Bokin'i Esdrasa
Toko faha-2
35 telopolo sy enin-jato sy telo arivo ny taranak'i Senaà. 36 Mpisorona: Telo amby fitopolo amby sivin-jato ny taranak'Isaiasa tamin'ny fianakavian'i Josoe;37 roa amby dimampolo sy arivo ny taranak'i Emera; 38 fito amby efapolo sy roan-jato amby arivo ny taranak'i Fasara; 39 fito ambin'ny folo sy arivo ny taranak'i Harima. 40 Levita: efatra amby fitopolo ny taranak'i Josoe sy Kedmiela, avy amin'ny taranak'i Odoiasa.
41 Mpihira: valo amby roapolo amby zato ny taranak'i Asafa. 42 Taranaky ny mpiandry varavarana: sivy amby telopolo amby zato no tontalin'ny taranak'i Seloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Telmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobaì. 43 Natineana: ny taranak'i Sihà, ny taranak'i Hasofà, ny taranak'i Tabaota,
44 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaà, ny taranak'i Fadona, 45 ny taranak'i Lebanà, ny taranak'i Hagabà, 46 ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Selmaì, 47 ny taranak'i Hanàna, ny taranak'i Gadela, ny taranak'i Gahera, ny taranak'i Raaià, 48 ny taranak'i Rasina, ny taranak'i Nekodà, ny taranak'i Gazama, 49 ny taranak'i Azà, ny taranak'i Faseà, ny taranak'i Besea, 50 ny taranak'i Azenà, ny taranak'i Monima, ny taranak'i Nefosima, 51 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofà, 52 ny taranak'i Harhora, ny taranak'i Beslota, ny taranak'i Mahidà, ny taranak'i Harsà, 53 ny taranak'i Berkosa, ny taranak'i Sisarà, ny taranak'i Temà, 54 ny taranak'i Nasià, ny taranak'i Hatifà. 55 Taranaky ny mpanompon'i Salomona: ny taranak'i Sotaì, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Farodà,
56 ny taranak'i Jalà, ny taranak'i Derkona, ny taranak'i Gedela; 57 ny taranak'i Safatià, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Fokoreta-Asebaima, ny taranak'i Ami. 58 Roa amby sivifolo sy telon-jato no tontalin'ny Natineana sy ny mpanompon'i Salomona. 59 Izao no nandeha avy tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adona, Emera, ka tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:
60 ny taranak'i Dalaiasa, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekodà: roa amby dimampolo sy enin-jato. 61 Ary ny tamin'ny taranaky ny mpisorona: dia ny taranak'i Hobià, ny taranak'i Akosa, ny taranak'i Berzelaì, izay naka vady tamin'ny zanakavavin'i Berzelaì, Galaadita, ka dia nantsoina amin'ny anarany. 62 Nikaroka ny taratasy vavolombelon'ny firazanana izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio tsy mahatana ny fisoronana; 63 ary noraran'ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan'izay mpisorona, hanontany amin'Andriamanitra amin'ny Orima sy ny Tomima. 64 Enimpolo sy telon-jato amby roa arivo sy efatra alina no tontalin'ny fiangonana rehetra,
65 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy fito amby telopolo sy telon-jato amby fito arivo. Nisy mpihira, lahy amana vavy, roan-jato, tamin'izy ireo. 66 Ary izao no nananany: soavaly enina amby telopolo sy fiton-jato, mole dimy amby efapolo sy roan-jato, 67 rameva dimy amby telopolo sy efa-jato, ary ampondra roapolo sy fiton-jato amby enina arivo. 68 Nony vao tonga tao amin'ny tranon'ny Tompo, tany Jerosalema, dia maro tamin'ny loham-pianakaviana no nanome fanatitra an-tsitra-po ho an'ny tranon'Andriamanitra, mba hananganana azy eo amin'ilay nitoerany indray.
69 Ny nomeny hatao amin'ny rakitra momba izany asa izany, samy araka ny toe-pananany avy, dia darika volamena arivo sy enina alina, mina volafotsy dimy arivo, ary akanjom-pisoronana zato. 70 Toy izany no nahatafapetraka azy tamin'ny tanànany avy, dia ny mpisorona sy ny levita, ny sarambabem-bahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, sy ny Natineana, ary nonina tamin'ny tanànany avy Israely rehetra.
Toko faha-3
1 Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin'ny tanànany avy ny zanak'Israely, dia nivory tany Jerosalema, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka.2 Ary nitsangana Josoe, zanak'i Josedeka, mbamin'ny mpisorona rahalahiny sy Zorobabela, zanak'i Salatiela, mbamin'ny rahalahiny, ka nanorina ny otelin'Andriamanitr'Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, olon'Andriamanitra. 3 Naoriny teo amin'ilay niorenany taloha ihany ny otely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan'ny vahoakan'ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an'ny Tompo teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva izany.
4 Nanao fetin'ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan'andro isan'andro, araka ny isany voadidin'ny lalàna hatao isan'andro. 5 Manaraka izany, nateriny ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona dorana fanao amin'ny voalohan'ny volana sy amin'ny fety rehetra voatokana ho an'ny Tompo, ary ny avy amin'izay rehetra manatitra fanatitra an-tsitra-po ho an'ny Tompo. 6 Hatramin'ny andro voalohan'ny volana fahafito, dia efa nanomboka ny manatitra sorona dorana ho an'ny Tompo izy ireo; ny fototry ny tempolin'ny Tompo anefa dia mbola tsy nalatsaka. 7 Nomem-bola ny mpipai-bato amam-pandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidoniana sy ny Tiriana, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin'ny ranomasina, hatreo Jope, araka ny fanomezan-dàlana azo tamin'i Sirosa mpanjakan'i Persa. 8 Tamin'ny taona faharoa nahatongavany teo amin'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema, tamin'ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa Zorobabela zanak'i Salatiela, Josoe zanak'i Josedeka, mbamin'ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy any amin'ny fahababoana, ka nanendry ny levita hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin'ny tranon'ny Tompo.
9 Dia indray nivonona ny levita: Josoe mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny, Kedmiela, mbamin'ireo zanany, zanak'i Jodà, hitarika an'izay niasa nanao ny asa momba ny tranon'Andriamanitra; torak'izany koa ny taranak'i Henadada, mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny; samy levita avokoa izy. 10 Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin'ny Tompo ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trompetra, mbamin'ny levita, taranak'i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an'ny Tompo, araka ny voadidin'i Davida, mpanjakan'Israely. 11 Dia nanao hira fiderana an'ny Tompo ireo: Fa tsara fo izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin'Israely. Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an'ny Tompo, fa nandatsaka ny fototry ny tranon'ny Tompo izy ireo. 12 Tamin'ny nandatsahana ny fototr'izany trano izany teo imason'izy ireo anefa dia maro tamin'ny mpisorona sy ny levita mbamin'ny loham-pianakaviana efa antitra, izay nahita ilay trano taloha no nitomany nigogogogo. Betsaka koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly, 13 hany ka tsy hain'ny vahoaka navahana izay hobin-kafaliana sy izay feo fitomanian'ny vahoaka, fa samy niantsoantso tamin'ny feo mafy dia mafy ny vahoaka, ka re lavitra ny horakoraka.
Toko faha-4
1 Nony ren'ny fahavalon'i Jodà sy Benjamina fa hoe manao tempoly ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ny zanaky ny fahababoana,