Ny Bokin'i Estera
Toko faha-14
15 ka fantatrao fa halako ny famirapiratan'ny ratsy fanahy, ary tsy tiako mainty ny fandrian'ny tsy mifora mbamin'ny hafa firenena rehetra. 16 Fantatrao ny fahavozonana mahazo ahy, ary halako mihitsy ilay mari-pisandratako atao eo an-dohako, amin'ireo andro tsy maintsy hisehoako ho hita; halako toy ny lamba maloto izy, ka tsy mitondra azy aho, amin'ny andro ahazoako mipetraka amin'ny mangingina. 17 Tsy mbola nihinana teo amin'ny latabatr'i Amanà, na oviana na oviana, ny ankizivavinao, na nanao ho zavatra izay fanasan'ny mpanjaka, na nisotro izay divay tamin'ny fanatitra araraka. 18 Na oviana na oviana hatrizay nitondrana ahy nanketo ka mandrak'androany, tsy mba nisy fifaliana nankafizin'ny ankizivavinao, afa-tsy taminao ihany, ry Tompo Andriamanitra, Andriamanitr'i Abrahama! 19 Ry Andriamanitra mahefa noho ny hafa rehetra, henoy ny vavak'izay tsy manan-kantenaina afa-tsy hianao, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izahay, ary esory amin'izao tebitebiko izao aho!Toko faha-15
1 Nampitondra teny tamin'i Estera izy mba hidirany ao amin'ny mpanjaka, hanao fangatahana aminy, ho an'ny fireneny sy ny tanindrazany.2 Tsarovy ny andron'ny fahambanianao, sy ny nameloman'ny tànako anao, fa Amanà, ilay voalohany manarakaraka ny mpanjaka, efa niteny hamely antsika mba handringanana antsika.
3 Fa hianao kosa miantsoa ny Tompo, ary mitenena amin'ny mpanjaka ho anay, vonjeo amin'ny fahafatesana izahay. Ny nisehoan'i Estera teo anatrehan'i Asoerosa. (Vakina amin'ny fiandohan'ny toko V.) 4 Tamin'ny andro fahatelo, nony tapitra ny fivavahan'i Estera, dia napetrany ny akanjo fivalozany, fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany.
5 Tao anatin'ny famirapiratan'ny haingony fatratra, nony efa niantso an'Andriamanitra ilay Tompo tokana sy Mpamonjy ny olon-drehetra izy aloha, dia nitondra azy roa vavy mpanaraka azy hiaraka aminy araky ny fomba. 6 Niankina tamin'ny anankiray izy hoatra ny ila tsy zakany ny tenany malemy; 7 ny iray kosa nanaraka avy ato aoriana, nanainga ny akanjo lavan'ity tompovaviny. 8 Voazavan'ny hatsaran-tarehiny mamirapiratra fatratra izy, ka miramirana ny tarehiny, maha-teo ho tia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan'ny tahotra. 9 Nony tafahoatra ny vavahady rehetra izy, dia niseho teo anatrehan'ny mpanjaka. Asoerosa izany nipetraka teo amin'ny seza fiandrianam-panjakana, nitafy ny mari-piandrianany rehetra sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr'endriny.
10 Nony nitraka ny lohany mandefa tsirim-boninahitra, dia fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka torana ny mpanjakavavy, nivaloarika izy, sady nirona nankany amin'ny sorok'ilay ankizivavy nandeha teo alohany. 11 Fa novan'Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran'ny mpanjaka; velona ahiahy izy dia niantoraka avy amin'ny seza fiandrianany, nanohana an'i Estera tamin'ny sandriny, mandra-pahatsiarony tena, ary nanony ny fivadiham-pony tamin'ny teny maneho fitiavana. 12 Fa maninona hianao, ry Estera? hoy izy taminy; anadahinao aho, matokia, 13 tsy ho faty hianao, fa ho an'ny be sy ny maro ny didiko. 14 Avia! Dia ningainy ny tehim-bolamena, 15 natehiny teo amin'ny vozony, sady norohany izy, sy nataony hoe: Mitenena amiko. 16 Ary hoy ny navaliny: Toy ny anjelin'Andriamanitra no nahitako anao, tompokolahy, nitebiteby ny foko azon'ny tahotra ny fiandriananao, 17 fa mendrika ny higagana hianao, tompokolahy, ary mahate-ho tia ny tarehinao. 18 Mbola miteny eo izy, dia nitambotsotra ndeha ho torana indray, 19 ka efa kivy ratsy ny mpanjaka, ary nifamonjy namelombelona ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra.
Toko faha-16
1 Asoerosa, mpanjaka lehibe, ho an'ny solom-panjaka sy ny lehiben'ny faritany fito amby roapolo amby zato, hatrany India ka hatrany Etiopia, ary ho an'izay rehetra manampo ny mahasoa ahy, Arahaba!2 Maro ny olona izay nahazo fiamboniam-boninahitra noho ny fazavam-po lehiben'ny andriana mpanao soa azy, ka tonga mpirehareha.
3 Tsy afa-pon'ny mikezaka hampahory ny vahoakako izy, fa noho izy tsy mahazaka ny havesaran'ny fiamboniana, ny mpanao soa azy indray hanaovany teti-dratsy. 4 Tsy ampy ho azy raha ny famalian-tsoa no ataony afaka amin'ny olombelona, fa bontsinin'ny famirapiratry ny harem-be loatra tsy fananany izy, ka ny fitsarana hamalian'Andriamanitra izay mahita lalandava ny zavatra rehetra avy, no ataony ho azony andosirana. 5 Imbetsaka dia imbetsaka, ireo olona izay nomoen'ny andriana adidy hitondra ny raharaha noho ny fankasitrahany azy, no nanao teny hafetsena ka nampiditra ny filohan'ny fanjakana amin'ny loza tsy azo odiana, ka nampiombona azy aminy handatsa-dra tsy manan-tsiny, 6 fa voafitaky ny laingan-kafetsen-dratsy amin'izany, ny hatsoram-pitiavan'ny mpitondra. 7 Ary tsy ny tantara taloha ihany araka ny voatsiahiko teo no azonareo ahitana ny asa ratsy, vokatry ny hery mandozan'ireo nampiasa ny fahefana tsy araka ny mety, fa ny fandinihana ny zava-miseho eo akaikinareo no ahitanareo izany mazava kokoa aza. 8 Ka tsy maintsy miahy ny ho avy aho, mba ho azo antoka ho an'ny olon-drehetra ny fandriam-pahizay amam-piadanan'ny fanjakana, 9 manao ny fanovana ilaina aho, mitsara amim-pahamalinana ny zava-mitranga amiko mba handamina izany amin'ny fahamarinana tsy tapaka. 10 Amanà zanak'i Amadata, Masedoniana, tena hafa firenena amin'ny taranaky ny Persa, tena lavitra ny halemem-panahiko, fantatrareo ny nandraisako azy, araka ny fahaizako mandray vahiny;
11 sy ny nahazoany soa araka ny hamoram-po hitondrako ny vahoaka rehetra, ka voaantso ho raiko aza izy ary nahita ny olon-drehetra niankohoka teo anoloany, fa nahazo ny laharam-piamboniana manakaiky indrindra ny fiandrianan'ny mpanjaka. 12 Nefa tsy nahay nitondra anjara fiamboniana toy izany izy, ka any amin'ny hanala ahy amin'ny fanjakana sy amin'ny velona no nalehan'ny heviny. 13 Nampiasainy avokoa izao hafetsena amam-pitaka rehetra izao, hamonoana an'i Mardokea, izay namonjy ahy sy nanompo ahy mandrakariva, ary Estera koa izay namako tsy manan-tsiny amin'ny fanjakako, mbamin'ny firenen'izy ireo manontolo. 14 Ny nantenainy tamin'izany, dia ny hahazo antsika voasaratsaraka mba hanolorany ny fanjakan'ny Persa ho an'ny Masedoniana. 15 Fa ireo Jody, voatolotr'io olona tsy misoro-doza indrindra io ho vonoina kosa, dia hitako fa tsy misy hadisoana mahameloka azy, fa manara-dalàna marina indrindra, 16 sy zanaky ny Andriamanitra avo indrindra, lehibe indrindra, sy velona mandrakizay, izay mitahiry ity fanjakana ity ho antsika, haharitra amin'ny fandrosoana fatratra indrindra, toy ny nataony ho an'ny razantsika koa. 17 Noho izany, tsara ny ataonareo raha tsy asianareo raharaha akory ny taratasy nampitondrain'i Amanà, zanak'i Amadita;
18 satria io fototr'izany heloka izany io, dia efa nahantona tamin'ny hazo, teo anoloan'ny vavahadin'i Sosa niaraka tamin'ny ankohonany rehetra, fa namay azy amin'ny famaizana tandrify azy, Andriamanitra Tompon'ny zavatra rehetra, ambony indrindra. 19 Aoka hisy kopian'ity taratasy ankehitriny ity, hapetaka talaky maso amin'ny fitoerana rehetra, ka avelao ny Jody hanaraka malalaka tsara ny lalàny, 20 ary ampio izy, mba hahazoany manohitra ireo izay nitsangan-kamely azy, tamin'ny andro fampahoriana, dia ampio izy amin'ny fahatelo ambin'ny folon'ny volana faharoa ambin'ny folo, atao hoe Adara, amin'ny indray andro ihany. 21 Fa Andriamanitra ilay Tompon'ny zavatra rehetra ambony indrindra efa nanova izany androm-pahoriana izany ho andro fifaliana, ho an'ny taranaka voafidy. 22 Aoka ary hianareo koa, hankalaza izany andro izany amin'ny fifaliana isan-karazany, toy ny iray amin'ireo fety manetriketrika fanaonareo ka na ankehitriny na amin'ny ho avy izany, dia 23 ho antom-pamonjena ho antsika sy ho an'izay rehetra tafaraiki-po amin'ny Persa, fa ho fahatsiarovana famongorana kosa ho an'izay miray tetika hamely ahy. 24 Ny tanana rehetra, ary ny faritany rehetra, tsy an-kanavaka, izay tsy hanaraka ity didy ity, dia hosimbana amin'ny fisamboaravoaran'ny afo amam-by, ka hatao sady tsy azon'olombelona akekezina, no halan'ny biby dia amam-borona koa aza. Aoka haseho talaky maso eran'ny fanjakana manontolo ny kopian'ity, mba ho voaoman-kamely ny fahavalony ny Jody amin'io andro voatondro io.
Boky Voalohan'ny Makabeo
Toko voalohany
1 Aleksandra, zanakalahin'i Filipo, Masedoniana, avy amin'ny tanin'i Setima, rahefa naharesy an'i Dariosa, mpanjakan'ny Persa sy ny Meda, sy tonga mpanjaka nisolo azy, ary efa nanjaka tamin'i Gresa, aloha,2 dia niantafika imbetsaka sy nahazo trano mimanda maro ary namono mpanjakan'ny tany.