Ny Jenezy

Toko faha-43

11 Ka dia hoy Israely rainy, tamin'izy ireo: Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin'ny tany, ataovy ao anaty fitondran'entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanaoma, voanjo, amandy. 12 Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasakanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao. 13 Dia ento ny rahalahinareo, miaingà ka miverèna any amin-dralehilahy. 14 Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho. 15 Koa nalain'ireo olona ireo izany fanomezana izany, ary nentiny teo an-tànany ny vola avo sasaka, mbamin'i Benjamina, dia niainga izy nidina nankany Ejipta, ary niseho teo anatrehan'i Josefa. 16 Vao nahita an'i Benjamina niaraka tamin'izy ireo Josefa, dia nilaza tamin'ny mpikarakara ny tranony hoe: Ampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy ireo, dia hamonoy zavatra sy anaovy nahandro, fa hiara-mihinana amiko ireo olona ireo amin'ny mitatao vovonana. 17 Dia nataon-dralehilahy izay nasain'i Josefa hataony; ary nampidiriny tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo. 18 Raiki-tahotra anefa ireo olona ireo nony nentina ho ao an-tranon i Josefa, fa hoy izy: Ilay vola naverina tao anaty lasakantsika, tamin'ilay indray mandeha izao, no handraisany antsika, dia ny hamelezany antsika izany sy hivarinany amintsika, ary hangalany antsika ho andevony mbamin'ny ampondrantsika koa. 19 Dia nanatona an-dralehilahy mpikarakara ny tranon'i Josefa izy ireo, ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe: 20 Aza mahafady, tompokolahy, izahay dia efa nidina nividy vary taty indray mandeha. 21 Nony tonga teo amin'ny toerana handrianay izahay, nanokatra ny lasakanay, ka indreo ny volanay isany, samy teo am-bava-lasakanay avy, sy samy tonga lanja avokoa; dia indro izy entinay miaraka aminay. 22 Ary nitondra vola hafa koa izahay hamidy hanina. Tsy fantatray izay nametraka ny volanay tao anaty lasakanay. 23 Ka hoy izy taminy: Ho aminareo anie ny fiadanana, fa aza matahotra na inona na inona. Ny Andriamanitrareo, ny Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo rakitra teo anaty lasakanareo. Fa ny volanareo efa nomena ahy. Dia nentiny nankeo amin'izy ireo Simeona. 24 Nony avy nampandroso azy ireo tao an-tranon'i Josefa ralehilahy dia nanome rano azy, ka nanasa tongotra iry ireo; ny ampondrany koa nomeny vilona. 25 Dia nandamindamina ny zavatra hatolotra aloha izy ireo mandra-pihavin'i Josefa, raha mby amin'ny mitatao vovonana, fa efa nilazana izy fa hoe hihinana ao aminy. 26 Nony tonga tao an-trano Josefa, nampidirin'izy ireo tao an-trano ny fanomezana izay efa mby ao an-tànany, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.

27 Nanadina ny toe-pahasalaman'izy ireo Josefa vao nanao hoe: Tsara ihany va ilay rainareo efa antitra nolazainareo? Mbola velona ihany ve izy? 28 Dia hoy ny navaliny: Tsara ihany ny mpanomponao rainay, ary mbola velona ihany izy. Dia niondrika sy nihohoka izy ireo. 29 Natopin'i Josefa ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko? Ary hoy izy: Hambinin'Andriamanitra anie hianao, anaka. 30 Izay dia nangotika ny atiny, noho ity rahalahiny, ka nihataka faingana Josefa nitady izay hitomaniany; niditra tany an'efitranony izy dia nitomany. 31 Nosasany aloha ny tavany vao nivoaka avy ao izy; ary notsindriny mafy ny fangorakoraky ny fony, ka hoy izy: Arosoy ny sakafo. 32 Dia naroso manokana ny an'i Josefa, ny an'ireo rahalahiny koa manokana; ny an'ireo Ejipsiana niara-nihinana taminy manokana koa; satria tsy mahazo miara-mihinana amin'ny Hebrio ny Ejipsiana, fa fahavetavetana ho an'ny Ejipsiana izany.

33 Nipetraka teo anatrehan'i Josefa ireo rahalahiny, dia ny lahimatoa araka ny fizokiany, ny faralahy koa araka ny taonany, ka nifampijerijery sady gagagaga izy ireo. 34 Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran'i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.

Toko faha-44

1 Dia nomen'i Josefa teny ilay mpikarakara ny tranony, nataony hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ka ny volany samy ataovy eo am-bava-lasakany avy.

2 Ny kopiko, ilay kopy vola fotsy, ataovy ao am-bava-lasakan'ilay zandriny indrindra, miaraka amin'ny vola vidin'ny variny koa. Dia nataon ílay mpikarakara izay nasain'i Josefa nataony. 3 Nony maraina vao nazava ny andro, dia nalefany handeha ny olona sy ny ampondrany.

4 Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lasa lavitra akory izy, dia hoy Josefa tamin'ilay mpikarakarany: Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rahefa mahatratra azy hianao dia lazao aminy hoe: Nahoana hianareo no namaly ratsy ny soa? 5 Tsy iny kopy iny va no fisotroan'ny tompoko, ka entiny maminany? Ratsy izany nataonareo izany. 6 Nony tratran'ny mpikarakara izy ireo dia nilazany an'izany teny izany, ka izao no navaliny azy: 7 Nahoana re, Tompokolahy, no dia manao izany hianao? Sanatria amin'ny mpanomponao mihitsy izay hanao izany zavatra izany. 8 Indro fa ny vola hitanay teo am-bava-lasakanay dia nentinay taminao avy amin'ny tany Kanaana, ka dia hataonay ahoana no fangalatra vola fotsy na volamena ao an-tranon'ny tomponao? 9 Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany kopy izany dia aoka hovonoina; ary na ny tenanay aza dia aoka ho andevon'itompokolahy koa. 10 Ka hoy izy: Aoka àry ho araka ny teninareo. Izay hahitana ny kopy ho andevoko, fa hianareo sisa kosa dia afaka. 11 Koa samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy ireo, dia samy nanokatra ny lasakany. 12 Ary nikaroka ny mpikarakara nanomboka tamin'ny zokiny indrindra, ka hita tao amin'ny lasakan'i Benjamina ilay kopy. 13 Notriarin'izy ireo ny fitafiany; natainginy tamin'ny ampondra ny entany, dia niverina nankany an-tànana izy.

14 Jodà sy ireo rahalahiny dia tonga tao an-tranon'i Josefa, fa mbola tao ihany izy, ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy ireo. 15 Dia hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa ny lehilahy toa ahy izao dia hahavinany? 16 Ary hoy ny navalin'i Jodà: Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan'Andriamanitra ny faharatsian'ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon'ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kopy.

17 Fa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kopiko no ho andevoko, fa hianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo. 18 Ary tamin'izay Jodà nanatona an'i Josefa ka nanao hoe: Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo alàlana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan'ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin'i Faraona hianao.

19 Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo? 20 Ary izao no navalinay ny tompoko: Manan-dray efa antitra izahay sy zandry farahaly, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin'izy iray reny, ka tian-drainy izy. 21 Ary hianao nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Ento midina aty amiko izy mba ho hitan'ny masoko. 22 Dia namaly ny tompoko izahay nanao hoe: Tsy mahazo misaraka amin-drainy ilay zaza; fa raha ilaozan'izay ny rainy dia ho faty tokoa. 23 Hoy hianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony hianareo. 24 Ka rahefa tafakatra tany amin'ikaky mpanomponao izahay, dia nambaranay azy ny tenin'ny tompoko. 25 Ary nony avy izay nilazan'ikaky taminay hoe: Mandehàna indray mividiana hanina kely ho antsika; 26 dia izao no navalinay: Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1888