Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-25

7 Kanjo tonga tao aminy ity olon'Andriamanitra anankiray, ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, aza misy foloalindahin'Israely hiara-mandeha aminao, fa tsy omban'ny Tompo Israely sy ny taranak'i Efraima rehetra. 8 Ka hianao ihany mandeha, dia mikatroha, mahereza amin'ny ady, fa tsy havelan'Andriamanitra ho resy eo anoloan'ny fahavalo hianao, satria mahay mamonjy sy mandavo Andriamanitra. 9 Dia hoy Amasiasa tamin'ilay olon'Andriamanitra: Ka hatao ahoana ity talenta zato nomeko ny miaramilan'Israely? Ary namaly ny olon'Andriamanitra nanao hoe: Mahay manome anao be lavitra noho izay Iaveh. 10 Dia navahan'i Amasiasa ny miaramila avy tany amin'i Efraima hankanesany any amin'ny taniny. Nirehitra mafy tamin'i Jodà anefa ny fahatezeran'ireo olona ireo, ka nandeha nody tamin'ny taniny tamin-katezerana mirehitra. 11 Feno herim-po Amasiasa ka nitarika ny vahoakany dia nankany amin'ny lohasahan-tSira, ary nandresy iray alina tamin'ny taranak'i Seira.

12 Nahazo sambo-belona iray alina ny taranak'i Jodà, ka nentiny nankany an-tampon'ny vatolampy anankiray, navariny teo, dia montsamontsana avokoa. 13 Tamin'izay kosa ireo miaramila nalefan'i Amasiasa tsy hiara-manafika aminy, dia niantoraka tamin'ireo tanànan'i Jodà, hatrany Samaria ka hatrany Betorona, ka nahafaty olona telo arivo ary namabo zavatra betsaka. 14 Nony tonga avy nandresy ny Edomita Amasiasa, dia nentiny ny andriamanitry ny taranak'i Seira, ka natsangany ho andriamaniny, niankohofany teo anatrehany, ary nanaterany zava-manitra.

15 Nirehitra tamin'i Amasiasa ny fahatezeran'ny Tompo, ka naniraka mpaminany tao aminy izy, nilaza taminy hoe: Ahoana no dia ivavahanao amin'ny andriamanitr'io vahoaka io, nefa ny vahoakany aza tsy azony narovana tamin'ny tànanao akory? 16 Mbola niteny anefa io, dia hoy Amasiasa taminy: Moa nanendry anao ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va izahay? Mialà hianao, fandrao asian'ny olona eo! Dia niala ilay mpaminany, ary nanao hoe: Fantatro fa efa naraikitr'Andriamanitra ny handringana anao, noho hianao nanao izany, sy tsy nihaino ny torohevitro. 17 Naka hevitra Amasiasa mpanjakan'i Jodà, dia naniraka tany amin'i Joasa zanak'i Joakaza, zanak'i Jehò, mpanjakan'Israely, hilaza hoe: Avia hifankahita mifanatrika isika. Fa izao no teny nampitondrain'i Joasa mpanjakan'Israely an'i Amasiasa mpanjakan'i Jodà:

18 Ny tsilo any Libàna, naniraka hilaza amin'ny sedera any Libàna hoe: Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy. Dia namaly teo ny biby dia any Libàna, ka nanosihosy ny tsilo. 19 Efa nahavoa ny Edomita hianao, hoy ny hevitrao, ka taomin'ny fonao hirehareha hianao. Koa ankehitriny mipetraha tsara ao an-tranonao. Nahoana no dia mihaika loza hahalavo ny tenanao mbamin'i Jodà koa ity hianao? 20 Tsy nohenoin'i Amasiasa akory izany, fa avy amin'Andriamanitra izany, hanolorany azy ho eo an-tanan'ny fahavalo, noho izy nivavaka tamin'ny andriamanitr'i Edoma. 21 Dia niakatra Joasa mpanjakan'Israely, ka nifankahita nifanatrika tao Betsamesa any Jodà izy sy Amasiasa, mpanjakan'i Jodà. 22 Resy teo anatrehan'Israely Jodà, ka samy nandositra ho any an-dainy avy. 23 Ary Amasiasa, mpanjakan'i Jodà, zanak'i Joasa, zanak'i Joakaza dia nosamborin'i Joasa mpanjakan'Israely tany Betsamesa, nentiny nankany Jerosalema dia nandravany zato hakiho ny mandan'i Jerosalema, hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony; 24 nalainy avokoa ny volamena sy volafotsy mbamin'ny fanaka izay tao an-tranon'Andriamanitra tao amin'i Obededoma, ary ny rakitra rehetra tao an-tranon'ny mpanjaka, naka olona natao antoka koa izy dia niverina ho any Samaria. 25 Mbola velona dimy ambin'ny folo taona Amasiasa zanak'i Joasa, mpanjakan'i Jodà, tatý aorian'ny nahafatesan'i Joasa zanak'i Joakaza, mpanjakan'Israely.

26 Ny asan'i Amasiasa sisa, ny voalohany sy ny farany, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'i Jodà sy Israely va izany? 27 Taorian'ny nihatahan'i Amasiasa tamin'ny Tompo dia nisy firaisan-tetika hamely azy niforona tao Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, fa nisy olona nirahina hanenjika azy tany Lakisa, ka novonoiny tany izy.

28 Ary nentina an-tsoavaly izy dia nalevina tao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida.

Toko faha-26

1 Oziasa izay efa enina ambin'ny folo taona no nalain'ny vahoaka rehetra amin'i Jodà, ka nampanjakainy handimby an'i Amasiasa rainy.

2 Nanorina an'i Elata indray izy, sy namerina azy ho amin'i Jodà indray, nony efa nodimandry any amin'ny razany ny mpanjaka. 3 Enina ambin'ny folo taona Oziasa fony vao nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelià, avy ao Jerosalema.

4 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo araka izay rehetra nataon'i Amasiasa rainy izy. 5 Nanaja an'Andriamanitra izy, tamin'ny andro niainan'i Zakaria, izay nampianatra azy ny fatahorana an'Andriamanitra ary nambinin'Andriamanitra izy, tamin'ny andro nanajany an'ny Tompo. 6 Nandeha niady tamin'ny Filistina izy, nazerany avokoa ny mandan'i Geta sy ny mandan'i Jabnia ary ny mandan'i Azota, dia nanao tanàna tany amin'ny faritanin'i Azota sy tany amin'ny Filistina izy.

7 Nampian'Andriamanitra izy hamely ny Filistina sy ny Arabo nonina tany Gora-Baala, ary ny Maonita. 8 Nitondra fanatitra ho an'i Oziasa ny Amonita, ary niely hatrany akaikin'i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy. 9 Nasian'i Oziasa tilikambo teo amin'ny vavahady an-jorony sy teo amin'ny vavahady mankany an-dohasaha ary teo amin'ny zorony, tao Jerosalema, sady nohamafisiny izy. 10 Nanao tilikambo tany an'efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany; sy tany amin'ny Sefela mbamin'iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy. 11 Nana-miaramila mpanafika Oziasa, izay nandeha nanafika isan-tokony, mandry an'isany araka ny fanisana nataon'i Jehiela mpanoratra, sy Maasiasa mpitandrin-draharaha, tambany fifehezan'i Hananiasa, anankiray amin'ny komandin'ny mpanjaka.

12 Ny isan'ny loham-pianakaviana, izay samy mpiady mahery avokoa, dia enin-jato amby roa arivo no tontaliny. 13 Ka ny miaramila nofehezin'ireo, dia diman-jato sy fito arivo amby telo hetsy, izay nahay niady tamin'ny hery lehibe tokoa, hanohana ny mpanjaka tsy ho voan'ny fahavalony. 14 Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan'i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka, ary antsamotady fandefasam-bato. 15 Nampanao milina tao Jerosalema koa izy, noforonin'ny tompo-marika anankiray, hapetraka any amin'ny tilikambo sy ny zoro-manda, handefasana zana-tsipìka amam-bato lehibe. Lasa lavitra ny lazany, fa nampiana fatratra izy, ka tonga nahery tokoa. 16 Nisondrotra tao am-pony izaitsizy anefa izy, nony tonga nahery, ka nahafongotra azy izany. Nanota tamin'ny Tompo Andriamaniny izy, fa niditra tao an-tempolin'ny Tompo izy, handoro zava-manitra eo ambony otely fandoroan-java-manitra.

17 Niditra avy ato aoriany kosa Azariasa mpisorona, mbamin'ny valopolo lahy amin'ny mpisoron'ny Tompo, samy lehilahy mahery avokoa, 18 ka nanohitra an'i Oziasa mpanjaka, nanao hoe: Tsy anjaranao, ry Oziasa, ny manolotra zava-manitra ho an'ny Tompo, fa anjaran'ny mpisorona taranak'i Aarona izay voahosotra handoro zava-manitra. Mialà eo amin'ny fitoerana masina fa nanota hianao ka tsy voninahitra ho anao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitra izany. 19 Oziasa amin'izany, nitana fanembohana tany an-tànany mba hanolotra zava-manitra, ka nisafoaky ny hatezerana, ka nony nitezitra ny mpisorona teo izy, dia indro teo amin'ny handriny nisy habokàna mipoitra, teo anatrehan'ny mpisorona, tao an-tranon'ny Tompo, teo anoloan'ny otely fandoroan-java-manitra. 20 Nony nijery nankany aminy Azariasa mpisorona lehibe sy ireto mpisorona rehetra, dia indro fa voan'ny habokàna ny handriny. Noroahiny ho any ivelany faingana izy, ary izy koa mba nivoaka faingana fa efa nasian'ny Tompo. 21 Dia boka hatramin'ny andro nahafatesany Oziasa mpanjaka, ka nitoetra tao an-trano manirery, amin'ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon'ny Tompo. Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon'ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin'ny tany. 22 Ny asan'i Oziasa sisa, ny voalohany sy ny farany, dia efa voasoratr'Izaia, zanak'i Amosa, mpaminany.

23 Ary nodimandry tamin'ny razany Oziasa, tany amin'ny saha fandevenana ny mpanjaka; satria boka izy, hoy ny olona. Joatama zanany no nanjaka nandimby azy.

Toko faha-27

1 Dimy amby roapolo taona Joatama, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosà zanak'i Sadaoka.

2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo, araka izay rehetra nataon'i Oziasa rainy izy, fa tsy mba niditra tao an-tempolin'ny Tompo; ny vahoaka kosa mbola niharatsy ihany. 3 Nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'ny Tompo Joatama, sy nandrafitra trano maro teo ambonin'ny mandan'i Ofela.

4 Nanao tanàna teny amin'ny tendrombohitr'i Jodà izy, mbamina trano mimanda sy tilikambo tany an'ala. 5 Niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amòna izy, dia naharesy azy, ka izao no nomen'ny taranak'i Amòna ho azy tamin'izany taona izany: talenta volafotsy zato, varimbazaha iray alina kora, ary orja iray alina kora; torak'izany koa no naterin'ny taranak'i Amòna ho azy, tamin'ny taona faharoa sy fahatelo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1493