Boky Faharoan'ny Tantara
Toko voalohany
17 volafotsy enin-jato sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary dimampolo amby zato sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak'izany ihany koa no nitondran'izy ireo ho an'ny mpanjakan'ny Heteana rehetra sy ny mpanjakan'i Siria. 18 Nikasa hanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo sy lapa ho an'ny tenany Salomona.
Toko faha-2
1 Nanisa olona fito alina Salomona hitondra ny entana, valo alina hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary enin-jato amby telo arivo hitandrina an'ireo.2 Naniraka tany amin'i Hirama mpanjakan'i Tira Salomona, hilaza hoe: Ataovy amiko ny nataonao tamin'i Davida raiko, izay nampanateranao sedera hanaovany trano hipetrahany.
3 Fa indro aho manangana trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitro, izay hohamasiniko ho azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona doran'ny maraina sy ny hariva, sy amin'ny sabata, ny voalohan'ny volana, ny fetin'ny Tompo Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin'Israely mandrakizay. 4 Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. 5 Fa iza aza moa no hahay manao trano ho azy, fa ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby azy? Ary iza moa aho no hanao trano ho azy, afa-tsy ny mba handoroana zava-manitra eo anatrehany ihany? 6 Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin'ireo olo-mahay zavatra izay atý amiko atý Jodà sy Jerosalema, efa nomanin'i Davida raiko. 7 Ampanatero hazo sedera sy sipresa ary santala avy any Libàna aho; satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libana ny mpanomponao. Ny mpanompoko hiaraka amin'ny mpanomponao, 8 mba hamonona hazo betsaka ho ahy, fa ho lehibe sy tsara higagana ny trano hataoko. 9 Ary indro fa izao no homeko ho sakafon'ny mpanomponao mikapa hazo, izay hikapa ny hazo: varimbazaha roa alina kora, orja roa alina kora, divay roa alina bata, diloilo roa alina bata. 10 Dia izao no navalin'i Hirama mpanjakan'i Tira tao amin'ny taratasy nampitondrainy an'i Salomona: Noho ny fitiavan'ny Tompo ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.
11 Ary hoy Hirama: Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, malina, mazava saina, izay hanao trano ho an'ny Tompo ary trano-mpanjaka ho an'ny tenany. 12 Koa ankehitriny dia indro irahiko ho atý aminao Ingahy Hirama, lehilahy mahay zavatra sady manan-tsaina, 13 zanaky ny vehivavy taranak'i Dàna sy ny lehilahy Tiriana, mahay miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, ary vato aman-kazo, jaky mena, jaky volomparasy, lamba mena antitra, rongony madinika, mahay sary sokirina isan-karazany, mahavita zavatra araka izay marika aseho azy, na inona na inona, hiara-kiasa amin'ireo olo-mahay zavatra atý aminao, mbamin'ireo olo-mahay zavatra tamin'i Davida tompoko rainao. 14 Ary ankehitriny ny varimbazaha sy ny orja, mbamin'ny diloilo aman-divay, voalazan'ny tompoko, dia aoka hampitondrainy ny mpanompony.
15 Ary dia hikapa hazo any Libàna, araka izay rehetra ilainao, izahay, sy handefa azy ambony zahatra amin'ny ranomasina hatrany Jope, dia hianao kosa no hampiakatra azy eo ho any Jerosalema. 16 Ary nisain'i Salomona araka ny nanisan'i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin'ny tanin'Israely: dia nisy enin-jato sy telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy ny isany.
17 Ka nalainy tamin'ireo ny fito alina hitondra entana, ny valo alina hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato sy telo arivo nataony mpitandrina hampiasa ny vahoaka.
Toko faha-3
1 Dia natombok'i Salomona ny fanaovana ny tranon'ny Tompo tao Jerosalema, amin'ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an'i Davida rainy, dia amin'ny toerana efa voaoman'i Davida teo amin'ny famoloan'i Ornàna, Jeboseana.2 Tamin'ny andro faharoan'ny volana faharoa, taona fahefatra nanjakany, no nanombohany hanao azy. 3 Toy izao no fototra nanorenan'i Salomona ny tranon'Andriamanitra: Enimpolo hakiho, araka ny hakiho fandrefesana taloha ny lavany; ary roapolo hakiho ny sakany.
4 Ny lavarangana fidirana izay eo anoloan'ny halavan'ny trano dia roapolo hakiho ny lavany, araka ny sakan'ny trano, ary roapolo amby zato hakiho ny hahavony; nopetahan'i Salomona volamena madio ny atiny. 5 Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy hasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina. 6 Nopetahany vato soa ny trano handravahana azy, ary ny volamena dia ny avy any Parvaima. 7 Nopetahany volamena ny trano, dia ny sakamandimby, ny tolana, ny rindrina, ny varavarana, ary nasiana Kerobima nosokirina ny rindrina. 8 Dia nataony ny efi-trano masina indrindra: roapolo hakiho araka ny sakan'ny trano, ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Nopetahany volamena madio io, nahalaniana talenta volamena enin-jato,
9 ary dimampolo sikla ny lanjan'ny hombo volamena. Ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa. 10 Nanao kerobima roa, taozavatra voasokitra, tao amin'ny efi-trano masina indrindra, ary nopetahany volamena ireo.
11 Roapolo hakiho no halavan'ny elatr'ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin'ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin'ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin'ny elatry ny kerobima iray; 12 ny elatra anankiray amin'ny kerobima faharoa dimy hakiho, dia mipaka amin'ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray. 13 Dia roapolo hakiho no halavan'ny elatr'ireo kerobima ireo, mivelatra. Nijoro tamin'ny tongony izy; ary manatrika ny trano ny tarehiny. 14 Jaky volomparasy, jaky mena, lamba mena antitra ary rongony madinika no nataony salobona, ka nasiany kerobima vita amboradara.
15 Nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy, dimy amby telopolo hakiho avy no hahavony, dimy hakiho ny loha andry tao an-tampony. 16 Nanao tongàlika, toy ny ao amin'ny loha andry; ary nanao voan'ampongabendanitra zato izy, nataony teo amin'ny tongàlika. 17 Dia natsangany teo anoloan'ny tempoly ny andry, ny iray teo an-kavanany, ny iray teo an-kaviany. Ilay teo an-kavanana nataony hoe Jakina ary ny eo an-kavia, Booza.
Toko faha-4
1 Nanao otely varahina anidina Salomona, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.2 Nanao ranomasina anidina izy: folo hakiho ny haben'ny vavany ary boribory izy manontolo; dimy hakiho ny hahavony, ary kofehy telopolo hakiho no maharefy azy manodidina.
3 Nisy sarin'omby folo isaky ny iray hakiho manodidina azy, teo ambanin'ny molony, voalahatra roa an-dàlana izy ka nahodidina ity ranomasina hatrany. Ireo omby ireo, dia indray natao anidina tamin'ity ranomasina. 4 Nipetraka tambonin'ny omby roa ambin'ny folo io ranomasina io; ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana; ny ranomasina nitaingina teo amboniny, ary ny tapa-batany aoriana rehetra, dia tao ampovoany. 5 Vody voampelatànana ny hateviny, tahaka ny an'ny kopy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano telo arivo bata no laniny. 6 Nanao tavin-drano folo izy, ho fidiovana; ny dimy nataony teo amin'ny havanana, ny dimy teo amin'ny havia; ireo natao fanasana ny zavatra hatolotra ho sorona dorana. Ny ranomasina natao fidiovan'ny mpisorona.
7 Nanao ny fanaovan-jiro volamena folo, araka ny voadidy momba azy izy, ka napetrany teo amin'ny tempoly: Ny dimy teo amin'ny havanana, ny dimy teo amin'ny havia.
8 Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin'ny tempoly: ny dimy teo amin'ny havanana, ny dimy teo amin'ny havia. Nanao kopy volamena zato izy. 9 Nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe mbamin'ny vavahady izy. 10 Napetrany teo amin'ny havanana, eo amin'ny atsinanana somary atsimo ilay ranomasina. 11 Ary Hirama nanao ny vilany, ny sotron-davenona sy ny kopy. Dia vitan'i Hirama ny asa nataony ho an'i Salomona mpanjaka tao amin'ny tranon'Andriamanitra: 12 ny andry roa, ny boriboriny mbamin'ny loha andry, izay ao an-tampon'ny andry, ny harato roa manarona ny boriboriny roa amin'ny loha andry, teo an-tampon'ny andry, 13 ny voan'ampongabendanitra efa-jato tamin'ny harato roa, voan'ampongabendanitra an-dalana roa isan-karato, hanaronana ny boribory roa amin'ny loha andry eo ambonin'ny andry. 14 Nanao ny tongotra, mbamin'ny tavin-drano tambonin'ny tongotra izy,
