Bokin'i Tobia
Toko faha-10
11 Ho eny amin'ny làlana alehanareo anie ny anjely masin'ny Tompo, ka hitari-dàlana anareo mandra-pahatonganareo soa aman-tsara any aminareo; hiadana tsara anie no aoka hahitanareo ny zavatra rehetra any amin-dray aman-dreninareo, ary hahita ny zanakareo alohan'ny hahafatesako anie ny masoko. 12 Dia nalain-drainy sy reniny ity zanany vavy ka norohany, dia navelany handeha, 13 rahefa avy nohafatrafarany tsara hanaja rafozana, ho tia vady, ho tsara fitondra fianakaviana, hizaka tokan-trano, ary hitahiry tena tsy hanan-tsiny.Toko faha-11
1 Nony niverina izy ireo, ka tonga tao Karana, tanàna eo amin'ny fisasahan-dàlana mankany Niniva, tamin'ny andro faharaika ambin'ny folo,2 dia hoy ity anjely: Ry Tobia rahalahiko, fantatrao ny toetra nandaozanao an-drainao teo; 3 ka raha sitrakao andeha isika hialoha, fa avelao ny ankizilahy no handeha kelikely isan'andro ato aoriana, miaraka amin'ivadinao sy ireto biby fiompinao. 4 Nankasitrahan'i Tobia izany hevitra izany, ka hoy Rafaela taminy: Mitondrà eo aminao amin'ny aferon-kazandrano, fa misy hilanao an'izany; dia naka tamin'izany afero izany Tobia, ary niainga izy ireo. 5 Tamin'izany Anna, nandeha isan'andro, nipetraka teo amoron-dalana, tamin'izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.
6 Raha ilay nitily ny hihavian-janany iny indrindra izy dia indry izy tazany tamy mbola lavitra, ka rahefa fantany dia lasa izy nihazakazaka nilaza tamin'ny lahy nanao hoe: Indry tamy ny zanakao. 7 Tobia izany, dia nilazan-dRafaela hoe: Rahefa tonga any an-trano hianao, ny Tompo Andriamanitrao no itsaohy miaraka amin'izay dia misaora azy, vao manatona an-drainao hianao sy manoroka azy;
8 ary hosory faingana amin'ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony, satria fantaro fa hisokatra eo no ho eo ny masony ka hahita ny hazavan'ny lanitra ny rainao, sy ho feno hafaliana amin'ny fahitana anao. 9 Tamin'izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana, nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao, nanafosafo tamin'ny rambony, an-kafaliana fatratra.
10 Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka, fa tafintohina ny tongony ka noraisin'ny mpanompo anankiray tamin'ny tànany izy handeha hitsena an-janany. 11 Nofihininy tamin'ny tànany sy nohorokorohany izy, ary torak'izany koa no nataon'ny vadiny, dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady. 12 Nony avy nitsaoka sy nisaotra an'Andriamanitra izy ireo, dia nipetraka. 13 Niaraka tamin'izay, nalain'i Tobia ny aferon-kazandrano, ka nohosorany tamin'io ny mason-drainy. 14 Niandry sahabo ho antsasak'adiny izy, dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr'atody nanomboka niala avy ao amin'ny masony. 15 Noraisin'i Tobia izay, nosintoniny hiala amin'ny mason-drainy, dia nahiratra niaraka tamin'izay izy. 16 Koa nisaotra an'Andriamanitra izy ireo, dia izy sy ny vadiny mbamin'izay rehetra nahalala azy. 17 Hoy Tobia: Misaotra anao aho, ry Tompo Andriamanitr'Israely, fa nofaizinao aho, dia nositraninao indray; ary indro mahita an'i Tobia zanako aho. 18 Hafitoana taorian'izany, dia tonga koa Sarà sy ny mpanompony rehetra samy salama tsara, mbamin'ny biby fiompiny aman-drameva ary ny vola rehetra tamin'ny fanambadiany, sy ilay naverin'i Gabelosa.
19 Notantarain'i Tobia tamin-drainy aman-dreniny ny soa rehetra natolotr'Andriamanitra azy, tamin'ny nataon'ity lehilahy nitari-dàlana azy. 20 Akiora sy Nabata havan'i Tobia koa tonga namangy azy tamin-kafaliana lehibe, sy niarahaba azy tamin'ny soa rehetra nataon'Andriamanitra taminy. 21 Ka niara-nihinana sy nirobiroby fatratra izy ireo, nandritra ny hafitoana.
Toko faha-12
1 Ary niantso an-janany hankeo aminy Tobia ka nanao taminy hoe: Inona no homentsika an'ity lehilahy masina nanaraka anao tany amin'ny dianao?2 Dia hoy Tobia namaly an-drainy: Dada ô, inona no valisoa azontsika atolotra azy? Moa misy zavatra mifanentana amin'ny fanampiana nataony? 3 Izy no nitari-dàlana sy nitondra ahy niverina soa aman-tsara, ny tenany no lasa nandray ny vola tany amin'i Gabelosa, izy no nampahazo ahy vady, izay nandroahany demony, sy nahadiboka hafaliana an-drainy aman-dreniny, izy no namonjy ahy tamin'ilay hazan-ndrano efa ndeha handrapaka ahy, izy no nampahita anao ny hazavan'ny lanitra, ary tamin'ny nataony no nahazoantsika izao soa rehetra isan-karazany izao. Koa inona ary no azontsika omena azy, hifandanja amin'izay nataony ho antsika? 4 Kanefa mangataka anao aho, ry Dada, mba hanontany azy raha mba sitrany ihany ny handray ny antsasaky ny harena rehetra nentinay. 5 Dia nantsoin'i Tobia mianaka izy, nentiny nitokana, ka niangaviany mba hankasitraka ny handray ny antsasak'izay rehetra nentiny. 6 Tamin'izay ity Anjely niara-nitokana tamin'izy ireo nanao taminy hoe: Misaora an'Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra azy, eo anatrehan'ny manana aina rehetra, noho ny famindram-pony nataony taminareo.
7 Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin'ny mpanjaka, fa mendrika hoderaina kosa ny manambara sy mampiely ny asan'Andriamanitra. 8 Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara, ary ny fiantrana dia sarobidy noho ny volamena aman-drakitra. 9 Fa ny fiantrana manafaka amin'ny fahafatesana, ary izy no manala ny fahotana, ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay. 10 Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa no fahavalon'ny tenany. 11 Indro ary hasehoko anareo ny marina, ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo. 12 Raha hianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty, raha hianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro, ary nandevina azy nony alina, izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin'ny Tompo. 13 Ary noho hianao sitrak'Andriamanitra, dia tsy maintsy notsapain'ny fakam-panahy hianao.
14 Fa nirahin'ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao, sy hanafaka an'i Sarà vadin-janakao amin'ny demony. 15 Izaho no Rafaela, Anjely, anankiray amin'ireo fito mitsangana eo anatrehan'ny Tompo. 16 Nony nandre izany teny izany izy ireo, dia ana foana, tera-kovitra, lavo tafahohoka tamin'ny tany.
17 Fa hoy ity Anjely taminy: Ho aminareo anie ny fiadanana! 18 Aza matahotra, fa nony niaraka taminareo aho, dia noho ny sitra-pon'Andriamanitra no niarahako taminareo; misaora azy, ary manaova hira fiderana azy. 19 Nataonareo fa nihinana sy nisotro niaraka taminareo aho; kanefa hanina tsy hita no nohaniko sy fisotro tsy hain'ny mason'olombelona takarina. 20 Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin'izay naniraka ahy, fa hianareo kosa misaora an'Andriamanitra, aelezo ny asany mahagaga rehetra. 21 Avy niteny izany izy, dia nesorina teo imason'izy ireo, ka tsy hitany hojerena intsony. 22 Tamin'izay dia nihohoka tamin'ny tany izy ireo nandritra ny adiny telo, vao nisaotra an'Andriamanitra, ary nony efa nitsangana avy eo dia nitantara ny asany mahagaga rehetra.
Toko faha-13
1 Dia nisoka-bava, nisaotra ny Tompo Tobia rainy ka nanao hoe: Lehibe hianao, ry Tompo, ao amin'ny mandrakizay, ary manenika ny taona rehetra ny fanjakanao.2 Fa mamay hianao ary mamonjy; mitondra ho any am-pasana hianao, ary manatsoaka avy ao; ary tsy misy olona afa-mitsoaka eo an-tananao.
3 Mankalaza ny Tompo, ry zanak'Israely, ary midera azy eo anatrehan'ny firenena.
4 Fa nanely anareo ho eo amin'ny firenena tsy mahalala azy izy, mba hitantaranareo ny asany mahagaga, sy hampahafantaranareo azy ireo fa tsy misy Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra afa-tsy izy ihany.