Bokin'i Tobia
Toko faha-3
14 Koa any aminao no itodihan'ny tavako, ry Tompo ô, 15 afaho amin'izao fatoram-pahafaham-baraka izao aho, fa raha tsy izany, dia esory amin'ity tany ity aho. 16 Fantatrao, ry Tompo, fa tsy mba naniry izay vady aho, ary niaro ny fanahiko tamin'ny filan-dratsy rehetra. 17 Tsy mba nankany amin'izay lalao fijilajilana foana aho, na oviana na oviana, na mba nifanatona tamin'izay lehilahy hafahafa fitondran-tena foana. 18 Tsy mba fanarahana ny filan'ny nofoko, fa noho ny fahatahorana anao no hany nanekeko hanam-bady. 19 Asa na izaho no tsy mendrika ho azy ireo, na izy ireo no tsy mendrika ho ahy, fa angamba notehirizinao ho vadin'olon-kafa aho. 20 Tsy azon'olombelona fantarina ny fisainanao. 21 Kanefa na zovy na zovy mivavaka aminao, dia mino tsy am-pisalasalana izy, fa matoa zahan-toetra ny fiainany dia hovaliam-boninahitra, raha tra-pahoriana aza ny tenany dia ho afaka, ary raha iharam-pamaizana izy dia hety hahazo famindram-po avy aminao. 22 Satria tsy mifaly amin'ny fahavoazany hianao, fa andro tony no ampanarahinao ny tafio-drivotra; fifaliana no atondrakao manaraka ny tany aman-dranomaso. 23 Isaorana amin'ny taona rehetra anie ny anaranao, ry Andriamanitr'Israely ô! 24 Indray voahaino teo anatrehan'ny voninahitr'ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo.25 Ny anjely masin'ny Tompo, Rafaela, no voairaka hanasitrana an'i Tobia sy Sarà, fa ny vavak'izy ireo dia indray notononina teo anatrehan'ny Tompo.
Toko faha-4
1 Nataon'i Tobia fa nekena ny fangatahany ka dia efa ho faty izy; koa nantsoiny hankeo aminy Tobia zanany,2 dia hoy izy taminy: Henoy ny teny aloaky ny vavako, anaka, ary alatsaho ho toy ny fototra mafy ao am-ponao izy. 3 Raha avy izay handraisan'Andriamanitra ny fanahiko, dia aleveno ny vatako, hajao amin'ny andro rehetra iainanao ny reninao; 4 fa tsy maintsy tsarovanao ny fijaliana niaretany sy ny loza lehibe nila hanjo azy noho ny aminao, fony izy nitondra anao tao an-kibony. 5 Ary raha avy koa izay hahatapitra ny andro iainany, dia aleveno eo akaikiko izy. 6 Amin'ny andro rehetra iainanao, manana an'Andriamanitra tsy miala ao an-tsainao, mitandrema tena mba tsy hinia hanao fahotana na oviana na oviana, na handika ny didin'ny Tompo Andriamanitrao. 7 Manaova fiantrana amin'ny anananao, aoka tsy havilinao tsy hijery ny mahantra na dia iray aza ny tavanao, dia tsy hiamboho anao koa amin'izany ny tavan'Andriamanitra. 8 Aoka ho mpiantra, araka izay azonao atao hianao; 9 raha manam-be hianao manomeza be, ary raha manan-kely mitandrema tsara mba hizara izany kely izany, an-kazavam-po; 10 fa izany no hanangonanao rakitra be ho anao, rahefa avy izay andro fahaporitana. 11 Fa manafaka amin'ny fahotana rehetra sy amin'ny fahafatesana ny fiantrana, ary tsy hamela ny fanahy hidina any anatin'ny maizina. 12 Ho zary toky lehibe eo anatrehan'Andriamanitra ambony indrindra ny fiantrana, ho an'izay rehetra nanao azy. 13 Fadio avokoa, anaka, rahefa mety ho fahalotoana, ary afa-tsy amin'i vadinao, dia aoka tsy hisy asa mahameloka haninian'ny fieritreretanao anao. 14 Aza avela hanjaka ao am-ponao, na amin'ny tenanao, na oviana na oviana, ny fiavonavonana, fa io no fototra niandohan'ny ratsy rehetra. 15 Raha misy olona miasa ho anao, aloavy miaraka amin'izay ny karamany, fa aza tanana izay karaman'ny mpikarama hijanona ao aminao na dia tapak'andro kely aza. 16 Mitandrema tsara mba tsy hanao amin'ny hafa izay mahatezitra anao raha atao aminao. 17 Iaraho homana amin'ny noana sy ny mahantra ny haninao, ary ampitafio amin'izay fitafianao ny tsy mitafy. 18 Asaovy haroso ny mofo aman-divainao, amin'ny fandevenana ny olo-marina, fa aza mihinana izany na misotro akory miaraka amin'ny mpanota. 19 Milà hevitra mandrakariva amin'ny olon-kendry. 20 Misaora an'Andriamanitra amin'ny andro rehetra; mangataha azy hitari-dàlana anao, hanambina anao amin'izay kasainao hatao rehetra. 21 Mampahalala anao koa aho, anaka, fa fony hianao mbola zazakely, dia nanome vola talenta folo an'i Gabelosa, any Ragesa tanànan'ny Meda aho, ary eto an-tànako izao ny rosia taminy. 22 Ka noho izany, miomàna faingana mba handeha mankany aminy haka izany vola izany, dia avereno aminy ny rosia taminy. 23 Aza manan-tahotra, anaka. Marina fa fivelomana mahantrahantra no antsika izao, nefa hanan-karem-be isika, raha matahotra an'Andriamanitra sy mandositra ny fahotana rehetra ary manao asa soa.
Toko faha-5
1 Tamin'izay dia hoy ny navalin'i Tobia an-drainy: Hataoko avokoa izay rehetra nasainao hataoko, ry dada.2 Fa izay hahazoako mandray izany vola izany no tsy fantatro. Izany lehilahy izany tsy mahalala ahy, izy koa tsy fantatro, ka inona no famantarana homeko azy? Ny làlana mankany amin'izany tany izany aza tsy fantatro akory. 3 Dia hoy ny navalin-drainy azy: Eto an-tanako ny sorany, ka raha vantany vao asehonao azy dia averiny aminao ny vola. 4 Fa mandehana amin'izao aloha mitady olona mahatoky hokaramaina hiaraka aminao, mba hahazoanao izany vola izany, dieny mbola velona aho. 5 Vao nivoaka Tobia, dia nahita tovolahy tsara tarehy anankiray, mitsangana sady mihetra toa olona vonon-kandeha.
6 Tsy fantany ho anjelin'Andriamanitra io, ka noarahabainy, dia hoy izy: Avy aiza hianao, ry zatovo soa? 7 Ary namaly ny anjely nanao hoe: Avy amin'ny zanak'Israely aho. Ka hoy Tobia taminy: Mahalala ny làlana mankany amin'ny tanin'ny Meda va hianao? 8 Dia hoy ny navaliny: Fantatro, fa efa niverimberina matetika tamin'ireo làlana rehetra ireo aho, ary efa niantrano tao amin'i Gabelosa rahalahintsika aho, dia ilay monina ao Ragesa, tanànan'ny Meda; miorina ao amin'ny tendrombohitr'i Ekbatana. 9 Ka hoy Tobia taminy: Aza mahafady, mba andraso kely aho; mandra-pilazako izany amin'i Dada. 10 Dia niditra nilaza izany rehetra izany tamin-drainy Tobia. Gaga tery rainy, sady nasainy nampandrosoina razazalahy.
11 Dia niditra izy ary niarahaba nanao hoe: Ho aminao mandrakariva anie ny hafaliana! 12 Fa hoy kosa ny navalin'i Tobia: Hafaliana inona moa no mba mety hananako, izay izaho mitoetra ao anatin'ny aizina sy tsy mba mahita izay hazavan'ny lanitra akory. 13 Ary hoy ity tovolahy taminy: Matokia tsara, fa mora amin'Andriamanitra ny manasitrana anao. 14 Rahefa izany dia hoy Tobia taminy: Mba azonao hatao indrindra va ny hitarika ny zanako ho any amin'i Gabelosa, any Ragesa, tanànan'ny Meda? Fa rehefa tafaverina hianao dia homeko ny karamanao. 15 Hitari-dalana azy aho, hoy ny navalin'ny anjely, ary hitondra azy miverina ho aty aminao koa.