Boky Voalohan'ny Tantara
Toko faha-27
2 Jeroboama zanak'i Zabdiela, no lohan'ny antokony voalohany, ho amin'ny volana voalohany; efatra arivo amby roa alina no isan'ny antokony.3 Isan-taranak'i Faresa izy, ary nifehy ny lehibe rehetra isan-tokony, amin'ny volana voalohany. 4 Dodià Ahohita no lohan'ny antokony amin'ny volana faharoa; Makelota andriandahy no isan'ny lehibe tamin'ny antokony; ary efatra arivo amby roa alina no isan'ny antokony.
5 Banaiasa zanak'i Joiadà filohany no lohan'ny antokony fahatelo, ho amin'ny volana fahatelo; ary efatra arivo amby roa alina no isan'ny antokony. 6 Io no ilay Banaiasa lehilahy mahery amin'ny Telo-polo lahy, sady mpitarika ny Telo-polo lahy. Amizabada zanany dia mpifehy tamin'ny antokony. 7 Asaela rahalahin'i Joaba no fahefatra ho amin'ny volana fahefatra, ary Zabadiasa zanany no manarakaraka azy, efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 8 Samaota filohany, Izrahita no fahadimy, ho amin'ny volana fahadimy, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 9 Hirà, zanak'i Aksesa avy any Tekoe no fahenina ho amin'ny volana fahenina; ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 10 Helesa, Falonita, isan-taranak'i Efraima no fahafito, ho amin'ny volana fahafito, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 11 Sobokaì Hosatita, amin'ny fianakavian'ny Zarahita no fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 12 Abiezera avy any Anatota, isan-taranak'i Benjamina no fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 13 Maraì avy any Nefotà amin'ny fianakavian'ny Zarahita no fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo; ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 14 Banaiasa avy any Faratona, isan-taranak'i Efraima no faharaika ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharaika ambin'ny folo; ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 15 Holdaì avy any Netofà, amin'ny fianakavian'i Otoniela, no faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 16 Izao kosa no lohan'ny fokon'Israely: amin'ny Robenita, Eliazera, zanak'i Zekrì; amin'ny Semeonita, Safatiasa zanak'i Maakà;
17 amin'ny Levita: Hasabiasa zanak'i Kamoela; amin'ny fianakavian'i Aarona, Sadaoka; 18 amin'i Jodà, Eliò rahalahin'i Davida; amin'Isakara, Amrì zanak'i Mikaela; 19 amin'ny Zabolona, Jesmaiasa zanak'i Abdiasa; amin'ny Neftalì, Jerimota zanak'i Osriela; 20 amin'ny taranak'i Efraima: Osea zanak'i Ozaziò; amin'ny antsasa-pokon'i Manase, Joela zanak'i Fadaiasa; 21 amin'ny antsasa-pokon'i Manase any Galaada, Jadao zanak'i Zakariasa; amin'i Benjamina, Jasiela zanak'i Abnera; 22 amin'ny Dana, Ezriela zanak'i Jerohama. Ireo no lohan'ny fokon'Israely. 23 Tsy nisain'i Davida ny hatramin'ny roapolo taona no midina, satria efa nolazain'ny Tompo fa hampitombo an'Israely ho tahaka ny kintana amin'ny lanitra izy.
24 Efa nanomboka ny fanisana Joaba zanak'i Sarvià, fa tsy nahatapitra izany, satria azon'ny hatezeran'ny Tompo noho izany Israely ka ny isa efa hita dia tsy voasoratra ao amin'ny rejistrin'ny tantaran'i Davida mpanjaka. 25 Asmota, zanak'i Adiela, no tonian'ny rakitry ny mpanjaka; Jonatàna, zanak'i Oziasa, no amin'ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin'ny zanabohitra na amin'ny tilikambo;
26 Ezrì, zanak'i Keloba, no amin'ny mpiasa any an-tsaha, miasa ny tany; 27 Semeia avy any Ramà no amin'ny tanim-boaloboka; Zabdiasa avy any Safama no amin'ny divay voavory any amin'ny tanim-boaloboka; 28 Balanana avy any Gedera no amin'ny oliva sy ny aviavy any amin'ny Sefelà; Joasa no amin'ny filoilo voavory; 29 Setraì avy any Sarona no amin'ny omby andrasana any Sarona; Safatà zanak'i Adlì no amin'ny omby eny an-dohasaha; 30 Obila, Ismaelita, no amin'ny rameva; Jadiasa avy any Meronata no amin'ny ampondravavy; 31 Jaziza Agareniana no amin'ny ondry. Ireo rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka. 32 Jonatàna, rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; Jahiela, zanak'i Hakamonì, no teo amin'ny zanaky ny mpanjaka.
33 Akitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka, ary Kosaì, Arkeana, dia sakaizan'ny mpanjaka; 34 manarakaraka an'i Akitofela dia Joiadà, zanak'i Banaiasa, sy Abiatara. Joaba no komandin'ny tafiky ny mpanjaka.
Toko faha-28
1 Novorin'i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin'Israely, dia ny lohan'ny foko, ny lehiben'ny antokony mpanompo ny mpanjaka, ny tompon'arivo, ny tompon-jato, ny tonian'ny fananana sy ny biby fiompin'ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin'ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.2 Dia nitsangana Davida mpanjaka ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko amam-bahoakako! Izaho efa nikendry ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny Faneken'ny Tompo sy ho fandiavan-tongotry ny Andriamanitsika, sady namonona ny ho enti-manao azy. 3 Fa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny anarako hianao, fa lehilahy mpiady ary nandatsa-dra. 4 Nofidin'ny Tompo Andriamanitr'Israely aho tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin'Israely mandrakizay. Satria Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Jodà, ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; tamin'ny ankohonan'ny raiko, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin'Israely. 5 Tamin'ny zanako rehetra kosa, - fa nomen'ny Tompo zanaka maro aho, - Salomona zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'ny Tompo amin'Israely. 6 Hoy izy tamiko: Salomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary ho toy ny ray ho azy aho. 7 Hohamafisiko ho mandrakizay ny fanjakany, raha mifikitra amin'ny fanarahana ny didiko amam-pitsipiko, tahaka ny amin'izao anio izao, izy. 8 Ary ankehitriny, eto imason'Israely rehetra, fiangonan'ny Tompo, sy eto anatrehan'Andriamanitrareo rehetra, mba hanananareo ity tany soa ity, sy hamindranareo azy ho lovan'ny fara mandimby anareo mandrakizay. 9 Ary hianao, ry Salomona, zanako, mahalala an'Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin'ny fo mazava sy amin'ny fanahy mazoto, fa Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady azy hianao, dia hety ho hitanao izy; fa raha mandao azy kosa hianao, dia hariany mandrakizay. 10 Diniho ary izao, fa nofidin'ny Tompo hianao, hanao trano ho fitoerany masina, ka mahereza àry miasa. 11 Dia nomen'i Davida an'i Salomona zanany ny mariky ny alo-baravarana, ny trano, ny efitry ny rakitra, ny efitra ambony, ny efitra anatiny miray amin'io, ny efitry ny fanoneram-pahotana,
12 mbamin'ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan'ny tranon'ny Tompo sy ny efitra rehetra amin'ny manodidina, ho an'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina, 13 ho an'ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita, ho an'ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo. 14 Ny mariky ny fanaka volamena, mbamin'ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana; ny mariky ny fanaka volafotsy rehetra, mbamin'ny lanjany hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana; 15 ny lanjan'ny fanaovan-jiro volamena mbamin'ny lalampy volamena momba azy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro sy isan-dalampy momba azy; ary ny lanjan'ny fanaovan-jiro volafotsy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro; 16 ny lanjan'ny volamena hanaovana ny latabatry ny mofo alahatra, isan-databatra; ny volafotsy hanaovana ny latabatra volafotsy; 17 ny mariky ny fitrebika, ny jogy, ny kopy volamena madio, ny siny volamena, mbamin'ny lanjany avy isan-tsiny; ny siny volafotsy, mbamin'ny lanjany avy isan-tsiny;
