Boky Faharoan'ny Tantara
Toko faha-33
3 Naoriny indray ny fitoerana avo noravan'i Ezekiasa rainy; nanangana otely ho an'ireo Baala izy; nanao aserah izy, ary niankohoka teo anatrehan'ny tafiky ny lanitra, sy nanompo azy. 4 Nanorina otely teo an-tranon'ny Tompo izy, izay nolazain'ny Tompo hoe: Ho ao Jerosalema mandrakizay ny anarako. 5 Nanorina otely teo amin'ny kianja roa an-tranon'ny Tompo izy, ho an'ny tafiky ny lanitra rehetra. 6 Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan'i Bena-Enoma ny zanany. Narahiny avokoa ny fomban'ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy. 7 Ny sarin'ny sampy nataony, dia napetrany tao amin'ny tranon'Andriamanitra izay nolazain'Andriamanitra tamin'i Davida sy Salomona zanany hoe: Eto amin'ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko teo amin'ny fokon'Israely rehetra no tiako hametrahana ny anarako mandrakizay. 8 Tsy havoakako hiala amin'ny tany notendreko ho an'ny razanareo ny tongotr'Israely, raha mbola tandremany ihany ny manaraka izay rehetra nandidiako azy koa izy, dia araka ny didy aman-dalàna ary fitsipika nomena tamin'ny alalan'i Moizy. 9 Ka dia Manase no tonga nampania an'i Jodà mbamin'ny mponina ao Jerosalema, ka nandroso nanao ratsy izy ireo mihoatra noho ireo firenena naringan'ny Tompo, teo anoloan'ny zanak'Israely. 10 Niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany Iaveh; nefa tsy nasian'izy ireo raharaha akory izany. 11 Tamin'izay dia nentin'ny Tompo hamely azy ireo ny lehiben'ny tafiky ny mpanjakan'i Asiria, nosamborin'ireo Manase tamin'ny masom-by, nogiazany tamin'ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilona.12 Nony latsaka am-pahoriana izy vao nihanta an'ny Tompo Andriamaniny, nanetry tena lehibe teo anatrehan'Andriamanitry ny razany. 13 Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin'ny fanjakany. Dia nihaiky Manase fa Andriamanitra Iaveh. 14 Tatý aorian'izany, nanao manda teo ivelan'ny tanànan'i Davida izy, teo andrefana mankany Gihona amin'ny lohasaha hatrany amin'ny vavahadin-Kazandrano hanodidinana an'i Ofela, sady nasondrony ho avo dia avo. Ary nametrahany mpifehy miaramila ny tanàna mimanda rehetra amin'i Jodà.
15 Nesoriny tao an-tranon'ny Tompo ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin'ireo otely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon'ny Tompo, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan'ny tanàna. 16 Dia naoriny indray ny otelin'ny Tompo, ka nanatitra sorom-pihavanana amam-pisaorana teo izy, ary nandidy an'i Jodà hanompo an'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 17 Mbola nanao sorona teny amin'ny fitoerana avo ihany ny vahoaka, nefa tsy ho an'iza fa ho an'ny Tompo Andriamaniny. 18 Ny asan'i Manase sisa, ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny, ny tenin'ireo mpahita niteny taminy tamin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely, dia efa samy voasoratra ao amin'ny asan'ny mpanjakan'Israely.
19 Ny vavaka nataony, ny nihainoan'Andriamanitra an'izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan'ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny Tenin'i Hozaia. 20 Ary nodimandry any amin'ny razany Manase ka nalevina tao an-tranony. Amòna zanany no nanjaka nandimby azy. 21 Roa amby roapolo taona Amòna fony vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tao Jerosalema.
22 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo, tahaka ny nataon'i Manase rainy izy, nanao sorona tamin'ny sarin-javatra rehetra nataon-drainy, Amòna, ary nanompo an'ireny. 23 Tsy mba nanetry tena teo anatrehan'ny Tompo tahaka ny nataon-drainy anefa izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza Amòna. 24 Niray tetika hamely azy ny mpanompony, dia namono azy ho faty tao an-tranony. 25 Fa novonoin'ny vahoaka tamin'ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an'i Amòna. Dia Josiasa zanany no natsangan'ny vahoaka tamin'ny tany ho mpanjaka hisolo azy.
Toko faha-34
1 Valo taona Josiasa fony vao nanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tao Jerosalema.2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo izy, ka nandeha tamin'ny làlan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 3 Tamin'ny taona fahavalo nanjakany, mbola tanora izy fahizany, dia efa niantomboka nitady ny Andriamanitr'i Davida rainy izy, ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, dia natombony ny fanadiovana an'i Jodà sy Jerosalema, tsy hisy fitoerana avo, na aserah, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina.
4 Noravana teo anatrehany ny otelin'ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an'ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasokitra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin'ny fasan'izay nanatitra sorona taminy, 5 ary nodorany teo ambonin'ireo oteliny ny taolan'ny mpisorona. Dia nanadio an'i Jodà sy Jerosalema izy. 6 Ary tany amin'ny tanànan'i Manase sy Efraima mbamin'i Simeona, hatrany amin'i Neftalì, tamin'ireny tanànany rava ireny, 7 dia noravany koa ny otely, notorotoroiny nataony zary vovoka ny aserah sy ny sarin-javatra voasokitra, ary nazerany avokoa ny sary mivongana natokana ho an'ny masoandro, teo amin'ny tanin'Israely rehetra, vao niverina nankany Jerosalema izy. 8 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rahefa voadiony ny tany sy ny tranon'Andriamanitra, dia nirahiny Safàna zanak'i Aslià sy Maasiasa komandin'ny tanàna, ary Johà zanak'i Joakaza mpitahiry bokim-panjakana, hanamboatra ny tranon'ny Tompo Andriamaniny.
9 Nankao amin'i Helkiasa mpisorona lehibe ireo, nanolotra ny vola naterina tao an-tranon'Andriamanitra, nangonin'ireo Levita mpiandry varavarana avy tamin'i Manase sy Efraima, mbamin'Israely rehetra sy Jodà rehetra ary Benjamina sy ny mponina ao Jerosalema. 10 Napetrany izany teo an-tanan'ireo mpampanao ny asa, izay notendrena ho mpitandrina amin'ny tranon'ny Tompo, hanamboatra sy hanamafy ny trano. 11 Dia nomeny ny mpandrafitra hazo sy ny mpandrafitra vato izany, ary nividianany vato voapaika sy hazo handrafetana ny tafo ary hanasiana sakamandimby hatao amin'ny trano nosimban'ny mpanjakan'i Jodà. 12 Nefain'ireo lehilahy ireo tamim-pahamarinana ny anjara asany. Ny voatendry hitandrina azy ireo, dia Jahata sy Abdiasa Levita tamin'ny taranak'i Merarì, Zakariasa sy Mosolama tamin'ny taranaky ny Kaatita; izy ireo no nitarika azy mbamin'ny Levita hafa koa izay samy mahay zava-maneno. 13 Izy koa no nitandrina ny mpitondra entana, sy nitarika ny mpiasa rehetra amin'ny taozavatra isan-karazany. Nisy Levita sasany koa, mpanoratra, mpikarakara sy mpiandry varavarana. 14 Tamin'ny fotoana namoahana ny vola voahatitra tao an-tranon'ny Tompo, dia hitan'i Helkiasa mpisorona, ny bokin'ny lalàn'ny Tompo nomena tamin'ny alalan'i Moizy.
15 Ka hoy Helkiasa niteny tamin'i Safàna mpanoratra: Hitako tao an-tranon'ny Tompo ny bokin'ny lalàna; ary natolotr'i Helkiasa an'i Safàna ny boky. 16 Dia nentin'i Safàna tany amin'ny mpanjaka, ka nilaza taminy koa izy, nanao hoe: Efa nataon'ny mpanomponao avokoa izay rehetra nasaina nataony; 17 nalainy daholo ny vola rehetra hita tao an-tranon'ny Tompo, dia napetrany eo an-tanan'izay voatendry ho mpitandrina sy eo an-tanan'ny mpampanao ny asa. Ary mbola nisy filazana koa nataon'i Safàna tamin'ny mpanjaka hoe: 18 Misy boky nomen'i Helkiasa mpisorona ahy; sady namaky teo amin'ny boky teo anatrehan'ny mpanjaka izy. 19 Nony efa nandre ny tenin'ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany,
20 ka nanome didy an'i Helkiasa, Ahikama zanak'i Safàna, Abdòna zanak'i Mikà, Safàna mpanoratra, ary Asaà mpanompon'ny mpanjaka hoe: 21 Mandehana hianareo, manontania amin'ny Tompo, ho ahy sy ho an'izay sisa amin'Israely sy Jodà, ny amin'ny teny amin'io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran'ny Tompo nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin'ny Tompo amin'ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin'io boky io. 22 Dia lasa Helkiasa mbamin'ireo voatendrin'ny mpanjaka, nankany amin'i Holdà mpaminany vavy, vadin'i Seloma, zanak'i Tekoata, zanak'i Hasrà, mpitahiry ny fitafiana. Tao Jerosalema amin'ny faritany faharoa ravehivavy no nitoetra. Nony voalazan'izy ireo taminy ny nanirahana azy, dia izao no nalazany azy ireo:
23 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Lazao amin'izay lehilahy naniraka anareo ho atý amiko hoe: Izao no lazain'ny Tompo: 24 Indro aho hampidi-doza amin'ity toerana ity, sy amin'ny mponina ao aminy, dia ny ozona rehetra voasoratra amin'ny boky novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'i Jodà. 25 Satria izy ireo nahafoy ahy, dia nanatitra zavatra manitra ho an'ireo andriamani-kafa, ka nampahatezitra ahy tamin'ny asan-tànany rehetra, dia nirotsaka amin'ity tany ity ny hatezerako sady tsy ho azo tonena. 26 Izao no ho lazainareo amin'ny mpanjakan'i Jodà, izay naniraka anareo hanontany amin'ny Tompo: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Ny amin'ny teny efa renao, 27 noho hianao nibebaka tao am-ponao sy nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, tamin'ny fandrenesana ny teny mamely ity tany ity mbamin'ny mponina ao aminy; noho hianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako tamin'ny fanetrena ny tenanao, izaho koa dia efa nihaino anao: teny marin'ny Tompo.