Ny Jenezy

Toko faha-36

11 Ny zanakalahin'i Elifaza dia Temàna, Omara, Sefao, Gatama ary Seneza. 12 Tamnà, vaditsindranon'i Elifaza, zanak'i Esao, niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza. Ireo no zanakalahin'i Adà, vadin'i Esao. 13 Izao kosa no zanakalahin-dRahoely: Nahata, Zara, Sammà, ary Mezà. Ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao. 14 Ary izao no zanakalahin'i Oolibamà, zanakavavin'i Anà, zanakavavin'i Sebeona, vadin'i Esao; niteraka an'i Jehosy sy Ihelona ary Kore tamin'i Esao izy. 15 Izao no loham-pirenena amin'ny zanak'i Esao: Zanakalahin'i Elifaza: Temana, loham-pirenena; Omara, loham-pirenena; Sefao, loham-pirenena; Seneza, loham-pirenena.

16 Kore, loham-pirenena; Gathama, loham-pirenena; Amaleka, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin'i Elifaza amin'i Edoma. Zanak'i Adà ireo. 17 Zanakalahin-dRahoely, zanak'i Esao: Nahata, loham-pirenena, Zarà, loham-pirenena; Sammà, loham-pirenena, ary Mezà, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin-dRahoely, amin'ny tanin'i Edoma. Zanak'i Basemata, vadin'i Esao, ireo. 18 Zanakalahin'i Oolibamà, vadin'i Esao: Jehosy, loham-pirenena, Ielona, loham-pirenena; ary Kore, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin'i Oolibamà, zanakavavin'i Anà, sy vadin'i Esao. 19 Ireo no zanakalahin'i Esao, ireo no loham-pireneny; izany no Edoma. 20 Izao kosa no zanakalahin'i Seira, Horeana, izay efa nonina teo amin'ny tany rahateo; Laotana, Sobala, Sebeona, Anà, Disona, Esera ary Disàna.

21 Ireo no loham-pirenena amin'ny Horeana, zanakalahin'i Seira, tamin'ny tanin'i Edoma. 22 Ny zanakalahin'i Laotana dia: Hori sy Hemana, ary Tammà no anabavin'i Laotana. 23 Izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefao, ary Onama. 24 Izao no zanakalahin'i Sebeona: Ajà sy Anà. Io Anà io no nahita ny loharano mafana tany an'efitra, raha niandry ny ampondran'i Sebeona rainy izy. 25 Izao no zanak'i Anà: Disona sy Oolibamà, zanakavavin'i Anà. 26 Izao no zanakalahin'i Disona: Hamdàna, Esebana, Jetrama ary Karàna. 27 Izao no zanakalahin'i Esera: Balana, Zavana, ary Akana. 28 Izao no zanakalahin'i Disàna: Hosy sy Arama. 29 Izao no loham-pirenena amin'ny Horeana: Laotana loham-pirenena, Sobala, loham-pirenena, Sebeona, Anà, loham-pirenena;

30 Disona, loham-pirenena, Esera, loham-pirenena, Disana, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena Horeana izay samy loham-pirenena any amin'ny tanin'i Seira. 31 Izao no mpanjaka efa nanjaka tany amin'ny tanin'i Edoma, talohan'ny nisian'ny mpanjaka nanjaka tamin'ny zanak'Israely.

32 Belà, zanak'i Beora, nanjaka tany Edoma; ary ny anaran'ny tanànany dia atao hoe: Denaba. 33 Dia maty Belà ary Jobaba, zanak'i Zoara, avy any Boarà, no nanjaka nandimby azy. 34 Maty Jobaba, dia Hosama, avy amin'ny tanin'ny Temanita, no nanjaka nandimby azy. 35 Maty Hosama, ary nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Nadada, ilay nandresy an'i Madiana, tany amin'ny tanin'i Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany. 36 Maty Hadada, ary Semlà, avy any Masrekà, no nanjaka namdimby azy. 37 Maty Semlà, ary Saola avy any Rohobota, amin'ny Ony, no nanjaka nandimby azy. 38 Maty Saola, ary Balanàna zanak'i Akora, no nanjaka nandimby azy. 39 Maty Balanàna, zanak'i Akora, dia nanjaka nandimby azy Hadara, ka ny anaran'ny tanànany dia Faho ary ny anaran'ny vadiny dia Meetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Mezaaba. 40 Izao no anaran'ny loham-pirenena amin'ny taranak'i Esao, araka ny fokony sy ny faritaniny ary ny anarany avy: Tammà, loham-pirenena; Alvà, loham-pirenena; Jetela, loham-pirenena;

41 Oolibamà, loham-pirenena; Ela, loham-pirenena; Finona, loham-pirenena, 42 Seneza, loham-pirenena; Temàna, loham-pirenena; Mabsara, loham-pirenena. 43 Magdiela, loham-pirenena; Hirama, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena amin'i Edoma, araka ny fonenany, any amin'ny tany onenany avy. Izany no Esao, rain'i Edoma.

Toko faha-37

1 Ary Jakoba niorim-ponenana teo amin'ny tany nitoeran-drainy any amin'ny tany Kanaana.

2 Izao no tantaran'i Jakoba: Rahefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny. Noho izy mbola zaza, tafaraka tamin'ireo zanak'i Balà sy tamin'ireo zanak'i Zelfah vadin-drainy; ka nanambara tamin-drainy ny tati-bolan-dratsy momba azy ireo Josefa.

3 Tian'Israely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava. 4 Nony hitan'ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana. 5 Nanonofy Josefa ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny izany; ka vao mainka koa nankahalàny azy.

6 Hoy izy taminy: Aza mahafady, mba henoy kely ange ny nofy azoko: 7 Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro, niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany. 8 Ary hoy ireo rahalahiny taminy: Dia hanjaka aminay ve hianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e? Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy. 9 Fa mbola nanonofy indray koa izy, sady nolazainy tamin'ireo rahalahiny. Hoy izy: Nanonofy indray aho, ny masoandro amam-bolana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.

10 Samy nilazany izany avokoa ny rainy sy ireo rahalahiny, ka notenenin-drainy mafy izy, nataony hoe: Ahoana no hevitr'izany nofinao izany? Izaho ve sy ny reninao ary ny rahalahinao tsy maintsy ho avy hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao? 11 Ireo rahalahiny nialona azy, fa rainy kosa nitadidy izany. 12 Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin'i Josefa.

13 Ka hoy Israely tamin'i Josefa: Moa tsy miandry ny biby fiompy any Sikema va ny rahalahinao? Ka avia hianao hirahiko ho any amin'izy ireo. Dia hoy ny navaliny: Inty aho. 14 Ary hoy Israely taminy: Mandehàna, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any. Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan'i Hebrona, dia lasa Josefa nankany Sikema. 15 Nisy kosa lehilahy anankiray nahita azy nivezivezy teny an-tsaha, ka nanontany azy nanao hoe: Inona no tadiavinao? 16 Dia hoy izy: Mitady ny rahalahiko aho; masìna hianao, mba atoroy ahy kely izay iandrasany ondry. 17 Ka hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy, fa reko niresaka hoe: Andeha isika ho any Dotaïna. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny, ka nahita azy tany Dotaïna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.154