Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko voalohany

53 Toy izany no taratasy naeliny eran'ny fanjakany manontolo, sady nanendry olona hitandrina ny vahoaka rehetra izy; 54 nandidy ireo tanànan'i Jodà koa izy, mba samy hanatitra sorona isan-tanàna. 55 Be ny Jody no nikambana tamin'ny Siriana, dia izay rehetra nanary ny lalàna; nanao ny ratsy tamin'ny tany izy ireo; 56 ka hany herin'ny Israelita tsy nivadika, dia nandositra eny amin'ny fitoerana takona sy amin'izao karazam-pierena rehetra izao. 57 Tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana Kasleo, taona fahadimy amby efapolo amby zato, dia naoriny teo ambony otelin'ny sorona dorana, ny fahavetavetana lozan-tany. Nanorenany otely koa teo amin'ny tanànan'i Jodà rehetra, eny amin'ny manodidina.

58 Ary nandoro emboka teny am-baravaran'ny trano sy teny amin'ny kianja izy ireo. 59 Raha mahita ny bokin'ny lalàna eny ho eny izy, rovitiny aloha dia dorany. 60 Izay nahitana bokin'ny fanekena, ary izay niseho ho mbola miraikitra amin'ny lalàna, na zovy na zovy, dia novonoina ho faty, noho ny didin'ny mpanjaka. 61 Toy izany no tsy nitondrany roa an'Israely, ka indray andro isam-bolana, dia novonoiny eny amin'ny tanàna ny Israelita izay trany nandika izany. 62 Ny fahadimy amby roapolon'ny volana izy ireo dia nanatitra sorona teo amin'ilay otely naorina teo ambonin'ny otelin'ny sorona dorana. 63 Araka ny lalàna koa, izay vehivavy nampamora ny zanany dia novonoina ho faty, nahantona teo am-bozony ny zanany; 64 norobaina ny tao an-tranony ary natao maty izay nanao ny fandidiana. 65 Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerim-po sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin'izay maloto. Naleony maty toy izay handoto tena amin'ny hanina, 66 sy hametaveta ny fanekena masina; ka dia maty izy ireny. 67 Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin'Israely fahizany.

Toko faha-2

1 Tamin'izany andro izany no nisehoan'i Matatiasa, zanak'i Joany, zanak'i Simeona, mpisorona avy amin'ireo zanak'i Joariba, tao Jerosalema, izay nonina tany Modìna.

2 Nanan-janaka dimy lahy izy, dia Joany natao hoe Gadisa, 3 Simona nantsoina hoe Tasì, 4 Jodàsa natao hoe Makabeo, 5 Eleazara natao hoe Abarona, ary Jonatasa natao hoe Apfosa. 6 Nahita ity fanevatevana izay nataon'ny olona any amin'i Jodà sy Jerosalema Matatiasa, ka nanao hoe: 7 Indrisy, nahoana ange ity izaho no teraka hahita ny faharavan'ny fireneko sy ny faharavan'ny tanàna masina, ka no dia hijanom-poana eto; kanefa izy ity, efa mby an-tànan'ny fahavalo, 8 ny fitoerany masina efa anjakan'ny hafa firenena? Ny tempoliny, tonga toy ny fonenan'olona tsy valahara; 9 ny fanaka sarobidy, izay voninahitra ho azy, lasan-ko babo; ny zanany madinika naripaka teny amin'ny arabeny, ny sabatry ny fahavalo mandavo ireo zatovony. 10 Firenena iza moa no tsy nandova ny fanjakany sy tsy nanana ny anjara babony teto aminy? 11 Ny haingony rehetra nesorina taminy; nahazaka tena izy nefa tonga andevo. 12 Ny zavatra masina sy kanto ary be voninahitra rehetra nananantsika, voarava sy voavetan'ny firenena avokoa. 13 Ka nahoana ary ity isika no mba velona foana ihany? 14 Tamin'izay Matatiasa, mbamin'ireo zanany, dia nandrovitra ny fitafiany, niakanjo malailay, ary nanao fisaonana mafy. 15 Dia tonga tao Modìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manamboninahitry ny mpanjaka, nomena raharaha hanery ny olona hivadika.

16 Israelita maro be no nomba azy ireo; ary Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa. 17 Niteny tamin'i Matatiasa ireo irak'i Antiokosa, ka hoy izy taminy: Hianao eto an-tanàna no lohany indrindra, voahaja sy mahamena-maso mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy. 18 Koa hianao no aoka hanatona voalohany, hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka toraky ny efa nataon'ny firenena rehetra, sy ny lehilahy amin'i Jodà, mbamin'ireo tafajanona any Jerosalema, dia ho anisan'ny sakaizan'ny mpanjaka avokoa hianao sy ny ankohonanao, samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro hianao mbamin'ireo zanakao. 19 Ary Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe: Na dia hanaiky an'i Antiokosa avokoa aza ny firenena rehetra anatin'ny fanjakany, ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan'ny razany, sy hanaraka an-tsitra-po ny didiny, 20 izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken'ny razanay. 21 Sanatria anay ny hanary ny lalàn'Andriamanitra amam-pitsipiny! 22 Tsy hanaiky ny didin'ny mpanjaka izahay, ka hiala amin'ny fombam-pivavahana, na ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 23 Vao tapitra izay teniny izay, dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason'ny olona rehetra teo hanao sorona, araka ny didin'ny mpanjaka, teo amin'ny otely natsangana tao Modìna. 24 Nony nahita izany Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony; navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany, ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin'ny otely izy. 25 Novonoiny niaraka tamin'izay koa ilay manam-boninahitry ny mpanjaka, nanery hanao sorona, sady nazerany ny otely. 26 Toy izany no nirehetan'ny zotom-pony hiaro ny lalàna, toy ny nataon'i Finea izay namono an'i Zambrì, zanak'i Saloma. 27 Dia nandeha eran'ny tanàna Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe: Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena, samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa.

28 Izay izy mbamin'ireo zanany, dia nandositra nankany an-tendrombohitra; nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna. 29 Nisy Jody maro be koa, izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna ka nidina tamin'izay ho any an'efitra, 30 mba honina any, dia izy mbamin'ny vady aman-janany, sy ny biby fiompiny koa, satria efa nandifotra azy ireo loatra ny loza nanjo azy. 31 Nilazany ny manam-boninahitry ny mpanjaka mbamin'ireo miaramila tao Jerosalema, amin'ny tanànan'i Davida, fa nisy olona nandika ny didin'ny mpanjaka, lasa nididna any an'efitra, amin'ny toerana fierena miafina. 32 Niaraka tamin'izay, dia lasa maro izy ireo nanenjika azy. Nony trany izy, dia nitoby teo an-trandrifiny, nivonon-kamely azy amin'ny andro sabata. 33 Hoy izy taminy: Aoka izay amin'izao. Mivoaha hianareo, tanteraho ny didin'ny mpanjaka, dia ho velona hianareo. 34 Hoy ny navalin'ny Jody: Tsy hivoaka izahay, ary tsy hankatò ny didin'ny mpanjaka, fa ho fandikana ny andro sabata izany. 35 Niaraka tamin'izay dia nandraikitra ny ady taminy ny Siriana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1536