Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko faha-9
2 Rahefa tonga any hianao, zahao Jeho zanak'i Josafata zanak'i Namsì, ka rahefa tafahatona eo anilany dia asaovy hitsangana avy eo amin'ireo rahalahiny izy, dia ento mankany an'efitrano mangingina, 3 ary raiso ny tavoara misy diloilo, aidino amin'ny lohany, ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Hosorako ho mpanjakan'Israely hianao. Dia vohay ny varavarana ka mandosira fa aza mijanonjanona. 4 Dia nandeha ilay zatovo, mpanompon'ny mpaminany, ho any Ramota, any Galaada.5 Nony tonga izy, indreo ny lehiben'ny tafika mipetraka eo, ka hoy izy: Ry Komandy ô, misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto? Dia namaly izy: Aminao, Komandy. 6 Koa nitsangana nankao an-trano Jeho, ary ilay zatovo kosa sady nanidina ny diloilo tamin'ny lohany no nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Hosorako ho mpanjakan'Israely vahoakan'ny Tompo hianao. 7 Hamely ny tranon'i Akaba tomponao hianao, ary hampanodiaviko an'i Jezabela ny ran'ny mpaminany mpanompoko, sy ny ran'ny mpanompon'ny Tompo rehetra. 8 Haringana ny tranon'i Akaba rehetra, hofongorako ny lahy rehetra izay an'i Akaba, na ny manompo olona na ny olona afaka amin'Israely, 9 ka hampanahafiko ny tranon'i Jeroboama zanak'i Nabata sy ny an'i Baasa zanak'i Ahia, ny tranon'i Akaba. 10 Hohanin'ny alika eo amin'ny sahan'i Jezrahela Jezabela, ary tsy hisy olona handevina azy. Dia novohan'ilay zatovo ny varavarana, ka lasa nandositra izy. 11 Fa Jeho kosa nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony, ka hoy ireo taminy hoe: Tsara ihany daholo va? Fa ahoana no nalehan'ilay adala iny tao aminao? Dia hoy ny navaliny azy ireo: Samy fantatrareo ihany, na ralehilahy na ny teniny.
12 Fa namaly izy ireo nanao hoe: Lainga izany, fa ambarao aminay izany! Ary hoy izy hoe: Izany sy izany no nolazainy tamiko, nataony hoe: izao no lazain'ny Tompo: Hosorako ho mpanjakan'Israely hianao. 13 Niaraka tamin'izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin'i Jeho, teo an-tampon'ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: Jeho no mpanjaka! 14 Nanao teti-dratsy Jeho zanak'i Josafata, zanak'i Namsì, hamely an'i Jorama. Jorama sy Israely rehetra tamin'izany, dia niaro an'i Ramota any Galaada, tsy ho azon'i Hazaela mpanjakan'i Siria, 15 saingy niverina nankany Jezrahela Jorama mpanjaka hampitsabo tena amin'ny ratra nahavoazan'ny Siriana azy, tamin'izy niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Siria. Ka hoy Jeho: Raha maniry izany ary hianareo, aza misy mitsoaka eto an-tanàna ny olona, ka andeha hilaza izany any Jezrahela. 16 Dia niakatra teo amin'ny kalesiny Jeho, ka niainga nankany Jezrahela, fa nandry tany Jorama, ary nidina namangy an'i Jorama any koa Okoziasa mpanjakan'i Jodà. 17 Tazan'ny mpitily nitoetra tao an-tampon'ny tilikambon'i Jezrahela kosa ny nihavian'ny antoko-miaramilan'i Jeho ka nolazainy hoe: Mahatazana antoko-miaramila aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly anankiray, iraho hitsena azy ireo ka hanontany hoe: Fihavanana va izao?
18 Dia nandeha nitsena an'i Jeho ny mpitaingin-tsoavaly, ka nanao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Fihavanana va izao? Fa namaly Jeho nanao hoe: Mampaninona anao izay fihavanana? Fa avia aty aoriako hianao! Nampandre izany ny mpitily nanao hoe: Lasa tafapaka teny aminy ny iraka, nefa tsy niverina. 19 Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama; ka tonga teny izy ary nanao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Fihavanana va izao? Fa namaly Jeho nanao hoe: Mampaninona anao izay fihavanana? Avia atý aoriako hianao! 20 Koa nampandre izany ny mpitily nanao hoe: Lasa tafapaka teny aminy ny iraka nefa tsy niverina. Sahala amin'ny fitarik'i Jeho zanak'i Namsì ny fitariny, fa nitarika toy ny olona adala izy. 21 Dia hoy Jorama: Ataovy amin'ny kalesy ny soavaly. Dia natao tamin'ny kalesiny ny soavaly. Nivoaka samy tamin'ny kalesiny avy, Jorama mpanjakan'Israely, sy Okoziasa, mpanjakan'i Jodà, nivoaka nitsena an'i Jeho, ka nifanena taminy tao amin'ny sahan'i Nabota, any Jezrahela. 22 Raha nahita an'i Jeho Jorama, dia nanao taminy hoe: Fihavanana va izao, ry Jeho? Fa namaly kosa Jeho: Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan'i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony? 23 Dia nampihodina ny kalesiny Jorama, nitsoaka nandositra, sady nilaza tamin'i Okoziasa hoe: Fivadihana ity, ry Okoziasa. 24 Fa noraisin'i Jeho teo an-tànany kosa ny tsipìkany, nasiany Jorama teo anelanelan'ny sorony; tafagorobaka tamin'ny fony ny zana-tsipìka, ka nitambotsitra tao anaty kalesiny tao Jorama. 25 Ary hoy Jeho tamin'i Badakera lefiny: Raiso io, atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota ao Jezrahela, satria tsarovy ilay izaho sy hianao niara-nitaingin-tsoavaly nanaraka an'i Akaba iny, ka nitenenan'ny Tompo izao teny nihatra taminy izao hoe: 26 Marina fa toy ny nahitako omaly ny ran'i Nabota sy ny ran-janany, - teny marin'ny Tompo izao, - dia hataoko ho todin'izany hianao ato amin'ity saha ity ihany, - teny marin'ny Tompo izao; - koa raiso io, atsipazo amin'ny saha araka ny tenin'ny Tompo. 27 Raha nahita izany Okoziasa mpanjakan'i Jodà, dia nandositra tamin'ny làlan'ny tranon'ny zaridaina. Fa nenjehin'i Jeho izy sady nataony hoe: Asio ao anaty kalesiny ao ihany koa iny. Dia nasian'ny olona izy, teo amin'ny fiakaran'i Gavera, akaikin'i Jeblaama. Nandositra nankany Magedao izy, dia maty tao.
28 Nentin'ny mpanompony tamin'ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka naleviny tao am-pasany, tao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida. 29 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folon'ny nanjakan'i Jorama, zanak'i Akaba, no nahatongavan'i Okoziasa ho mpanjakan'i Jodà. 30 Dia niditra tao Jezrahela Jeho. Raha nandre izany Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.
31 Nony niditra ny vavahady Jeho dia hoy izy: Fihavanana va izao, ry Zamrì, mpamono tompo? 32 Niandrandra tany am-baravarankely izy, dia nanao hoe: Iza no momba ahy? Iza? Eonoka roa na telo no nitsirika avy, 33 dia nataony hoe: Azerao atý ambany izy io! Dia nazeran'ireo izy, ka nifantsitsitra tamin'ny rindrina sy ny soavaly ny rany, ary nohosen'i Jeho tamin'ny tongony izy. 34 Rahefa izany dia niditra izy ary nihinana sy nisotro ka nanao hoe: Mandehana tsiriho ilay vehivavy voaozona dia aleveno, fa zanaky ny mpanjaka izy. 35 Dia nandeha handevina azy izy ireo, kanjo ny karan-dohany sy ny tongony aman-pelatanany sisa tratrany teo. 36 Ka niverina nilaza izany tamin'i Jeho izy, fa hoy izy: Izany no tenin'ny Tompo notononiny tamin'ny alàlan'i Elia Tesbita, nataony hoe: Hohanin'ny alika ao amin'ny sahan'i Jezrahela ny nofon'i Jezabela, ary hanahaka ny zezika eo ambonin'ny tany ao amin'ny sahan'i Jezrahela ny fatin'i Jezabela, ka tsy ho azo lazaina akory hoe: Jezabela ity.
Toko faha-10
1 Nisy zanak'i Akaba fitopolo lahy tany Samaria, ka nanoratra taratasy Jeho nampitondrainy tany Samaria ho an'ny lehiben'i Jezrahela, dia ny loholona, ary ho an'ny tonian'ny fikarakarana ny zanak'i Akaba, ary izao no teniny:2 Raha vao tonga atý aminareo ity taratasy ity, - satria mbola eo aminareo ny zanaky ny tomponareo, eo aminareo koa ny kalesy aman-tsoavaly mbamin'ny tanàna mimanda sy ny fiadiana, - 3 dia zahao izay tsara sy mety indrindra amin'ny zanaky ny tomponareo ka apetraho eo amin'ny seza fiandrianan-drainy, ary miadia ho an'ny tranon'ny tomponareo. 4 Fa raiki-tahotra mafy izy ireo, ka nilaza hoe: Indro fa mpanjakan roa aza tsy nahatohitra azy, ka hataontsika ahoana no fanohitra? 5 Dia naniraka olona ny lehiben'ny tao an-dapa, ny komandin'ny tanàna, ny loholona mbamin'ny toniany, hilaza amin'i Jeho hoe: Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy. 6 Dia nanoratra taratasy fanindroany ho any amin'izy ireo Jeho nanao hoe: Raha momba ahy sy mihaino ny feoko hianareo, alao ny lohan'ireo lehilahy, zanaky ny tomponareo, ka tongava atý amiko atý Jezrahela rahampitso toy izao. Tao amin'ny lehiben'ny tanàna, izay nitaiza azy, izy fitopolo lahy, zanaky ny mpanjaka.
7 Ka nony tonga tany amin'izy ireo ny taratasy, novonoiny avokoa izy fitopolo lahy, ary nataony an-tsobiky ny lohany, dia nalefany ho any amin'i Jeho, tany Jezrahela. 8 Dia nampandre azy izany ny iraka, nanao hoe: Nentiny ny lohan'ny zanaky ny mpanjaka; ka hoy izy: Ataovy roa toko mifanongoa ao anoloan'ny vavahady izany, mandra-pahamarain'ny andro. 9 Nony maraina, dia nivoaka izy ary niseho teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izy nanao hoe: Marina hianareo; indreo fa nikomy tamin'ny tompoko aho sy namono nahafaty azy, fa iza kosa no namono an'ireto rehetra ireto? 10 Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'ny Tompo, izay notononin'ny Tompo ny amin'ny taranak'i Akaba, ary notanterahin'ny Tompo izay nolazainy tamin'ny alàlan'i Elia mpanompony. 11 Dia novonoin'i Jeho avokoa izay sisa rehetra tamin'ny tranon'i Akaba, tao Jezrahela, na ny olom-baventiny rehetra, na ny havany amam-pisorony rehetra, ka tsy nasiany niangana na dia iray aza. 12 Rahefa izany dia nitsangana izy ary niainga nankany Samaria. Nony mby teo amin'ny trano anankiray fivorian'ny mpiandry ondry teny an-dàlana izy,
13 dia nahita ireo rahalahin'i Okoziasa Jeho ka nanao hoe: Iza hianareo? Ary hoy ny navalin'ireo: Rahalahin'i Okoziasa izahay, ary midina hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka, sy ny zanakalahin'ny andriambavy. 14 Ka hoy Jeho: Ataovy sambo-belona ireo. Dia nataony sambo-belona ireo, ka novonoiny tao an-davaka famorian-dranon'ilay trano fivoriana; roa amby efapolo lahy no isany, ary tsy nasian'i Jeho niangana ireo na dia iray aza. 15 Nony niala teo izy, dia nifanena tamin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay tonga hitsena azy, ka niarahaba azy sy nanao taminy hoe: Mba tsotra tahaka izany foko aminao izany va ny fonao? Dia namaly Jonadaba hoe: Izany indrindra. Raha izany ary, hoy Jeho, tolory tànana aho. Dia natolotr'i Jonadaba azy ny tànany, ka nasain'i Jeho niakatra ho eo anilany teo ambony kalesy izy, nataony hoe: