Ny Bokin'i Estera

Toko faha-2

6 nentina avy any Jerosalema, anisan'ireo babo nataon'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona sesi-tany, niaraka tamin'i Jekoniasa mpanjakan'i Jodà. 7 Izy no nitaiza an'i Edisa izay hoe Estera, zana-drahalahin-drainy, fa tsy nanan-dray na reny intsony razazavavy. Sady bikana no tsara tarehy razazavavy; nony maty rainy aman-dreniny, dia natsangan'i Mardokea ho zanany izy. 8 Nony efa naely ny teny aman-didin'ny mpanjaka ka efa maro ny zazavavy tafangona tao Sosa, renivohitra, notandreman'i Egea, Estera koa nalaina ho ao an-tranon'ny mpanjaka, notandreman'i Egea, mpitandrina ny vehivavy.

9 Ary nahafaly azy sy nahita fitia teo imasony razazavavy, ka novononiny faingana ny zavatra ilainy momba ny fihaingoany aman'anjara haniny, ary zazavavy fito notsongainy tao an-tranon'ny mpanjaka, no nomeny azy, ary ny efi-trano tsara indrindra tao an-tranom-behivavy no nametrahany azy sy ireo zazavavy. 10 Tsy nilaza izay fireneny na firazanany Estera, fa noraran'i Mardokea tsy hilaza izany. 11 Nitsangantsangana isan'andro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy Mardokea, mba hahafantarany ny toe-pahasalaman'i Estera, sy izay fitondran'ny olona azy. 12 Nony avy ny anjara fotoana handehanan'ireo zazavavy ireo amin'i Asoerosa avy, rahefa tapiny ny roa ambin'ny folo volana fanatanterahana izay voadidy hataon'ny vehivavy, dia izao kosa no zavatra alahatra atao amin'ny fotoana idiovany; ny enim-bolana nidiovany amin'ny diloilo misy mira, ary ny enim-bolana kosa amin'ny zava-manitra sy ny zavatra tsara fofona fanaon'ny vehivavy.

13 Raha nandeha amin'ny mpanjaka ny zazavavy dia nahazo làlana hitondra izay tiany avy ao an-tranom-behivavy mba ho any an-tranon'ny mpanjaka. 14 Ny hariva izy no mankao; nony ampitso maraina izy, dia mifindra ao amin'ny trano faharoa fitoeram-behivavy, tandreman'i Sosagaza, eonokan'ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano. Tsy miverina ao amin'ny mpanjaka intsony izy, afa-tsy raha irin'ny mpanjaka izy, ka antsoina amin'ny anarany. 15 Nony tonga ny anjaran'i Estera zanak'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mardokea, ilay nanangana azy ho zanaka, handehanany amin'ny mpanjaka, dia tsy mba nila na inona na inona izy, afa-tsy izay natoron'i Egea, eonokan'ny mpanjaka, sy mpitandrina ny vehivavy; nefa izay rehetra nahita an'i Estera nankasitraka azy avokoa.

16 Tamin'ny volana fahafolo, izay volana Tebeta, taona fahafito nanjakan'i Asoerosa mpanjaka, no nentina ho ao aminy ao an-tranom-panjaka Estera. 17 Ary Estera no tian'ny mpanjaka indrindra tamin'ny vehivavy rehetra, ka nahita fitia aman-tsitraka taminy mihoatra noho ny zazavavy hafa rehetra. Nosatrohany ny diademam-panjakana ny lohany, sady nataony mpanjakavavy hisolo an'i Vastì. 18 Nanao fanasana lehibe ny mpanjaka, ho an'ny andriandahiny rehetra sy ny mpanompony, dia ny fanasan'i Estera, nanomezany fitsaharana ny faritaniny, ary nanaovany fanomezana be, amin'ny fahazavam-po mendrika ny mpanjaka. 19 Tamin'ny famoriana zazavavy fanindroany, nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka Mardokea;

20 Estera izany mbola tsy nilaza ny firazanany na ny fireneny, araka ilay efa nandidian'i Mardokea Estera, toy ny fony mbola notezainy ihany. 21 Tamin'izany andro izany, raha ilay nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka iny Mardokea, nentin-katezerana Bagatana sy Taresa, izy roalahy samy eonokan'ny mpanjaka sy mpiambina ny lapa, ka nitady hamono an'i Asoerosa mpanjaka. 22 Fantatr'i Mardokea ny teti-dratsy, ka nambarany tamin'i Estera izay nilaza izany tamin'ny mpanjaka kosa, ho filazana avy amin'i Mardokea. 23 Nony nofotorana izany zavatra izany, ka hita fa marina, dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy eonoka, ary nosoratana tamin'ny bokin'ny Tantarao teo anatrehan'ny mpanjaka izany.

Toko faha-3

1 Taty aorian'izany, nasandratr'i Asoerosa mpanjaka, laharam-boninahitra Amàna, zanak'i Amadata, avy amin'ny tanin'i Agaga, nasandrany sy napetrany amin'ny fitoerana ambony noho ny an'ny lehibe rehetra nanolotra azy izy.

2 Nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Amanà avokoa ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadiny, fa izany no didin'ny mpanjaka momba azy. Nefa Mardokea tsy mba nandohalika na niankohoka, 3 ka hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka, izay teo am-bavahadiny, tamin'i Markodea: Nahoana hianao no mandika ny didin'ny mpanjaka? 4 Raha naverimberiny taminy isan'andro izany, nefa tsy nohenoiny izy ireo, dia nampandrenesiny an'i Amanà izany, hahitany raha hikiry amin'ny hevitra voakasany Mardokea, satria efa voalazany tamin' izy ireo fa hoe Jody izy. 5 Nony hitan'i Amanà fa tsy nandohalika na niankohoka teo anatrehany Mardokea, dia tezitra indrindra izy. 6 Nataony ho tsinontsinona aminy anefa ny maninji-tànana amin'i Mardokea irery, fa efa nilazana izay firenen'i Mardokea izy ka dia ny handringana ny firenen'i Mardokea dia ny Jody rehetra, teo amin'ny fanjakan'i Asoerosa manontolo, no notadiavin'i Amanà. 7 Tamin'ny volana voalohany izay volana Nisana, taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Asoerosa, dia nanaovana ny Pora izany hoe loka, teo anatrehan'i Amanà, ho an'ny isan'andro sy ho an'ny isam-bolana, hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo, izay volana Adara.

8 Tamin'izay, hoy Amanà tamin'i Asoerosa mpanjaka: Ao amin'ny faritanin'ny fanjakanao rehetra dia misy vahoaka eo afovoan'ny vahoaka hafa, nefa mitokana ihany, hafa lalàna noho ny vahoaka hafa rehetra, ary tsy mba mitandrina izay lalàn'ny mpanjaka. Tsy mba mahasoa ny mpanjaka ny mamela ireny amin'izao. 9 Fa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hanoratana didy handringanana ireny, dia handanja talenta volafotsy iray alina eo an-tanan'ny mpanao raharaha aho, halatsaka ao amin'ny rakitry ny mpanjaka. 10 Dia nesorin'ny mpanjaka ny peratra teny an-tànany, nomeny an'i Amanà zanak'i Amadata, avy amin'ny tanin'i Agaga, fahavalon'ny Jody, ka hoy izy taminy: 11 Afoy ho anao ny vola mbamin'izany vahoaka izany, ka ataovy amin'izay itiavanao azy. 12 Koa tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana voalohany, nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka, dia nanoratra araka izay rehetra nasain'i Amanà atao, ho an'ny solom-panjaka, ny governoran'ny isam-paritany, ny lehiben'ny isam-pirenena, natao araka ny soratry ny isam-paritany, araka ny fitenin'ny isam-pirenena, ary nosoratana tamin'ny anaran'i Asoerosa mpanjaka, sy notombohina tamin'ny peratry ny mpanjaka.

13 Nalefa nentin'ny tsimandoa ny taratasy any amin'ny faritanin'ny mpanjaka rehetra, mampandringana sy mampamono ary mampandripaka ny Jody rehetra, na antitra na tanora, na zaza na vehivavy, amin'ny indray andro monja, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana faharoa ambin'ny folo, izay volana Adara, sady mampandroba ny fananany rehetra. (Jereo ny kopian'ny didy ao amin'ny toko XIII, 1-7) 14 Nisy kopian'ny teny izay tsy maintsy haely ho didy amin'ny isam-paritany, nalefa misokatra ho any amin'ny firenena rehetra, mba samy ho vonona ho amin'izany andro izany.

15 Nandeha faingana ny tsimandoa, araka ny tenin'ny mpanjaka. Ary navoaka tao Sosa, renivohitra, koa ny lalàna; ary raha nipetraka hisotro ny mpanjaka sy Amanà, ny tanàna Sosa kosa nikorontana be ihany.

Toko faha-4

1 Nony nandre izany zavatra nitranga izany Mardokea dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lamba malailay, nihosin-davenona, nankany afovoan'ny tanàna, nanezaka nidradradradra mafy tamin'alahelo.

2 Ary tonga hatrany anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka, fa tsy azon'olona mitafy lamba malailay atao ny miditra ny varavaran'ny mpanjaka. 3 Tany amin'ny faritany rehetra nahatongavan'ny teny aman-didin'ny mpanjaka koa, dia velom-pisaonana mafy ny Jody: nifady hanina izy ireo, nitomany, nidradradradra, ary maro aza no nandry tamin'ny lamba malailay aman-davenona. 4 Tonga nilaza izany zava-baovao izany tamin'i Estera ireo ankizivaviny sy eonokany, ka nivadi-po mafy ny mpanjakavavy. Nampanatitra lamba hitafian'i Mardokea izy, mba hanesorany ny lamba malailay teny aminy, kanefa tsy noraisiny izany.

5 Ka dia nantsoin'i Estera Atàka, anankiray amin'ny eonoka napetraky ny mpanjaka ao aminy, nasainy nandeha hanontany an'i Mardokea izay anton'izany, sy izay nahatonga izany fisaonana izany. 6 Dia lasa Atakà, nankeo amin'i Mardokea izay teo an-kianjan'ny tanàna anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka, 7 ary nambaran'i Mardokea taminy avokoa ny zava-nihatra taminy rehetra, sy ny tontalin'ny vola nampanantenain'i Amanà holanjaina hatao ao amin'ny rakitry ny mpanjaka, ho valin'ny famonoana ny Jody. 8 Nomeny azy koa ny kopian'ny didy nantsoina tao Sosa handringanana azy ireo, hasehony amin'i Estera sy hampahafantarany azy ny zavatra rehetra, ary nandidiany azy hankao amin'ny mpanjaka, hifona aminy sy hangataka famindram-po ho an'ny fireneny. (Jereo ny famporisihan'i Mardokea an'i Estera amin'ny toko XV, 1-3). 9 Tonga Atakà nanambara tamin'i Estera ny tenin'i Mardokea.

10 Fa nasain'i Estera nankany amin'i Mardokea indray Atakà, hilaza hoe: 11 Mahalala avokoa ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny vahoaka amin'ny faritaniny, fa raha misy olona mankao amin'ny mpanjaka, ao amin'ny kianja anatiny, na lahy na vavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no hany ahatra aminy, afa-tsy raha toloran'ny mpanjaka ny tehim-bolamenany izy ka mahavelona azy amin'izany. Izaho anefa, telopolo andro izay no tsy nantsoina ho ao amin'ny mpanjaka. 12 Nony efa nambara tamin'i Mardokea ny tenin'i Estera,

13 dia izao no nasainy navaly azy: Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin'ny Jody rehetra hianao, satria ao an-tranon'ny mpanjaka. 14 Ary raha mangina hianao izao, dia hisy vonjy amam-panafahana ho an'ny Jody avy any an-kafa, fa hianao sy ny fianakavian-drainao kosa haringana! Ary iza moa no mahalala fa tsy ho amin'ny andro toy izany no nanandratana anao ho mpanjakavavy? 15 Ka dia izao no nasain'i Estera navaly an'i Mardokea:

16 Mandehana vorio ary ny Jody rehetra eto Sosa, ka manaova fifadian-kanina ho ahy hianareo; aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana, na andro na alina. Izaho koa hifady hanina miaraka amin'ireo ankizivaviko; rahefa izany dia hiditra ao amin'ny mpanjaka aho, na dia eo aza ny lalàna, ka raha tsy maintsy ho faty aho dia ho faty. 17 Dia lasa Mardokea nanao izay rehetra nandidian'i Estera azy. (Jereo ao amin'ny toko XIII, 8 - XIV, 19, ny fivavahan'i Mardokea sy Estera.)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0869