Boky Voalohan'ny Tantara
Toko faha-16
40 mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin'ny Tompo, eo anoloan'ny otely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo izay nandidiany an'Israely. 41 Teo akaikin'ireo Hemàna sy Iditona mbamin'ny sisan'ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an'ny Tompo, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 42 Niaraka tamin'ireo, dia niaraka tamin'i Hemàna sy Iditona, dia nisy anjomara aman-kipantsona ho an'ireo tsy maintsy mampaneno azy, mbamin'ny zava-maneno hampiarahina amin'ny hiran'Andriamanitra. Ny zanak'Iditona niadidy ny varavarana. 43 Samy nody tany an-tranony avy ny vahoaka rehetra, ary Davida koa nody hitso-drano ny ankohonany.
Toko faha-17
1 Rahefa niorina tao an-tranony Davida dia hoy Davida tamin'i Natàna mpaminany: Izaho ity mitoetra an-trano sedera; nefa ny fiaran'ny faneken'ny Tompo ao anaty lay!2 Ary hoy Natàna namaly an'i Davida: Ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra. 3 Ny alin'izay ihany, dia tonga tamin'i Natàna ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:
4 Mandehana lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no tenin'ny Tompo: Tsy hianao no hanao trano hitoerako. 5 Fa tsy mbola nitoetra an-trano aho, hatramin'ny andro nampiakarako an'Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako. 6 Nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin'Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin'ny anankiray amin'ireo mpitsara an'Israely izay nasaiko hamahana ny vahoakako, nanao hoe: Nahoana hianareo no tsy manao trano sedera ho ahy? 7 Koa ankehitriny lazao amin'ny mpanompoko, amin'i Davida hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Tany an-tanimbilona teo aorian'ny ondry, no nangalako anao mba ho andriana amin'Israely vahoakako; 8 nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao aho, nandringana ny fahavalonao rehetra teo anoloanao aho, ary nataoko malaza toy ny anaran'ireo lehibe eto ambonin'ny tany ny anaranao. 9 Nanokan-toerana ho an'Israely vahoakako aho, dia nampiorina azy eo; ka efa monina eo aminy izy ary tsy hisy hanabataba azy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy toy ny taloha intsony, 10 dia toy ny tamin'ny andro nananganako mpitsara tamin'Israely vahoakako. Naetriko avokoa ny fahavalonao rehetra, ary milaza aminao mialoha aho, fa hananganan'ny Tompo trano hianao. 11 Rahatrizay tapitra ny andronao, ka ho lasa any amin'ny razanao hianao, dia hasandratro ny taranakao mandimby anao, iray amin'ny terakao, ary hohamafisiko ny fanjakany. 12 Izy no hanao trano ho ahy, ary izaho hanamafy ny fanjakany ho mandrakizay.
13 Ho toy ny ray ho azy aho, ary ho toy ny zanaka ho ahy izy, ka tsy hesoriko aminy ny famindram-poko, toy ny nanesorako izany tamin'ilay nanjaka talohanao. 14 Hampitoeriko mandrakizay ao an-tranoko sy amin'ny fanjakako izy, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandrianany. 15 Dia niteny tamin'i Davida Natàna araka izany teny rehetra izany sy io fahitana rehetra io.
16 Ka tonga Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan'ny Tompo, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin'izao aho? 17 Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa hianao ny amin'ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin'ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! 18 Koa inona indray ho ho azon'i Davida lazaina aminao, ny amin'ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao. 19 Iaveh ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo. 20 Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay. 21 Aiza eto ambonin'ny tany izay firenena hafa, manahaka an'Israely vahoakanao, izay nahatongavan'Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao anarana amin'ny fahagagana aman'asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan'ny vahoakanao, izay navotanao tamin'i Ejipta. 22 Fa nataonao ho vahoakanao mandrakizay Israely vahoakanao, ka hianao Iaveh no tonga Andriamaniny. 23 Ary ankehitriny, ry Iaveh, aoka haharitra mandrakizay ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny amin'ny fianakaviany, ary tanteraho araka ny teninao. 24 Aoka haharitra izany, ary aoka hankalazaina mandrakizay ny anaranao; ka aoka holazain'ny olona hoe: Iaveh'ny tafika, Andriamanitr'Israely, dia Andriamanitra ho an'Israely! Ary aoka ho tsara orina eo anatrehanao ny fianakavian'i Davida mpanomponao. 25 Fa tenanao, ry Andriamanitra ô, no efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa hanorin-trano ho azy, ka izany no nahasahian'ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao. 26 Koa ankehitriny, ry Iaveh, hianao no Andriamanitra, ary nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin'ny mpanomponao hianao. 27 Sitrakao ny hitso-drano ny fianakavian'ny mpanomponao ankehitriny, haharetany mandrakizay eo anatrehanao, fa izay tsofinao rano, ry Iaveh ô, dia ho voatso-drano mandrakizay.
Toko faha-18
1 Tatý aorian'izany, nandresy ny Filistina Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan'ny Filistina Geta mbamin'ny tanàna momba azy.2 Nandresy ny Moabita izy, ka tonga mpanompo manatitra hetra ho an'i Davida ny Moabita.
3 Resin'i Davida koa Adarezera mpanjakan'i Sobà eny akaikin'i Hamata, tamin'izy teny an-dàlana nandeha hampiorina ny fanjakany amin'ny ony Eofrata.
4 Kalesy arivo, mpitaingin-tsoavaly fito arivo, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin'i Davida taminy, notraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy, fa ny soavaly amin'ny kalesy zato ihany no navelany. 5 Tonga namonjy an'i Adarezera mpanjakan'i Sobà ny Siriana avy any Damasa, fa noresen'i Davida ny roa arivo sy roa alin-dahy tamin'ny Siriana.
6 Nametrahan'i Davida miaramila mponina Sirian'i Damasa, ka dia tonga mpanompo nanatitra hetra ho an'i Davida ny Siriana. Nomen'ny Tompo an'i Davida ny fandresena tamin'izay rehetra nalehany. 7 Nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Adarezera, ka nentiny nankany Jerosalema. 8 Varahina be dia be koa no nalain'i Davida tao Tebata sy Kona tanànan'i Adarezera, ary izany no nanaovan'i Salomona ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina. 9 Nony ren'i Taohò, mpanjakan'i Hamata, fa hoe: resin'i Davida avokoa ny miaramilan'i Adarezera, mpanjakan'i Sobà,
10 dia naniraka an'i Adorama zanany, hankany amin'i Davida mpanjaka izy, hiarahaba sy hankalaza azy, noho ny niadiany tamin'i Adarezera sy nandreseny azy, satria niady tsy tapaka Taohò sy Adarezera, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina isan-karazany izy. 11 Natokan'i Davida mpanjaka ho an'ny Tompo izany, mbamin'ny volafotsy amam-bolamena, nalainy tamin'ny firenena rehetra, dia Edoma, Moaba, ny taranak'i Amona, ny Filistina, ary Amaleka. 12 Resin'i Abisaia zanak'i Sarvia tao amin'ny lohasahan-tsira ny Edomita valo arivo sy iray alina,
13 ary nametrahany miaramila mponina tao Edoma, ka dia tonga mpanompon'i Davida avokoa Edoma rehetra. Nomen'ny Tompo an'i Davida ny fandresena tany amin'izay rehetra nalehany. 14 Nanjaka tamin'Israely rehetra Davida ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.
15 Joaba zanak'i Sarvià no nifehy ny miaramila; Josafata zanak'i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana; 16 Sadaoka zanak'i Akitoba, sy Abimeleka zanak'i Abiatara, no mpisorona, Sosà no mpanoratra; 17 Banaiasa zanak'i Joiadà, no lehiben'ny Kerethiana sy ny Feletiana; ary ireo zanak'i Davida no voalohan-daharana eo anilan'ny mpanjaka.
Toko faha-19
1 Tatý aorian'izany, maty Naasa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.2 Ka hoy Davida: Hampiseho fankasitrahana amin'i Hanòna, zanak'i Naasa aho, fa nampiseho fankasitrahana tamiko rainy. Dia nandefa iraka hanony azy noho ny amin-drainy izy. Nony tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny taranak'i Amona, ireto mpanompon'i Davida hanony alahelo azy,