Bokin'i Tobia
Toko faha-7
17 Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be tamim-pisaorana an'Andriamanitra izy ireo. 18 Dia nantsoin-dRagoela Anna vadiny, nasainy nanomana efitrano hafa anankiray.19 Ka nentiny nankao Sarà zanany vavy, izay rafitra nitomany. 20 Fa hoy izy taminy: Matokia tsara, anaka. Ny Tompon'ny lanitra anie hanome hafaliana anao, hisolo ny alahelo efa niaretanao.
Toko faha-8
1 Nony vita ny sakafo, dia nentin'izy ireo ho ao amin'i Sarà razazalahy.2 Tsaroan'i Tobia ny tenin'ny anjely, ka nangalany ny ati-kazandrano tao an-kitapony, nataony teo ambony vain'afo. 3 Tamin'izay dia nosamborin'ny anjely Rafaela ilay demony ka nafatony tany an-efitr'i Ejipta ambony. 4 Ary Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin'Andriamanitra isika anio sy ampitso ary rahafak'ampitso; Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rahefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin'ny fanambadiantsika isika. 5 Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon'ireo firenena tsy mahalala an'Andriamanitra. 6 Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana. 7 Hoy Tobia: Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin'ny zava-boahary rehetra ao aminy. 8 Hianao no nanao an'i Adama, tamin'ny fota-tany sy nanome an'i Eva ho vadiny. 9 Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filan'ny nofoko no angalako an'ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta-hamela taranaka izay hidera ny anaranao amin'ny taona rehetra ihany. 10 Ary hoy Sarà: Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindra fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa. 11 Vao maneno akoho dia nasain-dRagoela tonga ny mpanompony ka niara-nandeha taminy hihady fasana ireo,
12 fa hoy izy: mety hanjo an'io koa ny nanjo an'ireo fitolahy vadiny izay nandeha hanatona azy. 13 Nony vita ny fasana, niverina nankao amin'ny vavy Ragoela, nilaza taminy hoe: 14 Iraho ny iray amin'ny ankizivavinao, hizaha raha maty izy, mba handevenako azy alohan'ny vaky masoandro. 15 Dia naniraka ny iray amin'ny ankizivaviny Anna. Nony niditra tao amin'ilay efi-trano io, indreo ry zareo tsy maninon-tsy maninona samy matory avy. 16 Dia niverina izy, nilaza izany vaovao mahafaly izany. Dia nisaotra ny Tompo Ragoela sy Anna vadiny nanao hoe: 17 Misaotra anao izahay, ry Tompo Andriamanitr'Israely, fa tsy nihatra ny loza natahoranay. 18 Namindra fo taminay hianao, fa nampanalavirinao anay ny fahavalo manenjika anay. 19 Efa niantra ireo zanaka samy tokana hianao, ka ataovy mitombo fisaorana anao hatrany izy ireo, sy hanolotra sorom-piderana aminao noho ny niarovana azy, ary hahafantaran'ny firenena rehetra fa hianao irery no Andriamanitra amin'ny tany rehetra. 20 Niaraka tamin'izay dia nasain-dRagoela nototofan'ny mpanompony alohan'ny vaky masoandro ilay fasana nataony.
21 Ary nilaza tamin'ny vavy izy hanomana fihinanam-be, sy hanomana ny zavatra rehetra ilain'ny mpivahiny, momba ny vatsiny. 22 Nampamono ombivavy roa matavy koa izy sy ondralahy efatra, hanaovana sakafo ho an'ny manodidina azy rehetra, mbamin'ny sakaizany rehetra. 23 Ary niangavy mafy tamin'i Tobia Ragoela, mba hijanona eo aminy tapa-bolana. 24 Nomen-dRagoela ho an'i Tobia ny antsasaky ny fananany rehetra, sady nandahatra an-tsoratra koa izy, fa rahefa maty izy ireo, ny antsasany sisa dia tsy maintsy ho lasan-ko fananan'i Tobia ihany koa.
Toko faha-9
1 Ary tamin'izay dia nantsoin'i Tobia ho any aminy ity Anjely nataony ho olombelona ihany, ka hoy izy taminy: Ry Azariasa rahalahiko, masìna hianao, henoy kely ny teniko;2 na dia hanolo-tena ho andevonao aza aho, mbola tsy ho ampy fankasitrahana ny fikarakarana rehetra nataonao. 3 Kanefa ity mbola misy zavatra anankiray angatahiko aminao koa: Makà biby mpitondra entana sy mpanompo koa, ka mandehana mankany amin'i Gabelosa, any Ragesa, tanànan'ny Meda; avereno aminy ity sorany ity, dia raiso ny vola any aminy, ary angataho izy ho aty amin'ny fampakaram-badiko. 4 Satria ny tenanao mahalala fa isain'i dada ny andro, ka na tratra aoriana indray andro monja aza aho, dia vonton'alahelo ny fony. 5 Hitanao ihany koa anefa, ilay nataon-dRagoela niangavy mafy tamiko hijanona eto, ka tsy mahay mandà ny fiangaviany aho. 6 Dia naka efa-dahy tamin'ny mpanompon-dRagoela Rafaela, sy rameva roa, ka nankany Ragesa, tanànan'ny Meda. Nony nahita an'i Gabelosa izy, naveriny taminy ny taratasiny dia noraisiny avokoa ny vola;
7 ary nony efa notantarainy taminy avokoa ny zavatra rehetra tonga tamin'i Tobia, zanak'i Tobia, dia nitondra azy izy hiarak'aminy ho any amin'ny fampakaram-bady. 8 Nony niditra tao an-traon-dRagoela Gabelosa, indro eo am-pihinanana Tobia, ka nitsangana niaraka tamin'izay ity, dia nifanoroka teo izy ireo, ary nitomany Gabelosa vao nisaotra an'Andriamanitra nanao hoe: 9 Hotahin'Andriamanitr'Israely anie hianao, fa zanak'olona tsara fanahy loatra, marina sy matahotra an'Andriamanitra ary manao fiantrana betsaka. 10 Hitsororoka ho amin'ivadinao sy ireo ray aman-dreninareo koa anie ny fitahiana. 11 Ho hitanareo anie ny zanakareo, sy ny zanaky ny zanakareo, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra. Ary ny taranakareo anie hotahin'Andriamanitr'Israely izay manjaka amin'ny taona mandrakizay. 12 Niara-namaly hoe: Amena, izay rehetra teo, vao nipetraka hihinana, ary tamim-pahatahorana an'Andriamanitra no nanaovany ny fanasan'ny fampakaram-bady.
Toko faha-10
1 Nony mbola nahemotremotr'i Tobia ny fiaingany, azon'ny fampakaram-bady, dia velona ahiahy erý Tobia rainy: Avy amin'inona, hoy izy anankampo, no tratr'ela ny zanako? Inona no antony mitana azy amin'izany tany izany?2 Dia ho faty ve Gabelosa ka tsy misy olona handraisany ny vola? 3 Izay dia tonga velona mafy ny alahelon'izy sy Anna vadiny, ka rafitra niara-nitomany teo izy ireo, noho ity zanany tsy tafaverina tao aminy tamin'ny fotoana voatondro. 4 Reniny indrindra no namarin-dranomaso tsy an-kijanona nanao hoe: Indrisy! indrisy! anaka, inona foana re no nahirahanay anao any lavitra any, nefa hianao no fahazavan'ny masonay, tohan'ny fahanteranay, fanalana alahelonay amin'ny andro iainanay, ary hianteheranay tsy hahafaty maso anay. 5 Nanana ny zavatra rehetra izahay raha nanana anao irery, ka tsy tokony ho nataonay lavitra anay hianao. 6 Ary hoy Tobia taminy: Aoka izay ny fitarainanao ary aza miahiahy, fa salama tsara ny zanatsika, sady olona tena mahatoky ilay nampandehanintsika hiaraka aminy iny. 7 Tsy azo nampanginina anefa ravehivavy; mivoaka ny trano izy isan'andro izao, mijery atsý sy arý, mankamin'ny lalana rehetra izay azo ampoizina hiverenany, mba hahatazanany azy lavidavitra ahay raha azo atao. 8 Ragoela anefa nilaza tamin'ny vinantony hoe: Mijanòna eto, fa haniraka ho any amin'i Tobia rainao aho, hilaza ny fahasalamanao.
9 Namaly azy Tobia nanao hoe: Fantatro fa efa manisa andro ihany idada sy ineny, ka manahy ery ny fanahiny ao anatiny. 10 Mbola niangavy fatratra tamin'i Tobia ihany indray anefa izy, fa tsy nisy neken'io izay nataony antony, ka natolony azy Sarà, mbamin'ny antsasak'izay nananany rehetra, na ankizilahy, na ankizivavy, na vola izay nananany be, dia navelany handeha izy, salama tsara sy feno hafaliana, nataony hoe: