Boky Faharoan'ny Tantara
Toko faha-18
19 Ary hoy Iaveh: Iza no hanambaka an'i Akaba hiakarany any Ramota any Galaada sy ho faty any izy? 20 Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao. Tamin'izany dia nisy fanahy anankiray nandroso nankeo anatrehan'ny Tompo nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Ka hoy Iaveh taminy: Hataonao ahoana? 21 Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan'ny mpaminany rehetra. Dia hoy Iaveh taminy: Hanambaka azy tokoa hianao ary ho efanao tokoa izany. Koa mivoaha ary, ataovy izany. 22 Koa indro fa Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan'ireo mpaminaninao izay eto ireo. Ary Iaveh efa nanonona loza hanjo anao. 23 Nanatona kosa Sedesiasa zanak'i Kanaana, ka namely ny takolak'i Mikea nanao hoe: Taiza no làlana nialan'ny fanahin'ny Tompo tamiko, hiteny aminao? 24 Dia namaly Mikea hoe: Ho hitanao izany amin'ny andro handehandehananao isan'efitrano hierenao. 25 Ary hoy ny mpanjakan'Israely: Raiso Mikea ka ento any amin'i Amona, governoran'ny tanàna, sy Joasa zanaky ny mpanjaka, 26 lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity, ka mofom-pahoriana amam-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa aman-tsara. 27 Ary hoy Mikea: Raha tafaverina soa aman-tsara hianao, dia tsy niteny tamin'ny alalako Iaveh. Sady nampiany hoe: Samia mihaino izany hianareo vahoaka rehetra. 28 Dia niakatra nankany Ramota any Galaada ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà.29 Ary hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata: Izaho hanao fitafiana hafa no mandroso amin'ny ady, fa hianao miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan'Israely, dia nandeha ho any amin'ny ady izy ireo. 30 Izao no didy efa nomen'ny mpanjakan'i Siria an'ireo komandin'ny an-kalesiny nataony hoe: Aza misy asianareo na ny kely na ny lehibe, afa-tsy ny mpanjakan'Israely ihany. 31 Nony nahita an'i Josafata ny komandin'ny an-kalesy, dia nanao hoe: Inty tokoa ny mpanjakan'Israely, sady nohodidininy hasiana izy. Niantso mafy Josafata dia novonjen'ny Tompo, ka nampanalavitin'Andriamanitra azy ny Siriana. 32 Rahefa hitan'ny komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'Israely io, dia nivily niala taminy izy. 33 Tamin'izay nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'Israely teo anelanelan'ny fikatonan'ny akanjom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Ka hoy ny mpanjaka tamin'ny mpampandeha ny kalesy: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny tany iadiana aho, fa voa. 34 Nihamafana ny ady tamin'izay andro izay, ary notohanana hitsangana manandrify ny Siriana teo ambony kalesiny ihany ny mpanjakan'Israely, mandra-paharivan'ny andro fa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy.
Toko faha-19
1 Nony niverina soa aman-tsara ho any an-tranony ao Jerosalema Josafata mpanjakan'i Jodà,2 dia nitsena azy Jehò, mpahita, zanak'i Hananì, ka hoy izy tamin'i Josafata mpanjaka: Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an'ny Tompo va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin'ny Tompo. 3 Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin'ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin'ny fitadiavana an'Andriamanitra hianao. 4 Nitoetra tao Jerosalema Josafata ary noteteziny indray ny vahoaka, hatrany Bersabea, ka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Efraima, dia nampivereniny amin'ny Tompo Andriamanitry ny razany.
5 Nanendry mpitsara amin'ny tany izy, amin'ny tanàna mimanda, amin'i Jodà, isan-tanàna. 6 Ka nilaza tamin'ny mpitsara izy nanao hoe: Tandremo izay hataonareo, fa tsy ho an'olombelona no hitsaranareo, fa ho an'ny Tompo; izy no homba anareo rahefa mitsara hianareo. 7 Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an'ny Tompo, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin'ny Tompo Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan'olona na fandraisan-kolikoly. 8 Tao Jerosalema koa, rahefa tafaverina tao amin'io tanàna io izy ireo, dia nanendry Levita sy mpisorona ary loham-pianakaviana amin'Israely, Josafata, ho amin'ny fitsaran'ny Tompo sy ny adin'olona.
9 Ka nanome didy azy izy nanao hoe; Hataonareo amim-pahatahorana an'ny Tompo izany sy amim-pahamarinana ary amin'ny fo mahitsy. 10 Amin'ny ady rehetra entin'ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin'ny momba ny fanavahana ny vonoan'olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin'ny Tompo sy tsy hiharan'ny fahatezerany aminareo sy amin'ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka hianareo. 11 Indro Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin'ny raharahan'ny Tompo rehetra; ary Zabadiasa zanak'Ismaely mpanapaka ny taranak'i Jodà, amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manam-boninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie Iaveh.
Toko faha-20
1 Tatý aorian'izany, dia tamy ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amòna, ary nisy Amonita niaraka taminy, hamely an'i Josafata dia hiady aminy.2 Ka nisy tonga nilaza tamin'i Josafata hoe: Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin'ny ranomasina izy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasona-Tamara, izany hoe Engadì izy izao. 3 Raiki-tahotra Josafata ka dia hangata-bonjy amin'ny Tompo no nahatapahan'ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon'i Jodà rehetra izy. 4 Dia nivory Jodà hiantso an'ny Tompo, ka avy amin'ny tanànan'i Jodà rehetra aza no nahatongavan'ny olona hiantso an'ny Tompo.
5 Ary Josafata nitsangana teo afovoan'ny fiangonan'i Jodà sy Jerosalema tao an-tranon'ny Tompo eo anoloan'ny kianja vaovao, ka nanao hoe:
6 Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va hianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin'ny firenena, ary moa tsy eo an-tànanao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra anao? 7 Tsy hianao va, ry Andriamanitra ô, no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity teo anoloan'Israely vahoakanao, sy nanome azy ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao mandrakizay? 8 Dia nonina teto izy ireo sy nanangana fitoerana masina ho anao, ho an'ny anaranao, nanao hoe: 9 Raha avy izay loza hanjo anay na ny sabatry ny fitsarana, na pesta, na mosary, dia hitsangana eo anatrehan'ity trano ity sy eo anatrehanao izahay, fa ao amin'ity trano ity ny anaranao, dia hiantso anao izahay ao afovoan'ny loza manjo anay, dia hihaino hianao ary hamonjy. 10 Ankehitriny, indreo ny taranak'i Amòna sy Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran'Israely fony izy avy any amin'ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy. 11 Kanjo indreo izy, ka ny handroaka anay hiala amin'ny lova nomenao hanananay kosa no valy omeny anay! 12 Ry Andriamanitray ô, tsy hamoaka fitsarana an'ireo va hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan'ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa hianao no itodihan'ny masonay! 13 Ary Jodà rehetra izany, nitsangana teo anatrehan'ny Tompo avokoa, hatramin'ny ankizy madinika mbamin'ny vady aman-janany. 14 Tamin'izay Jahaziela zanak'i Zakariasa, zanak'i Banaiasa, zanak'i Jehiela, zanak'i Mataniasa, Levita, amin'ny taranak'i Asafa dia voatsindrin'ny Fanahy avy amin'ny Tompo teo afovoan'ny fiangonana teo,
15 ka nanao hoe: Mampandria sofina, ry Josafata mpanjaka! Izao no lazain'ny Tompo aminareo: Aza matahotra na manam-badi-po eo anatrehan'ireo vahoaka be ireo, fa tsy anareo ity ady ity, fa an'Andriamanitra. 16 Midìna hianareo hamely azy rahampitso, fa indro izy hihazo amin'ny havoan'i Sisa, ary ho hitanareo erý amin'ny faran'ny lohasaha tandrifin'ny efitra Jeroela. 17 Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin'itý, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon'ny Tompo anareo, ry Jodà sy Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha hianareo rahampitso hitsena an'ireo, fa homba anareo Iaveh. 18 Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata, niankohoka teo anatrehan'ny Tompo koa Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema mba hivavaka amin'ny Tompo.
19 Ary ny Levita amin'ny taranak'i Kaata, amin'ny taranak'i Kore nitsangana, hankalaza an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, tamin'ny feo mahery sy avo. 20 Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga mankany an'efitr'i Tekoe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo Josafata, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jodà, sy hianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an'ny Tompo Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona hianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hohambinina hianareo.
21 Rahefa izany, dia niara-nihevitra tamin'ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan'ny tafika, hankalaza an'ny Tompo amin'ny teny hoe: Miderà an'ny Tompo fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony! 22 Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika Iaveh, hahavoa ny taranak'i Amòna sy Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an'i Jodà, ka resy izy ireo. 23 Ny taranak'i Amòna sy Moaba nitsangana nanohitra ny mponina any an-tendrombohitra Seira hamono sy handringana an'ireo; nony tapitra naringany ny mponina any an-tendrombohitr'i Seira dia izy samy izy indray no nifanampy nifandringana.