Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-7

1 Fa hoy Elisea: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo. Izao no lazain'ny Tompo: Rahampitso toy izao, eo am-bavahadin'i Samaria, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran'ny famarana, iray sikla dia hahazo orja indroan'ny famarana.

2 Fa namaly an'ity olon'Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany, ka nanao hoe: Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Iaveh? Dia hoy Elisea: Ho hitan'ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao. 3 Teo anoloan'ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?

4 Raha ny hankao an-tanàna no fidintsika, dia ao an-tanàna ny mosary ka ho faty ao isika; raha mijanona eto indray, ho faty ihany koa. Koa andeha hitsoboka any an-tobin'ny Siriana: Mamelona antsika moa izy, dia velona isika, mamono kosa izy dia ho faty isika. 5 Dia niainga izy nony takariva, nankany an-tobin'ny Siriana; ka tonga teo amin'ny fidiran'ny tobin'ny Siriana izy, ka indro fa tsy nisy olona teo. 6 Fa tao an-tobin'ny Siriana, dia nampandrenesan'ny Tompo figondongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: Injao fa nanamby ny mpanjakan'ny Heteana sy ny mpanjakan'ny Ejipsiana ho tonga hamely antsika ny mpanjakan'Israely. 7 Dia niainga izy ireo, ka iny takariva iny ihany dia rifatra nandositra, nilaozany teo ny lainy, ny soavaliny, ny ampondrany, dia ny tobiny araka izay nanorenana azy ka nitsoaka namonjy ny ainy izy. 8 Nitsofoka tamin'ny lay anankiray ireto boka efa-dahy, nony tonga tao amin'ny fidiran'ny toby, ary rahefa nisotro sy nihinana dia naka volafotsy sy volamena amam-pitafiana, ka nandeha nanafina izany. Niverina indray izy nitsofoka tamin'ny lay hafa, naka zavatra sy nanafina koa. 9 Izay izy ireo vao nifampilaza hoe: Tsy mety izao ataontsika izao, fa andro filazan-java-tsoa mahafaly anio, ka raha mangina isika ka miandry mandra-pahazavan'ny andro, dia hahazo sazy. Ka avia ary handeha isika hilaza amin'ny ao an-tranon'ny mpanjaka. 10 Dia niainga izy ireo, ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna, ary izao no filazana nataony: Nitsofoka tany an-tobin'ny Siriana izahay, ka indro tsy misy olona, na feon'olona akory, fa saovaly mifatotra, ampondra mifatotra, ary lay amin'ny toetra nananganana azy no hany ao. 11 Rafitra nihoby ny mpiambim-bavahady, sady nitondra ny vaovao tany anatin'ny tranon'ny mpanjaka. 12 Nifoha mbola alina ny mpanjaka, dia nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Tiako hambara aminareo izay ataon'ny Siriana amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka niala tamin'ny tobiny izy; niery any an-tsaha any, sy nifampilaza hoe: Rahefa tafavoaka ny tanàna ireny, dia hataontsika sambo-belona, ka hidirantsika ny tanàna. 13 Dia niteny ny iray tamin'ny mpanompony nanao hoe: Aoka ny dimy amin'ny soavaly sisa velona eto an-tanàna no halaina, - fa indreo izy ka toy ny be sy ny maro amin'Israely tafajanona ao, indreo izy fa tahaka ny be sy ny maro amin'Israely izay mandroso ho faty, - ka alefaontsika hizaha izany. 14 Dia nalaina ny kalesy roa mbamin'ny soavaliny, ka nandefa olona hanaraka ny dian'ny tafiky ny Siriana, ny mpanjaka, nanao hoe: Mandehana hianareo mizaha any. 15 Koa nandeha nanaraka azy hatrany Jordany ireo; ary indro ny lalambe rehetra dia rakotry ny fitafiana amam-panaka narian'ny Siriana, tamin'ny fikoropahany nandositra. Nony niverina ny iraka dia nilaza izany tamin'ny mpanjaka. 16 Nivoaka namabo ny tobin'ny Siriana ny vahoaka, ka sikla iray dia nahazo lafarina tsara indrindra eran'ny famarana, sikla iray dia nahazo orja indroan'ny famarana, araka ny tenin'ny Tompo.

17 Ilay manamboninahitra nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany no napetrany niambina ny vavahady, kanjo voahosihosin'ny tongotry ny vahoaka io manamboninahitra io, ka maty, araka ilay teny voalazan'ny olon'Andriamanitra, tamin'ny mpanjaka nidina tany aminy. 18 Izany tokoa, satria raha niteny tamin'ny mpanjaka ny olon'Andriamanitra nanao hoe: Iray sikla, dia hahazo orja indroan'ny famarana, iray sikla, dia hahazo lafarina tsara indrindra eran'ny famarana, rahampitso toy izao, eo am-bavahadin'i Samaria, 19 dia namaly ny olon'Andriamanitra kosa ilay manamboninahitra nanao hoe: Aiza ka dia ho tanteraka izany, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Iaveh? Ary Elisea efa nanao hoe: Indro fa ho hitan'ny masonao izany, fa tsy mba hihinananao. 20 Dia tanteraka taminy izany, fa voahosihosin'ny tongotry ny vahoaka tao am-bavahady izy, ka maty.

Toko faha-8

1 Ilay vehivavy maty anaka novelomin'i Elisea, dia efa nilazany hoe: Miaingà hianao, ka mandehana mitoetra any amin'izay azonareo itoerana any, hianao sy ny fianakavianao. Fa efa nanafatra ny mosary Iaveh, ka tamy tokoa ny mosary, sady haharitra fito taona amin'ny tany.

2 Koa niainga ravehivavy hanao araka ny voalazan'ny olon'Andriamanitra, ary lasa nandeha izy sy ny ankohonany, ka nitoetra fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistina izy. 3 Nony afaka fito taona, tafaverina avy any amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy ka nandeha hitaraina amin'ny mpanjaka, ny amin'ny tranony sy ny sahany. 4 Ny mpanjaka kosa, niresaka tamin'i Giezi mpanompon'ilay olon'Andriamanitra ka nanao hoe: Mba tantarao amiko kely ny zava-dehibe nataon'i Elisea. 5 Mbola niresaka tamin'ny mpanjaka ny amin'ny nananganan'ny tompony olona iray amin'ny maty teo izy, no inty ilay vehivavy renin'ny zaza maty novelomin'i Elisea, nanomboka nitalaho tamin'ny mpanjaka, ny amin'ny tranony sy ny sahany, ka hoy Giezi: Ry mpanjaka tompoko ô: inty eto ilay vehivavy, indro eo koa ilay zanany maty novelomin'i Elisea. 6 Dia nanontanian'ny mpanjaka ravehivavy, ka nitantara izany taminy; dia nomen'ny mpanjaka eonoka anankiray izy, nataony hoe: Asaovy haverina aminy avokoa izay azy rehetra mbamin'ny vokatry ny saha rehetra, hatramin'ny nialany tatý, ka mandrak'ankehitriny. 7 Nankany Damasa Elisea: ary narary Benhadada mpanjakan'i Siria, ka nilazan'ny olona izy, natao hoe: Tonga eto ilay olon'Andriamanitra.

8 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: Mitondrà fanomezana hianao, mandehana mitsena ilay olon'Andriamanitra, ary izy no anontanio izay tenin'ny Tompo, ataovy hoe: Mbola ho velona amin'ity aretina ity ihany va aho? 9 Nandeha nitsena azy Hazaela ary nentiny niaraka taminy hatao fanatitra ho azy izay zava-tsoa indrindra tao Damasa, dia entan-drameva efapolo. Nony tonga izy, dia niseho teo anatrehany, nanao hoe: Irahin'i Benhadada mpanjakan'i Siria zanakao aho, hiteny hoe: Ho velona aorian'ity aretina ity ihany va aho? 10 Ary hoy Elisea taminy: Mandehana, lazao azy hoe: Ho velona marina tokoa hianao. Nefa nasehon'ny Tompo tamiko fa ho faty mihitsy izy. 11 Dia nibanjina an'i Hazaela ity olon'Andriamanitra, ka nohandrininy teo io, any ka nahamenatra azy; dia nitomany ny olon'Andriamanitra. 12 Ka hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ny tompoko? Dia hoy ny navalin'i Elisea: Satria tsinjoko ny ratsy hataonao amin'ny zanak'Israely. Hodoranao amin'ny afo ny tanànany mimanda; hovonoinao amin'ny sabatra ny tovolahy ao aminy, hotorotoroinao ny ankizy madinika, ary hotatahanao ny kibon'ny vehivavy bevohoka. 13 Fa hoy Hazaela: Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany? Ary namaly Elisea: Efa nasehon'ny Tompo tamiko fa ho mpanjakan'i Siria hianao. 14 Nony niala teo amin'i Elisea Hazaela dia niverina nankao amin'ny tompony, ka nanontaniany hoe: Ahoana no nolazain'i Elisea taminao? Ary namaly izy hoe: Izao no nolazainy: Ho velona marina tokoa hianao. 15 Ny ampitson'izay naka firakofana anankiray Hazaela natsobony tamin'ny rano, dia nasarony ny tavan'ny mpanjaka, ka maty io. Ary Hazaela no nanjaka nandimby azy. 16 Tamin'ny taona fahadimin'ny nanjakan'i Jorama zanak'i Akaba mpanjakan'Israely, raha mbola mpanjakan'i Jodà Josafata, no vao nanjakan'i Jorama zanak'i Josafata mpanjakan'i Jodà.

17 Efa roa amby telopolo taona izy fony tonga mpanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema. 18 Nandeha tamin'ny làlan'ny mpanjakan'Israely izy tahaka ny nataon'ny taranak'i Akaba, fa zanakavavin'i Akaba no vadiny, ka nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy. 19 Tsy naringan'ny Tompo anefa Jodà, noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ny fampanantenany hanome azy jiro tsy tapaka eo amin'ny taranany. 20 Tamin'ny androny no nialan'i Edoma tsy ho ambanin'ny fanapahan'i Jodà, fa nanangana mpanjaka ho azy.

21 Ka nankany Seira Jorama nomban'ny kalesy rehetra; nifoha mbola alina izy namono ny Edomita manodidina azy, sy ny lehiben'ny kalesy, ary nandositra nankany an-dainy ny vahoaka. 22 Nitsoaka tsy ho ambanin'ny fanapahan'i Jodà intsony Edoma, mandrak'androany. Tamin'izany fotoana izany ihany koa, no nitsoaka ho afaka Lobna. 23 Ny sisa tamin'ny asan'i Jorama mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà?

24 Ary nodimandry any amin'ny razany Jorama, ka nalevina tao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida; dia Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy. 25 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folon'ny nanjakan'i Jorama, zanak'i Akaba, mpanjakan'Israely, no vao nanjakan'i Okoziasa zanak'i Jorama, mpanjakan'i Jodà.

26 Efa roa amby roapolo taona Okoziasa, fony tonga mpanjaka, ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak'i Amrì, mpanjakan'Israely. 27 Nandeha tamin'ny làlan'ny taranak'i Akaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo toy ny tarakan'i Akaba, fa vinanton'ny taranak'i Akaba izy. 28 Niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Akaba izy, hiady amin'i Hazaela mpanjakan'i Siria, tany Ramota, any Galaada. Voaratran'ny Siriana Jorama, 29 ka niverina ho any Jezrahela hampitsabo tena amin'ny ratra namelezan'ny Siriana azy tany Ramota, fony izy niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Siria. Nidina Okoziasa zanak'i Jorama mpanjakan'i Jodà, hamangy an'i Jorama zanak'i Akaba ao Jezrahela fa narary izy.

Toko faha-9

1 Ary niantso ny anankiray amin'ny zanaky ny mpaminany Elisea mpaminany, ka nanao hoe: Misikina hianao; raiso eo an-tànanao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramota any Galaada.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1499