Boky Voalohan'ny Tantara
Toko faha-28
18 ny modelin'ny otelin'ny zava-manitra hatao amin'ny volamena voadio, araka ny lanjany; ny modelin'ny kalesin'Andriamanitra, ny kerobima volamena mivelatra elatra manarona ny fiaran'ny faneken'ny Tompo. 19 Izany rehetra izany, hoy Davida, ny asa rehetra amin'izany marika izany, dia nampahafantarin'ny Tompo ahy, tamin'ny soratra nosoratan'ny tànany, tonga atý amiko. 20 Ary hoy Davida tamin'i Salomona zanany: Matanjaha! Mahereza! Miasà. Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa Iaveh Andriamanitra, Andriamanitra homba anao; tsy handao anao izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan'ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo.21 Indreo homba anao ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan'asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.
Toko faha-29
1 Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Salomona zanako, ilay hany nofidin'Andriamanitra, dia mbola tanora sy osa, ary ny asa hatao dia lehibe, fa tsy lapa ho an'olombelona ity, fa ho an'ny Tompo Andriamanitra.2 Nanao izay tratry ny aiko aho namonona izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia volamena hanaovana ny fanaka volamena, volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, varahina hanaovana ny fanaka varahina, vy hanaovana ny fanaka vy, hazo hanaovana ny fanaka hazo, vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony, vato fanao ravaka sy samihafa volo, vato soa isan-karazany, ary vato marbra ankabetsahany. 3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'izay rehetra nomaniko hanaovana ny fitoerana masina, 4 dia talenta volamena telo arivo, ny volamena avy any Ofira; talenta volafotsy voadio fito arivo, hapetraka amin'ny atin'ny rindrin'ny efi-trano; 5 ny volamena hanaovana fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana fanaka volafotsy, mbamin'izay asa samihafa rehetra hataon'ny tànan'ny mpanao taozavatra. Iza ary no mba mazoto hanome fanatitra an-tsitra-po koa anio, ho an'ny Tompo? 6 Dia nanolotra fanatitra an-tsitra-po ny loham-pianakaviana, ny loham-pokon'Israely, ny tompon'arivo, ny tompon-jato ary ny tonian-draharahan'ny mpanjaka.
7 Ka izao no nomeny hanaovana ny asa amin'ny tranon'Andriamanitra: talenta volamena dimy arivo, darika iray alina, talenta volafotsy iray alina; talenta varahina valo arivo sy iray alina, talenta vy iray hetsy. 8 Izay nanam-bato soa, nanolotra izany teo am-pelatanan'i Jahiela Gersonita, ho rakitry ny tranon'ny Tompo. 9 Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitra-po, satria tamim-po mazava no nanaovany an'izany fanatitra izany ho an'ny Tompo. Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin'izany. 10 Dia nisaotra an'ny Tompo teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida, ka hoy Davida: Isaorana mandrakizay mandrakizay anie hianao, ry Iaveh, Andriamanitr'Israely rainay.
11 Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa anao izay rehetra any an-danitra sy etý an-tany; anao, ry Iaveh, ny fanjakana, anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra! 12 Hianao no ihavian'ny harena amam-boninahitra, hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tànanao ny hery amam-pahefana, ary ny tànanao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra. 13 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, hianao no derainay, ary ny anaranao be voninahitra no ankalazainay. 14 Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitra-po fanatitra toy izao? Hianao no ihavian'ny zavatra rehetra; ary ny noraisinay avy teo an-tànanao ihany no natolotray anao. 15 Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny androany eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina. 16 Ry Iaveh Andriamanitray ô, izao harena rehetra novononinay hanaovan-trano ho anao, ho an'ny anaranao masina izao, dia ny tànanao no ihaviany; anao ny zavatra rehetra. 17 Fantatro, ry Andriamanitro ô, fa mandinika ny fo hianao, ary tia ny hitsim-po, ka an-tsitra-po no nanaovako izao fanatitra rehetra izao amin'ny fahitsian'ny foko; ary amin-kafaliana koa ankehitriny no ahitako ny vahoakako etoana, samy manolotra an-tsitra-po ny fanatiny ho anao. 18 Ry Iaveh, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban'ny hevitra ao am-pon'ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony. 19 Salomona zanako, omeo fo mazava hitandrina ny didinao aman-pitsipikao sy lalànao, mba hanarahany azy rehetra, sy hanaovany ny lapa izay efa namononako zavatra. 20 Ny fiangonana rehetra koa nilazan'i Davida hoe: Samia hianareo misaotra an'ny Tompo Andriamanitrareo. Ka dia nisaotra an'ny Tompo Andriamanitry ny razany, ny fiangonana rehetra, sady niondrika izy ireo, sy niankohoka teo anatrehan'ny Tompo sy teo anatrehan'ny mpanjaka.
21 Ny ampitson'izany andro izany, dia namono zavatra natao sorona ho an'ny Tompo izy ireo, sy nanolotra sorona dorana ho an'ny Tompo: ombalahy arivo, ondralahy arivo, ary zanak'ondry arivo, mbamin'ny fanatitra araraka fanao, ary sorona hafa be dia be, ho an'Israely rehetra. 22 Nihinana sy nisotro teo anatrehan'ny Tompo tamin-kafaliana lehibe izy ireo, tamin'izay andro izay. Salomona zanak'i Davida nantsoiny ampahibemaso fanindroany ho mpanjaka sy nohosorany ho mpanapaka teo anatrehan'ny Tompo, ary Sadaoka koa nohosorany ho mpisorona. 23 Nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny Tompo Salomona, ho mpanjaka dimbin'i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin'Israely rehetra. 24 Nanoa an'i Salomona mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny lehilahy mahery rehetra, hatramin'ireo zanak'i Davida mpanjaka rehetra. 25 Ny fiandrianan'i Salomona nasandratry ny Tompo ho ambony indrindra teo imason'Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an'ny mpanjaka talohany teo amin'Israely rehetra. 26 Nanjaka tamin'Israely rehetra Davida zanak'Isaia.
27 Efapolo taona no andro nanjakany tamin'Israely: fito taona izy nanjaka tao Hebrona; ary telo amby telopolo taona tao Jerosalema. 28 Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy harena amam-boninahitra izy vao maty, ary Salomona zanany no nanjaka nandimby azy. 29 Ny asan'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia indro fa voasoratra ao amin'ny tantaran'i Samoela mpahita sy amin'ny tantaran'i Gada mpahita, 30 mbamin'ny zava-drehetra momba ny fanjakany, sy ny asa nataony tamin-kerim-po sy ny fiovaovan-toetra nahazo azy sy nahazo an'Israely sy ny fanjakana rehetra an-tany hafa.
Boky Faharoan'ny Tantara
Toko voalohany
1 Niorina mafy tamin'ny fanjakana Salomona zanak'i Davida; nomba azy Iaveh Andriamaniny, ka nanandratra azy ho amin'ny ambaratonga ambony indrindra.2 Ary nisy didy nomen'i Salomona ho an'Israely rehetra, dia ny tompon'arivo, ny tompon-jato, ny mpitsara, ny filohany rehetra teo amin'Israely ary ny loham-pianakaviana.
3 Ka niara-niakatra tamin'ny fiangonana rehetra Salomona ho any amin'ny fitoerana avo any Gabaona. Fa tao ny trano lay fihaonan'Andriamanitra nataon'i Moizy, mpanompon'ny Tompo, tany an'efitra; 4 ny fiaran'Andriamanitra kosa efa nafindran'i Davida, avy any Kariathiarima ho any amin'ny fitoerana namboariny ho azy; satria efa nanangan-day ho azy tany Jerosalema izy. 5 Ilay otely varahina nataon'i Beseleela, zanak'i Orì, zanak'i Hora, dia tany koa, teo anoloan'ny tabernaklan'ny Tompo. Nitady an'ny Tompo tany Salomona sy ny fiangonana. 6 Dia tao ihany, teo ambonin'ilay otely varahina, teo anoloan'ny Tompo, akaikin'ny trano lay fihaonana, no nanoloran'i Salomona sorona dorana arivo. 7 Nony alina, niseho tamin'i Salomona Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: Angataho izay tianao homeko anao.
8 Dia hoy ny navalin'i Salomona an'Andriamanitra: Hatsaram-po lehibe no nasehonao tamin'i Davida raiko, ary izaho no nampanjakainao handimby azy. 9 Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin'i Davida raiko, fa efa nataonao mpanjaka amin'ny vahoaka maro toy ny vovon-tany aho. 10 Omeo fahendrena amam-pahazavan-tsaina aho hahaizako ny tokony hataoko eo anatrehan'ny vahoakanao. Fa iza no hahay mitsara ny vahoakanao, dia izao vahoaka be dia be izao? 11 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Salomona: Satria izany no ao am-ponao, fa tsy vola aman-karena no nangatahinao, na voninahitra, na ny ain'ny fahavalonao, ary tsy nangatahinao ny ho lava fiainana aza, fa ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina no nangatahinao ho anao, hitsaranao ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;
12 koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin'ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany. 13 Avy tao amin'ny fitoerana avo tao Gabaona sy tao amin'ny trano lay fihaonana Salomona, dia nody tany Jerosalema, ary nanjaka tamin'Israely. 14 Nanangona kalesy amam-pitaingin-tsoavaly Salomona, ka nanan-kalesy efa-jato sy arivo, sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay napetrany tamin'ireo tanàna fitoeran-kalesy, sy tao Jerosalema akaikin'ny mpanjaka.
15 Ny volafotsy amam-bolamena tany Jerosalema, nataon'ny mpanjaka an-kabetsahana tahaka ny vato; ny sedera nataony maro toy ny amontana maniry eny an-tany lemaka. 16 Avy any Ejipta no nihavian'ny soavalin'i Salomona, antokony iray tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka no nandeha naka azy amin'andiany, araka ny vidiny efa nifanekena:
