Boky Voalohan'ny Tantara
Toko faha-2
53 Ny fokon'i Kariatiarima dia: ny Jetreana, ny Afoteana, ny Semateana ary ny Masereana. Avy amin'izy ireo no nihavian'ny Sareana sy ny Estaoliana. 54 Zanakalahin'i Salmà: Betleema, sy ny Netofatiana, Atarota-Beta-Joaba, ny antsasaky ny Manaktiana, ny Sareana, 55 mbamin'ny fokon'ny mpanoratra monina any Jabesa, dia ny Tiratiana, ny Skomatiana, ary ny Sokatiana. Ireo no Kineana avy amin'i Hamata, rain'ny fianakavian'i Rekaba.Toko faha-3
1 Ireto no zanakalahin'i Davida naterany tany Hebrona: Amona lahimatoa, zanak'i Akinoama, avy any Jezraela, Daniela zanak'i Abigaila avy any Karmela, lahiaivo,2 Absaloma zanak'i Maakà, zanakavavin'i Tolmaia mpanjakan'i Gesora, fahatelo; Adoniasa zanak'i Hagita, fahefatra; 3 Safatiasa zanak'i Abitala, fahadimy; Jetraama zanak'i Eglà vadiny, fahenina. 4 Izy enin-dahy ireo no naterany tany Hebrona, izay nanjakany fito taona sy enim-bolana, vao nanjaka tany Jerosalema telo amby telopolo taona indray izy. 5 Ary ireto no naterany tany Jerosalema: Simmaà, Sobaba, Natàna, Salomona, efa-dahy, tamin'i Betsoe zanakavavin'i Ammiela; 6 Jebaara, Elisamà, Elifalela, 7 Noge, Nefega, Jafià, 8 Elisamà, Eliadà, Elifeleta: sivy. 9 Ireo no zanakalahin'i Davida rehetra, fa ny zana-baditsindranony, tsy nisaina. Ary anabavin'ireo dia Tamara.
10 Zanakalahin'i Salomona: Roboama; Abiasa zanany, Asà zanany, Josafata zanany,
11 Jorama zanany, Okoziasa zanany, Joasa zanany, 12 Amaziasa zanany, Azariasa zanany, Joatama zanany, 13 Akaza zanany, Ezekiasa zanany, Manase zanany, 14 Amona zanany, Josiasa zanany. 15 Zanakalahin'i Josiasa: Johanàna no lahimatoa, Joakima no lahiaivo, Sedesiasa no fahatelo, Seloma no fahefatra.
16 Zanakalahin'i Joakima: Jekoniasa zanany, Sedesiasa zanany. 17 Zanakalahin'i Jekoniasa: Asira, Salatiela zanany, 18 Melkirama, Fadaia, Senezera, Jesemiasa, Samà, ary Nadabiasa. 19 Zanakalahin'i Fadaiasa: Zorobabela sy Semeia. Zanakalahin'i Zorobabela: Mosolama, Hananiasa ary Salomita, anabavin'ireo; 20 ary Hasabàna, Ohala, Barakiasa, Hasadiasa, Josabeseda, dimy izy. 21 Zanakalahin'i Hananiasa: Faltiasa sy Jeseiasa, ny zana-dRefaià, ny zanak'i Arnàna, ny zanak'i Obdià, ny zanak'i Sekeniasa. 22 Zanakalahin'i Sekeniasa: Semeia. Zanakalahin'i Semeia: Hatosa, Jegaala, Barià, Naarià, Safata, enina izy. 23 Zanakalahin'i Naarià: Elioenaia, Ezekiasa ary Ezrikama, telo izy. 24 Zanakalahin'i Elioenaia: Odoià, Eliasoba, Feleià, Akoba, Johanàna, Dalaià, ary Ananì: fito izy.
Toko faha-4
1 Zanakalahin'i Jodà: Faresa, Hesrona, Karmì, Hora sy Sobala.2 Raià zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata; Jahata niteraka an'i Akamaia sy Lahada. Ireo no fokon'ny Sareana. 3 Izao avy no avy amin'ny rain'i Etama: Jezrahela, Jesema, sy Jedebosa, ary Asalelfoni no anaran'ny anabavin'ireo.
4 Fanoela no rain'i Gedora, ary Ezera no rain'i Hosa. Ireo no zanakalahin'i Hora, lahimatoan'i Efratà, rain'i Betleema. 5 Nanambady roa Asora, rain'i Tekoe, dia Halaà sy Naarà,
6 ka ny naterak'i Naarà taminy dia Oozama, Hefera, Temanì ary Ahastarì: ireo no zanakalahin'i Naarà. 7 Ny zanakalahin'i Halaà dia Sereta, Isaara sy Etnàna. 8 Kaosa niteraka an'i Anoba sy Sobobà, ary ny fokon'i Aharehela, zanakalahin'i Aroma.
9 Nomena haja noho ny rahalahiny Jabesa ary nataon-dreniny hoe Jabesa ny anarany, fa hoy izy: nijaly aho no niteraka azy. 10 Niantso an'Andriamanitr'Israely Jabesa nanao hoe: Raha mitahy ahy hianao, ka halalahinao ny faritaniko, ary momba ahy ny tànanao, sy arovanao amin'ny loza aho mba tsy ho zoim-pahoriana... Ary nomen'Andriamanitra azy izay nangatahiny. 11 Keloba rahalahin'i Soà niteraka an'i Mahira, rain'i Estona;
12 Estona niteraka ny fokon-dRafah, Fesè sy Tehinnà, rain'ny tanàna Naasa. Ireo no olona ao Rekah. 13 Zanakalahin'i Seneza: Othoniela, Saraià. Zanakalahin'i Othoniela: Hatata sy Maonatì.
14 Maonatì niteraka an'i Ofrà; Saraià niteraka an'i Joaba, rain'ny ao an-dohasahan'i Karaskima, fa mpiasa izy ireo. 15 Zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Jefone: Hira, Elà, ary Mahama. Zanakalahin'i Elà: Seneza. 16 Zanakalahin'i Jaleleela: Zifa, Zifà, Tirià ary Asraela.
17 Zanakalahin'i Esrà: Jetera, Mereda, Efera, ary Jalòna. Ilay Ejipsiana novinadin'i Mereda, niteraka an'i Mariama sy Sammaì ary Jesbà, rain'i Estamao.
18 Ilay vehivavy jody vadiny anankiray, niteraka an'i Jareda, rain'i Gedora, sy Hebera, rain'i Sokao, ary Ikotiela, rain'i Zanoe. Ireo no zanakalahin'i Betià, zanakavavin'i Faraona, nalain'i Mereda ho vady. 19 Zanakalahin'ny vadin'i Odaià, anabavin'i Nahama: ny rain'i Keilà, ilay Garmiana, sy ny rain'i Estamao, ilay Makatiana.
20 Zanakalahin'i Simona: Amnona, Rinnà, Ben-Hanàna ary Tilòna. Zanakalahin'i Jesì: Zoheta sy Ben-Zoheta.
21 Zanakalahin'i Selà, zanak'i Jodà: Hera rain'i Lekà; Laadà rain'i Maresà, sy ny fianakaviana amin'ny fokon'ny mpanao biso sy amin'ny fokon'i Askebea, 22 sy Jokima ary ny olona ao Kozebà sy Joasa sy Sarafa izay samy nanapaka tany Moaba, sy Jaskobi-Lekema. Zavatra efa ela izany. 23 Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gederà, nonina teo anilan'ny mpanjaka izy, dia niasa ho azy.