Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-10

16 Rahefa hitan'Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin'ny vahoaka ny mpanjaka: Manana anjara inona amin'i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin'ny zanak'Isaia izahay! Koa samia ho any an-dainy, ry Israely. Fa hianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao! Dia samy nody ho any an-dainy avy Israely rehetra.

17 Ny zanak'Israely nonina tamin'ireo tanànan'i Jodà ihany, no hany nanjakan-dRoboama. 18 Tamin'izay Roboama mpanjaka naniraka an'i Adorama lehiben'ny mpamory hetra; fa ny zanak'Israely rehetra nitora-bato an'i Adorama, ka maty io. Dia niezaka niakatra ny kalesy anankiray faingana Roboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema. 19 Toy izany no niendahan'Israely tamin'ny taranak'i Davida mandrak'androany.

Toko faha-11

1 Nony tafaverina tany Jerosalema Roboama, dia namory ny taranak'i Jodà sy Benjamina, mpiady voafantina valo alina sy iray hetsy, hiady amin'Israely hampody ny fanjakana amin-dRoboama.

2 Kanjo tonga tamin'i Semaiasa olon'Andriamanitra, ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 3 Mitenena amin-dRoboama, zanak'i Salomona, mpanjakan'i Dofa, sy amin'Israely rehetra eo amin'i Jodà sy Benjamina ka lazao hoe: 4 Izao no lazain'ny Tompo: Aza miakatra ary aza miady amin'ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy hianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'ny Tompo izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin'i Jeroboama. 5 Nitoetra tao Jerosalema Roboama; ary nanorina tanàna mimanda tamin'i Jodà.

6 Izao no naoriny: Betleema, Etma, Tekoe, 7 Betsora, Sokao, Odolama, 8 Geta, Maresà, Zifa, 9 Adorama, Lakisa, Azekà, 10 Saraà, Aialòna ary Hebròna; tanàna mimanda ao amin'i Jodà sy Benjamina ireo. 11 Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitehirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy. 12 Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. Jodà sy Benjamina dia azy. 13 Ny mpisorona sy Levita izay teo amin'Israely rehetra, dia tonga nanatona an-dRoboama, avy any amin'ny faritaniny rehetra avy.

14 Fa nandao ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak'i Levì, ka nankany Jodà sy Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin'i Jeroboama tamin'ny raharaham-pisoronana fankalazana an'ny Tompo, 15 fa nanangana mpisorona izy io ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny osilahy, ary ho an'ny zanak'omby nataony. 16 Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin'ny fo tokoa hitady an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, avy amin'ny firenen'Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an'ny Tompo Andriamanitry ny razany. 17 Nankahery ny fanjakan'i Jodà izy, tamin'izany, ka nampiorina tsara an-dRoboama zanak'i Salomona, nandritra ny telo taona, satria nandeha tamin'ny làlan'i Davida sy Salomona izy ireo, telo taona. 18 Nalain-dRoboama ho vady Mahalata, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida sy Ahihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'Isaia,

19 ka nitera-dahy taminy izy, dia Jehosa, Somorià, ary Zoma. 20 Manaraka an'io dia mbola naka an'i Maakà zanakavavin'i Absaloma izy, ka niteraka an'i Abià, Etaia, Zizà ary Salomita, taminy. 21 Maakà zanakavavin'i Absaloma no tian-dRoboama indrindra, tamin'ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enimpolo izy; ary niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo. 22 Abià, zanakalahin'i Maakà no nataon-dRoboama loha laharana, ho filohan'ny rahalahiny, fa io no nokasainy hampanjakaina. 23 Naeliny tamin-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin'ny tanin'i Jodà sy Benjamina rehetra, tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.

Toko faha-12

1 Nony nohamafisin'i Roboama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn'ny Tompo izy mbamin'Israely rehetra.

2 Tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRoboama, dia niakatra Sesàka mpanjakan'i Ejipta hamely an'i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin'ny Tompo. 3 Nitondra kalesy roan-jato amby arivo, mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy tambo isaina ny vahoaka momba azy avy any Ejipta, dia ny Libiana, ny Sokiana, ny Etiopiana. 4 Afany ny tanàna mimanda tamin'i Jodà, ary tonga hatrany Jerosalema izy. 5 Dia tonga Semaiasa mpaminany, nanatona an-dRoboama sy ny filohan'i Jodà, izay tafangona tao Jerosalema, noho i Sesàka efa akaiky, ka nanao tamin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Efa nahafoy ahy hianareo, ka dia mba afoiko kosa ho eo an-tanan'i Sesàka.

6 Ary nanetry tena ireto filohan'Israely sy ny mpanjaka, ka nanao hoe: Marina Iaveh! 7 Nony hitan'ny Tompo fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin'i Semaiasa ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Efa nanetry tena izy ireo, ka tsy handringana azy aho: fa tsy ho ela, dia homeko ny fanafahana izy ireo, ary tsy hanampatra ny hatezerako amin'i Jerosalema, amin'ny tànan'i Sesàka aho. 8 Kanefa hanompo an'io ihany izy ireo, mba samy ho fantany na ny manompo ahy na ny manompo ny fanjakan'ny tany. 9 Dia niakatra namely an'i Jerosalema Sesàka mpanjakan'i Ejipta, ka namabo ny rakitry ny tranon'ny Tompo sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, nataony mafafa. Nobaboiny ireo ampinga volamena nataon'i Salomona.

10 Ampinga varahina no nataon-dRoboama mpanjaka solon'ireo, dia napetrany teo an-tanan'ny lehiben'ny mpihazakazaka izay niambina ny fidirina amin'ny tranon'ny mpanjaka. 11 Ka isaky ny nankao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka, dia tamy ny mpihazakazaka mitondra ireo, vao mamerina azy ho ao an'efi-tranon'ny mpihazakazaka indray. 12 Noho Roboama nanetry tena, dia niala taminy ny fahatezeran'ny Tompo, ka tsy dia tena rava izy, ka mbola nisy zavatra tsara ihany tamin'i Jodà. 13 Ary nitombo hery tao Jerosalema Roboama mpanjaka, ka dia nanjaka. Iraika amby efapolo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany, tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin'ny Tompo tamin'ny fokon'Israely rehetra, hametrahana ny anarany. Naamà, Amonita, no anaran-dreniny.

14 Nanao ny ratsy izy, satria tsy nandraikitra ny fony amin'ny fitadiavana an'ny Tompo. 15 Ny asa nataon-dRoboama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny Tenin'i Semaiasa mpaminany, sy ny an'i Adao mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva Roboama sy Jeroboama.

16 Ary nodimandry any amin'ny razany Roboama ka nalevina tao an-tanànan'i Davida. Abià zanany no nanjaka nandimby azy.

Toko faha-13

1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama no vao nanjaka tamin'i Jodà Abià, ary telo taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Ny anaran-dreniny, dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gabaa. Niady Abia sy Jeroboama. 3 Ka Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, efatra hetsy; fa lehilahy voafantina valo hetsy, mpiady mahery, kosa no nalahatr'i Jeroboama hiady aminy. 4 Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semerona, teo amin'ny tendrombohitr'i Efraima, Abià ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy Israely rehetra!

5 Tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ho an'i Davida mandrakizay, ny fanjakana amin'Israely, dia ho azy sy ny taranany, amin'ny fanekena tsy azo dikaina? 6 Ary nitsangana nikomy tamin'ny tompony kosa Jeroboama, zanak'i Nabata, mpanompon'i Salomona zanak'i Davida. 7 Olona tsinontsinona, zanak'i Beliala, no niangona teo aminy, sy naharesy an-dRoboama zanak'i Salomona. Ary mbola tanora sy sarotsaro-tahotra Roboama fahizay, ka tsy nahatohitra azy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1463