Bokin'i Nehemia

Toko faha-10

14 Odaiasa, Bani, Banino. 15 Filohan'ny vahoaka: Farosa, Fahat-Moaba, Elama, Zetò, Banì, 16 Bonì, Azgada, Bebaì, 17 Adoniasa, Begoaì, Adìna, 18 Atera, Ezekiasa, Azora, 19 Odaiasa, Hasoma, Besaì, 20 Harefa, Anatota, Nebaì, 21 Megfiasa, Mosolama, Hazira, 22 Mesezabela, Sadaoka, Jedoà, 23 Feltiasa, Hanàna, Anaiasa, 24 Osea, Anania, Hasoba, 25 Alohesa, Faleà, Sobeka, 26 Rehoma, Hasebnà, 27 Maasiasa, Ekiasa, Hanana, 28 Anana, Melòka, Harima, Baanà. 29 Ny vahoaka sisa, ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Natineana, ary izay rehetra nisaraka tamin'ny vahoakan'ny tany, hanaraka ny lalàn'Andriamanitra, mbamin'ny vadin'ireo, ny zanany lahy aman-janany vavy,

30 izay afa-nahalala sy manan-tsaina rehetra, dia samy nikambana tamin'ireo rahalahiny, dia ny andriandahiny, avokoa, nanome toky tamim-piozonana amam-pianianana fa hanaraka ny lalàn'Andriamanitra, izay nomena tamin'ny alalan'i Moizy, mpanompon'Andriamanitra, hitandrina sy hankatò ny didin'ny Tompo Tompontsika, mbamin'ny fitsipiny aman-dalàny. 31 Indrindra fa nanome toky izahay fa tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin'ny vahoakan'ny tany, na haka ny zanany vavy ho vadin'ny zanakay lahy; 32 tsy hividy na inona na inona amin'ny andro sabata sy ny andro fety amin'ny entam-barotra na zava-pihinana, na inona na inona, raha sendra misy entin'ny vahoakan'ny tany hamidy amin'ny andro sabata; hamela ny tany hijanona tsy ambolena amin'ny taona fahafito, sady hamoy ny trosa rehetra. 33 Nataonay didy ho anay ny handoa ampahatelon-tsikla isan-taona, amin'ny momba ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,

34 ny mofo alahatra, ny fanatitra tsy tapaka, ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona amin'ny sabata, ny voaloham-bolana ary ny fety, ny zavatra masina, ny sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho an'ny zanak'Israely, mbamin'izay rehetra fanao ao an-tranon'Andriamanitsika. 35 Nanao filokana izahay mpisorona, levita, vahoaka, ny amin'ny hanaterana ny kitay hazo, mba samy hitondra izany ao an-tranon'Andriamanitsika, isam-pianakaviana araka ny anjara fotoany avy, amin'ny fotoana voaraikitra, isan-taona, mba harehitra eo ambonin'ny otelin'ny Tompo Andriamanitsika, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàna.

36 Nametra-teny izahay fa hanatitra ao an-tranon'ny Tompo isan-taona ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny santatry ny voankazo rehetra avy amin'ny hazo mamoa rehetra, 37 hitondra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, amin'ny mpisorona manao ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitsika, ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny omby aman'ondrinay. 38 Toraka izany koa hanatitra ho an'ny mpisorona ao amin'ny efitrano, ao an-tranon'Andriamanitsika, ny santatry ny kobanay amam-panatitray voaavaka mbamin'ny voankazo avy amin'ny hazo rehetra, ny divay vaovao ary ny diloilo, ary hanolotra amin'ny levita ny ampahafolon'ny vokatry ny taninay; ary ny tenan'ny levita no haka ny ampahafolony any amin'ny tanàna rehetra fambolenay. 39 Ny mpisorona taranak'i Aarona, hiaraka amin'ny levita, rahefa mandray ny fahafolony ny levita, ary ny ampahafolon'ny fahafolony dia haterin'ny levita ao an-tranon'Andriamanitra ao amin'ny efitrano fitehirizan-drakitra. 40 Fa ao amin'ny efitrano no hanateran'ny zanak'Israely sy ny taranak'i Levì ny fanatitra avy amin'ny vary sy ny divay aman-diloilo; ao no misy ny fanaky ny fitoerana masina, sy itoeran'ny mpisorona manao ny fanompoana, mbamin'ny mpiandry varavarana sy ny mpihira, ka amin'izany tsy hataonay mosalahy ny amin'ny tranon'Andriamanitra.

Toko faha-11

1 Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben'ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin'ny tanàna hafa.

2 Ary nisaoran'ny vahoaka izay rehetra nanolo-tena ho azy, honina ao Jerosalema. 3 Izao no loham-pianakaviana avy any ambanivohitra tonga nonina tao Jerosalema. Tany amin'ny tanànan'i Jodà, samy nonina teo amin'ny taniny aman-tanànany avy: dia Israely, ny mpisorona sy ny levita ary ny Natineana mbamin'ny mpanompon'i Salomona.

4 Ny niorim-ponenana tao Jerosalema dia ny avy amin'ny taranak'i Jodà sy Benjamina. Avy amin'ny taranak'i Jodà: Ataiasa zanak'i Aziama, zanak'i Zakaria, zanak'i Amariasa, zanak'i Safatiasa, zanak'i Malaleela, avy amin'ny taranak'i Faresa;

5 ary Maasiasa zanak'i Baròka, zanak'i Kolhozà, zanak'i Haziasa, zanak'i Adaiasa, zanak'i Joiariba, zanak'i Zakaria, zanak'i Selà. 6 Lehilahy mahery valo amby enimpolo sy efa-jato no tontalin'ny avy amin'ny taranak'i Faresa tonga nonina tao Jerosalema. 7 Ary izao no taranak'i Benjamina: Seloma, zanak'i Mosolama, zanak'i Joeda, zanak'i Fadaiasa, zanak'i Kolaiasa, zanak'i Maasiasa, zanak'i Eteela, zanak'i Isaia; 8 ary nanarakaraka azy: Gebai-Selaì: valo amby roapolo sy sivin-jato izy. 9 Joela zanak'i Zekrì no mpifehy azy; ary Jodà zanak'i Senoà no lefitry ny komandin'ny tanàna. 10 Avy amin'ny mpisorona: Idaiasa zanak'i Joiariba,

11 Jasina, Saraiasa zanak'i Helkiasa, zanak'i Mosolama, zanak'i Sadaoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Akitoba, andriandahy amin'ny tranon'Andriamanitra, 12 mbamin'ny rahalahin'ireo, izay nanao ny raharaha tao an-trano: roa amby roapolo sy valon-jato; Adaiasa zanak'i Jerohama, zanak'i Feleliasa, zanak'i Amsì, zanak'i Zakaria, zanak'i Fasora, zanak'i Melkiasa, 13 mbamin'ireo rahalahiny, samy loham-pianakaviana: roa amby efapolo sy roan-jato; ary Amasaì zanak'i Azreela, zanak'i Ahazì, zanak'i Mosolamota, zanak'i Emera, 14 mbamin'ny rahalahin'ireo, samy lehilahy mahery: valo amby roapolo amby zato. Zabdiela zanak'i Hagdolima no mpifehy azy ireo. 15 Avy amin'ny levita: Semeiasa zanak'i Hasoba, zanak'i Ezrikama, zanak'i Hasabiasa, zanak'i Bonì;

16 Sabataì sy Jozabada, anisan'ny lohan'ny levita, tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra; 17 Mataniasa zanak'i Mika, zanak'i Zebedeì, zanak'i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin'ny fivavahana; Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin'ireo rahalahiny, sy Abdà zanak'i Samoà, zanak'i Galala, zanak'Iditòna. 18 Efatra amby valopolo sy roan-jato no tontalin'ny levita tao amin'ny tanàna masina. 19 Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba, Telmona, mbamin'ireo rahalahiiny, mpiambina ny vavahady: roa amby fitopolo amby zato.

20 Israely sisa, ny mpisorona ary ny levita dia tany amin'ny tanànan'i Jodà rehetra, samy tany amin'ny zara taniny avy.

21 Ny Natineana dia nonina teo amin'ny faritanin'i Ofela: Sihà sy Gasfà no nifehy ny Natineana.

22 Ny mpifehy ny levita tao Jerosalema, dia Azì zanak'i Banì zanak'i Hasabiasa, zanak'i Mataniasa, zanak'i Mikà, anisan-taranak'i Asafa, ireo mpihira niadidy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra. 23 Fa nisy didin'ny mpanjaka ny amin'izy ireo, sy karama voafetra homena ny mpihira isan'andro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1431