Boky Faharoan'ny Tantara
Toko faha-36
19 Nodorany ny tranon'Andriamanitra, noravany ny mandan'i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra. 20 Nentin'i Nabokodonozora ho babo tany Babilona ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon'izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persa. 21 Izany no nahatanterahan'ny tenin'ny Tompo, tamin'ny vavan'i Jeremia: Mandra-pahazon'ny tany ny onitry ny sabatany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon'ny fitopolo taona. 22 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa, mpanjakan'i Persa, dia namporisihin'ny Tompo, ny fanahin'i Sirosa mpanjakan'i Persa, mba hahatanteraka ny tenin'ny Tompo tamin'ny vavan'i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran'ny fanjakany izao teny izao:23 Izao no lazain'i Sirosa mpanjakan'i Persa: Efa nomen'ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany: ary efa nandidy ahy izy, hanao trano ho azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany? Homba azy anie Iaveh Andriamaniny ary aoka hiakatra izy...
Bokin'i Esdrasa
Toko voalohany
1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa mpanjakan'i Persa, dia namporisihin'ny Tompo ny fanahin'i Sirosa mpanjakan'i Persa, mba hahatanteraka ny tenin'ny Tompo, nolazainy tamin'ny vavan'i Jeremia: ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra, hiely eran'ny fanjakany izao teny izao:2 Izao no lazain'i Sirosa mpanjakan'i Persa: Efa nomen'ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy izy, hanao trano ho azy, any Jerosalema any Jodà. 3 Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamaniny, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon'ny Tompo Andriamanitr'Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema. 4 Aoka ny olona rehetra sisan'i Jodà ao amin'ny fonenana itoerany, na iza na iza, dia ho ampian'ny olona ao amin'io fonenana io, amin'ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy, mbamin'ny fanomezana an-tsitra-po hanaovana ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema. 5 Dia nitsangana ny loham-pianakavian'i Jodà sy Benjamina, ny mpisorona sy ny levita, dia izay rehetra namporisihin'Andriamanitra ny fanahiny, ka lasa nandeha hanao ny tranon'ny Tompo any Jerosalema.
6 Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin'ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin'ny fanomezana an-tsitra-po rehetra. 7 Nalain'i Sirosa koa ny fanaky ny tranon'ny Tompo nesorin'i Nabokodonozora tao Jerosalema sy napetrany tao amin'ny tempolin'ny andriamaniny. 8 Napetrak'i Sirosa mpanjakan'i Persa tao am-pelatanan'i Mitridata mpitahiry vola izany, ary izy no nanolotra azy, rahefa nisainy, tamin'i Sasabasara, filohan'i Jodà.
9 Ka izao no isany: siny volamena telopolo, siny volafotsy arivo, antsy sivy amby roapolo, 10 kopy volamena telopolo, kopy volafotsy ambaratonga faharoa folo sy efa-jato, ary fanaka hafa koa arivo. 11 Efa-jato sy dimy arivo no tontalin'ny fanaka volamena sy volafotsy. Dia nentin'i Sasabasara avokoa ireo, nony niverina avy any Babilona ho any Jerosalema ireo voasesi-tany.
Toko faha-2
1 Ireto ny olona ambanivohitra niverina avy amin'izay nanaovana sesi-tany azy, dia izay nentin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona ho any Babilona, ka niverina ho any Jerosalema sy Jodà, samy ho any an-tanànany avy;2 dia niverina niaraka tamin'i Zorobabela, Josoe, Nehemia, Saraiasa, Rahelaiasa, Mardokea, Belsana, Mesfara, Begoai, Rehoma, Baana. Izao no isan'ny ankapobem-bahoaka tamin'Israely: 3 Roa amby fitopolo amby zato sy roa arivo, ny taranak'i Farosa; 4 rao amby fitopolo sy telon-jato ny taranak'i Safatiasa; 5 dimy amby fitopolo sy fiton-jato ny taranak'i Area; 6 roa ambin'ny folo sy valon-jato sy roa arivo ny taranak'i Fahata-Moaba, avy amin'ny zanak'i Josoe sy Joaba; 7 efatra amby dimampolo sy roan-jato amby arivo ny taranak'i Elama; 8 dimy amby efapolo sy sivin-jato ny taranak'i Zetoà; 9 enimpolo sy fiton-jato ny taranak'i Zakai; 10 roa amby efapolo sy enin-jato ny taranak'i Banì; 11 telo amby roapolo sy enin-jato ny taranak'i Belaì; 12 roa amby roapolo sy roan-jato sy arivo ny taranak'i Azagada; 13 enina amby enimpolo sy enin-jato ny taranak'i Adonikama; 14 enina amby dimampolo sy roa arivo ny taranak'i Begoaì; 15 efatra amby dimampolo sy efa-jato ny taranak'i Adìna; 16 valo amby sivifolo ny taranak'i Atera, avy amin'ny terak'i Ezekiasa; 17 telo amby roapolo sy telon-jato ny taranak'i Besaì; 18 roa ambin'ny folo amby zato ny taranak'i Jorà; 19 telo amby roapolo sy roan-jato ny taranak'i Hasoma; 20 dimy amby sivy folo ny taranak'i Gebara; 21 telo amby roapolo amby zato ny taranak'i Betleema; 22 enina amby dimampolo ny mponina tao Netofà; 23 valo amby roapolo amby zato, ny mponina tao Anatota; 24 roa amby efapolo ny taranak'i Azmaveta; 25 telo amby efapolo sy fiton-jato ny zanak'i Kariatiarima sy Kefirà ary Berota; 26 iraika amby roapolo sy enin-jato ny zanak'i Ramà sy Gabaà; 27 roa amby roapolo amby zato ny mponina tao Makmasa; 28 telo amby roapolo sy roan-jato ny mponina tao Betela sy Haì; 29 roa amby dimampolo ny taranak'i Nebao; 30 enina amby dimampolo amby zato ny taranak'i Megbisa; 31 efatra amby dimampolo sy roan-jato sy arivo ny taranak'ilay Elama anankiray; 32 roapolo sy telon-jato ny taranak'i Harima; 33 dimy amby roapolo sy fiton-jato, ny taranak'i Loda sy Hadida ary Honao; 34 dimy amby efapolo sy telon-jato ny taranak'i Jerikao;