Boky Voalohan'ny Tantara
Toko faha-19
3 dia hoy ireo mpifehy ny taranak'i Amona tamin'i Hanòna: Mba ataonao ho fanajana an-drainao va no nanirahan'i Davida hanony alahelo anao? Tsy ny hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nahatongavan'ireo mpanompony ireo atý aminao? 4 Izay Hanòna dia nisambotra ireo mpanompon'i Davida, ka ny somony noharatany; ny akanjony nofolonana hatreo am-balahana, vao nalefany hody izy. 5 Fa nisy nandeha nilaza ny nanjo an'ireo lehilahy ireo tamin'i Davida, ka naniraka olona hitsena an'ireo izy, fa nangaihay loatra ireo lehilahy ireo, ary izao no nasain'ny mpanjaka holazaina tamin'izy ireo: Mitoera any Jerikao hianareo, mandra-panirin'ny somotrareo, vao modia. 6 Fantatry ny taranak'i Amona, fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy, dia nandefa talenta volafotsy arivo Hanona sy ny taranak'i Amona hanakaramany kalesy amam-pitaingin-tsoavaly tany amin'ny Siriana, any Mesopotamia, sy tany amin'ny Siriana any Maakà sy any Sobà.7 Kalesy roa arivo amby telo alina, mbamin'ny mpanjakan'i Maakà sy ny vahoakany no nokaramainy, ka tonga nitoby tao akaikin'i Medabà izy ireo. Ny taranak'i Amona niala tany an-tanànany avy, dia nivory sy nandroso hiady. 8 Nony ren'i Davida izany, nalefany hamely an'ireo Joaba mbamin'ny tafika rehetra, lehilahy mahery. 9 Dia nivoaka ny taranak'i Amona, ka nilahatra hiady teo am-bavahadin'ny tanàna; iretsy mpanjaka tonga kosa nitokana teny an-tsaha. 10 Nony hitan'i Joaba fa samy nisy vavahady teo anoloany sy teo ivohony, dia antokony iray tamin'izay voafantina tamin'Israely no nofidiny sy nalahany hifanatrika amin'ny Siriana,
11 ary nomeny hoentin'i Abisaia rahalahiny kosa ny vahoaka sisa, ka nalahany hifanatrika tamin'ny taranak'i Amona. 12 Hoy izy: Raha mahery noho izaho ny Siriana, dia handeha hamonjy ahy hianao, fa raha mahery noho hianao ny taranak'i Amona, dia hovonjeko hianao. 13 Mahereza, aoka hiady amin-kerim-po isika, ho an'ny firenentsika sy ho an'ireo tanànan'Andriamanitsika, ary aoka Iaveh hanao izay heveriny ho tsara eo imasony. 14 Dia nandroso niady tamin'ny Siriana Joaba sy ny vahoaka niaraka taminy ka nandositra teo anoloany ireny. 15 Nony nahita ny Siriana nandositra ny taranak'i Amona, dia mba nandositra teo anoloan'i Abisaia rahalahin'i Joaba koa izy, ka niditra tany an-tanàna indray. Dia niverina tany Jerosalema Joaba. 16 Rahefa hitan'ny Siriana fa resy teo anatrehan'Israely izy, dia naniraka olona haka ny Siriana tany an-dafin'ny ony izy; ary Sofaka komandin'ny tafik'i Adarezera no nitarika azy.
17 Vao nandre izany vaovao izany Davida dia namory an'Israely rehetra ka nita an'i Jordany, nandroso hitsena azy sy nandahatra ny hamelezana azy ireo; ary nandahatra ny tafiny hiady amin'ny Siriana Davida. Izy ireo no nanomboka ny ady taminy, kanjo vaky nandositra teo anoloan'Israely ny Siriana. 18 Ka matin'i Davida ny soavaly tamin'ny kalesy fito arivo ary ny miaramila an-tongotra efatra alina, tamin'ny Siriana; matiny mbamin'i Sofàka, komandin'ny tafika. 19 Nony hitan'ireo tompomenakelin'i Adarezera fa resy eo anatrehan'Israely izy, dia nanao fanekem-pihavanana tamin'i Davida izy ireo, ka tonga mpanompony. Ary tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony ny Siriana.
Toko faha-20
1 Tamin'ny fitsingerenan'ny taona, nony mby tamin'ny fotoana fiaingan'ny mpanjaka handeha hiady, dia nitarika tafika tsy anerany Joaba, ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, sy tonga nanao fahirano an'i Rabà; fa Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Noresen'i Joaba Rabà, sady noravany.2 Dia nesorin'i Davida ny satrok'andriana teny an-dohan'ny mpanjakany, ary talenta iray no lanjan'ny volamena hita tao aminy, sady nisy vato soa anankiray koa, natao teny an-dohan'i Davida. 3 Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany, ka noriatiny tamin'ny tsofa amam-dapìka vy sy famaky. Sady nataon'i Davida toy izany avokoa ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema Davida mbamin'ny vahoakany rehetra. 4 Tatý aorian'izany nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera. Tamin'izay no nahafatesan'i Sabokaì Hosatita, an'i Safaì isan-taranak'i Rafà, ka voaetry ny Filistina.
5 Dia nisy ady tamin'ny Filistina koa, izay nahafatesan'i Elkanàna zanak'i Jaira, an'i Lakmì rahalahin'i Goliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny vodi-tenon'ny mpanenona ny zarany.
6 Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tànana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak'i Rafà koa izy.
7 Naniratsira an'Israely izy, ka matin'i Jonatàna, zanak'i Samaà, rahalahin'i Davida. 8 Tarana-dRafà tao Geta ireo lehilahy ireo, ary matin'ny tànan'i Davida sy ny tànan'ny mpanompony izy ireo.
Toko faha-21
1 Ary nitsangan-kamely an'Israely Satàna ka namoky an'i Davida hanisa an'Israely.2 Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy ny mpifehy vahoaka: Mandehana, isao Israely hatrany Bersabea ka hatrany Dana, dia manaova filazana amiko, mba hahalalako ny isany. 3 Fa hoy ny navalin'i Joaba: Hotongavin'ny Tompo in-jato toy izao anie ny hamaroan'ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon'ny tompoko avokoa va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan'ny tompoko an'izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin'Israely? 4 Fa ny tenin'ny mpanjaka nanohitra an'i Joaba no nahery; ka dia niainga Joaba nitety an'Israely rehetra, ary niverina tao Jerosalema. 5 Natolotr'i Joaba an'i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'Israely rehetra, ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'i Jodà. 6 Fa Levì sy Benjamina tao amin'izy ireo, tsy mba nanaovany fanisana, satria nolavin'ny sain'i Joaba ny didin'ny mpanjaka. 7 Tsy sitrak'Andriamanitra izany raharaha izany, ka dia nokapohiny Israely.
8 Dia hoy Davida tamin'Andriamanitra: Efa nanao fahotana lehibe aho tamin'izao nataoko izao, koa ankehitriny mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa tena nanao toy ny adala tokoa aho. 9 Niteny tamin'i Gada, mpahitan'i Davida, Iaveh, nanao hoe:
10 Mandehana milaza amin'i Davida hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Zavatra telo no ataoko eo anoloanao, ka ny iray no fidio dia hataoko aminao. 11 Dia nankany amin'i Davida Gada ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: 12 Mifidiana hianao: telo taona mosarena, sa telo volana hanosehan'ny fahavalonao anao, sa telo andro hitoeran'ny sabatry ny Tompo sy ny pesta amin'ny tany, ka hahavita fandringanana eran'ny tanin'Israely ny anjelin'ny Tompo? Hevero amin'izao izay valy homeko an'izay naniraka ahy. 13 Ary hoy Davida tamin'i Gada: Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon'ny tànan'ny Tompo aho, fa be famindram-po indrindra izy, fa tsy ho azon'ny tànan'olombelona aho! 14 Ka dia nandefa pesta hamely an'Israely Iaveh, ka nahafatesana fito alina ny olona amin'Israely.
15 Ary naniraka anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy izy tamin'ilay anjely nandrava: Aoka izay! Avonkony amin'izay ny tànanao. Teo akaikin'ny famoloan'i Ornàna Jeboseana ilay anjelin'ny Tompo tamin'izay. 16 Nony natopin'i Davida ny masony, dia hitany ilay anjelin'ny Tompo teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra vaotsoaka natondrony nanandrify an'i Jerosalema. Niankohoka Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo. 17 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh, Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian'ikaky no aoka hasian'ny tànanao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana! 18 Dia nasain'ilay anjelin'ny Tompo nilazan'i Gada Davida hiakatra hanangana otely ho an'ny Tompo, ao am-pamoloan'i Ornàna Jeboseana.
19 Ka niakatra araka ny teny nolazain'i Gada tamin'ny anaran'ny Tompo Davida. 20 Niherika Ornàna ka nahita ilay anjely dia niery izy sy ireo zanany efa-dahy; nively vary tamin'izay Ornàna. 21 Nony tonga teo akaikin'i Ornàna Davida, nijery Ornana ka nahita an'i Davida, dia niala teo am-pamoloana izy, ary niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida. 22 Dia hoy Davida tamin'i Ornàna: Afoizo ho ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, fa hanorenako otely ho an'ny Tompo; afoizo ho ahy amin'izay tokom-bidiny marina haloa vola, hialan'ny aretina mandringana ny vahoaka. 23 Ary hoy Ornàna tamin'i Davida: Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany. 24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Ornàna: Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an'ny Tompo aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina. 25 Koa nomen'i Davida volamena lanjan'enin-jato sikla Ornàna ho vidin'ny tokotany.