Bokin'i Tobia

Toko faha-5

16 Ary hoy Tobia taminy: Raha sitrakao, mba lazao ahy kely, fianakavian'iza moa hianao ary fokon-jovy? 17 Fa hoy ny anjely Rafaela namaly azy: Fa ny fianakaviam-pikarama ve no tadiavinao, sa ny tenan'ny mpikarama hiaraka amin-janakao? 18 Mba hahafak'ahiahy anao anefa, dia izaho no Azariasa, zanak'i Anania malaza. 19 Taranak'Andriana izany hianao, hoy Tobia taminy, ka mifona aminao aho, noho ny naniriako hahalala izay fianakavianao. 20 Ary hoy ity anjely taminy: Hotarihiko soa aman-tsara ny zanakao, dia hoentiko miverina soa aman-tsara indray. 21 Notohizan'i Tobia izay, nataony hoe: Ho tsara mandroso, tsara miverina anie hianareo! Ho any amin'ny làlanareo anie Andriamanitra, ary homba anareo anie ny anjeliny. 22 Nony voaomana ny zavatra rehetra hoentiny any amin'ny dia halehany, nanao veloma an-drainy sy reniny Tobia, dia niara-niainga tamin'ity anjely.

23 Nony lasa izy ireo, dia rafitra nitomany reniny, nanao hoe: Nesorinao tamintsika ny tohan'ny fahanterantsika, ka nampanalavirinao antsika.

24 Inay anie, Andriamanitra, ka tsy nisy na oviana na oviana izany vola nanirahanao azy izany. 25 Fa efa ampy ho antsika izao fahantrantsika izao, ary ny mahita ny zanatsika no mba harena ho antsika. 26 Dia namaly azy Tobia nanao hoe: Aza mitomany, fa ho tonga soa aman-tsara aty amintsika izy, ka hahita azy indray ny masonao. 27 Satria inoako fa misy anjely soan'Andriamanitra anankiray momba azy, ary alamin'izay soa aman-tsara avokoa ny zavatra rehetra tonga aminy, ka ho tafaverina an-kafaliana aty amintsika izy. 28 Rahefa nandre an'izany reniny, dia tsy nitomany intsony fa nangina.

Toko faha-6

1 Dia lasa Tobia, nanaraka azy ny alika; ary teo amin'ny ony Tigra no nijanonany voalohany.

2 Nidina ndeha hanasa tongotra kosa izy ka inty nisy hazandrano makadiry, niantoraka handrapaka azy. 3 Nivadika ny fon'i Tobia, ka niantso mafy izy nanao hoe: Iantsampazany aho, tompoko! 4 Fa hoy ity anjely taminy: Raiso amin'ny sofiny io, ka tariho ho eo aminao. Dia nataony izany: notarihiny ho eny an-tanety ilay hazandrano, ka inty nihavatravatra teo an-tongony. 5 Ary hoy ilay anjely taminy: Esory ny taovan'io hazandrano io, ka tahirizo ny fony sy ny aty aman'aferony, fa fanao fanafody tsara. 6 Notoviny izany, dia natonony ny sasany amin'ny nofony, ka nentiny teo aminy eny an-dàlana, ary nasiany sira ny sisa, izay tsy maintsy hahavita azy ireo, mandra-pahatongany any Ragesa, tanànan'ny Meda. 7 Fa nanontany an'ity anjely Tobia nanao hoe: Raha sitrakao, ry Azariasa rahalahiko, mba lazao ahy kely: manan-kery hahasitrana inona moa ireto zavatra avy amin'ny hazandrano nasainao tehiriziko ireto? 8 Ka hoy ilay anjely namaly azy: Raha sombiny kely amin'ny fony no apetrakao eo ambony vain'afo, dia maharoaka ny demony isan-karazany amin-dehilahy na amim-behivavy, ny setroka avy amin'izay, ka tsy afa-manatona ireo intsony izy. 9 Ary ny aferony kosa dia fanosotra ny maso voasarona fotsy matevina, ka mahasitrana azy. 10 Dia hoy Tobia taminy: Aiza no tianao hialantsika sasatra?

11 Ary hoy ny anjely namaly azy: Eto misy lehilahy anankiray atao hoe: Ragoela, iray foko amam-pianakaviana aminao, manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy; ary tsy manan-janaka hafa, afa-tsy izay, na lahy na vavy. 12 Tsy maintsy ho lasanao avokoa ny fananany rehetra ka tsy maintsy halainao ho vady izy. 13 Ka angataho amin-drainy izy, fa homeny anao ho vadinao. 14 Dia hoy ny navalin'i Tobia: Nandre lazan'olona aho, fa hoe: Fito lahy no efa nanam-bady azy izay, nefa maty avokoa; sady demony koa indray no lazain'olona tamiko ho namono an'ireo. 15 Ka matahotra aho fandrao dia iharan'izany koa ny tenako, ary noho izaho lahitokan-dray aman-dreniko, sao dia mampidina ny fahanteran'izy ireo amin'alahelo any am-pasana. 16 Ary hoy ny anjely Rafaela taminy: Mihainoa ahy, fa hatoroko anao izay ananan'ny demony fahefana. 17 Dia izay miditra amin'ny fanambadiana, nefa mamoaka an'Andriamanitra hiala ao am-pony sy ao an-tsainy mba hanarana ny filan'ny nofony, toy ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina; ireny no ananan'ny demony fahefana. 18 Fa hianao kosa, rahefa manam-bady azy, dia midira ao an-efi-trano, ary miaraha-mitoetra aminy amim-pahadiovana mandritra ny hateloana, ka aza mihevitra na inona na inona, afa-tsy ny fiaraha-mivavaka aminy. 19 Amin'ny alina voalohany, ataovy amin'ny afo ny atin'ny hazandrano, dia handositra ny demony. 20 Amin'ny alina faharoa, dia ho voaray ho isan'ny fikambanan'ny patriarka masina hianao. 21 Amin'ny alina fahatelo dia horaisinao ny tso-drano nampanantenaina ny taranany hiterahanareo zanaka matanjaka. Rahefa afaka ny alina fahatelo dia raiso amim-pahatahorana ny Tompo razazavavy, ka aoka ny fanirian-janaka no hitarika anao fa tsy ny filan'ny nofo, mba hahazoanao ao amin'ny zanakao, ny tso-drano nampanantenaina ny taranak'i Abrahama.

Toko faha-7

1 Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo, ka noraisiny tamin-kafaliana.

2 Vao nahita an'i Tobia Ragoela, dia hoy izy tamin'i Anna vadiny: Akory izany fitovin'ity zazalahy amin'ilay zanak'olo-mianadahy amiko. 3 Avy nilaza izany izy, dia nanao hoe: Avy aiza moa hianareo, ry zatovo rahalahinay? Hoy ny navalin'ireo: Avy amin'ny fokon'i Neftali, babo any Niniva, izahay. 4 Ary hoy Ragoela taminy: Mba fantatrareo va Tobia rahalahiko? Fantatray izy, hoy izy ireo. 5 Ary raha nilaza soa betsaka momba an'i Tobia Ragoela, dia hoy ny anjely taminy: Izay Tobia lazainao izay no rain'ity zazalahy ity. 6 Niaraka tamin'izay dia nihazakazaka nankeny aminy Ragoela ka nanoroka azy tamin-dranomaso, sy nitomany namihina ny vozony. 7 Hotahina anie hianao, anaka, hoy izy, fa zanak'olona tsara fanahy sy tsara indrindra amin'ny olombelona, hianao. 8 Samy latsa-dranomaso koa Anna vadiny sy Sarà zanany vavy. 9 Nony avy niresaka teo izy ireo, nampamono ondralahy iray Ragoela sy nampanamboatra sakafo lehibe dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.

10 Fa hoy Tobia: Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao aloha ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko Sarà zanaka vavinao. 11 Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjo azy fito lahy vadin'io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia hidiran-doza toy izany koa ity. Mbola tao anatin'izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan'i Tobia, 12 no hoy ity anjely taminy: Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin'ity tovolahy ity, fa tsy maintsy ho anjara vadin'io matahotra an'Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan'ny hafa rehetra nanana azy. 13 Dia hoy Ragoela tamin'izay: Tsy misalasala aho, fa efa noraisin'Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko; 14 ary mino aho fa izy no naniraka anareo ho aty amiko, mba hanambadian'ny zanako vavy ny havany, araka ny lalàn'i Moizy. Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy. 15 Dia nalainy ny tànana havanan'ny zanany vavy nataony teo amin'ny tànana havanan'i Tobia ka hoy izy: Homba anareo anie ny Andriamanitr'i Abrahama, ny Andriamanitr'Isaaka, ary ny Andriamanitr'i Jakoba, hanakambana anareo anie izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo. 16 Rahefa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1517