Boky Faharoan'ny Tantara
Toko faha-20
24 Nony tonga teo amin'ny fitoeran'ny mpiambina mahatazana ny efitra Jodà, dia nitodika irerý vahoaka be, dia faty niampatrampatra tamin'ny tany no hany hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.25 Dia nandeha Josafata sy ny vahoakany haka babo tamin'ireo, ka harem-be vava no hitany teo, dia faty sy fanaka sarobidy; ka be dia be no nalainy ho azy, ka tsy zakany nentina aza, ka hateloana izy nanangona ny babo teo ihany fa be tokoa. 26 Nony tamin'ny andro fahefatra, nivory teo amin'ny lohasaha Beraka izy, fa nisaotra an'ny Tompo teo; izany no nanaovany an'io lohasaha io hoe Beraka mandrak'androany. 27 Izay vao niainga amin-kafaliana ny lehilahy rehetra amin'i Jodà sy Jerosalema notarihin'i Josafata hiverina any Jerosalema, fa nofenoin'ny Tompo hafaliana ny amin'ny fahavalony. 28 Tamin'ny feom-baliha sy harpa ary trompetra no nidirany teo Jerosalema nankany amin'ny tranon'ny Tompo. 29 Azon'ny tahotra an'ny Tompo ny fanjakana rehetra amin'ny tany, nony nandre fa hoe: Iaveh no niady tamin'ny fahavalon'Israely. 30 Ka nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata, ary nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy. 31 Tonga mpanjaka tamin'i Jodà Josafata. Dimy amby telopolo taona izy fony vao nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Azoba zanakavavin'i Selahi no anaran-dreniny.
32 Nandeha tamin'ny làlana nalehan'i Asà rainy izy, ka tsy nivily tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo. 33 Saingy ny fitoerana avo no tsy voarava, ary ny vahoaka no mbola tsy niraiki-po tamin'Andriamanitry ny razany. 34 Ny sisa tamin'ny asan'i Josafata, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny Tenin'i Jehò, zanak'i Hananì, ka efa voatafiditra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'Israely.
35 Taty aorian'izany Josafata mpanjakan'i Jodà, nikambana tamin'i Okoziasa mpanjakan'Israely izay melo-pitondran-tena.
36 Ny hanao sambo hankany Tarsisa no nikambanany taminy; ary tao Asiongabera no nanaovany ny sambo. 37 Fa tamin'izay Eliezera zanak'i Dodao, any Maresà, naminany ny amin'i Josafata nanao hoe: Noho hianao nikambana tamin'i Okoziasa dia noravan'ny Tompo ny asanao. Dia vaky ny sambo ka tsy afa-nankany Tarsisa.
Toko faha-21
1 Nodimandry any amin'ny razany Josafata, dia nalevina tao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida, ary Jorama zanany nanjaka nandimby azy.2 Nanan-drahalahy zanak'i Josafata koa Jorama, dia Azariasa, Jahiela, Zakariasa, Azariasa, Mikaela, ary Safatiasa; zanak'i Josafata mpanjakan'i Jodà avokoa ireo.
3 Samy nomen-drainy tolo-bohitra betsaka izy ireo, dia volamena, volafotsy, zavatra sarobidy, mbamin'ny tanàna mimanda amin'i Jodà; fa ny fanjakana kosa napetrany amin'i Jorama, fa izy no lahimatoa. 4 Nanao izay hahazoany an-tànana ny fanjakan-drainy Jorama, ary rahefa niha-nahery izy, dia novonoiny tamin'ny sabatra ny rahalahiny rehetra, mbamin'ny filohany sasany tamin'Israely koa. 5 Roa amby telopolo taona Jorama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema.
6 Nandeha tamin'ny làlan'ny mpanjakan'Israely izy, tahaka ny nataon'ny taranak'i Akaba, fa zanak'i Akaba no vadiny, ka nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo. 7 Tsy tian'ny Tompo anefa ny handringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiro azy mbamin'ny taranany mandrakariva. 8 Tamin'ny androny niodina tamin'ny fapanahan'i Jodà Edoma, ka nanangana mpanjaka ho azy.
9 Dia niainga Jorama nomban'ireo lehibe aman-kalesiny rehetra, ka nifoha mbola alina izy dia nandresy ny Edomita nanodidina azy mbamin'ny lehiben'ny kalesy. 10 Nitsoaka tamin'ny fanapahan'i Jodà anefa Edoma mandrak'androany. Lobnà koa nitsoaka tamin'ny fanapahany, tamin'izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an'ny Tompo Andriamanitry ny razany. 11 Nanao fitoerana avo tamin'ny tendrombohitr'i Jodà aza Jorama ary nitaona ny mponina tao Jerosalema hitolo-tena hanaraka andriamani-kafa ary nanambosy an'i Jodà.
12 Nisy taratasy avy any amin'i Elia mpaminany, tonga tao aminy, nanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'i Davida rainao: Noho hianao tsy nandeha tamin'ny làlan'i Asà mpanjakan'i Jodà, 13 fa nandeha tamin'ny làlan'ny mpanjakan'Israely nitarika an'i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hitolo-tena amin'ny andriamani-kafa, toy ny nitarihan'ny ankohonan'i Akaba an'Israely hitolo-tena aminy, ary namono ny rahalahinao, izay tsara noho hianao, dia ny tarana-drainao, 14 dia indro hokapohin'ny Tompo amin'ny aretina lehibe ny vahoakanao, mbamin'ny anananao rehetra; 15 ary hianao hotsindrian'aretina mavesatra dia aretin-tsinay mafy dia mafy ka hivoaka ny tsinainao, noho ny hamafin'ny aretina, mandritra ny andro maro. 16 Ary nambosin'ny Tompo hamely an'i Jorama ny sain'ny Filistina mbamin'ny Arabo teo akaikin'ny Etiopiana.
17 Ka niakatra tany Jodà ireo dia niely tany, namabo ny harena rehetra tao an-tranon'ny mpanjaka, hatramin'ireo zanany, mbamin'ireo vadiny, hany ka tsy nisy tafajanona ho azy intsony ny zanany, afa-tsy Joakaza ilay zandriny indrindra tamin'ireo zanany. 18 Nanaraka izany rehetra izany indray, dia nasian'ny Tompo aretina tsy lai-panafody izy tamin'ny tsinainy. 19 Nifandimby ny andro ka tamin'ny faran'ny taona faharoa, nivoaka ny tsinain'i Jorama noho ny hamafin'ny aretina, dia maty tamim-pangirifiriana mafy izy, ary tsy mba nandoroan'ny vahoakany zava-manitra ho fanajana azy, toy ny nandoroany an'izany ho an'ny razany. 20 Efa roa amby telopolo taona Jorama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Lasa tsy nisy mpalahelo izy, ary nalevina tao an-tanànan'i Davida fa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
Toko faha-22
1 Okoziasa zanak'i Jorama faralahy no nampanjakain'ny mponina ao Jerosalema handimby azy, fa ireo zokiny rehetra, efa matin'ny mpitoha ady niara-tonga tamin'ny Arabo, tao an-toby. Izany no nanjakan'i Okoziasa zanak'i Jorama mpanjakan'i Jodà.2 Roa amby efapolo taona izy, fony vao nanjaka; ary herin-taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Atalia zanak'i Amri. 3 Nandeha tamin'ny lalan'ireo taranak'i Akaba koa izy, fa reniny no mpanoro hevitra azy hampanota azy. 4 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, toy ny taranak'i Akaba, izay mpanoro hevitra azy nahavery azy, taty aorian'ny nahafatesan-drainy. 5 Noho ny torohevitra nomeny azy koa no nandehanany niaraka tamin'i Jorama zanak'i Akaba mpanjakan'Israely, hiady amin'i Hazaela mpanjakan'i Siria, tany Ramota-Galaada. Nandratra an'i Jorama ny Siriana. 6 Dia niverina tao Jezrahela Jorama hotsaboina amin'ny ratra nahavoazan'ny Siriana azy tao Ramà, fony izy niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Siria. Ary Azariasa zanak'i Jorama mpanjakan'i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an'i Jorama zanak'i Akaba fa narary izy. 7 Avy amin'Andriamanitra no nahitan'i Okoziasa loza, tamin'izy nankany amin'i Jorama. Fa nony tonga izy dia niara-nivoaka tamin'i Jorama ho any amin'i Jehò zanak'i Namsi, izay efa nohosoran'ny Tompo handringana ny taranak'i Akaba. 8 Tamin'i Jehò nanefa ny fanamelohany ny taranak'i Akaba dia hitany ireo lehibe tamin'i Jodà mbamin'ireo zana-drahalahin'i Okoziasa izay nanao raharaha tao amin'i Okoziasa ka nefainy ireo. 9 Notadiaviny Okoziasa ary nisy nisambotra azy tany Samaria izay niereny, dia nitondra azy ho eo amin'i Jehò, ka novonoiny izy. Rahefa izany dia nalevina izy, fa hoy izy ireo: Zanak'i Josafata izay nitady an'ny Tompo tamin'ny fony rehetra izy. Dia tsy nisy olona azo nampanjakaina intsony, tamin'ny terak'i Okoziasa. 10 Nony hitan'i Atalia, renin'i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka namono ny zanak'andriana rehetra amin'ny taranak'i Jodà.
11 Joasa zanak'i Okoziasa anefa, nalain'i Josabeta zanakavavin'ny mpanjaka, nesoriny avy tamin'ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina tamin'izay, ka napetrany tao an'efitranom-parafara, izy sy ny mpitaiza azy. Toy izany no nanafenan'i Josabeta zanakavavin'i Jorama mpanjaka, vadin'i Joiadà mpisorona, anabavin'i Okoziasa, an'i Joasa, ka tsy nahitan'i Atalia azy, sy tsy nahafatesany azy. 12 Niara-niery taminy enin-taona, tao an-tranon'ny Tompo izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany.
Toko faha-23
1 Tamin'ny taona fahafito, rahefa niha-nahery Joiadà dia nalainy ho mpikambana aminy ny tompon-jato Azariasa zanak'i Jerohama, Ismaela zanak'i Johanàna, Azariasa zanak'i Obeda, Maasiasa zanak'i Adaiasa, ary Elisafata zanak'i Zekrì.2 Nitety an'i Jodà ireo, namory ny Levita tany amin'ny tanànan'i Jodà rehetra mbamin'ny loham-pianakaviana amin'Israely dia tonga tany Jerosalema izy ireo. 3 Nanao fanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra avokoa ny fiangonana rehetra teo. Hoy Joiadà tamin'izy ireo: Indro hanjaka ny zanaky ny mpanjaka araka ny voalazan'ny Tompo, ny amin'ny taranak'i Davida. 4 Izao no hataonareo: Ny ampahatelonareo, izay miditra hanao fanompoana amin'ny andro sabata, na mpisorona na Levita, dia hatao mpiambim-baravarana;