Boky Faharoan'ny Tantara
Toko faha-13
8 Ary hianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan'ny fanjakan'ny Tompo izay eo an-tanan'ny taranak'i Davida; sady vahoaka maro be hianareo, ary miaraka aminareo ny zanak'omby volamena nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo. 9 Tsy efa narianareo va ny mpisoron'ny Tompo, dia ny taranak'i Aarona sy ny Levita, ary moa tsy nanangam-pisorona ho anareo va hianareo, toy ny firenen'ny tany? Na iza na iza tonga nitondra vantotr'ombalahy iray sy ondralahy fito mba hampanamasina ny tenany dia tonga mpisoron'izay tsy Andriamanitra. 10 Fa ny anay kosa: Iaveh no Andriamanitray, ary tsy mba nahafoy azy izahay, ny taranak'i Aarona no mpisorona manao fanompoana ho an'ny Tompo, ary ny Levita kosa manao ny anjara raharahany. 11 Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin'ny Tompo isan'andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin'ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin'ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin'ny Tompo Andriamanitray, fa hianareo kosa nandao azy. 12 Indro fa miaraka aminay, mitarika anay, Andriamanitra sy ny mpisorony, mbamin'ny trompetra avo feo izay hotsofina hamelezana anareo. Koa aza miady amin'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo, ry zanak'Israely, fa tsy hahomby anie hianareo! 13 Nasain'i Jeroboama nandeha nisafelika ireo nanao otrika mba handrosoany avy any aoriana hamely ny fahavalony, ka ny antokony notarihiny moa teo anoloan'i Jodà, ny otrika teo ivohony.14 Niherika Jodà ka indro fa nisy mpamely teo anoloany sy teo ivohony. Nitaraina tamin'ny Tompo izy, ary nitsoka trompetra ny mpisorona. 15 Nanao akora lava fikatrohana ny lehilahy amin'i Jodà ary dieny nanao akora fikatrohana ny lehilahin'i Jodà, Iaveh kosa namely an'i Jeroboama sy Israely rehetra teo anoloan'i Abià sy Jodà. 16 Dia nandositra teo anoloan'i Jodà ny zanak'Israely ary natolotr'Andriamanitra ho eo an-tànany. 17 Ka nataon'i Abià sy ny vahoakany lambam-bary, ka nisy lehilahy voafantina dimy hetsy no maty niampatrampatra tamin'Israely. 18 Naetry ny zanak'Israely tamin'izany andro izany, ka nihamahery kosa ny taranak'i Jodà, satria niankina tamin'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy. 19 Notanahin'i Abià Jeroboama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: Betela sy ny tanàna momba azy; Jesàna sy ny tanàna momba azy; Efrona sy ny tanàna momba azy. 20 Tsy nahazo hery intsony Jeroboama tamin'ny andron'i Abià, fa nokapohin'ny Tompo izy ka maty. 21 Abià kosa nitombo hery, nanambady efatra amin'ny folo izy, ary niteraka lahy roa amby roapolo sy vavy enina ambin'ny folo. 22 Ny sisa tamin'ny asan'i Abià mbamin'ny nataony sy ny teniny, dia efa voasoratra ao amin'ny boky Fitadidian'i Adao mpaminany.
23 Ary nodimandry any amin'ny razany Abià ka nalevina tao an-tanànan'i Davida. Asà zanany no nanjaka nandimby azy. Nandry folo taona ny tany tamin'ny androny.
Toko faha-14
1 Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'ny Tompo Andriamaniny, Asà. Nandrava ny otelin'ny olona hafa firenena sy ny fitoerana avo izy,2 ary nanorotoro ny tsangambato sy ny aserah. 3 Nandidy an'i Jodà mba hitady an'ny Tompo Andriamanitry ny razany, sy hanatanteraka ny lalàna aman-didy. 4 Dia nesoriny ny fitoerana avo sy ny sariolona, teo amin'ny tanànan'i Jodà rehetra, ka dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany. 5 Nanao tanàna mimanda tamin'i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin'izany taona izany, satria nomen'ny Tompo fitsaharana izy.
6 Izao no nolazainy tamin'i Jodà: Andeha haorintsika ireo tanàna ireo, hasiantsika manda manodidina, tilikambo, vavahady ary hidiny, fa mbola tsy voahidy ny tany anatrehantsika, fa efa nitady an'ny Tompo Andriamanitsika isika; nitady azy isika, ka nomeny fiadanana isika amin'ny manodidina rehetra. Dia nanorina izy ireo ka nahefa. 7 Izao no tafika nananan'i Asà: Telo hetsy miaramila an-defona sy ampinga, tamin'i Jodà; valo alina sy roa hetsy, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin'i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.
8 Fa nivoaka hiady tamin'ireo Zarà, Etiopiana, nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka nandroso hatrany Maresà.
9 Dia nivoaka hiady aminy Asà, ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Sefata akaikin'i Maresà izy. 10 Niantso an'ny Tompo Andriamaniny Asà ka nanao hoe: Iaveh ô, azonao vonjena mora foana ny malemy tahaka ny mahery, ka vonjeo izahay, ry Iaveh Andriamanitray! Fa hianao no iankinanay, ary amin'ny anaranao no nandrosoanay hiady amin'ireto vahoaka be ireto, hianao no Andriamanitray, ry Iaveh: aza haharesy anao anie ny olona! 11 Dia nasian'ny Tompo teo anoloan'i Asà sy Jodà, ny Etiopiana, ka vaky nandositra ny Etiopiana. 12 Nenjehin'i Asà sy ny vahoaka nomba azy izy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiopiana lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan'ny Tompo sy eo anatrehan'ny tafiny. Babo tsy erany no azon'i Asà sy ny vahoakany. 13 Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an'i Gerara, fa azon'ny fahatahorana an'ny Tompo ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao. 14 Nasiany koa ny lay, nisy ny biby fiompiny, ka nahazoany ondry be tokoa mbamin-drameva, dia niverina ho any Jerosalema izy.
Toko faha-15
1 Tonga tamin'i Azariasa zanak'i Obeda ny Fanahin'Andriamanitra2 ka nandeha nitsena an'i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo Iaveh raha momba azy hianareo; raha mitady azy hianareo, dia hety ho hitanareo izy, fa raha mahafoy azy kosa hianareo, dia mba hahafoy anareo koa izy. 3 Nandritra ny fotoana ela Israely, dia tsy nanana an'Andriamanitra marina, tsy nanam-pisorona mpampianatra, tsy nanan-dalàna, 4 fa tao anatin'ny fahoriana izy ireo, dia nitodika an'ny Tompo Andriamaniny, dia nitady azy, ka mba nety ho hitany izy. 5 Fahizany, nandry an-driran'antsy izay nandeha nivezivezy, fa voan'ny fikorontanam-be ny mponina rehetra tamin'ny tany. 6 Nifandramatra ny samy firenena sy ny samy tanàna, fa notabatabain'Andriamanitra tamin'izao karazam-pahoriana rehetra izao. 7 Koa mahereza hianareo, ary aza miraviravy tànana, fa hisy valisoa ny ataonareo. 8 Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian'i Obeda mpaminany, Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tanin'i Jodà sy Benjamina ary ny tanàna azony tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima, sady nohavaoziny ny otelin'ny Tompo teo anoloan'ny alo-baravaran'ny Tompo.
9 Novoriny daholo Jodà sy Benjamina mbamin'ireo avy amin'i Efraima sy Manase ary Simeona, izay tonga nonina teo aminy, fa betsaka ny olona tamin'Israely no tonga niandany taminy, nony nahita fa nomba azy Iaveh Andriamaniny. 10 Dia nivory tao Jerosalema izy ireo, tamin'ny volana fahatelon'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asà. 11 Tamin'izay andro izay, omby fiton-jato sy ondry fito arivo, tamin'ny babo nentiny, no nataony sorona ho an'ny Tompo. 12 Nametra-teny am-pahibemaso izy ireo fa hitady an'ny Tompo Andriamanitry ny razany amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra; 13 ka na zovy na zovy tsy hitady an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy. 14 Nanao feo avo izy nianiana tamin'ny Tompo tamin'ny hobin-kafaliana sy feon-trompetra aman'anjomara. 15 Nahafaly an'i Jodà rehetra erý izany fianianana izany, satria nianiana tamin'ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an'ny Tompo an-tsitra-po tokoa, ka nety ho hitany izy, ary nomen'ny Tompo fiadanana tamin'ny manodidina rehetra izy. 16 Ka Maakà reniny aza, dia naongan'i Asà mpanjaka, tamin'ny fiandrianany amin'ny maha-renin'Andriamanjaka azy, noho izy nanao sampy vetaveta ho an'i Astarte. Nazeran'i Asà ny sampiny rehetra dia notorotoroiny ho vovoka sy nodorany tao an-dranon-driaka Sedròna.
17 Tsy foana anefa ny fitoerana avo teo amin'Israely, na dia lavorary aza ny fon'i Asà tamin'ny andro niainany rehetra. 18 Napetrany tao an-tranon'ny Tompo ny zavatra nohamasinin-drainy sy ny zavatra nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy amana volamena ary kapoaka. 19 Tsy nisy intsony ny ady hatramin'ny taona fahadimy amby telopolo nanjakan'i Asà.
Toko faha-16
1 Tamin'ny taona fahenina amby telopolo nanjakan'i Asà dia niakatra hamely an'i Jodà, Baasà mpanjakan'Israely, ka naoriny Ramà mba hisakana ny olon'i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.