Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-12

10 Koa naka vata anankiray Joiada mpisorona nasiany loaka ny sarony, napetrany teo anilan'ny otely an-kavanan'ny fidirana ho ao an-tranon'ny Tompo, dia nataon'ny mpisorona mpiandry varavarana tao ny vola rehetra naterin'ny olona tao an-tranon'ny Tompo.

11 Nony hitan'izy ireo fa efa misy betsaka ny vola ao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisorona lehibe hamehy sy hanisa ny vola rehetra izay ao an-tranon'ny Tompo. 12 Dia napetrak'izy ireo eo an-tanan'izay mpanao ny asa, izay voatendry hikarakara ny tranon'ny Tompo, ny vola voalanja, ka ireo no nanome azy ho an'ny mpandrafitra sy ny mpanao taozavatra, izay niasa tamin'ny tranon'ny Tompo, 13 ny mpandrafitra vato, ny tambato; nanome izany koa izy ireo hividianana hazo amam-bato voapaika, hanamboarana ny banga amin'ny tranon'ny Tompo, mbamin'ny lany rehetra hanamafisana ny trano. 14 Nefa tsy mba nanaovana fitoeran-drano volafotsy, na antsy, na kapoaka, na trompetra, na fanaka volamena na fanaka volafotsy, hatao ao an-tranon'ny Tompo ny vola naterin'ny olona tao an-tranon'ny Tompo, 15 fa nomena an'ireo nampanao ny raharaha ihany, hoentiny manamboatra ny tranon'ny Tompo. 16 Tsy nampamoahina ny olona nametrahana ny vola homena izay nampanao ny asa, satria nanaraka ny rariny izy. 17 Ny vola tamin'ny sorona noho ny ota sy ny sorona noho ny heloka dia tsy mba naterina tao an-tranon'ny Tompo fa an'ny mpisorona. 18 Tamin'izany, niakatra namely an'i Geta, Hazaela, mpanjakan'i Siria, ka nahafaka azy. Dia nikasa hiakatra hamely an'i Jerosalema izy.

19 Fa nalain'i Joasa mpanjakan'i Jodà kosa ny zava-boahasina rehetra izay nohamasinin'ny razany, Josafata, Jorama, Okoziasa mpanjakan'i Jodà, sy izay nohamasin'ny tenany, mbamin'ny volamena rehetra izay tao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an'i Hazaela mpanjakan'i Siria avokoa izany, dia lasa lavitra an'i Jerosalema izy io. 20 Ny sisa tamin'ny asan'i Joasa mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?

21 Nikomy taminy ny mpanompony ary nanao teti-dratsy, dia nasiany tao an-tranon'i Melao amin'ny fidinan'i Sela Joasa. 22 Josakara zanak'i Semaata sy Josabada zanak'i Somera, mpanompony, no namely azy, ka dia maty izy. Nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Toko faha-13

1 Tamin'ny fahatelo amby roapolon'ny taona nanjakan'i Jodà no vao nanjaka tamin'Israely tao Samaria kosa Joakaza zanak'i Jeho. Ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo izy, nanahaka ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely, fa tsy niala tamin'izany. 3 Ka nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo dia natolony teo an-tànan'i Hazaela mpanjakan'i Siria sy teo an-tanan'i Benhadada zanak'i Hazaela mandrakariva izy. 4 Nitaraina tamin'ny Tompo Joakaza, dia nihaino azy Iaveh, fa hitany ity fahorian'Israely, tamin'ny nampijalian'ny mpanjakan'i Siria azy, 5 ka nanome mpamonjy ho an'Israely Iaveh. Nony afaka tamin'ny tànan'ny Siriana ny zanak'Israely dia nonina teo amin'ny lainy toy ny taloha indray. 6 Kanefa izy ireo tsy mba niala tamin'ny fahotan'ny tranon'i Jeroboama, izay nampanota an'Israely, fa nizotra tamin'izany, ary na ny aseraha aza, mbola nitsangana tao Samaria. 7 Fa izao ihany no vahoaka ary fiadiana navelan'ny Tompo ho an'i Joakaza: mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, miaramila an-tongotra iray alina, fa naringan'ny mpanjakan'i Siria izy ireo, ka nampanjariany ho toy ny vovoka fanitsaky ny tongotra. 8 Ny sisa tamin'ny asan'i Joakaza mbamin'izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

9 Ary nodimandry any amin'ny razany Joakaza ka nalevina tao Samaria, dia Joasa zanany no nanjaka nandimby azy. 10 Tamin'ny fahafito amby telopolon'ny taona nanjakan'i Joasa mpanjakan'i Jodà no vao nanjaka tamin'Israely tany Samaria kosa Joasa zanak'i Joakaza; enina ambin'ny folo taona no nanjakany.

11 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, fa tsy nisy nialany na dia iray aza ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely, fa nanaraka izany. 12 Ny sisa tamin'ny asan'i Joasa, mbamin'izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiny tamin'i Amasiasa, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany? 13 Dia nodimandry amin'ny razany Joasa, ary Jeroboama no nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany; ka nalevina tao Samaria amin'ny mpanjakan'Israely Joasa. 14 Ary Elisea nararin'ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy Joasa mpanjakan'Israely, dia nitomany teo ambonin'ny tavany nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin'Israely amam-pitaingin-tsoavaliny!

15 Ka hoy Elisea taminy: Mangalà tsipìka aman-jana-tsipìka. Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy. 16 Ary hoy Elisea tamin'ny mpanjakan'Israely: Ataovy ambonin'ny tsipìka ny tànanao. Nony nanao ny tànany ambonin'ny tsipìka izy, da napetrak'i Elisea teo ambonin'ny tànan'ny mpanjaka ny tànany, ka hoy izy: 17 Vohay ny varavaran-kely tandrifin'ny atsinanana, dia namoha izy; ary hoy Elisea: Mandefasa zana-tsipìka iray; ka nandefa zana-tsipìka iray izy; dia nataon'i Elisea hoe: Zana-tsipìkan'ny famonjena avy amin'ny Tompo iny, dia zana-tsipìkan'ny famonjena hamelezana ny Siriana. Fa hamely ny Siriana ao Afeka hianao, mandra-paharingany. 18 Ary hoy indray Elisea: Raiso ny zana-tsipìka. Dia nandray izy. Ary hoy Elisea tamin'ny mpanjakan'Israely: Tifiro ny tany, ka nitifitra intelo izy dia nitsahatra. 19 Fa tezitra taminy ity olon'Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Tokony ho nitifitra indimy na inenina hianao, ary amin'izany, dia ho namely ny Siriana mandra-paharingany mihitsy, fa izao dia intelo monja no hamelezanao azy. 20 Maty Elisea ka nalevina. Tamin'ny fitsingerena'ny taom-baovao dia nisisika tamin'ny tany ny andian-jirika Moabita.

21 Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin'ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan'i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin'ny tongony. 22 Tamin'ny andro rehetra nanjakan'i Joakaza dia nampahory an'Israely Hazaela mpanjakan'i Siria.

23 Namindra fo tamin'izy ireo anefa Iaveh ka niantra azy; nitodika azy izy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba; tsy te-handringana azy ireo izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak'ankehitriny. 24 Ary maty Hazaela mpanjakan'i Siria, ka Benhadada zanany no nanjaka nandimby azy. 25 Nalain'i Joasa zanak'i Joakaza teo an-tanan'i Benhadada zanak'i Hazaela ireo tanàna nalain'i Hazaela tamin'ny adin'izy sy Joakaza rainy. Namely azy intelo Joasa dia azony indray ny tanànan'Israely.

Toko faha-14

1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasa, zanak'i Joakaza mpanjakan'Israely, no vao nanjaka Amasiasa zanak'i Joasa, mpanjakan'i Jodà.

2 Efa dimy amby roapolo taona izy fony vao nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Joadana avy any Jerosalema. 3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy, fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasa rainy ihany no nataony. 4 Ny fitoerana avo anefa tsy mbola foana, mbola notohizan'ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin'ny fitoerana avo. 5 Nony azony mafy teo an-tànany ny fanjakana dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy. 6 Fa tsy novonoiny ny zanak'ireo mpamono, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Moizy, izay misy izao didy nomen'ny Tompo izao: Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa samy vonoina noho ny fahotany ihany avy. 7 Nandresy Edomita iray alina tao amin'ny lohasahan-tSira izy, ary nananika nahafaka an'i Sela dia nomeny anarana hoe Jektehela io mandrak'androany. 8 Tamin'izany Amasiasa nandefa iraka tany amin'i Joasa zanak'i Joakaza zanak'i Jeho mpanjakan'Israely nanao hoe: Avia, ary aoka hifankahita mifanatrika isika.

9 Ary Joasa mpanjakan'Israely naniraka hamaly an'i Amasiasa mpanjakan'i Jodà: Ny tsilo ao amin'ny Libana no naniraka hilaza tamin'ny hazo sedra ao amin'i Libana hoe: Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy; ka ny biby dia ao amin'i Libana nandalo nanosihosy ny tsilo. 10 nandresy ny Edomita marina hianao, ka dia nisandratra ny fonao. Mirehareha ary mijanona any aminao. Nahoana hianao no dia mihitsoka amin'ny loza; ka ho lavo hianao, dia ny tenanao sy Jodà miaraka aminao? 11 Tsy nihaino azy anefa Amasiasa, ka dia niakatra Joasa mpanjakan'Israely, ary nifankahita nifanatrika tao Bethsamesa izay an'i Jodà izy sy Amasiasa mpanjakan'i Jodà. 12 Resy teo anoloan'Israely Jodà ka samy nandositra ho any an-dainy avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1437