Bokin'i Esdrasa
Toko faha-4
2 dia nanatona an'i Zorobabela sy ny loham-pianakaviana izy, ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa manaja ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany, sady manatitra sorona ho azy hatramin'ny andron'i Asarhadona mpanjakan'i Asiria, izay nampiakatra anay ho aty. 3 Fa namaly azy kosa Zorobabela sy Josoe mbamin'ireo namany loham-pianakavian'Israely nanao hoe: Tsy mety raha izahay sy hianareo no miara-manao ny tranon'Andriamanitray, fa izahay ihany no hanao azy, ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, araka ny voadidin'ny mpanjaka, dia Sirosa mpanjakan'i Persa. 4 Tamin'izay, ny tompon-tany dia nanao izay hampiraviravy tànana ny vahoakan'i Jodà, nampatahotahotra azy amin'ny asany. 5 Ary azony tambim-bola hamely azy aza ny mpanolo-tsaina sasany, mba tsy hahavanona ny asany. Ary izany dia naharitra nandritra ny andron'i Sirosa, mpanjakan'i Persa, ka hatramin'ny andro nanjakan'i Dariosa, mpanjakan'i Persa.6 Ary tamin'ny andro nanjakan'i Asoerosa, tamin'ny fiandohan'ny fanjakany, dia nanoratra taratasy fitoriana ny mponina tany Jodà sy Jerosalema izy ireo.
7 Ary tamin'ny andron'i Artakserksesa, Beselama, Mitridata, Tabeela, mbamin'ireo namany sisa, dia nanaratra ho any amin'i Artakserksesa mpanjakan'i Persa; tarehin-tsoratra arameana no nanoratany ny taratasy, ary nadikany ho fiteny arameana. 8 Rehoma governora sy Samsaì mpanoratra, nanoratra ho any amin'i Artakserksesa, nilaza ny amin'i Jerosalema, ka toy izao no teny ao amin'ny taratasy:
9 Rehoma gobernora, Samsaì mpanoratra, mbamin'ny namany sisa, ny avy any Dina, Afarsatàka, Terfala, Afarsà, Erkoà, Babilona, Sosa, Deha, Elama, 10 ary ny vahoaka sisa, izay nentin'i Asnafara, lehibe sady malaza, nafindrany sy namponeniny ao an-tanànan'i Samaria sy amin'ny tany sasany aty an-dafin'ny ony, etc. 11 Izao no kopian'ny taratasy nampitondrainy an'i Artakserksesa mpanjaka: Ny mpanomponao, ny olona aty an-dafin'ny ony, etc.
12 Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa ny Jody avy any aminao, nankaty aminay, dia tonga taty Jerosalema, ka nanamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy ka efa manao ny mandany sy manamboatra ny fototra izy izao.
13 Ary aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa raha voamboatra io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy handoa hetra intsony izy ireo, na haba, na sara, ka dia faty antoka ho an'ny mpanjaka no ho vokatr'izany. 14 Noho izahay mihinana ny sira avy any an-dapa anefa, sady heverinay fa tsy mety raha tsiratsiraina eo imasonay ny mpanjaka, dia nandefa ny filazana izany amin'ny mpanjaka izahay. 15 Aoka hokarohina ao amin'ny boky tantaran-drazanao, fa ho hitanao ao amin'ny bokin'ny tantara, ary ho fantatrao, fa tanàna fikomiana sy efa namohehatra ny mpanjaka sy faritany maro io tanàna io, sady efa fitrangam-pikomiana hatry ny andro taloha. Ary izany ihany no nandravana io tanàna io. 16 Ka nampahalala ny mpanjaka izahay, fa raha voavoatra indray io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy hanana na inona na inona aty an-dafin'ny ony intsony hianao, amin'izany. 17 Izao no valy nalefan'ny mpanjaka ho an-dRehoma governora, Samsaì mpanoratra, mbamin'ny namany sisa, monina ao Samaria sy amin'ny tanàna hafa any an-dafin'ny ony: Arahaba, etc.
18 Efa voavaky mazava teo anatrehako ny taratasy nampitondrainareo.
19 Ary efa nanome didy aho, ka dia efa nokarohina, ary hita fa efa nikomy tamin'ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, sady efa nitrangam-pikomiana amam-piodinana. 20 Efa nisy mpanjaka mahery tany Jerosalema, nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony, sady nandoavana hetra, haba, sara. 21 Noho izany, didio hatsahatra ny asan'ireo olona ireo, fa tsy haorina indray io tanàna io, raha tsy efa nahazo teny avy aty amiko ny amin'izany. 22 Tandremo fandrao manao tsirambina amin'izany hianareo, ka mandroso ny ratsy hahafaty antoka ny mpanjaka. 23 Vantany vao voavaky teo anatrehan-dRehoma, Samsaì mpanoratra, ary ireo namany, ny kopian'ny taratasin'i Artakserksesa mpanjaka, dia nankany amin'ny Jody tany Jerosalema faingana izy, ka nasainy natsahatra an-keriny sy an-ditra ny asa.
24 Ka dia natsahatra ny asa amin'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema; ary naato teo izy, hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjakan'i Persa.
Toko faha-5
1 Ary ireo mpaminany, Akzea mpaminany sy Zakaria zanak'i Adao dia naminany tamin'ireo Jody izay tany Jodà sy Jerosalema, amin'ny anaran'Andriamanitr'Israely izay nanindry azy.2 Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon'Andriamanitra ao Jerosalema indray Zorobabela zanak'i Salatiela, sy Josoe zanak'i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin'Andriamanitra nanampy azy. 3 Tamin'io fotoana io ihany dia tonga teo amin'izy ireo Tatanaì, governoran'ny any an-dafin'ny ony, mbamin'i Starbozanaì sy ny namany, ka nanao tamin'izy ireo hoe: Iza no nanome lalana anareo hanao ity trano ity sy hanangana ireo manda ireo?
4 Dia niteny taminy izahay ka nilaza taminy ny anaran'ireo lehilahy manao ny trano. 5 Nitsinjo an'ireo loholon'ny Jody anefa ny mason'Andriamanitr'izy ireo, ka tsy nasainy hitsahatra amin'ny asa izy, mandra-pahatongan'ny filazana ny raharaha tany amin'i Dariosa sy niverenan'ny taratasy momba izany. 6 Izao no kopian'ny taratasy ho an'i Dariosa mpanjaka, nalefan'i Tatanaì, governoran'ny eny an-dafin'ny ony, sy Starbozanaì, mbamin'ireo namany any Arfasàka, monina any an-dafin'ny ony.
7 Nandefa filazana taminy izy ka izao no voasoratra ao aminy: Fiadanana tanteraka anie ho an'i Dariosa mpanjaka! 8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa teny amin'ny faritanin'i Jodà, amin'ny tranon'Andriamanitra lehibe, izahay. Vato makadiry no anaovany azy, ary ny hazo dia alatsaka amin'ny rindrina, atao amim-pahazotoana ny asa, ary mandroso tsara ao an-tànan'izy ireo.
9 Nanontanianay ireo loholona ireo, nataonay hoe: Iza no nanome làlana anareo hanao ity trano ity, sy hanangana ireo manda ireo? 10 Nanontanianay azy koa ny anaran'izy ireo, mba hahampahafantarinay anao, mba halatsaka an-tsoratra ny anaran'ireo lohany. 11 Ka izao no valy nomeny anay: Mpanompon'ny Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay; ary ny trano efa vita ela be ihany no ataonay indray; dia ilay efa natao sy vitan'ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'Israely. 12 Saingy nony efa nampahatezitra ny Andriamanitry ny lanitra ny razanay dia natolony ho eo an-tanan'i Nabokodonozora ilay Kaldeana, mpanjakan'i Babilona, dia noravan'izy io izany trano izany, ary nentiny ho babo tany Babilona ny vahoaka. 13 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa, mpanjakan'i Babilona kosa anefa, namoaka didy manome làlana ny hanaovana io tranon'Andriamanitra io indray Sirosa mpanjaka. 14 Ary ny fanaka volamena sy volafotsin'ny tranon'Andriamanitra izay nalain'i Nabokodonozora tany Jerosalema ka nentiny ho ao amin'ny tempolin'i Babilona, dia natolotra an'ilay atao hoe Sasabasara, notendreny ho governora, 15 sy nilazany hoe: Raiso ireto fanaka ireto, ka mandehana apetraho ao amin'ny tempoly any Jerosalema, ary aoka hatsangana eo amin'izay niorenany ny tranon'Andriamanitra. 16 Dia tonga io Sasabasara io, ka nandatsaka ny fototry ny tranon'Andriamanitra ao Jerosalema, ary hatramin'izay andro izay ka mandrak'ankehitriny dia natao ihany izy, saingy mbola tsy efa. 17 Koa ankehitriny, raha sitraky ny mpanjaka, aoka hokarohina ao an-trano firaketan'ny mpanjaka any Babilona raha misy didy navoakan'i Sirosa mpanjaka, momba ny fanaovana io tranon'Andriamanitra ao Jerosalema io. Ka rahefa izany, dia aoka hambaran'ny mpanjaka aminay, izay sitra-pony ny amin'izany.
Toko faha-6
1 Dia nanome didy Dariosa mpanjaka, ka dia nokarohina tao amin'ny trano fitehirizan-taratasy izay nitahirizana ny rakitra tany Babilona.2 Ka indro hita tao Ekbatana, tanàna mimanda ao amin'ny faritanin'i Media, horonan-taratasy anankiray nisy izao filazana voasoratra izao: 3 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa mpanjaka, dia izao no didy navoakan'i Sirosa mpanjaka: Ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka haorina indray io trano io ho fitoerana fanaterana sorona, ary aoka hatao mafy ny fandatsaham-pototra. Ho enimpolo hakiho no hahavony, ary enimpolo hakiho koa ny sakany,
4 ka hatao vato vaventy voapaika telo an-dàlana sy hazo iray an-dàlana; ary haloa avy ao an-tranon'ny mpanjaka izay lany aminy. 5 Fanampin'izany, ny fanaka volamena sy volafotsin'ny tranon'Andriamanitra izay nalain'i Nabokodonozora tany amin'ny tempoly any Jerosalema dia haverina ka dia hoentina ao amin'ny tempoly any Jerosalema, hatao amin'ny fitoerany teo, ka hapetrakao ao an-tranon'Andriamanitra. 6 Koa ankehitriny, ry Tatanaì governora any an-dafin'ny ony, sy Starbozanaì, mbamin'ireo namanareo ao Afarsàka, hianareo any an-dafin'ny ony, dia mihataha tsy hitoetra ao,
7 ka avelao hotohizana ny asa amin'ny tranon'Andriamanitra; aoka ny governoran'ny Jody sy ny loholon'ny Jody hanorina izany tranon'Andriamanitra izany indray amin'izay fitoerany teo. 8 Ary izao no didy omeko anareo ny amin'izay tokony hataonareo amin'ireo loholon'ny Jody, hanorenana indray io tranon'Andriamanitra io: ny haren'ny mpanjaka, ny hetra aloan'ny any an-dafin'ny ony, no handoavana izay lany marina amin'ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy. 9 Ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona dorana, ho an'Andriamanitry ny lanitra, na vantotr'ombalahy, na ondralahy amam-janak'ondry, na varimbazaha, na sira, na divay aman-diloilo, araka ny fandaharana ataon'ny mpisorona ao Jerosalema, dia homena azy isan'andro tsy tapaka, 10 mba hanaterany sorona tsara hanitra ho an'Andriamanitry ny lanitra, dia hivavahany ho an'ny ain'ny mpanjaka sy ny zanany.