Ny Bokin'i Estera

Toko faha-5

1 Tamin'ny andro fahatelo, niakanjo ny akanjon'ny mpanjaka Estera, dia niseho teo amin'ny kianja anatin'ny tranon'ny mpanjaka, teo anoloan'ny efi-tranon'ny mpanjaka. Ny mpanjaka izany, nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana, tandrifin'ny vavahadin'ny lapa.

2 Nony hitan'ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja ny mpanjakavavy Estera, dia nahita fitia teo imasony izy, ka notolorany ny tehim-bolamena teny an-tanany. 3 Dia nanatona Estera ka nanendry ny loha-tehina. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Maninona hianao, ry Estera mpanjakavavy, ary inona no angatahinao? Fa homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza. 4 Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka ho tonga ao amin'ny fanasana efa namboariko ho azy ny mpanjaka sy Amanà. 5 Ka hoy ny mpanjaka: Aoka hantsoina miaraka amin'izay Amanà, mba hanao izay nolazain'i Estera. Ka dia nankany amin'ny fanasana namboarin'i Estera ny mpanjaka mbamin'i Amanà. 6 Teo am-pisotroan-divay, hoy ny mpanjaka tamin'i Estera: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa ho azonao, na dia ny an-tsasaky ny fanjakana aza. 7 Hoy ny navalin'i Estera: Izao no angatahiko sy iriko: 8 Raha nahita fitia eo imason'ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko, sy hanatanteraka izay iriko, aoka ny mpanjaka ho tonga ao amin'ny fanasana hamboariko ho azy, miaraka amin'i Amanà, dia hamaly ny fanontanian'ny mpanjaka rahampitso. 9 Tamin'izany andro izany Amanà nivoaka tamin-kafaliana sy haravoam-po, kanjo nahita an'i Mardokea teo am-bavahadin'ny mpanjaka tsy nitsangana na niraika teo anatrehany, dia tezitra loatra tamin'i Mardokea izy.

10 Nanindry fo ihany anefa Amanà, ka lasa nody tany aminy. Rahefa izany dia nampanalain'i Amanà ny sakaizany sy Zaresa vadiny, 11 dia nolazainy tamin'ireo ny hahavon'ny hareny, ny hamaroan'ny zanany, ny fiambonian'ny voninahitra nomen'ny mpanjaka azy, fa nasandrany ho ambony noho ny andriandahy amam-panompony izy, 12 ary izaho irery aza, hoy izy indray, no noraisin'i Estera mpanjakavavy hiaraka amin'ny mpanjaka tao amin'ny fanasana namboariny, sady mbola nasaina indray koa aza aho hiaraka amin'ny mpanjaka any aminy rahampitso. 13 Kanefa tsy mahafa-po ahy izany rehetra izany, raha mbola hitako koa Mardokea, ilay Jody, mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka. 14 Ka hoy Zaresa vadiny, sy ireto sakaizany rehetra: Aoka hanamboarana hazo dimampolo hakiho ny hahavony, ary rahampitso maraina dia hangatahinao amin'ny mpanjaka hahantona eo Mardokea; hianao kosa handeha an-kafaliana ho any amin'ny fanasana miaraka amin'ny mpanjaka. Nankasitrahan'i Amanà izany hevitra izany, ka dia nampanamboatra ilay hazo izy.

Toko faha-6

1 Ny alin'izay, tsy nety nahita tory ny mpanjaka, ka nasainy alaina ny bokin'ny tetiarana dia ny Tantara, dia novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany;

2 ka sendra ny filazana ny nanambaran'i Mardokea ny momba an'i Bagatàna sy Taresa, ireo roa lahy eonokan'ny mpanjaka, mpiambina ny lapa, izay nitady hamono an'i Asoerosa mpanjaka. 3 Ka hoy ny mpanjaka: Inona moa no mba mari-boninahitra amam-pisandratana efa nomena an'i Mardokea, noho izany? - Tsy mbola misy nomena azy na kely akory aza, hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay nanana anjara raharaha teo aminy. 4 Dia hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja? - Amanà izany, efa tonga tao an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka, hangataka amin'ny mpanjaka ny hanantonana an'i Mardokea eo amin'ilay hazo efa namboariny ho azy. 5 Ka hoy ireto mpanompon'ny mpanjaka namaly azy: Amanà io mitoetra ao an-kianja io. Dia hoy ny mpanjaka: Aoka hiditra izy. 6 Nony niditra Amanà, dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no tokony hatao amin'izay olona tian'ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary hoy Amanà anakampo: Iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra eo, afa-tsy izaho.

7 Ka dia hoy Amanà tamin'ny mpanjaka: Ny hatao amin'ny olona tian'ny mpanjaka homem-boninahitra, 8 dia tokony halaina ny akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka, ary asiana satro-boninahitra fiandrianana ny lohany, 9 dia atolotra ny iray amin'ireo lehiben'ny mpanjaka ambony izany fitafiana sy soavaly izany, dia hampiankanjoana an'izay olona tian'ny mpanjaka homem-boninahitra, sy hitondrana azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan'ny tanàna, ary hiantsoany eo alohany hoe: Toy izao no atao amin'izay olona tian'ny mpanjaka homem-boninahitra! 10 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Amanà: Alaonao faingana ary ny fitafiana sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka ataovy izany amin'i Mardokea ilay Jody, mipetraka ao am-bavahadin'ny mpanjaka, aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao. 11 Koa nalain'i Amanà ny akanjo sy ny soavaly dia nampiakanjo an'i Mardokea izy, sy nitondra azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan'ny tanàna, ary niantso teo alohany hoe: Toy izao no atao amin'ny olona tian'ny mpanjaka homem-boninahitra. 12 Dia niverina nankeo am-bavahadin'ny mpanjaka Mardokea; ary Amanà dia nody faingana nankany aminy, niferin'aina, nisaron-doha,

13 nitantara izay rehetra nanjo azy tamin'i Zaresa vadiny sy ireo sakaizany rehetra. Ary hoy ny olon-kendriny sy Zaresa vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jody Mardokea, izay efa niantomboka nahalavo anao teo anatrehany sahady, dia tsy ho azonao asiana na inona na inona, fa hianao mihitsy no ho lavo eo anatrehany. 14 Mbola miteny aminy eo izy ireo dia indreo tonga ny eonokan'ny mpanjaka, ka nitondra faingana an'i Amanà ho any amin'ny fanasana namboarin'i Estera.

Toko faha-7

1 Dia nankao amin'ny fanasan'i Estera ny mpanjaka sy Amanà.

2 Tamin'io andro faharoa io, dia hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera tamin'ny fanasan'ny divay: Inona no angatahinao, ry Estera, mpanjakavavy? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa na dia ny antsasaky ny fanjakana aza, dia ho azonao. 3 Ka hoy ny navalin'ny mpanjakavavy, Estera: Raha nahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka ô, ka sitraky ny mpanjaka izany, dia omeo ahy ny aiko, fa izany no angatahiko, sy ny an'ny fireneko, fa izany no iriko. 4 Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana, hovonoina, hofoanana. Raha namidy ho andevo sy mpanompo fotsiny izahay dia hangina ihany, fa izao, tsy hahonitra izay faty antoky ny mpanjaka akory ilay mpampahory. 5 Dia niteny Asoerosa, mpanjaka, nanao tamin'i Estera mpanjakavavy hoe: Iza moa izany, ary aiza loatra no misy izay olona asesiky ny fony hanao izany? 6 Ka hoy ny navalin'i Estera: Ny mpampahory, ny rafilahy, dia Amanà io ratsy fanahy io. Raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy Amanà. 7 Tezitra loatra ny mpanjaka, ka nitsangana niala teo amin'ny fanasan'ny divay ho ao amin'ny zaridainan'ny lapa, fa Amanà kosa nijanona hangataka ny ainy amin'i Estera mpanjakavavy, satria hitany marina fa raha ny amin'ny mpanjaka, dia ny fahaverezany no raikitra. 8 Nony niverina avy any amin'ny zaridainan'ny lapa, ho ao an-trano fanasan'ny divay ny mpanjaka, indro Amanà niankohoka teo am-parafara nisy an'i Estera, ka hoy ny mpanjaka: Andray! dia sahy misavika ny mpanjakavavy eto an-tranoko, ato an-dapa ve, ilay ity e? Vantany vao naloaky ny vavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan'i Amanà.

9 Ary Harbona, anankiray tamin'ny eonoka, nilaza teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ao an-tranon'i Amanà izao, dia efa mitsangana ilay hazo, dimampolo hakiho ny hahavony, namboarin'i Amanà ho an'i Mardokea, ilay niteny nahasoa ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Amanà no ahantony amin'izany! 10 Ka dia nahanton'ny olona tamin'ilay hazo namboariny ho an'i Mardokea Amanà. Ary nionona ny hatezeran'ny mpanjaka.

Toko faha-8

1 Androtrizay ihany, dia natolotr'i Asoerosa mpanjaka an'i Estera ny tranon'i Amanà, ilay fahavalon'ny Jody, ary niseho teo anatrehan'ny mpanjaka Mardokea, fa efa nampahafantarin'i Estera izay fihavanany aminy.

2 Koa nesorin'ny mpanjaka ny peratra izay efa nalainy tamin'i Amanà, dia nomeny an'i Mardokea, ary Estera nanendry an'i Mardokea hanapaka ny tranon'i Amanà. 3 Rahefa afaka izany, niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera; niantoraka teo an-tongony izy, nihanta taminy tamin-dranomaso, mba hanafoana ny hasomparan'i Amanà, avy amin'ny tanin'i Agaga, sy ny hevitra nataony hamelezana ny Jody.

4 Notoloran'ny mpanjaka ny tehim-bolamena Estera, dia nitsangana sy nijoro teo anatrehan'ny mpanjaka. 5 Raha sitraky ny mpanjaka, hoy izy, raha nahita fitia eo anatrehany aho, raha ataon'ny mpanjaka ho mety izao, ary raha mahita sitraka eo imasony aho, aoka hanoratra hanafoanana ireny taratasy noforonin'i Amanà zanak'i Amadata, avy amin'ny tanin'i Agaga, sy nosoratany hampandringana ny Jody any amin'ny faritanin'ny mpanjaka rehetra. 6 Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny iray razana amiko? 7 Ka hoy Asoerosa mpanjaka tamin'i Estera mpanjakavavy, sy tamin'i Mardokea Jody: Indro, ny tranon'i Amanà efa nomeko an'i Estera mpanjakavavy, sy tamin'i Mardokea Jody: Indro, ny tranon'i Amanà efa nomeko an'i Estera, ary izy efa nahantona tamin'ny hazo fa naninji-tànana hamely ny Jody. 8 Koa manorata hianareo, amin'ny anaran'ny mpanjaka, araka izay sitrakareo, hamonjy ny Jody, dia tombohy amin'ny peratry ny mpanjaka, fa tsy azo foanana rahefa taratasy nosoratana tamin'ny anaran'ny mpanjaka, sy notombohina tamin'ny peratry ny mpanjaka. 9 Koa nantsoina tamin'izany ny mpanoratry ny mpanjaka, dia tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana fahatelo, izay volana Sivana, dia nosoratana izay rehetra nodidian'i Mardokea ho an'ny Jody, ny solom-panjaka, ny governora, ny lehiben'ny faritany, dia ny faritany fito amby roapolo amby zato, hatrany India ka hatrany Etiopia, natao araky ny soratry ny isam-paritany sy ny fitenin'ny isam-pirenena, ary ny ho an'ny Jody araka ny sorany sy araka ny fiteniny.

10 Ny taratasy dia nosoratana tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy notombohina tamin'ny peratry ny mpanjaka. Ny taratasy dia nampitondraina ny tsimandoa an-tsoavaly, mitaingin-tsoavalim-panjakana faingam-pandeha avy amin'ny fiompian-tsoavalin'ny mpanjaka. 11 Amin'izany taratasy izany, ny mpanjaka nanome làlana ny Jody hivory sy hiaro ny ainy, na aiza na aiza tanàna misy azy, ka handringana, hamono, handripaka ny miaramila mbamin'ny vady aman-janany amin'ny isam-pirenena amam-paritany, izay hitsangana hamely azy; ary handroba ny fananany; 12 dia ny hanao izany amin'ny indray andro monja, eran'ny faritanin'i Asoerosa mpanjaka rehetra, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana faharoa ambin'ny folo, izay volana Adara. (Jereo ny teny ao amin'ny didy ao amin'ny toko XVI, 1-24.)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1489