Bokin'i Esdrasa

Toko faha-6

11 Izao koa no didy omeko: Raha misy manova izao teny izao, dia hotsoahana ny sakamandimby iray amin'ny tranony, ka dia hahantona sy haompana eo izy, ary ny tranony koa hatao antontam-piringa, noho izany. 12 Ary ilay Andriamanitra izay mampitoetra ny anarany ao anie hanongana ny andriana amam-bahoaka izay haninji-tanana hanova izao didy izao sy handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Didy nomeko izaho Dariosa, ity; ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany. 13 Notanterahan'i Tatanaì, governoran'ny any an-dafin'ny ony, sy Starbozanaì, mbamin'ireo namany, an-tsakany sy an-davany, ny didy nalefan'i Dariosa mpanjaka.

14 Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon'Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian'i Akzea mpaminany, sy Zakaria zanak'i Adao. Nanao izy dia nahavita araka ny didin'Andriamanitr'Israely sy araka ny didin'i Sirosa, Dariosa, Artakserksesa, mpanjakan'i Persa. 15 Tamin'ny andro fahatelon'ny volana Adara, taona fahaenina nanjakan'i Dariosa mpanjaka, no nahavitan'ny trano. 16 Ary ny zanak'Israely, ny mpisorona, ny levita, ary ny olona sisa tamin'ny zanaky ny fahababoana, dia samy nitokana ny tranon'Andriamanitra tamin-kafaliana.

17 Izao no naterin'ny olona hitokanana io tranon'Andriamanitra io: ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak'ondry efa-jato, ary osilahy roa ambin'ny folo, araka ny isan'ny fokon'Israely ho sorona noho ny ota, ho an'Israely rehetra. 18 Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an'ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'i Moizy. 19 Tamin'ny andro fahaefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany, dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.

20 Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita tsy an-kanavaka, ka samy efa madio avokoa. Dia namono ny Paka izy ireo ho an'ny tenany. 21 Nihinana ny Paka ny zanak'Israely avy any amin'ny fahababoana, mbamin'izay rehetra niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany, sy nanatona azy hiara-mitady an'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 22 Tamin-kafaliana no nanaovan'izy ireo ny fetin'ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalian'ny Tompo izy, tamin'ny nitarihany ny fon'ny mpanjakan'i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tànany amin'ny asa momba ny tranon'Andriamanitra, dia ny Andriamanitr'Israely.

Toko faha-7

1 Taty aorian'ireo zava-niseho ireo, tamin'ny andro nanjakan'i Artaksesksesa mpanjakan'i Persa kosa indray, Esdrasa, zanak'i Saraiasa, zanak'i Azariasa, zanak'i Helkiasa,

2 zanak'i Seloma, zanak'i Sadaoka, zanak'i Akitoba, 3 zanak'i Amariasa, zanak'i Azariasa, zanak'i Maraiota, 4 zanak'i Zarahiasa, zanak'i Ozì, zanak'i Boksi, zanak'i Abisoe, 5 zanak'i Finea, zanak'i Eleazara, zanak'i Aarona mpisorona lehibe; 6 niakatra avy any Babilona io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tànan'ny Tompo Andriamaniny, dia nomen'ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny. 7 Maromaro koa tamin'ny zanak'Israely, mpisorona, levita, mpihira, mpiandry varavarana, ary natineana, no niakatra ho any Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artakserksesa mpanjaka. 8 Tonga tany Jerosalema Esdrasa, tamin'ny volana fahadimin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka. 9 Tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilona ary tamin'ny andro voalohan'ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban'ny tànan'Andriamaniny manisy soa. 10 Nandraikitra ny fony amin'ny fianaran'ny lalàn'ny Tompo Esdrasa, ary nanaraka azy, ary nampianatra an'Israely ny lalàna amam-pitsipika. 11 Izao no kopian'ny taratasy nomen'i Artakserksesa mpanjaka, an'i Esdrasa - izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn'ny Tompo ny amin'ny momba an'Israely.

12 Artakserksesa mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Esdrasa mpisorona sy mpampiana-dalàna, mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, etc.

13 Efa nanome teny aho hoe: izay rehetra isan'ny vahoakan'Israely, ny mpisorony sy ny levitany, izay eto amin'ny fanjakako, ka ta-handeha ho any Jerosalema, dia mahazo miaraka aminao.

14 Fa irahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy hianao, mba handinika ny toetr'i Jodà sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eo an-tànanao; 15 sy hitondra ny volafotsy amana volamena nomen'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy, an-tsitra-po, ho an'Andriamanitr'Israely, izay manana ny fonenany ao Jerosalema; 16 mbamin'ny volamena amana volafotsy rehetra mety ho azonao eran'ny faritanin'i Babilona ary koa ny fanomezana an-tsitra-po avy amin'ny vahoaka sy ny mpisorona, izay atolony an-tsitra-po ho an'ny tranon'Andriamaniny any Jerosalema. 17 Koa ho ahinao ny hividianana amin'izany vola izany ny ombalahy, ondralahy, zanak'ondry, mbamin'izay hatao fanatitra amam-panatitra araraka momba azy, dia atero eo ambony otely ao an-tranon'Andriamanitrareo any Jerosalema izany. 18 Ary ny volafotsy amana volamena sisa dia ataovy amin'izay heverinao sy ireo rahalahinao ho mety, manaraka ny sitra-pon'Andriamanitrareo. 19 Apetraho eo anatrehan'Andriamanitr'i Jerosalema ny fanaka natolotra anao, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao. 20 Izay fanampiny mbola ilaina koa, ao amin'ny tranon'Andriamanitrao, dia hovononinao avy amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka. 21 Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an'ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin'ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain'i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, 22 hatramin'ny talenta volafotsy zato, varimbazaha zato kora, divay zato bata, diloilo zato bata, ary sira araka izay tiany. 23 Tanteraho an-tsakany sy an-davany izay rehetra andidian'Andriamanitry ny lanitra, ny amin'ny momba ny tranon'Andriamanitry ny lanitra, mba tsy hiharan'ny fahatezerany amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany. 24 Ampahafantarinay anareo koa, fa tsy misy azo angalana hetra, na haba, na sara, ny mpisorona, ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Natineana, mbamin'izay rehetra manompo amin'io tranon'Andriamanitra io. 25 Ary hianao, ry Esdrasa, araka ny fahendren'Andriamanitrao, izay eo an-tànanao, dia manendre mpitsara sy andriambaventy hitsara ny vahoaka rehetra any an-dafin'ny ony, amin'izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao, ary ampianaro izay tsy mahalala. 26 Na zovy na zovy tsy mitandrina ny lalàn'Andriamanitrao, sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka izy hovaliana araka ny rariny, na hovonoina, na hasesi-tany, na hosazina vola, na hatao an-tranomaizina. 27 Isaorana anie Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon'ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon'ny Tompo ao Jerosalema toy izany,

28 sy nampahita fitia ahy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy ary ny manam-pahefana ambony rehetra ao amin'ny mpanjaka. Koa nahazo hery aho fa nomba ahy ny tànan'ny Tompo Andriamanitro, ka nanangona ny loholona amin'Israely hiara-miainga amiko.

Toko faha-8

1 Izao no loham-pianakaviana sy filazana ny firazanany, dia ireo niara-niakatra tamiko avy any Babilona, tamin'ny andro nanjakan'i Artakserksesa mpanjaka.

2 Tamin'ny taranak'i Finea, Gersoma; tamin'ny taranak'Itamara, Daniela; tamin'ny taranak'i Davida, Hatosa, 3 izay avy amin'ny taranak'i Sekeniasa; tamin'ny taranak'i Farosa, Zakaria, mbamin'ireo dimampolo amby zato lahy, voasoratra ao amin'ny bokim-pianakaviana izay niaraka taminy. 4 Tamin'ny taranak'i Falata-Moaba, Elioenaì, zanak'i Zarehiasa mbamin'ireo roan-jato lahy izay niaraka taminy; 5 tamin'ny taranak'i Sekeniasa, taranak'i Ezekiela, mbamin'ireo telon-jato lahy izay niaraka taminy; 6 tamin'ny taranak'i Adàna, Abeda zanak'i Jonatàna, mbamin'ireo dimampolo lahy izay niaraka taminy; 7 tamin'ny taranak'i Alama, Izaia, zanak'i Ataliasa mbamin'ireo enimpolo lahy izay niaraka taminy; 8 tamin'ny taranak'i Safatiasa, Zebediasa zanak'i Mikaela, mbamin'ireo valopolo lahy izay niaraka taminy; 9 tamin'ny taranak'i Joaba, Abediasa zanak'i Jehiela mbamin'ireo valo ambin'ny folo amby zato lahy izay niaraka taminy; 10 tamin'ny taranak'i Selomita, zanak'i Josefiasa mbamin'ireo enimpolo amby zato lahy izay niaraka taminy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1563