Bokin'i Tobia

Toko voalohany

11 Rahefa lasan-ko babo izy, mbamin'ny vady aman-janany, ka tonga tany Niniva, izay nisy ny iray foko aminy rehetra,

12 na dia nihinana ny hanin'ny mpanompo sampy aza ny olon-kafa rehetra, izy kosa nitahiry ny fanahiny ho madio, fa tsy mba nandoto tena tamin'ny henan'ireny, na oviana na oviana. 13 Ary noho izy tsy tapaka ny nahatsiaro ny tompo, dia nataon'Andriamanitra nahazo fitia tamin'i Salmanazara mpanjaka izy, 14 ka nomen'io làlana ho any amin'izay rehetra tiany haleha, sady hahazo manao izay tiany hatao. 15 Ka dia nandeha namangy ny lasan-ko babo izy, sy nanome torohevitra tsara azy ireo. 16 Indray mandeha izy dia lasa nankany Ragesa, tanànan'ny Meda, nitondra vola talenta folo, avy amin'ny fanomezana be loatra nomen'ny mpanjaka azy;

17 ary teo amin'ireo vahoaka be mpiray tamin-drazana aminy kosa, hitany ity lehilahy anankiray iray foko taminy, atao hoe Gabelosa, fa poritra mafy, ka natolony an'io ilay vola rehetra nentiny, dia nandraisany rosia taminy izany. 18 Taty aoriana ela, nony efa maty Salmanazara mpanjaka, dia Senakeriba zanany no nanjaka nandimby azy. Nankahala fatratra ny zanak'Israely io mpanjaka io,

19 ka nandeha namangy izay anisan'ny havany rehetra isan'andro Tobia, nanala alahelo azy, nizarany ny fananany izy tsirairay avy, araka izay azony atao; 20 ny noana nomeny hanina, ny tsy nitafy nizarany fitafiana, ary fatratra ny fahazotoany nandevina ny maty na novonoina. 21 Fa tamin'ilay Senakeriba mpanjaka nandositra avy tany Jodea, nony efa voan'ny faharesena namelezan'Andriamanitra azy, noho ny teny fanevatevana nataony, dia nisafoaky ny hatezerana izy, ka maro be tamin'ny zanak'Israely no nasainy novonoina ho faty; ary Tobia no nandevina ny fatin'ireo. 22 Nisy olona nampandre izany ny mpanjaka, ka nasain'io hovonoina izy sy norobaina ny fananany rehetra. 23 Tobia sy ny vadiny aman-janany anefa nitsoaka nandositra; tapitra nendahana ny fananany rehetra, nefa nahita izay hiereny tsara izy, satria maro olo-nohavanina. 24 Dimy amby efapolo andro taty aorian'izany, dia novonoin'ny zanany naterany ny mpanjaka. Dia nody tao an-tranony indray Tobia, sady naverina taminy avokoa ny fananany rehetra.

Toko faha-2

1 Taty aorian'izany, tonga ny anankiray amin'ny fetin'ny Tompo, ary nanomanana sakafo lehibe tao an-tranon'i Tobia,

2 ka hoy izy tamin'ilay zanany: Mandehana ary mitondrà mankaty olona vitsivitsy iray foko amintsika, izay matahotra an'Andriamanitra, hiara-misakafo amintsika. 3 Dia lasa ilay zanany; nony niverina izy, dia nilaza taminy fa misy zanak'Israely anankiray, novonoin'olona, ka mitsitra foana ao an-dalam-be ao. Nitsangana niaraka tamin'izay Tobia, niala tamin'ny latabatra, navelany teo ny sakafo, tsy nihinana izy na dia kely aza; nony tonga tany amin'ilay faty izy, 4 nalainy io, dia nentiny nafenina tao an-tranony, haleviny amim-pahamalinana, rahefa maty ny masoandro. 5 Avy nanafina io izy vao nisakafo, tamin-kovitra aman-dranomaso, 6 fa tsaroany ilay tenin'ny Tompo nolazainy tamin'ny vavan'i Amosa mpaminany hoe: Hanjary fitolokoana amam-pisaonana ny andro fetinareo. 7 Nony maty ny masoandro, dia nivoaka nandevina ilay faty izy. 8 Nanome tsiny azy avokoa anefa ny olona manodidina azy, nanao hoe: Efa nodidiana hovonoina ho faty hianao noho izany ihany, ary vao afaka tamin'izany fanamelohana ho faty izany hianao, dia manomboka mandevina ny maty indray! 9 Andriamanitra anefa no natahoran'i Tobia noho ny mpanjaka, ka nalainy ihany ny fatin'ireo novonoina, nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina. 10 Indray andro, nony tonga tao amin'ny tranony izy, ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny, dia niretaka teo ambody rindrina; ka nosintonin-tory.

11 Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy any amin'ny akaniny, teo amin'ny masony roa ka tonga jamba izy. 12 Fitsapana navelan'Andriamanitra hihatra aminy izany, mba ho atao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany, toy ny an'i Joba lehilahy masina. 13 Fa satria hatramin'ny fahazazany, no natahorany an'Andriamanitra, sy nitandremany ny didiny mandrakariva, dia tsy mba nanana alahelo tamin'Andriamanitra izy, tamin'izany azon-doza tonga jamba izany; 14 fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin'ny fahatahorana an'Andriamanitra izy, nisaotra azy isan'andro nandritra ny andro niainany. 15 Toy ny nanebahan'ireo loham-pirenena an'i Joba, lehilahy sambatra, no nanarabian'ireo havana aman-tsakaizan'i Tobia ny fitondra-tenany, 16 nataony hoe: Fa zary inona ity fanantenanao, tamin'ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty? 17 Nanarin'i Tobia izy ireo, nataony hoe: 18 Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika, ka ilay fiainana tsy maintsy homen'Andriamanitra an'izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin'ny firaiketam-po aminy no antenaintsika. 19 Anna vadiny nandeha isan'andro, nanenon-damba, ary izay mety ho azony, tamin'ny asan-tànany dia nentiny niverina hiveloman'izy ireo.

20 Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak'osy, ka nentiny tao an-trano. 21 Nony nandre ny fibarareok'ilay zanak'osy ny lahy, dia nanao hoe: Jereo, fandrao zanak'osy nangalarina izany, ka avereno any amin'ny tompony, fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin'ny halatra isika, na dia mikasikasika izany akory aza. 22 Izay, dia novalian'ny vavy an-katezerana hoe: Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao; izany no vokatry ny fiantranao? 23 Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy.

Toko faha-3

1 Velon-tsento Tobia tamin'izay ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe:

2 Marina hianao, ry Tompo, marina avokoa ny fitsaranao, antra sy hitsiny aman-drariny, ny lalànao rehetra. 3 Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho, aza valianao ny ratsy nataoko, ary aza tsahivinao ao amin'ny fahatsiarovanao, ny fahotako sy ny an'ny razako. 4 Fa tsy nankatò ny didinao izahay, ka natolotra ho amin'ny fandrobana, ho amin'ny fahababoana, ho amin'ny fahafatesana sy ho amin'ny fihomehezana ary ho amin'ny fandatsana eo amin'ny firenena rehetra nanelezanao anay. 5 Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao, satria tsy nitandrina ny didinao tamin'ny nataonay izahay, sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao. 6 Koa amin'izao, ry Tompo ô, ataovy izay sitra-ponao amiko, ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona. 7 Tamin'izay andro izay ihany koa, tany Ekbatana, tanànan'ny Meda, dia nandre ny fanebahan'ny iray amin'ny ankizivavin-drainy azy, Sarà zanakavavin-dRagoela.

8 Fa lehilahy fito no efa samy namoahana azy ho vadiny, nefa nisy demony anankiray atao hoe Asmodea namono an'ireo, raha vao nandeha taminy izy. 9 Ka raha niteny an'ilay ankizivavy iny izy, noho izay hadisoany anankiray izay, dia izao no navalin'io azy: Aza hahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany hianao na oviana na oviana, ry ilay mpamono vadinao; 10 tadiavinao hovonoina aho toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao. Raha nandre izany teny izany Sarà dia niakatra tany amin'ny efi-tranon'ny tranony ambony rihana, ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro; 11 fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin'Andriamanitra tamin-dranomaso mba hanafaka azy amin'izany fahafaham-baraka izany. 12 Tamin'ny andro fahatelo dia notaperiny ny fivavahany, ka nisaotra ny Tompo izy, nanao hoe:

13 Isaorana anie ny anaranao, ry Andriamanitry ny razanay ô, fa na dia eo am-pahatezeranao aza dia mamindra fo hianao, ary amin'ny andron'ny fahoriana dia mamela heloka an'izay miantso anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1454