Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-5

31 Abisoe niteraka an'i Boksì, Boksì niteraka an'i Ozì, 32 Ozi niteraka an'i Zaraiasa, Zaraiasa niteraka an'i Meraiota, 33 Meraiota niteraka an'i Amariasa, Amariasa niteraka an'i Akitoba, 34 Akitoba niteraka an'i Sadaoka, Sadaoka niteraka an'i Akimaasa, 35 Akimaasa niteraka an'i Azariasa, Azariasa niteraka an'i Johanàna, 36 Johanàna niteraka an'i Azariasa, izay nanao ny fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Salomona, tany Jerosalema. 37 Azariasa niteraka an'i Akitoba, 38 Akitoba niteraka an'i Sadaoka, Sadaoka niteraka an'i Seloma, 39 Seloma niteraka an'i Helkiasa, Helkiasa niteraka an'i Azariasa, 40 Azariasa niteraka an'i Saraiasa, Saraiasa niteraka an'i Josedeka. 41 Ary Josedeka dia lasa natao sesi-tany, nony nampanalain'ny Tompo, ho entin-ko babo tamin'ny alalan'i Nabokodonozoro Jodà sy Jerosalema.

Toko faha-6

1 Zanakalahin'i Levì: Gersoma, Kaata, ary Merarì.

2 Izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersoma: Lobonì sy Semeia. 3 Zanakalahin'i Kaata: Amrama, Isaara, Hebrona ary Oziela. 4 Zanakalahin'i Merari: Moholi sy Mosi. Izao no fianakavian'i Levi isan-drainy avy: 5 Avy amin'i Gersoma: Lobnì zanany, Jahata zanany, Zammà zanany,

6 Joah zanany, Adao zanany, Zarà zanany, Jetraia zanany. 7 Zanakalahin'i Kaata: Aminadaba zanany, Kore zanany, Asira zanany, 8 Elkana zanany, Abiasafa zanany, Asira zanany, 9 Tahata zanany, Oriela zanany, Oziasa zanany, Saola zanany. 10 Zanakalahin'i Elkanà: Amasia sy Akimota; 11 Elkanà zanany, Sofaia zanany, Nahata zanany, 12 Eliaba zanany, Jerohama zanany, Elkanà zanany. 13 Zanakalahin'i Samoela: Vasenì lahimatoa, dia Abia. 14 Zanakalahin'i Merarì: Moholì, Lobnì zanany, Semeia zanany, Ozà zanany,

15 Sammaà zanany, Haggià zanany, Asaià zanany. 16 Ireto no voatendrin'i Davida hitari-kira, tao an-tranon'ny Tompo, niantomboka hatramin'ny nahazoan'ny fiara fitoeram-pijanonana.

17 Dia nanao ny raharahan'ny mpihira teo anoloan'ny fonenan'ny tranolay fihaonana izy ireo, mandra-panaovan'i Salomona ny tranon'ny Tompo tany Jerosalema, ary nipetraka nanao ny fanompoany araka ny nandaminana an'izay. 18 Dia ireto no nanao ny raharaha, mbamin'ny zanany avy: Amin'ny zanakalahin'ny Kaatita: Hemàna mpihira, zanak'i Joela, zanak'i Samoela, 19 zanak'i Elkanà, zanak'i Jerohama, zanak'i Eliela, zanak'i Taoho, 20 zanak'i Sofa, zanak'i Elkanà, zanak'i Mahata, 21 zanak'i Amasaia, zanak'i Elkanà, zanak'i Joela, zanak'i Azariasa, zanak'i Sofoniasa, 22 zanak'i Tahata, zanak'i Asira, zanak'i Abiasafa, 23 zanak'i Kore, zanak'Isaara, zanak'i Kaata, zanak'i Levì, zanak'Israely. 24 Asafa rahalahiny izay nitsangana teo an-kavanany: Asafa zanak'i Barakiasa, zanak'i Samà, 25 zanak'i Mikaela, zanak'i Basaiasa, 26 zanak'i Melkiasa, zanak'i Atanaia, zanak'i Zarà, 27 zanak'i Adada, zanak'i Etàna, zanak'i Zammà, 28 zanak'i Semeia, zanak'i Jeta, zanak'i Gersoma, zanak'i Levì. 29 Zanakalahin'i Merarì rahalahin'izy ireo teo an-kavia: Etàna, zanak'i Kosi, zanak'i Abdì, zanak'i Malòka, 30 zanak'i Hosabiasa, zanak'i Amasiasa, zanak'i Helkiasa, 31 zanak'i Amasaia, zanak'i Boni, zanak'i Somera, 32 zanak'i Moholi, zanak'i Mosì, zanak'i Merarì, zanak'i Levì. 33 Ny levita rahalahin'izy ireo, dia niandraikitra ny fanompoana rehetra amin'ny tabernakla ao an-tranon'ny Tompo.

34 Aarona sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona, teo ambonin'ny otelin'ny sorona dorana, sy ny emboka, teo ambonin'ny otelin'ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanantanteraka ny raharaha ao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an'Israely, araka izay rehetra nandidian'i Moizy, mpanompon'Andriamanitra. 35 Ireto no zanakalahin'i Aarona: Eleazara zanany, Finea zanany, Abisoe zanany;

36 Boksi zanany, Ozì zanany, Zaraiasa zanany, 37 Meraiota zanany, Amariasa zanany, 38 Akitoba zanany, Sadaoka zanany, Akimaasa zanany. 39 Ary izao no fonenany, araka ny faribohiny, tao amin'ny zara-taniny avy : Ny taranak'i Aarona, amin'ny fianakavian'ny Kaatita, izay voatendrin'ny filokana voalohany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1434