Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-10

16 Andeha hiaraka amiko, ary ho hitanao ny zotom-poko ho an'ny Tompo. 17 Dia toy izany no nitondrany azy teny amin'ny kalesiny. Nony mby tany Samaria, dia novonoin'i Jeho avokoa izay tamingan'i Akaba sisa rehetra, ka nataony fongotra mihitsy araka ny tenin'ny Tompo nolazainy tamin'i Elia. 18 Nony efa izany, novorin'i Jeho ny vahoaka rehetra, ka hoy izy taminy: Kely no nanompoan'i Akaba an'i Baala, fa fatratra no hanompoan'i Jeho azy.

19 Koa ankehitriny vorio hankaty amiko avokoa ny mpaminanin'i Baala rehetra sy ny mpanompony rehetra, ary ny mpisorony rehetra: aza misy tsy tonga na dia iray aza, fa hanatitra sorona lehibe amin'i Baala aho, ka tsy hovelomina izay tsy tonga na iza na iza. Kanjo hafetsena no nanaovan'i Jeho izany, handringanana ny mpanompon'i Baala. Hoy Jeho: 20 Lazao ampahibemaso fa hisy fivoriana manetriketrika hankalazana an'i Baala. Dia nolazaina ampahibemaso izany. 21 Nandefa iraka tany amin'Israely rehetra Jeho, ka tonga avokoa ny mpanompon'i Baala rehetra tsy nisy nijanona ka tsy tonga, na dia iray aza. Niditra tao an-tranon'i Baala izy ireo, ka feno ny tranon'i Baala hatrany aloha ka hatrany aoriana. 22 Ary hoy Jeho tamin'ny mpiambina ny trano fitehirizana akanjo: Amoahy akanjo avokoa ny mpanompon'i Baala rehetra. Dia namoaka akanjo ho azy ireo izy. 23 Ary tamin'izay dia tonga tao an-tranon'i Baala Jeho niaraka tamin'i Jonadaba zanak'i Akaba, ka hoy izy tamin'ny mpanompon'i Baala: Karohy ary zahao, mba tsy hisy mpanompon'ny Tompo eto aminareo, fa ny mpanompon'i Baala ihany. 24 Rahefa tafiditra izy ireo hanatitra sorona sy sorona dorana, dia nametraka valopolo lahy tao alatrano Jeho nanao hoe: Raha misy mitsoaka amin'ireo olona apetrako eo an-tànanareo ireo, dia hisolo aina azy izay nandefa azy.

25 Vao tapitra ny fanaterana ny sorona dorana, dia hoy Jeho tamin'ireo mpihazakazaka sy manamboninahitra: Midira, vonoy ireo, ka aza asiana iray tafavoaka! Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ireo; narian'ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra teo ireo; dia niditra tao amin'ny fitoerana masin'ny tranon'i Baala izy, 26 ka navoakany nodorana ny tsangam-bato tao an-tranon'i Baala, 27 nomontsamontsaniny ny tsangam-baton'i Baala ary nazerany koa ny tranon'i Baala ka nataony trano fivoahana ka mbola tao mandrak'androany. 28 Nofongoran'i Jeho ao amin'Israely Baala.

29 Nefa tsy niviliany nialany ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely, na ny zanak'omby volamena izay ao Betela sy ao Dana. 30 Ary hoy Iaveh tamin'i Jeho: Noho hianao nanatanteraka tokoa izay mahitsy eo imasoko sy nanao tamin'ny tranon'i Akaba araka izay rehetra tao am-poko, ny zanakao hatramin'ny taranaka fahefatra kosa, dia hitoetra eo amin'ny seza fiandrianan'Israely. 31 Tsy notandreman'i Jeho anefa ny handeha amin'ny fony rehetra araka ny lalan'ny Tompo Andriamanitr'Israely, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanota an'Israely izy. 32 Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanabangan'ny Tompo ny tanin'Israely. Noresen'i Hazaela hatraiza hatraiza ny Israelita tamin'ny sisin-tanin'Israely;

33 hatrany Jordany any amin'ny fiposahan'ny masoandro, dia ny tany Galaada rehetra, ny Gadita, ny Robenita, ny Manasita, hatrany Aroera, amin'ny ranon-driaka Arnona, ka hatrany Galaada sy Basana. 34 Ny sisa amin'ny asan'i Jeho mbamin'izay rehetra nataony sy ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

35 Ary nodimandry any amin'ny razany Jeho ka nalevina tao Samaria. 36 Joakaza zanany no nanjaka nandimby azy. Valo amby roapolo taona no andro nanjakan'i Jeho tamin'Israely tany Samaria.

Toko faha-11

1 Nony hitan'i Atalia renin'i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra.

2 Fa Josaba zanakavavin'i Jorama mpanjaka, sy anabavin'i Okoziasa, naka an'i Joasa zanak'i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin'ny zanak'andriana, izay novonoin'ny olona, ary nametraka azy mbamin'ny mpitaiza azy, tao an'efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan'ny mason'i Atalia, ka tsy novonoina izy. 3 Enin-taona no nieren'izy sy Josaba tao an-tranon'ny Tompo. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany. 4 Tamin'ny taona fahafito, Joiada naniraka haka ny tompon-jaton'ny Kariana sy ny mpihazakazaka ary nasainy hanatona azy ao an-tranon'ny Tompo. Nanao fanekena tamin'izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon'ny Tompo izy, dia nasehony azy ity zanaky ny mpanjaka.

5 Rehefa izany, dia izao no baiko nomeny azy ireo: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miditra hanao fanompoana amin'ny andro sabata mba hiambina ny tranon'ny mpanjaka, - 6 ny ampahatelony eo am-bavahady Sora, ny ampahatelony eo am-bavahadin'ny mpiambina, - dia hiambina ny tranon'ny Tompo mba hiaro ny fidirana ao. 7 Ny roa toko sisa aminareo, izay rehetra miala fanompoana amin'ny andro sabata kosa mba hiambina ao amin'ny tranon'ny Tompo ao akaikin'ny mpanjaka, 8 dia hanemitra manodidina ny mpanjaka samy hitam-piadiana avy, ka raha misy miditra ny laharana, dia vonoy ho faty, ary ho eo akaikin'ny mpanjaka hianareo na mivoaka izy na miditra. 9 Notanterahin'ny tompon-jato avokoa ny didy nomen'i Joiada mpisorona azy. Samy naka ny olom-peheziny avy izy ireo, na ny milatsaka amin'ny fanompoana amin'ny andro sabata, na ny miala amin'ny fanompoana amin'ny andro sabata, dia nankany amin'i Joiada mpisorona.

10 Natolotry ny mpisorona ny tompon-jato ny lefona aman'ampinga izay an'i Davida mpanjaka, sy nipetraka tao an-tranon'ny Tompo. 11 Samy nitam-piadiana ny mpihazakazaka dia nilahatra hatramin'ny lafin-trano ao an-kavanana, ka hatramin'ny lafiny havia, akaikin'ny otely, sy ny akaikin'ny trano, any ka voahodidiny ny mpanjaka. 12 Naroson'ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany, ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! 13 Nony nandre ny fihahohahon'ny mpihazakazaka sy ny vahoaka Atalia dia nankao amin'ny vahoaka izy, ao an-tranon'ny Tompo.

14 Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny lapihazo araka ny fanao. Teo anilan'ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trompetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trompetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia, ka niantso hoe: Teti-dratsy! Teti-dratsy! 15 Tamin'izay Joiada mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy ary nilaza taminy hoe: Ento izy eo anelanelan'ny laharanareo hivoaka ny trano, ary vonoy amin'ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza vonoina eto an-tranon'ny Tompo izy. 16 Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, dia nandeha tamin'ny làlana fidiran-tsoavaly ho ao amin'ny lapan'ny mpanjaka ravehivavy, ka teo no namonoana azy. 17 Nampanaovin'i Joiada fanekena tamin'ny Tompo sy ny mpanjaka ary ny vahoaka, ny tsy maintsy haha-vahoakan'ny Tompo azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.

18 Ny vahoaka rehetra tamin'ny tany dia niditra tao amin'ny tranon'i Baala ka noravany; ny otely aman-tsary nomontsaniny, ary Matana mpisoron'i Baala novonoiny teo anoloan'ny otely. Nony nametraka mpiambina tao amin'ny tranon'ny Tompo 19 Joiada mpisorona, dia nalainy avokoa ny tompon-jato, ny Kariana, ny mpihazakazaka, mbamin'ny vahoaka rehetra tamin'ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka, dia nididtra tao an-dapan'ny mpanjaka tamin'ny vavahadin'ny mpihazakazaka, ka nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka Joasa. 20 Nifaly avokoa ny vahoaka rehetra tamin'ny tany, nandry fahizay ny tanàna, ary novonoina tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka Atalia.

Toko faha-12

1 Vao fito taona Joasa dia tonga mpanjaka.

2 Tamin'ny taona fahafiton'ny nanjakan'i Jeho no vao tonga mpanjaka Joasa ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebia, avy any Bersabea. 3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo Joasa tamin'ny andro rehetra nanoloran'i Joiada mpisorona fampianarana azy. 4 Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizan'ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin'ny fitoerana avo. 5 Ary hoy Joasa tamin'ny mpisorona: Ny volan'ny fitoerana masina rehetra izay aterin'ny olona ao an-tranon'ny Tompo dia ny vola fandoan'ny isan'olona, ny vola avotry ny olona araka ny fanombanana azy avy, ary ny vola rehetra aterin'ny olona samy araka ny fahazotoany avy, ao an-tranon'ny Tompo,

6 dia aoka horaisin'ny mpisorona samy avy amin'ny olom-pantany avy, ary aoka hamboatra ny banga amin'ny trano izy ireo amin'izay rehetra hita fa misy banga. 7 Kanjo, indro fa tamin'ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan'i Joasa, dia mbola tsy voavaotran'ny mpisorona ihany ny banga amin'ny trano, 8 ka dia niantso an'i Joiada mpisorona sy ny mpisorona hafa Joasa mpanjaka nilaza tamin'izy ireo hoe: Nahoana no tsy amboarinareo ny banga amin'ny trano? Koa ankehitriny, aza raisinareo intsony ny vola amin'ny olom-pantatrareo, fa atolory hanamboarana ny banga amin'ny trano. 9 Dia nanaiky ny tsy handray vola amin'ny vahoaka intsony ny mpisorona, ka tsy azy intsony ny hanamboatra ny banga amin'ny trano.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.146