Boky Faharoan'ny Tantara
Toko faha-34
28 Indro fa hangoniko any amin'ny razanao hianao, dia ho voahangona amim-piadanana ao am-pasanao ka tsy hahita maso ny loza rehetra hampidiriko amin'ity tany ity sy amin'ny mponina eo aminy. Dia nentin'izy ireo ho any amin'ny mpanjaka izany valy azony izany. 29 Ka nasain'ny mpanjaka novorina ny loholona rehetra amin'i Jodà sy Jerosalema;30 dia niakatra ho ao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka mbamin'ny lehilahy rehetra amin'i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema, ny mpisorona, ny Levita, ny vahoaka rehetra, hatramin'ny lehibe indrindra sy ny kely indrindra, ary novakina teo anatrehan'izy rehetra, ny teny ao amin'ny bokin'ny fanekena, hita tao an-tranon'ny Tompo. 31 Nitsangana teo amin'ny lampihazo ny mpanjaka, nohavaoziny teo anatrehan'ny Tompo indray ny fanekena, nanetry tena hanaraka an'ny Tompo izy, hitandrina ny didiny amam-pitsipiny mbamin'ny lalàny, amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra, amin'ny fanarahana ny teny amin'ny fanekena voasoratra amin'izany boky izany. 32 Ary notaominy hiaiky ny fanekena ny olona rehetra tao Jerosalema sy any Benjamina, ka dia nanao araka ny faneken'Andriamanitra, izay Andriamanitry ny razany, ny mponina tao Jerosalema. 33 Nofoanan'i Josiasa avokoa ny fahavetavetana teo amin'ny tany rehetra ananan'ny zanak'Israely, ary nodidiany hanompo an'ny Tompo Andriamaniny, ny olona rehetra teo amin'Israely. Ka raha mbola velona koa izy dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy ireo.
Toko faha-35
1 Nankalaza ny Paka tao Jerosalema Josiasa ho fankalazana an'ny Tompo, ka namono ny Paka ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany.2 Nanendry ny mpisorona ho amin'ny raharahany avy izy, dia namporisika azy ireo hanao ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo. 3 Ary hoy izy tamin'ireo Levita nampianatra an'Israely rehetra, sy efa voahasina ho an'ny Tompo: Apetraho ao amin'ny trano nataon'i Salomona zanak'i Davida mpanjakan'Israely, ny fiara masina; fa tsy hisy hilanjanareo azy intsony izao. Ka manompoa an'ny Tompo Andriamanitrareo, sy Israely vahoakany. 4 Samia hianareo miomana, araka ny fianakavianareo sy ny antokonareo avy araka ny fandaharan'i Davida mpanjakan'Israely sy ny fandaminan'i Salomona zanany. 5 Samia ho eo amin'ny fitoerana masina, araka ny fizaram-pianakavian'ny rahalahinareo, dia ny zanaky ny vahoaka izany, isam-pizarana dia asiana antokon'ny fianakavian'ny Levita iray. 6 Dia vonoy ny Paka, hamasino ny tenanareo, ary amboary izy ho an'ny rahalahinareo, hanarahan'ny olona ny tenin'ny Tompo voalaza tamin'i Moizy. 7 Nanao fanomezana tamin'ny ankapobem-bahoaka rehetra Josiasa, dia biby fiompy madinika, zanak'ondry aman-janak'osy, telo alina no isany, ho an'izay rehetra tonga teo hanaovany ny Paka; ary omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka avokoa izany rehetra izany.
8 Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitra-po ho an'ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. Helkiasa, Zakariasa ary Jahiela, filohany ao an-tranon'ny Tompo nanome zanak'ondry enin-jato sy roa arivo sy omby telon-jato, ho an'ny mpisorona, hanaovana ny Paka. 9 Koneniasa, Semeiasa sy Natanaela, rahalahiny, Hasabiasa, Jehiala, Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome zanak'ondry dimy arivo sy omby diman-jato, ho an'ny Levita hanaovana ny Paka. 10 Toy izany no nandaharana ny fanompoana: nipetraka tamin'ny fitoerana voalahatra ny mpisorona, torak'izany koa ny Levita, araka ny antokony avy, sy araka ny didin'ny mpanjaka.
11 Novonoin'ny Levita ny Paka, ary ny mpisorona nandray ny ra avy any an-tanan'ireo sy nandraraka azy, ary ny Levita kosa tamin'izay dia nanoditra ny sorona. 12 Natokany ny hatao sorona dorana, nozarainy amin'ny ankapobem-bahoaka araka ny fizaram-pianakaviany avy, hanaterany izany ho an'ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'i Moizy: torak'izany koa ny tamin'ny omby. 13 Natsatsiny tamin'ny afo, araka ny fanao, ny Paka, nandrahoiny tamin'ny vilany sy vilanibe ary lapoaly, ny fanatitra masina, dia nozarainy faingana tamin'ny ankapobem-bahoaka rehetra. 14 Izay izy ireo vao namboatra ho an'ny tenany sy ho an'ny mpisorona; fa niasa mandra-pahalin'ny andro ny mpisorona, taranak'i Aarona, nanolotra ny sorona dorana sy ny sabora; ka izany no nanamboaran'ny Levita ho an'ny tenany sy ho an'ny mpisorona, taranak'i Aarona. 15 Ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa, ary Hemana sy Iditona, mpahitan'ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin'ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa nanamboatra ny Paka ho azy. 16 Izany no nandaharana ny fanompoana an'ny Tompo tamin'izany andro izany, hankalazana ny Paka sy hanolorana sorona dorana eo ambony otelin'ny Tompo, araka ny didin'i Josiasa mpanjaka.
17 Dia nankalaza ny Paka sy ny fetin'ny azima hafitoana ny zanak'Israely izay tonga teo, tamin'izany andro izany. 18 Tsy mbola nisy Paka nankalazaina toy izany teo amin'Israely, hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany; ary tsy mbola nisy mpanjakan'Israely nahavita Paka torak'izay nataon'i Josiasa mbamin'ny mpisorona, ny Levita, Jodà rehetra, sy Israely rehetra izay teo, ary ny mponina tao Jerosalema. 19 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josiasa no nanaovana izany Paka izany. 20 Tatý aorian'izany rehetra izany, rahefa voamboatran'i Josiasa ny tranon'ny Tompo, dia niakatra hiady ao Karikamisa amoron'i Eofrata, Nekao mpanjakan'i Ejipta: Ka dia nivoaka hitsena azy Josiasa.
21 Fa nandefa iraka ho any aminy Nekao nanao hoe: Inona no tadiavinao amiko, ry mpanjakan'i Jodà? Tsy hiady aminao no nalehako izao, fa hiady amin'ny fianakaviana izay ananako ady, sady nasain'Andriamanitra mandeha faingana aho. Ka aoka itsy, fa aza manohitra an'Andriamanitra izay momba ahy, fandrao dia ataony maty hianao. 22 Tsy nety nihodina niala taminy anefa Josiasa, fa nanao fitafiana hafa izy hamely azy: tsy nohenoiny akory ny tenin'i Nekao, avy amin'ny vavan'Andriamanitra, fa nandroso izy hiady eo amin'ny lemak'i Magedao. 23 Kanjo nitifitra an'i Josiasa mpanjaka ny mpandefa tsipìka, ka hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho, fa voa mafy. 24 Dia nafindran'ny mpanompony avy teo amin'ny kalesy izy, ka napetrany teo amin'ny kalesy hafa izay kalesiny, ka nentiny tao Jerosalema. Maty izy, ka nalevina tao am-pasan-drazany. Nisaona an'i Josiasa avokoa Jodà sy Jerosalema. 25 Namoron-kira fisaonana an'i Josiasa Jeremia, ary nilaza an'i Josiasa ny mpihira rehetra na lahy na vavy amin'ny hira fisaonana nataony mandrak'androany, ka tonga fanao eo amin'Israely izany; ka indro fa voasoratra ao amin'ny Fihirana fisaonana izany hira izany. 26 Ny asan'i Josiasa sisa, ny asa fitiavam-bavaka mifanaraka amin'ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo, ny asany voalohany sy farany, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'Israely sy Jodà.
Toko faha-36
1 Joakaza, zanak'i Josiasa, no nalain'ny vahoaka tamin'ny tany nampanjakainy handimby an-drainy, tao Jerosalema.2 Telo amby roapolo taona Joakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. 3 Naongan'ny mpanjakan'i Ejipta tao Jerosalema izy, sady nampandoaviny vola talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny tany. 4 Fa Eliasima, rahalahin'i Joakaza no nampanjakany tamin'i Jodà sy Jerosalema sy novany anarana hoe: Joakima. Ary Joakaza rahalahiny, nalainy dia nentiny nankany Ejipta. 5 Dimy amby roapolo taona Joakima fony vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo Andriamaniny izy.
6 Niakatra hamely azy Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona, ka nafatony tamin'ny gadra varahina roa izy, hoentiny any Babilona. 7 Nentin'i Nabokodonozora ho any Babilona ny fanaka sasany tao an-tranon'ny Tompo, ka nataony tao amin'ny tempoliny any Babilona. 8 Ny asan'i Joakima sisa, ny fahavetavetana nataony, mbamin'ny toetrany hita, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'i Jodà sy Israely. Ary Joasina zanany no nanjaka nandimby azy.
9 Valo taona Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy.
10 Nony niherina ny taona dia nasain'i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilona izy, mbamin'ny fanaka sarobidy tao an-tranon'ny Tompo. Ary Sedesiasa rahalahin'i Joasina, no notendreny ho mpanjakan'i Jodà sy Jerosalema. 11 Iraik'amby roapolo taona Sedesiasa fony vao nanjaka, ary iraik'ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema.
12 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo Andriamaniny izy, ary tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay niteny taminy, tamin'ny anaran'ny Tompo. 13 Nikomy tamin'i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin'ny anaran'Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 14 Ny lehiben'ny mpisorona rehetra mbamin'ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan'ny firenena, sy nandoto ny tranon'ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.
15 Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin'izy ireo, Iaveh Andriamanitry ny razany, tamin'ny alalan'ny irany, fa nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy. 16 Kanjo niomehezan'izy ireo ny irak'Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran'ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny vahoakany tsy azo notohaina intsony. 17 Tamin'izay dia nentin'ny Tompo hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan'ny Kaldeana, ary novonoin'io tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tànany avokoa.
18 Nentin'i Nabokodonozora ho any Babilona avokoa ny fanaka teo an-tranon'ny Tompo, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon'ny Tompo, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an'ireo filohany.