon'ny Tompo amin'izay ngidiny indrindra anie aho, raha tafajanona eo amin'ny tenany ihany anio ny lohan'i Elisea zanak'i Safata.
32 Ary dieny mbola nipetraka tao an-tranony Elisea, ary nipetraka teo aminy koa ny loholona, dia naniraka olona avy ao aminy ny mpanjaka. Tsy mbola tonga tao amin'i Elisea akory anefa ilay iraka, dia hoy ELisea tamin'ny loholona: Fantatrareo va fa naniraka olona hanala amiko ny lohako ilay zanaky ny mpamono olona iny? Tandremo, fa rahefa tonga ny iraka, dia akatony ny varavarana, tereo amin'ny varavarana izy. Injay re manaraka any aoriany koa ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony. 33 Mbola niteny tamin'ireo izy, dia tafidina nankao aminy sahady ilay iraka, ka nanao hoe: Indro avy amin'ny Tompo izao loza izao, ka inona intsony no azoko antenaina amin'ny Tompo?