Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-17

26 Ary nisy nanao filazana tamin'ny mpanjakan'i Asiria nanao hoe: Tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany any ireo firenena nataonao sesi-tany sy namponeninao any amin'ny tanànan'i Samaria, ka nandefasany liona; ka indro fa namono azy ireo, satria tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany. 27 Ka dia izao no didy nomen'ny mpanjakan'i Asiria: Maniraha mpisorona anankiray amin'ireo nentinareo ho babo avy any, dia izay no aoka handeha honina any, hampianatra azy ireo ny fomba fanompo ny andriamanitry ny tany any. 28 Dia tonga ny anankiray amin'ireo mpisorona, nentin-ko babo avy any Samaria, ka nonina tao Betela, sy nampianatra azy ireo ny tsy maintsy ataony hanajany an'ny Tompo. 29 Kanjo isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy koa, sy nametraka azy tao amin'ny tranon'ny fitoerana avo naorin'ny Samaritana, tamin'izay tanàna nipetrahany avy isam-pirenena. 30 Ny olona avy any Babilona nanao an'i Sokota-Benota, ny olona avy any Kota nanao an'i Nergela, ny olona avy any Emata nanao an'i Asima; 31 ny avy any Avah, nanao an'i Nebahaza sy Tartaka, ny avy any Sefarvaima nandoro ny zanany tamin'ny afo ho fanajana an'i Adrameleka sy Anameleka andriamanitr'i Sefarvaima. 32 Nanaja an'ny Tompo izy ireo, ka nananganany mpisorona amin'ny fitoerana avo, mpisorona avy amin'ny vahoaka rehetra, ka nanatitra sorona ho azy ireo tao amin'ny tranon'ny fitoerana avo ireny. 33 Koa arak'izany, dia sady nanaja an'ny Tompo izy ireo, no nanompo ny andriamaniny, araka ny fanaon'ny firenena nangalana azy avy koa. 34 Mandrak'androany, dia mbola manaraka ny fomba taloha ihany izy ireo: tsy dia matahotra an'ny Tompo izy, ary tsy dia manaraka ny lalàna amam-pitsipiny, na ny lalàna aman-didy nomen'ny Tompo ny zanak'i Jakoba, izay nantsoiny hoe Israely.

35 Sady nanaovan'ny Tompo fanekem-pihavanana izy ireo, nomeny didy hoe: Aza matahotra andriamani-kafa na miankohoka eo anatrehany, na manompo ireny, na manatitra sorona amin'ireny. 36 Fa Iaveh Andriamanitrareo izay nitondra anareo niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe sy tamin-tsandry nahinjitra, izy no atahory, eo anatrehany no iankohofy, ary izy no anatero sorona. 37 Tandremo ny didy amam-pitsipiny, mbamin'ny lalàna aman-didy nosoratany ho anareo, araho mandrakariva izany, ary aza matahotra andriamani-kafa. 38 Aza manadino ny fanekem-pihavanana nataoko taminareo, ary aza matahotra andriamani-kafa, 39 fa Iaveh Andriamanitrareo no atahory, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo rehetra izy. 40 Tsy nanaiky izany anefa izy ireo; fa ny fombany taloha ihany no narahiny; 41 koa araka izany dia natahotra an'ny Tompo ireo firenena ireo no sady nanompo ny sarin-javatra tao aminy koa, ary ataon'ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrak'androany izay nataon-drazany.

Toko faha-18

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Osea, zanak'i Elà mpanjakan'Israely, no vao nanjaka kosa Ezekiasa zanak'i Akaza mpanjakan'i Jodà.

2 Dimy amby roapolo taona izy fony vao nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny reniny dia natao hoe Abì, zanak'i Zakariasa. 3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo izy, araka izay rehetra nataon'i Davida rainy. 4 Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon'i Moizy; fa hatramin'izay mbola nandoroan'ny zanak'Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe Nohestàna. 5 Iaveh Andriamanitr'Israely no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'ny mpanjakan'i Jodà rehetra, na ny tatý aoriany, na ny tany alohany. 6 Nifikitra tamin'ny Tompo izy, ka tsy mba nivily niala taminy, fa nitandrina ny didy nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 7 Dia nomban'ny Tompo izy, ka nahomby tamin'izay rehetra nataony. Niodina tamin'ny mpanjakan'i Asiria izy, dia afaka tsy nanompo an'io intsony. 8 Nandresy ny Filistina hatrany Gazà izy, ka nandrava ny taniny, hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina, ka hatramin'ny tanàna mimanda. 9 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ezekiasa mpanjaka, izay taona fahafito nanjakan'i Osea, zanak'i Elà, mpanjakan'Israely, no niakaran'i Salmanasara mpanjakan'i Asiria hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy.

10 Nony afaka telo taona, dia afany ny tanàna, dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Ezekiasa, izay taona fahasivy nanjakan'i Osea, mpanjakan'Israely, no nahafahana an'i Samaria. 11 Dia nentin'ny mpanjakan'i Asiria ho babo tany Asiria Israely, ka namponeniny tao Halà, teo amoron'i Habora, onin'i Gosana, ary teny amin'ny tanànan'ny Meda, 12 satria tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, ary tsy misy nohenoiny na narahiny izay rehetra nodidian'i Moizy mpanompon'ny Tompo. 13 Tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Ezekiasa, dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, Senakeriba mpanjakan'i Asiria, ka nahafaka an'ireny.

14 Ary Ezekiasa mpanjakan'i Jodà, naniraka hilaza amin'ny mpanjakan'i Asiria tany Lakisa hoe: Efa diso aho, fa mialà amiko hianao, dia hoentiko izay hampitondrainao ahy. Dia talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telopolo no nasain'ny mpanjakan'i Asiria naloan'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà. 15 Ka nomen'i Ezekiasa avokoa ny volafotsy hita tao an-tranon'ny Tompo, sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka. 16 Tamin'izany andro izany, novakin'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà ny varavarana aman-tolam-baravaran'ny tempolin'ny Tompo, izay efa nopetahan'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà takela-bolamena, ary nomeny ny mpanjakan'i Asiria ny volamena. 17 Ary ny mpanjakan'i Asiria naniraka ny jeneraliny ambony indrindra sy ny lehiben'ny eonoka, ny komandy mpandroso divay, mbamin'ny miaramila maro koa, avy any Lakisa, ho any amin'i Ezekiasa mpanjaka, any Jerosalema. Dia niakatra izy ireo, ka tonga tany Jerosalema. Nony tonga tao izy, dia nijanona teo anilan'ny lakan-dranon'ny farihy ambony, amin'ny làlana mankamin'ny sahan'ny Mpamotsy lamba,

18 ka niantso ny mpanjaka. Ary Eliasima zanak'i Helkiasa lehiben'ny tao an-dapa no nivoaka nankeo amin'izy ireo, mbamin'i Sobna mpanoratra, Joahe zanak'i Asafa mpitahiry boky. 19 Dia hoy ilay komandy mpandroso divay tamin'izy ireo: Lazao amin'i Ezekiasa hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asiria: Inona izato toky ihanteheranao?

20 Niteny hianao, - teny tsy misy fotony, - nanao hoe: Manan-tsaina aman-kery hoenti-miady aho! Fa ankehitriny kosa dia matoky an'iza hianao no dia miodina amiko? 21 Indro fa volotara vaky no itokianao ankehitriny, dia i Ejipta, ka izay mitehina aminy voatsindrony sy voatrobany avokoa, fa izany tokoa Faraona mpanjakan'i Ejipta ho an'izay rehetra matoky azy. 22 Angamba hianareo hanao amiko hoe: Iaveh Andriamanitray no itokianay. Kanefa raha izy, moa tsy efa nofoanan'i Ezekiasa va ny oteliny amam-pitoerana avony, ary efa nolazainy tamin'i Jodà sy Jerosalema fa hoe: Eo anoloan'ity otely eto Jerosalema ity no hiankohofanareo. 23 Koa ankehitriny aoka hanao fanekena amin'ny tompoko mpanjakan'i Asiria hianao, dia homeko soavaly roa arivo, raha mahita mpitaingin-tsoavaly hitaingina izany! Hataonao ahoana moa no fanohitra ny lehibe anankiray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aza? 24 Fa noho ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly no itokianao an'i Ejipta. 25 Nefa ankehitriny moa tsy avy amin'ny Tompo va no niakarako hamely ity fitoerana ity ho rava? Fa hoy Iaveh tamiko: Miakara hamely io tany io, ka ravao izy. 26 Dia hoy Eliasima zanak'i Helkiasa sy Sobna ary Joahe amin'ny komandy mpandroso divay: Aoka ho teny arameana no hiresahanao amin'ny mpanomponao, fa hainay izany, fa aza fiteny jodaika no iresahanao aminay, ka azon'ny sofin'ny vahoaka izay eo ambony manda.

27 Fa namaly ny mpandroso divay ambony indrindra nanao hoe: Moa amin'ny tomponao sy aminao va no nasain'ny tompoko hilazana izany teny izany, fa tsy amin'ireo olona mipetraka eo ambony manda, mba hihinanany ny dikiny sy hisotroany ny ditsany miaraka aminareo? 28 Tamin'izay dia nandroso ny mpandroso divay ambony indrindra, ka niantso tamin'ny feo avo tamin'ny fiteny jodaìka dia nanao izao teny izao hoe: Henoinareo ny tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asiria!

29 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Ezekiasa hianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin'ny tànany izy tsy akory. 30 Aza manaiky hampatokin'i Ezekiasa an'ny Tompo hianareo, saingy ilazany hoe: Tsy maintsy hovonjen'ny Tompo tokoa isika, ka tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria ity tanàna ity. 31 Aza mihaino an'i Ezekiasa fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko ka maneke ahy hianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman'aviavinareo, samy hisotro ny rano ao am-pantsakanareo, 32 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'ny tany tahaka ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka, tany misy oliva tsara, diloilo, sy tantely, ka ho velona hianareo fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an'i Ezekiasa, fa vohony omeny anareo no ilazany hoe: Hovonjen'ny Tompo isika. 33 Moa ny andriamanitry ny firenena, samy nahavonjy ny taniny avy, tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asiria va? 34 Aiza ny andriamanitr'i Emata sy Arfada? Aiza ny andriamanitr'i Sefarvaima sy Anah ary Avah? Moa nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tànako va ireny?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.161