Ny Jenezy

Toko faha-44

27 Ka hoy ikaky mpanomponao taminay: Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko; 28 ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe: Tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandrak'androany. 29 Ary ity iray, raha alainareo koa, ka mahita loza any, dia hampidininareo any amin'ny fonenan'ny maty amin'alahelo, ny voloko fotsy. 30 Koa ankehitriny raha hiverina any amin'ny mpanomponao aho, any amin'ikaky, nefa tsy hiaraka aminay ny zaza, nefa nifaningotra anina amin'ny zaza izy; 31 raha vao hitany fa tsy eo ny zaza dia ho faty izy; izahay mpanomponao izany, no hampidina amin'alahelo ny volofotsin-drainay, mpanomponao, any amin'ny fonenan'ny maty. 32 Fa ny mpanomponao no efa niantoka ny zaza tamin'ikaky, nanao hoe: Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko mandrakizay aho. 33 Koa mifona aminao aho, mba avelao re ny mpanomponao hisolo ny zaza ho andevon'ny tompoko; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ireo rahalahiny. 34 Hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy miaraka amiko ny zaza? Aza hitako anie izany alahelo hanjo an'ikaky izany!

Toko faha-45

1 Dia tsy nahatsindry fo intsony Josefa teo anatrehan'izay rehetra teo, ka niantso hoe: Avoahy avokoa ny olona rehetra! Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitònona anarana tamin'ireo rahalahiny izy.

2 Nanandra-peo izy nitomany ka ren'ny Ejipsiana sy ren'ny tao an-tranon'i Faraona. 3 Hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky? Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.

4 Ary Josefa nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Manatòna eto amiko hianareo, dia nanatona izy, ka hoy izy: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta. 5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho atý, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo. 6 Fa efa roa taona izao no nisian'ny mosary amin'ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasan-tany, na hijinjàna. 7 Ka nampandehanin'Andriamanitra aho hialoha anareo tsy ho lany tamingana amin'ny tany sy hampaharitra anareo ho amin'ny fanavotana lehibe. 8 Koa amin'izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain'i Faraona sy ho tompon'ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo. 9 Koa miakara faingana hianareo any amin'ikaky ka lazao aminy hoe: Izao no teny nataon'i Josefa zanakao: Natsangan'Andriamanitra ho tompon'i Ejipta manontolo aho, ka midìna ho aty amiko hianao ary aza ela. 10 Fa honina eo amin'ny tany Gesena hianao, dia samy ho eo akaikiko avokoa hianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ny ondrinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra. 11 Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan'ny fahoriana hianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra. 12 Indro mahita maso hianareo izao, mahita maso koa Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo. 13 Koa tantarao amin'ikaky ny voninahitro rehetra aty Ejipta sy izay rehetra efa hitanareo; ary ataovy izay hidinan'ikaky faingana ho aty. 14 Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin'ny vozony.

15 Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny. 16 Niely ny teny tao an-tranon'i Faraona fa hoe: tonga ny rahalahin'i Josefa, ary samy faly amin'izany Faraona sy ny mpanompony.

17 Dia hoy Faraona tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao hoe: Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanaana. 18 Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin'ny tany Ejipta hianareo, ary hihinana ny menaky ny tany. 19 Omeko fahefana hianao hilaza aminy hoe: Izao no hataonareo: Makà sarety amin'ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa atý. 20 Aza apitrapitra amin'alahelo ny masonareo hijery ny zavatra ilaozanareo, fa izay tsara indrindra atý amin'ny tany Ejipta manontolo no hatolotro anareo hanarananareo fo. 21 Dia nataon'ny zanak'Israely izany. Nomen'i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin'i Faraona, ary vatsy koa hohaniny eny an-dàlana.

22 Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova. 23 Ary rainy kosa nampitondrany ampondralahy folo, nitondra tamin'izay vokatr'i Ejipta tsara indrindra; ampondravavy folo, nitondra vary sy mofo ary hanina ho an-drainy eny an-dàlana. 24 Dia nalefany ny rahalahiny ka niainga izy ireo, ary hoy izy tamin'izy ireo: Aza mifanditra eny an-dàlana hianareo. 25 Nony tafakatra avy any Ejipta izy ireo dia tonga tany amin'i Jakoba rainy, any amin'ny tany Kanaana.

26 Hoy izy taminy: Mbola velona Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta. Fa tsy nihontsina akory ny fon'i Jakoba, satria tsy nino azy ireo izy. 27 Koa nambaran'izy ireo azy ny teny rehetra nolazain'i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terý ny fanahin'i Jakoba rainy. 28 Ka hoy Israely: Aoka, fa mbola velona Josefa zanako, ka handeha aho hahita azy dieny mbola tsy maty.

Toko faha-46

1 Dia niainga Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin'ny Andriamanitr'Isaaka rainy.

2 Ary Andriamanitra niteny tamin'Israely tamin'ny fahitana nony alina, nanao hoe: Ry Jakoba! Ry Jakoba! Ka hoy ny navalin'Israely: Inty aho. 3 Dia hoy Andriamanitra: Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe hianao any. 4 Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao. 5 Dia niainga Jakoba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak'Israely nametraka an'i Jakoba rainy, mbamin'ny vadiny aman-janany, teo ambonin'ny sarety nalefan'i Faraona hitondrana azy.

6 Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany nohariny tany amin'ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta Jakoba mbamin'ny fianakaviany rehetra. 7 Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin'ny ankohonany rehetra. 8 Izao no anaran'ny zanakalahin'Israely tonga tany Ejipta. Jakoba sy ny zanany lahy:

9 Robena, lahimatoan'i Jakoba. Zana-dRobena: Henoka, Falo, Hersona ary Karmì.

10 Zanak'i Simeona: Jamoely, Jamina, Ahoda, Jashina, Sohara ary Saola, zanak'ilay vehivavy Kananeana. 11 Zanak'i Levì: Jersona, Kaata ary Merarì. 12 Zanak'i Jodà: Hera, Onàna, Selà, Faresa ary Zarà; fa Hera sy Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak'i Faresa dia Hesrona sy Hamola. 13 Zanak'Isakara: Tola, Foa, Joba, ary Semrona. 14 Zanak'i Zabolona: Sareda, Elona, ary Jahelela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1573