Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-21

26 Dia nanangana otely teo Davida, ho an'ny Tompo, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an'ny Tompo, ary Iaveh namaly azy tamin'ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin'ny otely nisy ny sorona dorana. 27 Dia niteny tamin'ilay anjely Iaveh, ka nampidirin'io tamin'ny tranony ny sabany. 28 Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa nihaino azy Iaveh tao amin'ny famoloan'i Ornàna Jeboseana, dia nanatitra sorona tao izy.

29 Ilay tabernaklan'ny Tompo nataon'i Moizy tany an'efitra sy ny otelin'ny sorona dorana, dia teo amin'ny fitoerana avo tany Gabaona fahizay. 30 Tsy tohan'i Davida anefa ny nankeo anoloan'izany otely izany, hanaja an'Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr'ilay anjelin'ny Tompo.

Toko faha-22

1 Ary hoy Davida: Eto no ho tranon'ny Tompo Andriamanitra, eto no ho otely fanaovan'Israely sorona dorana.

2 Dia nasain'i Davida novorina ny vahiny teo amin'ny tanin'Israely, ka nanendry tambato hipai-bato, hanaovana ny tanon'Andriamanitra.

3 Novononin'i Davida koa izao: Vy betsaka hanaovam-pantsika ho an'ny lela-varavarana sy ny faraingo, ary varahina betsaka tsy hita lanja intsony, 4 hazo sedera tsy hita isa, fa nanateran'ny Sidoniana sy ny Tiriana hazo sedera sesehena, Davida. 5 Hoy Davida: Salomona, zanako, mbola tanora sy malemy, ary ny trano hatao ho an'ny Tompo dia tsy maintsy ho kanto indrindra mba hahazo laza amam-boninahitra amin'ny tany rehetra, ka tiako ny mamonona zavatra ho azy. Dia nahavonona be tokoa Davida talohan'ny nahafatesany. 6 Ary Davida niantso an'i Salomona zanany, ka nandidy azy hanao trano ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely.

7 Izao no nolazain'i Davida tamin'i Salomona: Anaka, zava-nokendreko ny hanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitra. 8 Saingy tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: Nandatsaka rà be hianao sady nanao ady lehibe, ka tsy hanao trano ho an'ny anarako, satria be ny ra nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko. 9 Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan'ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salomona no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana Israely amin'ny androny. 10 Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ho toy ny zanaka ho ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy aho, ary hohamafisiko mandrakizay amin'Israely ny seza fiandrianan'ny fanjakany. 11 Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie Iaveh, mba hiadana hianao, ary hanao ny tranon'ny Tompo Andriamanitrao, araka ny efa nilazany anao. 12 Ho sitrak'Iaveh ihany anie, ny hanome fahendrena amam-pahazavan-tsaina anao, rahefa hanome fahefana anao amin'Israely izy, mba hankatoavanao ny lalàn'ny Tompo Andriamanitrao. 13 Hoambinina hianao amin'izay, raha manampo tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian'ny Tompo an'i Moizy ho an'Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po. 14 Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an'ny tranon'ny Tompo: talenta volamena iray hetsy, talenta volafotsy iray tapitrisa, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao. 15 Ary indro mby eto aminao ny mpiasa be dia be, tambato, mpahay vato aman-kazo, olo-mahay amin'izao karazan'asa rehetra izao. 16 Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie Iaveh. 17 Nandidy ny lehibe rehetra amin'Israely koa Davida hanampy an'i Salomona zanany, ka hoy izy:

18 Tsy momba anareo va Iaveh Andriamanitrareo, ary moa tsy efa nomeny fandriam-pahalemana eo amin'ny manodidina rehetra va hianareo? Fa ny mponina amin'ny tany efa natolony teo an-tànako; ary ny tany efa nampanekena teo anoloan'ny Tompo, sy teo anoloan'ny vahoakany. 19 Koa ankehitriny araiketo amin'ny fitadiavana an'ny Tompo Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an'ny Tompo Andriamanitra, mba hitondra hankatý ny fiaran'ny faneken'ny Tompo mbamin'ny fanaka masin'Andriamanitra, ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'ny Tompo.

Toko faha-23

1 Nony efa tratra antitra sy feno andro Davida, dia Salomona zanany no natsangana ho mpanjaka tamin'Israely.

2 Novoriny avokoa ny lehibe tamin'Israely mbamin'ny mpisorona sy ny Levita,

3 dia nisaina ny Levita hatramin'ny telopolo taona no miakatra, ka valo arivo sy telo alina no isan'ny vatan-dehilahy tsirairay avy. 4 Ary hoy Davida: Aoka ny efatra arivo sy roa alina amin'izy ireo, hiadidy ny raharaha ao an-tranon'ny Tompo, ny enina arivo ho mpanoratra sy mpitsara, 5 ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'ny Tompo amin'ny zava-maneno nataoko hankalazana azy. 6 Nozarain'i Davida ho antokony araka ny zanak'i Levì izy ireo dia: Gerona, Kaata, Merarì.

7 Ny Gersonita, dia Leedàna, sy Semeia.

8 Zanakalahin'i Leedàna: Jahiela filohany, Zetama sy Joela, telo izy. 9 Zanakalahin'i Semeia: Salomita, Hoziela ary Aràna, telo izy. Ireo no loham-pianakaviana, avy amin'i Leedàna. 10 Zanakalahin'i Semeia: Leheta, Zizà, Jaosa ary Barià, izy efatra ireo no zanakalahin'i Semeia. 11 Leheta no lohany, Zizà no faharoa, Jaosa sy Barià vitsy zanaka lahy, ka nisaina ho antokony iray araka ny fianakaviany. 12 Zanakalahin'i Kaata: Amrama, Isaara, Hebrona, ary Oziela, efatra izy.

13 Zanakalahin'i Amrama: Aarona sy Moizy. Ary Aarona natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin'ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan'ny Tompo, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin'ny anarany mandrakizay. 14 Ny amin'i Moizy, mpanompon'Andriamanitra kosa, dia nisaina anatin'ny fokon'i Levì ihany ny zanany. 15 Zanakalahin'i Moizy: Gersoma sy Eleazara. 16 Zanakalahin'i Gersoma: Soboela filohany. 17 Ny zanakalahin'i Eliezera, dia Rohobià, filohany. Tsy nanan-janakalahy hafa Eliezera, nefa maro dia maro ny zanakalahin-dRohobià. 18 Zanakalahin'Isaara: Salomita filohany. 19 Zanakalahin'i Hebrona: Jeriao filohany, Amariasa faharoa, Jahaziela fahatelo, ary Jekmaama fahefatra. 20 Zanakalahin'i Oziela: Mikà filohany, Jesià faharoa. 21 Zanakalahin'i Merarì: Moholì sy Mosì.

22 Zanakalahin'i Moholì: Eleazara sy Kisa. Maty tsy nitera-dahy Eleazara, fa vavy ihany, ary nalain'ny zanak'i Kisa, rahalahiny, ho vady ireo. 23 Zanakalahin'i Mosì: Moholì, Edera ary Jerimota, telo lahy izy. 24 Ireo no zanakalahin'i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan'olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon'ny Tompo hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra. 25 Fa hoy Davida: Iaveh Andriamanitr'Israely efa nanome fitsaharana ny vahoakany, ka honina mandrakizay eto Jerosalema. 26 Ary ny Levita efa tsy hitondra ny Fonenana mbamin'ny fanaka rehetra, fanaovana ny fanompoana momba azy intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1526