Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-7

24 Ny zanany vavy kosa dia Sarà, izay nanorina an'i Betorona ambany sy Betorona ambony ary Ozena-Sara. 25 Rafà zanany sy Resefa, Tale zanany, Taàna zanany; 26 Laadana zanany; Ammioda zanany, Elisamà zanany, 27 Nona zanany, Josoe zanany. 28 Ary ny taniny amam-ponenany, dia Betela mbamin'ny tanàna momba azy; any atsinanana, Noràna, any andrefana Gezera mbamin'ny tanàna momba azy, Sikema mbamin'ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin'ny tanàna momba azy. 29 Eo an-tànan'ny taranak'i Manase koa Betsàna sy ny tanàna momba azy, Magedao sy ny tanàna momba azy, Dora sy ny tanàna momba azy. Tamin'ireo tanàna ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Israely. 30 Zanak'i Asera: Jemnà, Jesoaà, Jesoaì, Barià ary Sarà anabavin'ireo. 31 Zanakalahin'i Baria: Hebera sy Melkiela; izy no Barsaita. 32 Hebera niteraka an'i Jeflata, Somera, Hotama, ary Soaà anabavin'ireo. 33 Zanakalahin'i Jeflata: Foseka, Kamaala ary Asota: ireo no zanakalahin'i Jeflata. 34 Zanakalahin'i Somera: Ahia, Roagà, Habà ary Arama. 35 Zanakalahin'i Helema, rahalahiny: Sofà, Jemnà, Salesa ary Amala. 36 Zanakalahin'i Sofà: Soe, Harnafera, Soala, Berì, 37 Jamrà, Bosora, Hoda, Samnà, Salosà, Jetrama ary Berà. 38 Zanakalahin'i Jetera: Jefone, Fasfà ary Arà. 39 Zanakalahin'i Olà: Aera, Haniela, ary Resià. 40 Zanak'i Asera avokoa ireo, lohan'ny fokom-pianakaviana, olom-boafantina sy mahery, lehiben'ny loham-pireneny, enina arivo sy roa alina no isany voasoratra, samy mahazo mitondra fiadiana hiantafika.

Toko faha-8

1 Ny naterak'i Benjamina dia Belà lahimatoany, Asbela lahiaivo, Aharà fahatelo,

2 Nohaà fahefatra, ary Rafà fahadimy. 3 Ny zanakalahin'i Belà dia Adara, Gerà, Abioda, 4 Abisoe, Naamàna, Ahoe, 5 Gerà, Sefofàna ary Horama. 6 Izao no zanakalahin'i Ahoda: lohan'ny fianakaviana nonina tao Gabaà izy ireo, ary nafindrany tany Manahata:

7 Naamàna, Akià, ary Gerà ilay namindra azy sy niteraka an'i Ozà sy Ahioda. 8 Niteraka tao amin'ny tanin'i Moaba, Saharaima, taorian'ny nisaorany an'i Josima sy Barà, vadiny.

9 Hodesa vadiny no niterahany an'i Jobaba, Sebià, Mosà, Molkoma, Jehosa, Sekià ary Marmà. 10 Ireo no zanany lahy, loham-pianakaviana. 11 Ary Hosima no niterahany an'i Abitoba sy Elfaala. 12 Zanakalahin'i Elfaala: Hebera, Misaama ary Samada, izay nanorina an'i Onao sy Loda mbamin'ny tanàna momba azy. 13 Barià sy Samà, lohan'ny fianakaviana nonina tao Aialona no nampandositra ny mponina tao Geta.

14 Ahiao, Sesàka, Jerimota, 15 Zabadia, Aroda, Hedera, 16 Mikaela, Jesfà ary Johà no zanakalahin'i Berià. 17 Zabadia, Mosoliama, Hezesì, Hebera, 18 Jesamarì, Jezlia, ary Jobaba no zanak'i Elfaala. 19 Jasima, Zekria, Zabdia, 20 Elioenaia, Seletaia, Eliela, 21 Adaia, Baraia ary Semarata no zanak'i Semeia. 22 Jesfàna, Hebera, Eliela, 23 Abdona, Zekria, Hanàna, 24 Hananià, Elama, Anatotià, 25 Jefdaià ary Fanoela no zanak'i Sesàka. 26 Samsarì, Sohorià, Otolià, 27 Jersià, Elià ary Zekrià no zanak'i Jerohama. 28 Loham-pianakaviana ireo, samy loholona araka ny fihaviam-pianakaviany, ary nonina tao Jerosalema. 29 Tao Gabaona no nonina ny rain'i Gabaona, ary Maakà no anaran'ny vadiny.

30 Abdona no zanany lahimatoa, dia Soara, Kisa, Baala, Nadaba, 31 Gedora, Ahiao ary Zakera. 32 Makelota niteraka an'i Samaà. Nonina tao akaikin'ny rahalahiny koa ireo tao Jerosalema, niaraka tamin'ny rahalahiny. 33 Nera niteraka an'i Kisa, Kisa niteraka an'i Saola, Saola niteraka an'i Jonatàna, Melkiasoa, Abinadaba ary Esbaala.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2196