Boky Voalohan'ny Tantara
Toko faha-23
27 Koa araka ny didy farany avy amin'i Davida no nanisana ny taranak'i Levì, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra. 28 Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin'ny taranak'i Aarona, amin'ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo, ny amin'ny momba ny kianja aman'efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo; 29 ny amin'ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin'ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamatra rehetra. 30 Anjarany ny tonga miseho isa-marain-tsy hariva hankalaza sy hidera an'ny Tompo, 31 sy hanatitra ny sorona dorana rehetra amin'ny Tompo, amin'ny andro sabata na amin'ny voalohan'ny volana, na amin'ny fety, araka ny isany voadidy hatao mandrakariva eo anatrehan'ny Tompo. 32 Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak'i Aarona, rahalahiny, amin'ny momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo.Toko faha-24
1 Ny amin'ny taranak'i Aarona, dia izao no antokony; zanakalahin'i Aarona: Nadaba, Abiò, Eleazara, ary Itamara.2 Nadaba sy Abiò, maty talohan-drainy, tsy nitera-dahy, ary Eleazara sy Itamara nanao ny raharahan'ny fisoronana. 3 Davida, Sadaoka, taranak'i Eleazara, sy Akimeleka, taranak'Itamara, dia nizarazara ny taranak'i Aarona ho antokotokony arakaraka ny fanompoany.
4 Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak'Itamara, ny taranak'i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana enina ambin'ny folo ny tamin'ny taranak'i Eleazara, ary loham-pianakaviana valo ny tamin'ny taranak'Itamara. 5 Samy natao tamin'ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin'ny taranak'i Eleazara na ny tamin'ny taranak'Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin'ny momba an'Andriamanitra. 6 Semeiasa zanak'i Natanaela mpanoratra, anankiray tamin'ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan'i Sadaoka mpisorona, sy Akimeleka zanak'i Abiatara, ary teo anatrehan'ny loham-pianakavian'ny mpisorona sy ny Levita; amin'ny filokana, maka fianakaviana iray avy amin'i Eleazara, dia iray avy amin'Itamara. 7 Azon'i Joiariba ny loka voalohany, an'i Jedeia ny faharoa,
8 an'i Harima ny fahatelo, an'i Seorima ny fahefatra, 9 an'i Melkià ny fahadimy, an'i Maimàna ny fahenina, 10 an'i Akosa ny fahafito, an'i Abià ny fahavalo, 11 an'i Jesoaà ny fahasivy, an'i Sekenià ny fahafolo, 12 an'i Elasiba ny faharaika ambin'ny folo, an'i Jakima ny faharoa ambin'ny folo, 13 an'i Hopfà ny fahatelo ambin'ny folo, an'Isbaaba ny fahefatra ambin'ny folo, 14 an'i Belgà ny fahadimy ambin'ny folo, an'i Emmera ny fahenina ambin'ny folo, 15 an'i Hezira ny fahafito ambin'ny folo, an'i Afresa ny fahavalo ambin'ny folo, 16 an'i Feteià ny fahasivy ambin'ny folo, an'i Hezekiela ny faharoapolo, 17 an'i Jakina ny faharaika amby roapolo, an'i Gamola ny faharoa amby roapolo, 18 an'i Dalajao ny fahatelo amby roapolo, an'i Maziao ny fahefatra amby roapolo. 19 Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon'ny Tompo, araka ny fandaharana nomena azy, tamin'ny alàlan'i Aarona, rainy, araka ny didy nomen'ny Tompo Andriamanitr'Israely azy.
20 Izao kosa ny amin'ny filohan'ny Levita sisa: tamin'ny taranak'i Amrama, Sobaela; tamin'ny taranak'i Sobaela, Jehedeià;
21 tamin'ny taranak'i Rohobià, Jesiasa filohany; 22 tamin'ny Isaarita, Salemota, tamin'ny taranak'i Salemota, Jahata. 23 Zanakalahin'i Hebrona: Jeriao no voalohany, Amariasa faharoa, Jahaziela fahatelo, Jekmaàna fahefatra. 24 Zanakalahin'i Oziela: Mikà; tamin'ny taranak'i Mika, Samira. 25 Rahalahin'i Mikà: Jesià; zanak'i Jesià: Zakariasa. 26 Zanakalahin'i Merarì: Moholì sy Mosì; zanakalahin'i Merarì tamin'i Oziao zanany: Saama, Zakora ary Hebrì. 27 Avy amin'i Moholì, Eleazara izay tsy nitera-dahy; 28 avy amin'i Kisa, ny zanakalahin'i Kisa: Jerameela. 29 Zanakalahin'i Mosì: Moholì, Edera ary Jerimota. 30 Ireo taranak'i Levì, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak'i Aarona rahalahiny, dia nanao ny filokana teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Sadaoka, sy Akimeleka, mbamin'ireo loham-pianakavian'ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin'ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra.
Toko faha-25
1 Natokan'i Davida sy ireo komandin'ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin'ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Iditona izay naminany tamin'ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan'ireo izay manana anjara raharaha amin'ny fanompoana.2 Amin'ny zanakalahin'i Asafa: Zakora, Josefa, Nataniì ary Asarelì, ireo no zanakalahin'i Asafa, tarik'i Asafa, naminany araka ny didy avy amin'ny mpanjaka. 3 Amin'Iditona, ny zanakalahin'Iditona: Godohiasa, Sorì, Jereiasa, Hasabiasa, Matatiasa, ary Semeia, enina izy araka ny didin'Iditona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hankalaza an'ny Tompo. 4 Amin'i Hemàna, ny zanakalahin'i Hemàna: Boksiao, Mataniao, Oziela, Soboela, Jerimota, Hanaiasa, HAnanì, Eliata, Gedeltì, Rommemtiezera, Jesbakasà, Melotì, Otira, ary Mahaziota. 5 Izy rehetra ireo dia zanakalahin'i Hemàna, izay mpahitan'ny mpanjaka, amin'ny tenin'Andriamanitra, hankalaza ny fahefany. Zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo no nomen'Andriamanitra an'i Hemàna. 6 Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin'ny rainy avy hanao ny hira ao an-tranon'ny Tompo, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra, eo ambany fifehezan'i Davida sy Asafa ary Iditona sy Hemàna.
7 Ny isan'izy ireo, mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra nihira ho an'ny Tompo, izay rehetra efa nahay tsara, dia valo amby valopolo sy roan-jato. 8 Filokàna no nataon'izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin'ny anjara raharahany. 9 Ny loka voalohany, amin'ireo an'i Asafa, dia nahazo an'i Josefa; ny faharoa, an'i Godoliasa; izy mbamin'ireo rahalahiny sy ny zanany lahy: roa ambin'ny folo; 10 ny fahatelo, an'i Zakora, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 11 ny fahefatra an'Isarì, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 12 ny fahadimy an'i Nathanià, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 13 ny fahenina an'i Boksiao, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 14 ny fahafito an'Israelà mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo;
