Boky Faharoan'ny Tantara
Toko faha-16
2 Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka Asà, ka nandefa iraka ho any amin'i Ben-Hadada, mpanjakan'i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe: 3 Aoka hisy fanekem-pihavanana amiko sy aminao, toy ny tamin-drainao sy tamin'ikaky. Mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho. Ary hianao kosa, andeha tsoahy ny fanekenao amin'i Baasà, mpanjakan'Israely, mba hialany amiko. 4 Nohenoin'i Ben-Hadada, Asà mpanjaka, ka nirahiny hamely ny tanànan'Israely ny filohan'ny tafiny, dia noreseny Ahiona sy Dana ary Abela-Maima mbamin'ny tanàna fitehirizana rehetra teo amin'i Neftalì. 5 Nony nandre izany Baasà dia natsahany ny fanorenana an'i Ramà, ary najanony ny asany. 6 Ka nalain'i Asà Jodà rehetra, dia nentin'izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan'i Baasà an'i Ramà, dia nanorenany an'i Gabaà sy Masfà. 7 Tamin'izany andro izany no nahatongavan'i Hananì mpahita, tao amin'i Asà, mpanjakan'i Jodà, nilaza taminy hoe: Noho hianao niankina tamin'ny mpanjakan'i Siria, fa tsy tamin'ny Tompo Andriamanitrao, noho izany dia afa-mandositra ny tànanao ny tafiky ny mpanjakan'i Siria.8 Moa ny Etiopiana sy ny Libiana va tsy mba tafika lehibe, nisy kalesy amam-pitaingin-tsoavaly maro be? Nefa noho hianao niankina tamin'ny Tompo dia natolony teo an-tànanao ireny. 9 Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason'ny Tompo mba hanohanany an'izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala hianao tamin'io raharaha io, fa amin'ny sisa dia hanana ady hianao. 10 Tezitra tamin'ilay mpahita Asà ka nasainy natao an-tranomaizina io, fa tezitra tamin'io izy, noho ny tenin'io. Nisy olona sasany tamin'ny vahoaka koa nampahorin'i Asà tamin'izany andro izany indrindra. 11 Ary indro fa ny asan'i Asà, na ny voalohany na ny farany dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'i Jodà sy Israely.
12 Tamin'ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan'i Asà, narary tongotra izy, ary tsaroany naharary azy mafy izany. Tsy Iaveh anefa no notadiaviny, na dia tamin'izany aretiny izany aza, fa ny mpanao fanafody.
13 Dia nodimandry any amin'ny razany Asà; ary tamin'ny taona faharaika amby efapolo nanjakany no nahafatesany. 14 Nalevina tao amin'ny fasana nolavahany ho an'ny tenany, ao an-tanànan'i Davida izy; ary nampandrina tamin'ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan'ny mpahay zava-manitra, ary be dia be ny zava-manitra nodorana koa.
Toko faha-17
1 Josafata zanak'i Asà, no nanjaka nandimby azy. Nanamafy ny fiarovany tena tamin'Israely,2 nametraka antoko-miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra amin'i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin'ny tanànan'i Efraima efa azon'i Asà rainy. 3 Nomban'ny Tompo Josafata fa nandeha tamin'ny làlana voalohany nalehan'i Davida rainy; tsy nikatsaka an'ireo Baala izy 4 fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon'Israely. 5 Koa nohamafisin'ny Tompo teo an-tànany ny fanjakana ary nitondran'i Jodà rehetra fanatitra Josafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be. 6 Nitombo ny herim-pony teo amin'ny làlan'ny Tompo, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin'ny aserah teo amin'i Jodà. 7 Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, nirahiny hampianatra tany amin'ny tanànan'i Jodà, ireto lehibe ireto: Bena-Haila, Obdiasa, Zakariasa, Natanaela ary Mikeasa,
8 sy ireto Levita ireto niaraka taminy: Semeiasa, Nataniasa, Zabadiasa, Asaela, Semiramota, Jonatàna, Adoniasa, Tobiasa, Tobadoniasa; ary niaraka tamin'ireo koa ireto mpisorona ireto: Elisamà sy Jorama. 9 Nampianatra tao amin'i Jodà ireo, nitondra ny bokin'ny lalàn'ny Tompo; nitety ny tanànan'i Jodà rehetra, ary nampianatra teny amin'ny vahoaka. 10 Azon'ny tahotra an'ny Tompo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Jodà, ka tsy niady tamin'i Josafata izy ireo.
11 Nisy Filistina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an'i Josafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy fiton-jato amby fito arivo, sy osilahy fiton-jato amby fito arivo. 12 Efa nandroso amin'izay hampisondrotra azy ho amin'ny voninahitra ambony indrindra Josafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitehirizana teo amin'i Jodà izy. 13 Nanana zavatra fitahiry betsaka izy teny amin'ny tanànan'i Jodà, ary miaramila mpiady, lehilahy mahery, tao Jerosalema. 14 Toy izao no nanisana azy ireo, araka ny fianakaviany avy: Ny tamin'i Jodà dia ireto no tompon'arivo: Adnà, mpifehy, sy lehilahy mahery telo hetsy, niaraka taminy; 15 teo anilany Johanàna mpifehy sy lehilahy valo alina sy roa hetsy niaraka taminy. 16 Ary teo anilany Amasiasa zanak'i Zekrì, izay nanokan-tena an-tsitrapo ho an'ny Tompo sy lehilahy mahery roa hetsy niaraka taminy. 17 Ny tamin'i Benjamina dia Elida lehilahy mahery, sy lehilahy nitondra tsipìka aman'ampinga roa hetsy niaraka taminy; 18 ny teo anilany dia Jozabada, sy lehilahy valo alina sy iray hetsy samy hary fiadiana hiady niaraka taminy. 19 Ireo no nanompo ny mpanjaka, afa-tsy izay napetraky ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda, eran'i Jodà rehetra.
Toko faha-18
1 Nanan-karena amam-boninahitra be Josafata ary nanao fanambadiana izy nihavanany tamin'i Akaba.2 Nony afaka taona vitsivitsy, nidina nankany amin'i Akaba tany Samaria izy, ary Akaba namono ondry sy omby sesehena ho azy sy ny vahoaka nanaraka azy, sy nitaona azy hiakatra ho any Ramota any Galaada. 3 Izao no nolazain'i Akaba mpanjakan'Israely, tamin'i Josafata, mpanjakan'i Jodà: Mba hiaraka amiko ho any Ramota any Galaada va hianao? Ka hoy ny navalin'i Josafata taminy: Hihatra amiko ny hihatra aminao, ary hanjo ny vahoakako ny hanjo ny vahoakanao, ka hiaraka aminao hanafika azy izahay. 4 Dia hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely: Miangavy anao aho hanontany izay tenin'ny Tompo ankehitriny.
5 Dia nantsoin'ny mpanjakan'Israely ny mpaminany efa-jato lahy, ka hoy izy taminy: Handeha hanafika any Ramota any Galaada va isika, sa tokony hijanona aho? Ary hoy ny navalin'ireo: Mandehana fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tanan'ny mpanjaka izany. 6 Fa hoy kosa Josafata: Tsy misy mpaminanin'ny Tompo intsony eto va, na dia iray aza azontsika anontaniana azy? 7 Ka hoy ny navalin'ny mpanjakan'Israely an'i Josafata: Mbola misy olona iray azontsika anontaniana an'ny Tompo, saingy halako izay, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa izao loza lava izao ihany, dia Mikea zanak'i Jemlà. Dia hoy Josafata: Aoka tsy hanao izany intsony ny mpanjaka. 8 Izay ny mpanjakan'Israely vao niantso eonoka anankiray, ka nanao taminy hoe: Asaovy mankatý miaraka amin'izay Mikea zanak'i Jemlà. 9 Tamin'izay ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà, dia samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany nitondra ny akanjom-panjakany, nipetraka teo amin'ny fidiran'ny vavahadin'i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, naminany teo anatrehany. 10 Sedesiasa zanak'i Kanaana, nanao tandrobý ho azy, ka nilaza hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Hototoinao amin'ireto tandroka ireto ny Siriana, mandra-paharingany. 11 Ny mpaminany rehetra koa samy naminany toy izany, ka nanao hoe: Miakara any Ramota any Galaada ka maharese, fa hatolotry ny Tompo eo an-tanan'ny mpanjaka izany. 12 Ilay iraka lasa niantso an'i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: Efa iray teny, milaza soa ho an'ny mpanjaka avokoa izao ny mpaminany, ka aoka ny teninao mba hifanaraka amin'ny azy isany, mba milazà soa koa.
13 Fa hoy ny navalin'i Mikea: Velona Iaveh! Izay hambaran'Andriamanitra no holazaiko. 14 Nony mby teo amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikea, handeha hanafika an'i Ramota any Galaada va isika, sa tokony hijanona aho? Ary hoy ny navaliny: Miakara ka maharese, fa efa voatolotra eo an-tànanareo izy.
15 Fa hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko afatsy izay marina, amin'ny anaran'ny Tompo hianao. 16 Ka hoy ny navalin'i Mikea: Indro Israely rehetra, hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy. 17 Dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va, fa tsy mba milaza soa ho ahy io, fa ny loza ihany! 18 Hoy kosa Mikea: Henoy àry ny tenin'ny Tompo: Izaho efa nahita an'ny Tompo mipetraka amin'ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra dia eo an-kavanany sy eo an-kaviany.