Ny Jenezy

Toko faha-34

21 Olona tia fihavanana ireto olona eto amintsika ireto, ka aoka izy honina amin'ny tany sy hanao varotra eto, fa malalaka ny tany, na ankavanana na ankavia, ka omby azy. Dia ny zanany vavy halaintsika ho vady; ny zanatsika vavy kosa homentsika ho azy ireo. 22 Kanefa izao ihany no aneken'ireo olona ireo ny hiara-monina amintsika, mba ho tonga firenena iray eto amintsika dia ny hoforana tahaka azy ireo ny lehilahy rehetra eto amintsika. 23 Tsy ho antsika va ny biby fiompiny sy ny fananany rehetra ary ny biby mpitondra entany rehetra? Nefa aoka hoekentsika aloha ny teniny ary aoka izy hiorim-ponenana eto amintsika. 24 Neken'izay rehetra mivoaka ny vavahadin'ny tanàna ny tenin'i Hemora sy Sikema zanany, ka dia noforàna ny lehilahy rehetra mivoaka ny vavahadin'ny tanàna. 25 Nony tamin'ny andro fahatelo, raha ilay narary iny izy ireo, dia samy naka ny sabany avy ny zanak'i Jakoba roalahy, Simeona sy Levì, anadahin'i Dinà, ka niakatra tsy aman-tahotra tao an-tanàna, namono ny lehilahy rehetra.

26 Novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa Hemora sy Sikema, zanany, ary naka an'i Dinà tao an-tranon'i Sikema izy, dia lasa nivoaka. 27 Ny maty, nosavàn'ireto zanak'i Jakoba; ny tanàna, nobaboiny, noho ny nandotoana ny anabaviny. 28 Nahorony avokoa na ondry na omby na ampondra, na ny tao an-tanàna, na ny tany an-tsaha. 29 Nofaohiny daholo ny fananany, ny zanany, ny vadiny, mbamin'izay rehetra hitany tao an-trano. 30 Fa hoy kosa Jakoba tamin'i Simeona sy Levì: Nampanahirana ahy hianareo, fa nomaimboinareo amin'ny tany ama-monina aho, dia amin'ny Kananeana sy amin'ny Ferezeana. Izaho dia olom-bitsy ka hikambana izy hamely ahy, ka hovonoiny aho, dia ho fongotra aho sy ny ankohonako.

31 Ary hoy izy ireo: Moa ho azo hatao toy ny vehivavy janga foana va ny anabavinay?

Toko faha-35

1 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: Andeha hianao miakatra an'i Betela ka monèna any, manangàna otely any, ho an'ilay Andriamanitra niseho taminao, fony hianao nandositra teo anoloan'i Esao, rahalahinao.

2 Dia hoy Jakoba tamin'ny fianakaviany, sy tamin'izay rehetra nomba azy: Ario ny andriamani-kafa izay eo aminareo; mandiova tena hianareo, ary soloy ny fitafianareo. 3 Fa hiainga isika hiakatra ho any Betela. Hanangana otely any aho, ho an'ilay Andriamanitra izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako, sy nomba ahy tamin'ny làlana nalehako. 4 Dia natolotr'izy ireo an'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tànany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin'i Jakoba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema. 5 Dia lasa izy ireo; ary azon'ny tahotra mafy avy amin'Andriamanitra ny tanàna, eny amin'ny manodidina eny, ka tsy nisy nanenjika ny zanak'i Jakoba. 6 Ary Jakoba sy ny olona rehetra nomba azy tonga tany Loza any amin'ny tany Kanaana, dia Betela izany. 7 Dia nanorina otely teo izy, ka nataony hoe El-Betela ny anaran'io tany io, satria teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra teo anoloan'ny rahalahiny. 8 Ary maty Deborà, mpitaiza an-dRebekà, ka naleviny teo ambanin'i Betela am-pototry ny oaka anankiray izay nomena anarana hoe Oakan-dranomaso.

9 Niseho tamin'i Jakoba indray koa Andriamanitra nony tafaverina avy any Padan-Arama izy, sady nitso-drano azy.

10 Hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao, nefa tsy hatao Jakoba intsony hianao, fa Israely no ho anaranao. Dia nataony hoe Israely no anarany. 11 Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Maroa fara sy mitomboa; firenena sy fikambanam-pirenena no ho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'izay haloaky ny kibonao. 12 Ny tany nomeko an'i Abrahama sy Isaaka, dia homeko anao, ary homeko ny taranakao mandimby anao izany tany izany. 13 Dia niakatra Andriamanitra niala taminy teo amin'ilay fitoerana niresahany taminy. 14 Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo amin'ilay fitoerana niresahany taminy, ka nandraraka fanatitra araraka teo amboniny, sy nandrotsaka diloilo teo. 15 Nataony hoe Betela ny anaran'ny tany niresahan'Andriamanitra taminy. 16 Dia niala teo Betela izy; ary nony mbola lavidavitra ihany vao ho tonga tao Efratà, dia teraka Rasela sady sarotiny erý.

17 Ka hoy ny mpampivelona taminy, nandritra ny fanaintainana nahazo azy teo am-piterahana: Aza matahotra fa indro hahazo zazalahy indray koa hianao. 18 Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe Benonì ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. 19 Dia maty Rasela, ka nalevina teo amin'ny làlana mankany Efratà dia Betleema izany. 20 Nanorina tsangam-bato teo ambony fasany Jakoba, dia ilay tsangam-baton'i Fasan-dRasela, izay mbola eo mandrak'androany. 21 Niainga indray Israely, dia niorin-day tao ambadik'i Magdala-Edera.

22 Raha mbola nipetraka teo amin'izany tany izany Israely dia avy Robena ka nandry tamin'i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany Israely. Roa ambin'ny folo no isan'ny zanakalahin'i Jakoba. 23 Zanak'i Lià: Robena, lahimatoan'i Jakoba, Simeona, Levì, Jodà, Isakara ary Zabolona.

24 Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina. 25 Zanak'i Balà, ankizivavin-dRasela: Dana sy Neftalia. 26 Zanak'i Zelfah, ankizivavin'i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba, naterany tany Padan-Arama. 27 Ary Jakoba tonga tany amin'Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat-Arabe; dia Hebròna izany, izay nitoeran'i Abrahama sy Isaaka.

28 Valo-polo amby zato taona no andro niainan'Isaaka.

29 Dia niala aina Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin'ny razany; tratrantitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy Esao sy Jakoba, zanany.

Toko faha-36

1 Izao no tantaran'i Esao, izay Edoma ihany. Naka vady tamin'ny zanakavavin'i Kanaana Esao:

2 Adà, zanakavavin'i Elona, Heteana, Oolibamà, zanakavavin'i Anà, zanakavavin'i Sebeona, Heveana; 3 ary Basemata, zanakavavin'Ismaely, anabavin'i Nabaiota, 4 Ka ny naterak'i Adà, tamin'i Esao dia Elifaza; ny naterak'i Basemata dia Rahoely; 5 ary ny naterak'i Oolibamà dia Jehosy sy Ihelona ary Kore. Ireo no zanakalahin'i Esao naterany tany amin'ny tany Kanaana. 6 Ary nentin'i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy; ny olona rehetra teo an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra nohariny tany Kanaana, ka lasa izy nankany amin'ny tany anankiray lavitra an'i Jakoba rahalahiny.

7 Fa efa samy be loatra ny haren'izy ireo ka tsy nahazo niara-nonina intsony izy fa tsy omby azy ireo intsony ny tany nonenany, noho ny biby fiompiny. 8 Dia tany an-tendrombohitra Seira Esao no nonina. Esao dia Edoma ihany. 9 Izao no taranak'i Esao, rain'i Edoma tany an-tendrombohitra Seira.

10 Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao, dia izao: Elifaza, zanak'i Adà, vadin'i Esao; Rahoely, zanak'i Basemata, vadin'i Esao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2375