Ny Bokin'i Estera

Toko faha-11

1 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ptolemea sy Kleopatra, Dositea izay nilaza azy ho mpisorona, avy amin'ny taranak'i Levì, sy Ptolemea zanany, dia nitondra izany taratasy momba ny Frorai izany, izay lazain'izy ireo ho tena marina sy nadikan'i Lisimaka, zanak'i Ptolemea ao Jerosalema.

2 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asoerosa mpanjaka lehibe, andro voalohan'ny volana Nisàna, dia nanonofy Mardokea, zanak'i Jaira, zanak'i Semeì, zanak'i Sisa, avy amin'ny firenen'i Benjamina.

3 Izy io dia Jody, nipetraka tao an-tanànan'i Sosa, lehilahy malaza anisan'izay ao an-dapan'ny mpanjaka. 4 Isan'ny babo nentin'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona, avy any Jerosalema, niaraka tamin'i Jekoniasa, mpanjakan'i Jodà izy. 5 Izao no nofiny: Tampoka, injay nisy feo, tabataba be aman-kotrobaratra, ary nihorohoro sy nikorontana ny tany. 6 Tampoka indray, nisy dragona roa lehibe nandroso samy vonon-kiady. 7 Nandefa feo mafy izy ireo, ka tamin'ny feony, dia nivonon-kiady ny firenena rehetra, hamely ny vahoakan'ny olo-marina. 8 Tampoka indray, nisy andro maizina sy aizim-pito, nisy horohoro aman-tebiteby, sy fahoriana amam-pivadiham-po teto ambonin'ny tany. 9 Natahotra ny hozoin'ny loza mafy indrindra ny vahoakan'ny olo-marina manontolo ka velom-panahiana sy nioman-ko faty. 10 Nitaraina tamin'Andriamanitra izy ireo, ary tamin'ny fitarainany, dia nisy toa loharano kely, nivoahan'ony lehibe sy rano be. 11 Dia namirapiratra ny hazavana sy ny masoandro, ka tafasandratra ireo tanatin'ny fahasimbana, ka nandrapaka ireo tanatin'ny voninahitra. 12 Nony avy nahita izany nofy izany sy izay efa nokasain'Andriamanitra hatao Mardokea, dia nifoha sy nitana izany tao an-tsainy, ary nanao izay tratry ny ainy, mandra-pahalin'ny andro, hahalala izay hevitr'izany.

Toko faha-12

1 Rahefa izany, nitoetra teo an-dapa Mardokea, niaraka tamin'i Begatana sy Taresa; samy eonokan'ny mpanjaka sy mpiambina ny vavahadin-dapa izy roa lahy.

2 Nony hitan'i Mardokea ny hevitr'izy ireo sy takany ny fikasany, fantany fa nikasa hamono an'i Asoerosa mpanjaka izy ireo, ka nandefa filazana izany tamin'ny mpanjaka izy. 3 Dia nasainy nampijaliana izy roa lahy eonoka, hilazany ny marina, ary noho ny fieken'ireo dia nalefany hovonoina izy. 4 Nasain'ny mpanjaka nosoratana tao amin'ny boky Tantara izany zavatra izany, ary nalatsak'i Mardokea an-tsoratra koa ny fahatsiarovana azy. 5 Ny mpanjaka nanapaka fa hanao raharaha ao an-dapa izy sy nanolotra fanomezana ho azy noho ny fiampangany. 6 Fa Amanà kosa, ilay zanak'i Amadata, avy any Agaga, dia nahazo voninahitra lehibe ao amin'ny mpanjaka, ka nitady hamono an'i Mardokea mbamin'ny fireneny, noho ny amin'izy roa lahy eonokan'ny mpanjaka.

Toko faha-13

1 Asoerosa mpanjaka lehibe, amin'ny solom-panjaka sy ny governoran'ny faritany fito amby roapolo amby zato, hatrany India ka hatrany Etiopia, eo ambany fahefany, mandefa izao manaraka izao:

2 Na dia manapaka firenena maro indrindra aza aho, sy efa nampanaiky an'izao tontolo izao, tsy manampatra ny fahefako mba hirehareha amin'izany no tiako, fa ny mampahazo fandriam-pahalemana ny vahoakako, mandritra ny andro iainany, amin'ny fanapahana malefaka sy mora, mampandry fahizay ny fanjakako sy manao tsara toky azy hatrany amin'izay fara sisiny indrindra, ary mampirobona ny fiadanana mamin'ny olombelona rehetra.

3 Ka dia nanontaniako tamin'ireo mpanolo-tsaina ahy, izay azo atao hahatanteraka izany zava-kendreko izany; ary ny iray tamin'izy ireo atao hoe Amanà, izay be fahendrena indrindra eto aminay, sady efa malaza noho ny fahafoizan-tenany tsy mety miova sy ny firaiketam-pony aminay tsy mahay mivadika, ary mahazo ny laharana faharoa amin'ny fanjakana. 4 dia nampahalala ahy fa misy vahoaka izay ratsy hevitra, tafaharo amin'ny foko rehetra eto ambonin'ny tany, mifanohitra amin'ny vahoaka rehetra noho ny lalàny maniratsira lalandava ny didin'ny mpanjaka, any ka misakana ny hisian'ny fifanarahana lavorary eto amin'ny fanjakana entiko. 5 Nony hitako fa io vahoaka iray monja io, izay mifanohitra lalandava amin'izay mety ho olombelona, sy misaraka amin'izy ireo, noho ny lalàny hafahafa, ary tsy tia akory izay mahasoa ahy sy manao izay faran'izay ratsy indrindra ka misakana ny fandrosoan'ny fanjakana, 6 dia nandidy aho, fa izy ireo, izay voatondro ao amin'ny taratasin'i Amàna, ilay lohan'ny raharaha sy hajaina hoatra ny faharoan-draiko, dia haringan'ny sabatry ny fahavalony avokoa mbamin'ny vadiny aman-janany, tsy hasiana miangana, tsy hananana antra na indrafo, amin'ny fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa ambin'ny folo, izay volana Adara, amin'ity taona ity; 7 mba ho indray midina any ambanin'ny tany, amin'ny famonoana azy ho faty amin'ny andro iray ihany, ireo olona mpanohitra hatry ny fahataloha ka mandrak'ankehitriny ireo, ka ny raharahantsika amin'ny andro manaraka dia hody amin'ny fandrosoana sy amin'ny fiadanana lavorary. (Vakiana manarakaraka ny toko IV, 17) 8 Ary Mardokea nivavaka tamin'ny Tompo, tamim-pahatsiarovana ny asa rehetra nataony,

9 ka nanao hoe: Tompo o, Tompo o, Mpanjaka mahefa ny zavatra rehetra hianao, fa eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy misy olona mahasakana anao, raha nikasa ny hamonjy an'Israely hianao. 10 Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany, mbamin'ny zava-mahagaga rehetra eo ambanin'ny lanitra. 11 Hianao no Tompon'ny zavatra rehetra ary tsy misy mahatohitra anao, hianao Tompo. 12 Mahalala ny zavatra rehetra hianao; ka fantatrao fa tsy mba nentin-drehareha na avonavona, na fitsiriritam-boninahitra kely akory, no tsy mba niankohofako teo anatrehan'i Amanà, mpiavonavona; 13 satria vonon-kanoroka ny dian-tongony aza aho, ho famonjena an'Israely. 14 Fa ny nanaovako izany, dia ny mba tsy hanaovako ny voninahitr'olombelona ho ambony noho ny voninahitra tsy maintsy omena ny Andriamanitro, ka dia tsy hiankohoka eo anatrehan'ny hafa aho, afa-tsy hianao, Tompo, ary tsy mba fiavonavonana no hanaovako izany. 15 Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitro sy Mpanjakako, Andriamanitr'i Abrahama, mamindrà fo amin'ny vahoakanao, fa manopy maso anay ny fahavalonay hamono anay, sy handringana ny lovanao faharazana. 16 Aza atao tsinontsinona ny anjaranao, navotanao avy any amin'ny tany Ejipta. 17 Henoy ny fivavahako! Hasoavy ny zara lovanao, ovay ho fifaliana ny fisaonanay, mba ho velon'aina, ka hankalaza ny anaranao izahay, ry Tompo; ary aza manakombona ny vavan'ireo midera anao. 18 Israely rehetra koa, samy nitaraina tamin'ny Tompo araka izay tratry ny heriny avokoa, fa efa mananontanona eo imasony ny fahafatesana.

Toko faha-14

1 Ny mpanjakavavy Estera koa, nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan'ny fahafatesana, ka niantso vonjy tamin'ny Tompo.

2 Napetrany ny akanjony kanto indrindra; fitafiam-pahoriana amam-pisaonana no nataony: nohosenany vovoka aman-davenona ny lohany, ho solon'ny zava-manitra sarobidy fanaony; nampijaliany mafy ny tenany, nombotany ny volony ka nataony tototra izany avokoa izao toerana fiaranany amin'ny fifaliana rehetra izao. 3 Dia nanao izao vavaka izao tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely izy: Ry Tompo izay hany Mpanjakanay, vonjeo amin'izao fahaporitako izao aho, izay tsy manam-bonjy afa-tsy hianao, 4 fa ny loza manambana ahy ity, toa voatsapan'ny tanako sahady. 5 Efa reko fahazaza, tao amin'ny fokon'ikaky, fa hianao, ry Tompo, efa nifidy an'Israely tamin'ny firenena rehetra, sy nifidy ny razanay, tamin'ireo iray razana aminy rehetra, ho lovanao mandrakizay, ary efa notanterahinao hanasoavana azy avokoa ny fampanantenanao rehetra. 6 Saingy nanota teo anatrehanao izahay, ka natolotrao ho eo an-tanan'ny fahavalonay, 7 noho izahay nivavaka tamin'ny andriamanitr'izy ireo. Marina hianao, ry Tompo! 8 Ankehitriny anefa, tsy afa-pon'ny manandevo anay amin'ny fanompoana mangidy izy ireo, fa efa nametraka ny tànany teo an-tanan'ireo sampiny indray, 9 nianianany ny hanafoana ny didy naloaky ny vavanao, handringana ny lovanao, hanakombona ny vavan'izay midera anao, ary hamono ny voninahitry ny tempolinao sy ny otelinao, 10 mba hisokafan'ny vavan'ny firenena hidera ny herin'ny sampy sy hankalaza mpanjaka nofo aman-dra mandrakizay. 11 Aza atolotrao an'ireo izay tsinontsinona ny tehim-panjakanao, ry Tompo, mba tsy hihomehezan'izy ireo amin'ny faharavanay, fa atsingereno amin'izy ireo ny hevitra nokasainy, ary mamaiza ho fananarana ny hafa an'ilay nisafoaka voalohany taminay. 12 Tsarovinao izahay, ry Tompo, ataovy manehoneho laza hianao amin'izao andron'ny fahorianay izao, ary omeo hery aho, ry Mpanjakan'ny andriamanitra sy Mpanapaka ny fahefana rehetra! 13 Asio teny malina ao am-bavako, eo anatrehan'ilay liona, ary ovao ny fony hankahala ny fahavalonay, mba hahafaty azy, dia izy mbamin'izay rehetra miray hevitra aminy. 14 Fa izahay kosa dia aoka ny tànanao hanafaka anay, ary ampio aho, amin'izao izaho irery izao, tsy manana an'iza na iza, afa-tsy hianao, ry Tompo! Hianao mahalala ny zavatra rehetra,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1672