Boky Voalohan'ny Tantara
Toko faha-6
40 dia nomena an'i Hebrona mbamin'ny tany fiandrasam-biby manodidina azy teo amin'ny tanin'i Jodà; 41 ny faritanin'ny tanàna kosa anefa mbamin'ny vohiny, dia nomena an'i Kaleba zanak'i Jefone. 42 Ny nomena ny taranak'i Aarona ary dia Hebrona tanàna fialofana, 43 Lobnò, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy, Jetera, Estemao mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 44 Dabira mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Asòna mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; Betsemesa mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; 45 ny avy amin'ny fokon'i Benjamina kosa, dia Gabea mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; Almata mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy. Totalin'ny tanànan'izy ireo, tanàna telo ambin'ny folo araka ny fianakaviany. 46 Ny azon'ny taranak'i Kaata sisa, tamin'ny loka, dia tanàna folo, avy amin'ny foko sy ny antsasa-pokon'i Manase. 47 Ny tarakan'i Gersoma, araka ny fianakaviany, dia nahazo tanàna telo ambin'ny folo, avy amin'ny fokon'Isakara sy ny fokon'i Asera, ary ny fokon'i Neftalì, sy ny fokon'i Manase, tany Basòna. 48 Ny taranak'i Merarì araka ny fianakaviany dia nahazo tamin'ny loka tanàna roa ambin'ny folo, avy amin'ny fokon'i Zabolona. 49 Nanome ny tanàna, mbamin'ny tany fiandrasam-biby momba azy, ho an'ny Levita ny zanak'Israely. 50 Tamin'ny filokana no nanomezany azy an'ireo tanàna voatendry amin'ny anarany ireo avy amin'ny fokon'ny zanak'i Jodà sy ny fokon'ny zanak'i Simeona, ary ny fokon'ny zanak'i Benjamina. 51 Ny sasany amin'ny fianakavian'ny taranak'i Kaata anefa, dia avy amin'ny fokon'i Efraima, ny tanàna azony;52 ka izao no nomena azy ireo : Sikema, tanàna fialofana, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy, teo amin'ny tendrombohitr'i Efraima; Gazera, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; 53 Jekmaama, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Betorona, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 54 Helona mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Geth-Remmona, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 55 ary ny avy amin'ny antsasa-pokon'i Manase, Anera, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; Balaama, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy, ho an'ny fianakavian'ny taranak'i Kata sisa. 56 Ny nomena ny taranak'i Gersoma avy amin'ny fianakavian'ny antsasa-pokon'i Manase: Gaolona any Basòna, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Astarota mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy;
57 avy amin'ny fokon'Isakara: Kedesa, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Dabereta, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 58 Ramota, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Anema, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 59 avy amin'ny fokon'i Asera: Masala, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 60 Hokòka, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Rohoba, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 61 avy amin'ny fokon'i Neftalì: Kedesa, any Galilea, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Hamona, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; ary Kariataima, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy. 62 Ny nomena ny Levita sisa taranak'i Merarì : avy amin'ny fokon'i Zabolona: Remmonao, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; Tabora, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ;
63 ny eny an-dafin'i Jordany, tandrifin'i Jerikao, atsinanan'i Jordany: avy amin'ny fokon-dRobena : Bosora any an'efitra, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Jasò, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; 64 Kademota, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Mefaata, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 65 avy amin'ny fokon'i Gada : Ramota, any Galaada, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; Manaima, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; 66 Hesebona, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy ; Jezera, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy.
Toko faha-7
1 Zanakalahin'Isakara: Tolà, Foà, Josoba ary Simerona: efatra izy.2 Zanakalahin'i Tolà: Ozia, Rafaia, Jeriela, Jemaia, Jebsema, ary Samoela, samy lohan'ny fokom-pianakaviany izay avy amin'i Tolà, lehilahy mahery, voasoratra araka ny taranany tamin'ny andron'i Davida, enin-jato sy roa arivo sy roa alina no isany. 3 Zanakalahin'i Ozia: Izrahia. Zanakalahin'Izrahia: Mikaela, Obadià, Johela, ary Jesià, filohany dimy izy rehetra. 4 Nana-miaramila momba azy, efa hary fitaovana hiantafika izy ireo, araka ny fianakaviana fihaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, nisy enina arivo sy telo alina ireny, fa maro vady aman-janaka izy. 5 Ny rahalahin'izy ireo araka ny fianakaviana ao amin'Isakara rehetra, lehilahy mahery, dia nisy fito arivo sy valo alina ny tontaliny, voasoratra amin'ny tetiaram-pirazanana. 6 Zanakalahin'i Benjamina: Belà, Bekora, ary Jadiela, telo izy.
7 Zanakalahin'i Belà: Esbona, Ozia, Oziela, Jerimota ary Oraia; dimy izy lohan'ny fokom-pianakaviana, lehilahy mahery, efa-jato sy roa arivo amby roa alina no isany, voasoratra amin'ny tetiarana. 8 Zanakalahin'i Bekora: Zamirà, Joasa, Eliezera, Elionaia, Amria, Jerimota, Abià, Anatota, ary Almata. Zanakalahin'i Bekora avokoa izy rehetra ireo, 9 voasoratra amin'ny tetiaram-pirazanana araka ny taranany avy, ho lohan'ny fokom-pianakaviny, lehilahy mahery, roan-jato sy roa alina no isany. 10 Zanakalahin'i Jadihela: Balàna. Zanakalahin'i Balàna: Jehosy, Benjamina, Aoda, Kanàna, Zetàna, Tarsisa, ary Abisahera: 11 Zanakalahin'i Jadihela avokoa izy rehetra ireo, samy lohan'ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, roan-jato amby fito arivo sy iray alina ny isany, mahazo mitondra fiadiana hiantafika. 12 Zanakalahin'i Hira: Sefama sy Hafamà. Zanakalahin'i Ahera: Hasima.
13 Zanakalahin'i Neftalì: Jasiela, Gonia, Jesera ary Seloma, zanakalahin'i Bala.
14 Zanakalahin'i Manase: Esriela. Ilay Siriana vaditsindranony, niteraka an'i Makira, rain'i Galaada.
15 Makira naka vady tamin'ny avy amin'i Hapfima sy Safàna: Maakà no anaran'ny anabaviny. Salfaada no zanany lahiaivo, ary nanan-janakavavy Salfaada. 16 Nitera-dahy Maakà, vadin'i Makira, ka nataony hoe Faresa no anarany ary Saresa no anaran'ny rahalahiny: Olama sy Resena no zanany lahy. 17 Zanakalahin'i Olama: Badàna. Ireo no zanakalahin'i Galaada, zanak'i Makira, zanak'i Manase. 18 Ary Hamoleketa anabaviny, niteraka an'Iskoda, Abiezera, ary Moholà. 19 Ny zanakalahin'i Semidà dia Ahina, Sekema, Lesia ary Aniama. 20 Zanakalahin'i Efraima: Sotalà, Bareda zanany, Tahata zanany, Eladà zanany, Tahata zanany,
21 Zobada zanany, Sotalà zanany, ary Ezera sy Eladà izay novonoin'ny lehilahy tao Geta, izay tera-tany, fa nidina hangalatra ny biby fiompiny. 22 Nisaonan'i Efraima rainy ela izy ireo, ka tonga ny rahalahiny hampionona azy. 23 Nandeha tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy, ka nitera-dahy; dia nomeny anarana hoe Berià, satria tra-pahoriana izy ireo tao an-tranony.