Ny Bokin'i Estera

Toko faha-8

13 Ny kopia anankiray amin'ny didy izay tsy maintsy havoaka ho lalàna amin'ny isam-paritany dia nalefa misokatra ho an'ny foko rehetra, mba ho voaomana amin'izany andro izany hamaly ny fahavalony ny Jody.

14 Dia nandeha faingana ny tsimandoa, nitaingina ny soavalim-panjakana, araka ny didin'ny mpanjaka. - Ary nantsoina tao Sosa renivohitra koa ny didy. 15 Nivoaka avy ao amin'ny mpanjaka Mardokea, niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy, nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe, nanao kapaoty rongony fotsy madinika sy jaky; ary naneho ny hafaliany tamin'ny hobin-karavoana ny tanàna Sosa.

16 Ny Jody tamin'izany tsy nahalala afa-tsy hasambarana aman-kafaliana, sy firavoravoana amam-boninahitra. 17 Tany amin'ny isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan'ny teny aman-didin'ny mpanjaka, dia hafaliana amam-piravoravoana, fety amam-panasana, no an'ny Jody. Ary maro ny olona tamin'ny vahoakan'ny tany nilatsaka ho Jody fa nahazo azy ny tahotra ny Jody.

Toko faha-9

1 Tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo, izay volana Adara, tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana izay hanatanterahana ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny, dia andro nantenain'ny fahavalon'ny Jody handresena, kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jody indray no naharesy ny fahavalony.

2 Nivory tao an-tanànany avy ny Jody eran'ny faritanin'i Asoerosa mpanjaka, hamely an'izay nitady haharesy azy, ary tsy nisy olona nahatohitra azy ireo, fa efa nahazo ny foko rehetra hatraiza hatraiza ny tahotra azy. 3 Nanampy ny Jody koa ny lehiben'ny faritany rehetra, ny solom-panjaka, ny governora, mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka, fa nanindry azy ny tahotra an'i Mardokea. 4 Satria Mardokea dia nanam-pahefana tao an-tranon'ny mpanjaka, ary niely laza eran'ny faritany rehetra, fa nandroso nihanalaza hatrany hatrany io lehilahy io, dia Mardokea. 5 Koa nasian'ny Jody tamin'ny sabatra avokoa ny fahavalony, ka vonoana amam-pandringanana moa izany! Nanao izay sitrany tamin'izay nankahala azy izy ireo.

6 Tao Sosa renivohitra, dia nisy diman-jato lahy no matin'ny Jody sy naringany. 7 Novonoiny koa Farsadatà, Delfòna, Esfatà, 8 Foratà, Adabia, Aridatà, Fermestà, 9 Arisaì, Aridaì, ary Jezatà, 10 dia izy folo lahy, zanak'i Amanà, zanak'i Amadatà, ilay fahavalon'ny Jody. Nefa tsy mba naninji-tànana nandroba izy. 11 Ren'ny mpanjaka androtrizay ihany, ny isan'ny voavono tao Sosa, renivohitra.

12 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, mpanjakavavy: Teto Sosa, renivohitra, efa nahafaty sy naharingana diman-jato lahy, sy ny zanak'i Amanà folo lahy, ny Jody, ka ho toy inona no nataony amin'ny faritanin'ny mpanjaka sisa? Inona no angatahinao? fa homena anao izany. Inona no irinao? fa ho tanteraka. 13 Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homen-dàlana ny Jody eto Sosa hanao rahampitso koa indray araka ny didy androany, ary aoka hahantona amin'ny hazo izy folo lahy zanak'i Amàna. 14 Nasain'ny mpanjaka natao izany, ka navoaka tao Sosa ny didy. Dia nahantona izy folo lahy zanak'i Amàna, 15 ary nivory indray ny Jody tao Sosa tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana Adara, sy namono olona telon-jato lahy tao Sosa; nefa tsy mba naninji-tànana nandroba izy. 16 Ny Jody sisa tany amin'ny faritanin'ny mpanjaka koa nivory mba hiarovany ny ainy, ka hamelan'ny fahavalony azy mandry fehizay: nahafatesany dimy arivo sy fito alina ireo nankahala azy. Fa tsy naninji-tànana nandroba izy.

17 Tamin'ny fahatelo ambin'ny folon'ny volana Adara izany. Ka ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io, dia nijanonan'ny Jody ka nataony andro fanasana sy firavoravoana.

18 Ny Jody tany Sosa kosa dia nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo sy fahefatra ambin'ny folo, ary tamin'ny fahadimy ambin'ny folo dia nitsahatra, ka nataony andro fanasana sy firavoravoana io. 19 Noho izany, ny Jody tany ambanivohitra, nitoetra tamin'ny tanàna tsy mimanda, dia ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana Adara no ataony andro firavoravoana, fanasana, ary fety fifanaterana anjara hanina. 20 Nosoratan'i Mardokea izany zavatra izany, ary nandefa taratasy izy, ho any amin'ny Jody eran'ny faritanin'i Asoerosa mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,

21 nandidy azy ireo hankalaza isan-taona, ny andro fahefatra ambin'ny folo sy fahadimy ambin'ny folon'ny volana Adara, 22 ho andro nahazoany fahafahana tamin'ny fahavalony, mba hiadanany, sady volana nampody ny alahelony ho fifaliana, sy ny fisaonany ho andro fety, ka tsy maintsy atao andro fanasana sy firavoravoana ireo andro ireo, fifanaterana anjara hanina sy anomezan-javatra ny mahantra. 23 Ka dia natsangan'ny Jody ho fanao izany, izay efa natombony natao sy nanoratan'i Mardokea taminy.

24 Fa Amanà zanak'i Amadata, avy amin'ny tanin'i Agaga, favalon'ny Jody rehetra, dia efa nanao hevitra hamely ny Jody handringanana azy ireo, ka nanao Pora izany hoe loka, mba handringanany sy handravany azy. 25 Fa niseho teo anatrehan'ny mpanjaka Estera, ka nandidy an-tsoratra ny mpanjaka hampitsingerina ho eo an-dohan'i Amanà, ny hevitra ratsy nokasainy hafitsoka ny Jody, ka nahantona tamin'ny hazo izy sy ireo zanany. 26 Dia izany no iantsoana ireo andro ireo hoe Porima avy amin'ny anarana hoe Pora. Noho izany, araka ny teny rehetra ao amin'izany taratasy izany, sy araka izay efa hitan'ny tenany sy izay nanjo azy ireo, 27 ny Jody dia nanangana sy nandraikitra ho fomba tsy azo ovana, ho an'ny tenany aman-taranany mbamin'izay rehetra miray aminy, ny mankalaza isan-taona ireo andro roa ireo, araka ny fomba voadidy sy amin'ny fotoana voatendry. 28 Tsy maintsy tsarovana sy ankalazaina ireo andro ireo amin'ny taranaka mifandimby rehetra, isam-pianakaviana, isam-paritany, ary isan-tanàna, ka tsy tokony ho foanana eo amin'ny Jody na oviana na oviana ireo andron'ny Porima ireo, na hitsahatra ny fahatsiarovana azy, amin'ny taranany. 29 Nanoratra fanindroany indray Estera mpanjakavavy, zanak'i Abihaila, sy Mardokea Jody, sady teny mamporisika mafy tokoa no nataony mba hanamafy ilay taratasy momba ny Porima.

30 Ny Jody rehetra amin'ny faritanin'ny fanjakan'i Asoerosa fito amby roapolo amby zato, nandefasana taratasy: teny fiadanana, sy fahamarinana, 31 haharetana manao ny andron'ny Porima amin'ny fotoana voatendry araka ny efa nanendren'i Mardokea Jody, sy Estera mpanjakavavy, an'izany ho azy ireo, sy araka ny nanendren'i Mardokea Jody, sy Estera mpanjakavavy, an'izany ho azy ireo, sy araka ny nanendreny izany, ho an'ny tenany aman-taranany, mbamin'ny fifadian-kanina amam-pitarainana momba azy. 32 Ka dia nandraikitra ny fitandremana ny Porima ny didin'i Estera ary nosoratana tamin'ny boky izany.

Toko faha-10

1 Ary Asoerosa mpanjaka nampandoa hetra ny tany be sy ny nosy eo amin'ny ranomasina.

2 Moa tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Media sy Persa avokoa va ny zavatra momba ny fahefany sy ny herim-po nataony, ary ny andinidininy momba ny fahalehibeazana nanandratan'izy mpanjaka an'i Mardokea. 3 Fa ny Jody Mardokea dia filohan'ny mpandraharahan'i Asoerosa mpanjaka, malaza teo amin'ny Jody, mamin'ny rahalahiny be dia be, nitady izay hahasoa ny fireneny, ary niteny ny amin'izay hahasambatra ny iray razana aminy rehetra. (Tapitra eo ny boky amin'ny teny hebrio. Tapatapany fanampy hita amin'ny dikan'ny Soratra Masina amin'ny teny Greka) 4 Dia hoy Mardokea: Andriamanitra no nanao izany zavatra rehetra izany!

5 Tsaroako tokoa ny nanofisako ny amin'izany ka tsy misy tsy tanteraka ny andinidininy, na dia iray aza: 6 Ny loharano kely nanjary ony, ny fahazavana niseho, ny masoandro, ary ny rano be: Ny ony, dia Estera, izay nalain'ny mpanjaka ho vady, sy nataony mpanjakavavy. 7 Ny dragona roa, dia izaho sy Amanà. 8 Ny firenena, dia ireo izay nivory hanafoana ny anaran'ny Jody: 9 ary ny fireneko dia Israely, izay nitaraina tamin'Andriamanitra ka voavonjy. Tamin'izany ny Tompo namonjy antsika, sy nanafaka antsika tamin'izany loza rehetra izany; nanao famantarana amam-pahagagana lehibe, tsy mba hita teo amin'ny firenena, Andriamanitra. 10 Hahatanterahan'izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, ary ny iray ho an'ny firenena rehetra. 11 Izany anjara roa izany dia tonga tamin'ny ora sy fotoana ary andron'ny fitsarana, eo anatrehan'Andriamanitra, ho an'ny firenena rehetra. 12 Dia nahatsiaro ny vahoakany Andriamanitra sy nanao fitsarana ho an'ny lovany. 13 Ka ireo andron'ny volana Adara ireo, ny fahefatra ambin'ny folo sy fahadimy ambin'ny folon'izany volana izany, dia hankalazain'izy ireo am-pivoriana amin-kafaliana sy firavoravoana eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny taranaka hatrany hatrany, eo amin'Israely vahoakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1449