Bokin'i Nehemia

Toko faha-11

24 Faratiasa zanak'i Mesezebela, isan-taranak'i Zarà, zanak'i Jodà kosa no mpanao raharahan'ny mpanjaka, amin'ny raharaha rehetra momba ny vahoaka. 25 Ny amin'ny tanàna sy ny tany momba azy dia izao no nonenan'ny zanak'i Jodà: Kariata-Arbe, mbamin'ny vohitra momba azy, Dibona mbamin'ny vohitra momba azy, Kabseela, mbamin'ny zana-bohiny;

26 Jesoae, Molada, Bet-Faleta; 27 Hasersoala, Bersabea, mbamin'ny vohitra momba azy; 28 Sikelega, Mokona, mbamin'ny vohitra momba azy; 29 En-Remona, Saraà, Jerimota, 30 Zanola, Odolama, mbamin'ny zana-bohitr'ireo; Lakisa mbamin'ny tany momba azy, Azekà mbamin'ny vohitra momba azy. Hatrany Bersabea ka hatrany amin'ny lohasahan'i Enoma no nonenany. 31 Ny avy amin'ny taranak'i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin'ny vohitra momba azy;

32 tany Anatota, Nobà, Anania, 33 Asora, Ramà, Getaima, Hadida, 34 Seboima, Nebalata, Loda, 35 ary Onao, amin'ny lohasahan'ny Mpanao taozavatra. 36 Tamin'ny levita, izay anisan'ny antokon'i Jodà, dia nisy nitambatra tamin'i Benjamina.

Toko faha-12

1 Izao no mpisorona sy levita niara-niverina tamin'i Zorobabela, zanak'i Salatiela sy Josoe: Saraiasa, Jeremia, Esdrasa,

2 Amariasa, Melòka, Hatosa, 3 Sebeniasa, Rehoma, Merimota, 4 Adao, Gentona, Abiasa, 5 Miamina, Maadiasa, Belgà, 6 Semeiasa, Joiariba, Idaiasa, 7 Seloma, Amòka, Helkiasa, Idaiasa. Ireo no lehiben'ny mpisorona mbamin'ireo rahalahiny, tamin'ny andron'i Josoe. 8 Levita: Josoe, Benoì, Kedmiela, Sarebiasa, Jodà, Mataniasa, izay nitarika ny hira fiderana, niaraka tamin'ireo rahalahiny; 9 Bekbekiasa sy Ani, rahalahin'ireo kosa no antokom-pihira nifamely tamin'ireo, tamin'ny fanompoana. 10 Josoe niteraka an'i Joakima, Joakima niteraka an' i Eliasiba, Eliasiba niteraka an'i Joiadà,

11 Joiadà niteraka an'i Jonatana, ary Jonatana niteraka an'i Jedoà. 12 Izao no mpisorona avy amin'i Saraiasa: Anania avy amin'i Jeremia;

13 Mosolama avy amin'i Esdrasa; Johanàna avy amin'i Amariasa; 14 Jonatana avy amin'i Melòka; Josefa avy amin'i Sebeniasa; 15 Ednà avy amin'i Haràma; Helkì avy amin'i Maraiota; 16 Zakaria avy amin'i Adao; Mosolama, avy amin' i Gentona; 17 Zekrì avy amin'i Abiasa; Feltì avy amin'i Miamina, sy Moadiasa; 18 Samoa avy amin'i Belgà; Jonatàna avy amin'i Semeiasa; 19 Matanai avy amin'i Joiariba; Ajì avy amin'i Jodàiasa; 20 Kelai avy amin'i Selai; Hebera avy amin'i Amòka; 21 Hasabiasa, avy amin'i Heliasa; Natanaela avy amin'i Idaiasa. 22 Tamin'ny andron'i Eliasiba, Joiadà, Johanàna, ary Jedoà, dia voasoratra avokoa ny levita loham-pianakaviana sy ny mpisorona, tamin'ny nanjakan'i Dariosa ilay Persa.

23 Voasoratra ao amin'ny boky tantara, ny taranak'i Levì, loham-pianakaviana, hatramin'ny andron'i Johanàna, zanak'i Eliasiba. 24 Lohan'ny levita: Hasebiasa, Serebiasa, ary Josoe, zanak'i Kedmiela, niandraikitra niaraka tamin'ireo rahalahiny nifanandrify aminy, ny fankalazana sy ny fiderana an'Andriamanitra; araka ny nandaharan'i Davida olon'Andriamanitra an'izany: nanao antokony roa mifamaly. 25 Ny mpiandry varavarana, niambina teo amin'ny tokonam-bavahady kosa, dia Mataniasa, Bekbekiasa, Abdiasa, Mosolama, Telmona, ary Akoba. 26 Ireo izy no tamin'ny andron'i Joakima, zanak'i Josedeka sy Nehemia governora, ary Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna. 27 Nony notokanana ny mandan'i Jerosalema dia nantsoina tany amin'izay fitoerana nonenany rehetra tany, ny levita, nasaina tonga any Jerosalema hanao ny fitokanana amin-kafaliana, amin'ny hira amam-piderana, amin'ny feon-kipantsona sy valiha ary harpa.

28 Nivory ny zanaky ny mpihira, avy eny ambanivohitra manodidina an'i Jerosalema, avy any an-tanànan'ny Netofatiana, 29 sy Bet-Galgala, ary ny faritanin'i Geba sy Azmaveta; fa nanao vohitra ho azy teny amin'ny manodidina an'i Jerosalema ny mpihira. 30 Rahefa avy nanadio ny tenany, ny mpisorona sy ny levita, dia nanadio ny vahoaka sy ny vavahady ary ny manda koa. 31 Nasaiko niakatra teny ambonin'ny manda ireo mpanapaka an'i Joda, ary nalahatro ho antokony roa lehibe ny mpihira manao prosesiona. Ny antokony voalohany, nandeha teny ambonin'ny manda, amin'ny ilany havanana, ho eo amin'ny vavahadin'ny Zezika.

32 Ka ireto no nandeha teo aorian'ireo: Ozaiasa, sy ny antsasaky ny andriandahin'i Jodà, 33 Azariasa, Esdrasa, Mosolama, Jodà, Benjamina, Semeiasa, ary Jeremia; 34 ny sasany amin'ny taranaky ny mpisorona, nitondra trompetra: Zakaria zanak'i Jonatàna, zanak'i Semeiasa, zanak'i Mataniasa, zanak'i Mikea, zanak'i Zekora, zanak'i Asafa, 35 mbamin'ny rahalahiny, Semeiasa, Azareela, Malalaì, Galalaì, Maaì, Natanaela, Jodà, ary Hananì, nitondra ny zava-manenon'i Davida, olon'Andriamanitra. Esdrasa mpanora-dalana no nialoha an'ireo. 36 Tao amin'ny vavahadin'ny Loharano izy ireo, dia niakatra ny ambaratongan'ny tanànan'i Davida, teo an-tandrifiny, nihazo ny fiakarana amin'ny manda, eo ambonin'ny manda, eo ambonin'ny tranon'i Davida hatreo amin'ny vavahadin'ny Rano, eo atsinanana. 37 Ny antokom-pihira faharoa kosa, nandeha tamin'ny ilany iray, ka izaho sy ny antsasaky ny vahoaka no teo aorian'io teny ambony manda. Avy eo amin'ny tilikambon'ny Fatana fandoroana, dia nandroso hatreo amin'ny manda malalaka,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1485