Boky Faharoan'ny Tantara
Toko faha-23
5 ny ampahatelony ho eo amin'ny tranon'ny mpanjaka, ny ampahatelony ho eo am-bavahadin'i Jesoada, ary ny vahoaka rehetra ho eo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo. 6 Aza misy miditra ao an-tranon'ny Tompo afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita manao fanompoana ihany; ireo no mahazo miditra ao, satria masina ireo; ary ny vahoaka rehetra tsy maintsy mitandrina ny fandaharan'ny Tompo. 7 Ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany voatsoaka avy, ka raha misy miditra ao an-trano vonoy, ary na miditra na mivoaka ny mpanjaka dia hanotrona azy hianareo. 8 Notanterahin'ny Levita sy Jodà rehetra avokoa izay nandidian'i Joiadà mpisorona. Samy naka ny olom-peheziny avy izy, na ireo miditra hanao ny fanompoana, amin'ny andro sabata, na ireo niala, fa tsy nasian'i Joiadà avaka ny antokony rehetra.9 Natolotr'i Joiadà mpisorona an'ireo tompon-jato avokoa ny lefona aman'ampinga nananan'i Davida mpanjaka, hita tao an-tranon'Andriamanitra, na ny lehibe na ny kely. 10 Ary ny vahoaka rehetra, samy mitam-piadiana, nalahany hanodidina ny mpanjaka avokoa, hatramin'ny lafiny an-kavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny an-kavia, teo akaikin'ny otely ka teo akaikin'ny trano. 11 Dia nentiny nandroso ny zanaky ny mpanjaka, ka natao teo amboniny ny satrok'andriana sy ny vavolombelona, ary natsangana ho mpanjaka. Nohosoran'i Joiadà sy ireo zanany izy dia nataony hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! 12 Nony ren'i Atalia ny fihahohahon'ny vahoaka nidodododo sy nihoby ny mpanjaka dia mba nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'ny Tompo izy.
13 Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny lampihazo eo amin'ny fidirana; ny lehibe amam-pitsoka trompetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin'ny tany revon-kafaliana; ny trompetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana! 14 Fa nasain'i Joiadà mpisorona hivoaka ny tompon-jato, mpifehy ny miaramila, ka nataony hoe: Ento izy eo anelanelan'ny laharana hiala eto, ary vonoy amin'ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza mamono azy ao an-tranon'ny Tompo. 15 Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, ka lasa nankany amin'ny fidirana eo am-bavahadin-tsoavaly ho ao amin'ny tranon'ny mpanjaka ravehivavy, ka dia tao no namonoany azy. 16 Nampanaovin'i Joiadà fanekena ny vahoaka sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany, fa tsy maintsy ho vahoakan'ny Tompo izy ireo.
17 Koa niditra tao an-tranon'i Baala ny vahoaka rehetra, dia noravany io, notorotoroiny ny otely mbamin'ny sarin-javatra teo, ary novonoiny teo anoloan'ny otely Matana mpisoron'i Baala. 18 Ary nametrahan'i Joiadà mpitandrina ny tranon'ny Tompo eo ambany fifehezan'ny mpisorona sy ny Levita, izay notokotokoin'i Davida tao an-tranon'ny Tompo, hanatitra sorona dorana amin'ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, amim-pifaliana sy fihirana, araka ny nasain'i Davida hatao. 19 Nasiany mpiandry ny varavaran'ny tranon'ny Tompo, mba tsy hisy olona voaloton'inon'inona hiditra eo. 20 Dia nalainy ny tompon-jato, ny olo-manan-kaja, ny manam-pahefana amin'ny vahoaka, mbamin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka; dia niditra tao an-tranon'ny mpanjaka izy ireo, nihazo ny vavahady ambony, ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana. 21 Nifaly ny vahoaka rehetra amin'ny tany ary nandry fahizay ny tanàna. Fa Atalia novonoina tamin'ny sabatra.
Toko faha-24
1 Efa fito taona Joasa fony vao nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià avy any Bersabea.2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo Joasa tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiadà mpisorona. 3 Roa no vady nalain'i Joiadà ho an'i Joasa ary niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 4 Tatý aorian'izany, nanam-pahazotoana hanamboatra ny tranon'ny Tompo Joasa.
5 Ka namory ny mpisorona sy ny Levita izy dia nanao taminy hoe: Mandehana hianareo any amin'ny tanànan'i Jodà, ka mamoria vola isan-taona amin'Israely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo, ary ataovy faingana izany. Nanao tsy rototra anefa ny Levita, 6 ka nantsoin'ny mpanjaka Joiadà mpisorona lehibe, nilazany hoe: Ahoana no tsy nikarakaranao izay hitondran'ny Levita avy amin'i Jodà sy Jerosalema ny hetra nasain'i Moizy mpanompon'ny Tompo sy ny fiangonana, haloan'Israely ho an'ny trano lain'ny vavolombelona? 7 Fa efa nosimbain'i Atalia mpankahala ny fivavahana mbamin'ireo zanany ny tranon'Andriamanitra, ary efa nentiny hatao amin'ireo Baala ny zavatra rehetra voatokana ho an'ny tranon'ny Tompo. 8 Ny mpanjaka tamin'izay dia nandidy olona hanao vata ary nasainy hapetraka teo am-bavahadin'ny tranon'ny Tompo, eo ivelany izany. 9 Ary naely eran'i Jodà sy Jerosalema fa isan'olona dia tsy maintsy mitondra ho an'ny Tompo ny hetra nodidian'i Moizy mpanompon'ny Tompo haloan'Israely, tany an'efitra. 10 Nahafaly ny lehibe rehetra sy ny vahoaka rehetra izany, ka samy nanatitra izay rehetra tsy maintsy aloany avy izy, sy nandatsaka izany tao amin'ilay vata. 11 Amin'ny fotoana hanolorana ny vata amin'ny mpikarakaran'ny mpanjaka amin'ny alalan'ny Levita, dia amin'izay ahitan'ny Levita fa efa be ny vola, dia tonga ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpanao raharahan'ny mpisorona lehibe manesotra izay rehetra ao anatin'ny vata; alainy ny vata dia averiny ao amin'ny fitoerany indray. Nanao toy izany mandrakariva izy, ka nahavory vola betsaka. 12 Dia nomen'ny mpanjaka sy Joiadà an'ireo mpampanao ny asa amin'ny tranon'ny Tompo ny vola, ary nanakaraman'izy ireo mpipai-bato amam-pandrafitra hanamboatra ny tranon'ny Tompo mbamin'ny mpanefy vy amam-barahina hanamafy ny tranon'ny Tompo. 13 Ka niasa ny mpiasa, ary tao an-tànany dia nandroso ny fanamboarana ny trano, ka tafaveriny amin'ny toetrany taloha ny tranon'Andriamanitra sy nohamafisiny. 14 Nony vita ny asa dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an'ny tranon'ny Tompo, dia fanaka ho enti-manao ny fanompoana sy ny sorona dorana, kopy mbamin'ny fanaka volamena amana volafotsy sasany, ka tsy tapaka fanateran-tsorona dorana tao an-tranon'ny Tompo tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiadà. 15 Tratra antitra sy voky andro Joiadà, ka dia maty; efa telopolo amby zato taona izy, vao maty.
16 Tao amin'ny mpanjaka, ao an-tanànan'i Davida izy no nalevina, fa soa no nataony tamin'Israely sy ho an'Andriamanitra mbamin'ny tranony. 17 Nony maty Joiadà tonga niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka, ny lehibe tamin'i Jodà, ka nihaino azy ireo ny mpanjaka,
18 dia nandao ny tranon'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin'ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran'ny Tompo anefa Jodà sy Jerosalema noho izany fivadihana izany. 19 Naniraka mpaminany tany amin'izy ireo Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny. 20 Notsindrian'ny fanahin'Andriamanitra Zakaria, zanak'i Joiadà mpisorona, ka nankeo anatrehan'ny vahoaka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Ahoana no andikanareo ny didin'ny Tompo, tsy hahazoanareo fanambinana? Noho hianareo nahafoy an'ny Tompo, dia mba hafoiny koa.
21 Ka niray tetika hamely an'io izy ireo, ka nitora-bato azy, dia teo amin'ny kianjan'ny tranon'ny Tompo noho ny didin'ny mpanjaka. 22 Tsy tsaroan'i Joasa ny fitiavana nataon'i Joiadà rain'i Zakaria, taminy, ka nampamono an'ity zanany izy. Hoy Zakaria nony efa ho faty: Hijery sy hamaly an'izao anie Iaveh! 23 Nony niherina ny taona, niakatra hamely an'i Joasa ny tafiky ny Siriana ka dia tonga tany Jodà sy Jerosalema izy. Namono ny lehibe rehetra teo amin'ny vahoaka izy ireo, sy nampitondra ny babo azony rehetra ho any amin'ny mpanjakan'i Damasa.
24 Miaramila vitsy no teo amin'ny tafiky ny Siriana, nefa miaramila maro be no natolotry ny Tompo ho eo an-tànany, satria izy ireo nahafoy an'ny Tompo Andriamanitry ny razany. Nanefa ny fitsarana namely an'i Joasa ny Siriana. 25 Nony nilaozan'ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan'ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin'ny ran'ny zanak'i Joiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. 26 Ireto no nanao teti-be hamely azy: Zabada, zanak'i Semaata vehivavy Amonita, sy Jozabada, zanak'i Samarita vehivavy Moabita. 27 Ny amin'ny zanany, ny faminaniana maro namely azy, ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny Fitadidiavana momba ny bokin'ny Mpanjaka. Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Toko faha-25
1 Dimy amby roapolo taona Amasiasa, fony vao nanjaka, ary sivy taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Joadana avy ao Jerosalema.2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo ihany izy, saingy tsy tamin'ny fo lavorary. 3 Nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy, 4 nefa ny zanak'izy ireo tsy mba novonoiny, fa araka ny voasoratra ao amin'ny lalàna, amin'ny bokin'i Moizy izay nandidian'ny Tompo hoe: Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa isan'olona samy ho fatin'ny fahotana nataony avy. 5 Novorian'i Amasiasa ny lehilahy amin'i Jodà dia samy nalaminy ara-pokom-pianakaviana avokoa, ny tompon'arivo aman-tompon-jato amin'i Jodà sy Benjamina rehetra, ary nisainy ny hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ka telo hetsy no lehilahy voafantina hitany, samy azo alefa hiady sy mahatan-defona aman'ampinga.
6 Nisy lehilahy mahery iray hetsy avy amin'Israely koa, nokaramainy talenta volafotsy zato.