Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-2

36 Tsy namaly azy na nitora-bato azy iray akory, na nanampina ny fiereny izy ireo. 37 Aoka isika ho faty avokoa amin'ny fahatsoram-pontsika, hoy izy ireo! Ny lanitra sy ny tany no vavolombelona mahita anay, fa vonoinareo tsy an-drariny izahay. 38 Dia nasian'ny miaramila tamin'ny andro sabata izy ireo, ka maty avokoa izy mbamin'ny vady aman-janany, sy ny biby fiompiny, sahabo ho arivo no isan'ny olona. 39 Nalahelo mafy Matatiasa sy ireo sakaizany nandre izany vonoana izany.

40 Ary izy ireo nifampilaza hoe: Raha samy manao toy izany nataon'ny rahalahintsika izany avokoa isika, ka tsy miady amin'ny firenena mba hiaro ny aintsika sy ny satam-pirenentsika dia hofongoran'izy ireo vetivety eto ambonin'ny tany isika. 41 Koa izao no fikasana nataon'izy ireo, tamin'izay andro izay: Na iza na iza tonga hiady amintsika amin'ny andro sabata, dia hasiantsika, fa tsy hety hovonoiny fotsiny, toy ny nataon'ireo rahalahintsika tao am-piereny isika. 42 Tamin'izay, nisy antokon'ny Asideana tonga nomba azy koa, ka ny anisan'ireo dia lehilahy mahery amin'Israely, dia izay rehetra niraiki-po tamin'ny lalàna avokoa. 43 Nanatona azy ireo koa izay rehetra nitady ho afaka amin'ny loza nanjo, ka nampitombo ny heriny. 44 Nony efa nahavonona tafika toy izany izy ireo, dia nasiany tamin'ny hatezerany ireo mpivadika, ary tamin'ny fahavinirany ireo tsy mpivavaka; any amin'ny firenena no nandosiran'izay sisa afaka nitady vonjy. 45 Notetezin-dry Matatiasa mbamin'ireo zanany ny tany, ka noravany ny otely, 46 noforany an-keriny ny zazalahy rehetra hitany tsy voafora teo amin'ny tanin'Israely, 47 ary nenjehiny ireo izay nobontsinin'ny fiavonavonana. Nahomby ny raharaha nokendreny noho ny fitarihany azy. 48 Ny lalàna no antony niadiany dia ny hiaro azy amin'ny herin'ny mpanompo sampy sy ny herin'ny mpanjaka; ary tsy nimalo teo anatrehan'ny mpanota izy ireo. 49 Nony nipaka ny fara andron'i Matatiasa, dia hoy izy tamin'ireo zanany: Ankehitriny, manjaka ny fiavonavonana, ary mamely ny famaizana, ka andron'ny fandravana sy fahatezerana mirehitra izao.

50 Ka aoka hianareo, anaka, hanampatra ny fahazotoanareo hiaro ny lalàna, ary afoizo ho an'ny faneken'ny razantsika ny ainareo. 51 Tsarovy ny asa nataon'ny razantsika tamin'ny androny, ary hahazo voninahitra sy anarana tsy mety maty hianareo. 52 Moa va tsy niseho ho nahatoky Abrahama, tamin'ny fizahan-toetra, ary moa ve tsy nekena ho fahamarinana ho azy ny finoany? 53 Nitandrina ny didy Josefa tamin'ny andron'ny fahoriany, ka tonga tompon'i Ejipta izy. 54 Nirehi-pahazotoana hiaro ny zon'Andriamanitra Finea razantsika, ka nahazo antoka ny fisoronana masina. 55 Nahatanteraka ny teny nomeny Jesoasa, ka tonga mpitsara tamin'Israely. 56 Nitsangan-ko vavolombelona nilaza teo anatrehan'ny fiangonana Kaleba, ka nahazo zaratany anankiray teo amin'ny tany. 57 Ny fitiavam-bavak'i Davida no nahazoany seza fiandrianana ho amin'ny taona mandrakizay. 58 Ny nirehetan'ny fahazotoan'i Elia hiaro ny lalàna no nipaoahana azy any an-danitra. 59 Ny toky nananan'i Ananiasa sy Azariasa ary Mizaela no namonjena azy tamin'ny lelafo. 60 Ny tsy fananany tsiny no namonjena an'i Daniela tamin'ny vavan'ny liona. 61 Diniho amin'izay, eran'ny taona rehetra, fa tsy mba resy izay rehetra nanantena azy. 62 Aza matahotra izay rahombavan'olona mpanota, fa mivarin-ko amin'ny fahalòvana aman-kankana ny voninahiny. 63 Anio izy manandra-tena, ary rahampitso izy tsy ho hita intsony, satria miverin-ko amin'ny vovony izy; ka levona foana ny fisainany. 64 Koa matanjaha sy mahereza fo hianareo, anaka, hiaro ny lalàna, fa izy no hanananareo voninahitra. 65 Indro Simona rahalahinareo, fantatro fa lehilahy tsara torohevitra izy, ka mihainoa azy mandrakariva, fa dia hanjary ray ho anareo izy. 66 Aoka Jodàsa Makabeo, lehilahy mahery sy be herim-po hatramin'ny fahatanorany, no ho lohan'ny tafikareo sy hitarika ny ady amin'ny firenena. 67 Ataovy homba anareo izay rehetra mitandrina ny lalàna, ary mamalia ny ratsy natao tamin'ny firenenareo. 68 Valio ny nataon'ny firenena tamin'Israely, ary tandremo ny didin'ny lalàna. 69 Nony avy nitso-drano azy ireo izy, dia nangonina any amin'ny razany. 70 Tamin'ny taona fahenina amby efapolo amby zato izy no maty, ary tao amin'ny fasan-drazany ao Modìna izy no nalevin'ireo zanany ary nisaona azy tamin'ny fisaonana lehibe Israely.

Toko faha-3

1 Dia nitsangana nandimby azy Jodàsa zanany, atao hoe Makabeo.

2 Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin'izay rehetra nanatona homba an-drainy, niady an-kavaliana ny adin'Israely. 3 Nampitatra ny voninahitry ny fireneny izy, niakanjo fiarovan-tratra toy ny lehilahy mahery izy, namehy teo am-balahany ny fiadiany enti-miady dia nandrafitra ady, niaro ny tobin'Israely tamin'ny sabany. 4 Teo am-pikatrohana izy, dia toy ny liona, sy nanahaka ny liona tanora mierona amin'ny rembiny. 5 Nenjehiny ny mankahala ny fivavahana, nokarohiny hatrany am-piereny tany, ary nodorany amin'ny afo izay nanabataba ny fireneny. 6 Nihemotra tsiravina teo anatrehany ny mpankahala ny fivavahana, nivadi-po avokoa izay rehetra mpampanao ratsy; ary ny tànany nanatanteraka soa aman-tsara ny fanafahana ny fireneny. 7 Ny asa nataony nampiditra alahelo mangidy tamin'ny mpanjaka maro, sy hafaliana tamin'i Jakoba; ary ny fahatsiarovana azy, hankalazaina mandrakizay. 8 Nitety ny tanànan'i Jodà izy, nandringana an'izay mankahala ny fivavahana, ka namily ny hatezerana tsy ho amin'Israely. 9 Tonga nalaza hatrany am-paran'ny tany ny anarany, ary nangoniny izay efa teo am-bavan'ny fahafatesana. 10 Namory miaramila mpanompo sampy Apolloniosa, dia tafika lehibe, nalainy tany Samaria, hiady amin'Israely.

11 Vao nilazana izany Jodasa dia nandeha hamely azy, naharesy azy izy, dia namono nahafaty azy; maro ny fahavalo maty, ary ny sisa nandositra. 12 Ka nobaboin'ny Jody ny fananany, ary nalain'i Jodasa ny sabatr'i Apolloniosa, dia izay no nanaovany mandrakariva tamin'ny ady hatramin'izay. 13 Nony ren'i Serona filohan'ny tafiky ny Siriana, fa hoe: nahavory olona betsaka Jodasa, dia antokon'ireo Jody tsy nivadika, momba azy amin'ny ady, dia hoy izy:

14 Hamelon-tantara ny anarako aho, dia hahazo voninahitra amin'ny fanjakana, hiady amin'i Jodasa sy ireo momba azy izay naniratsira ny didin'ny mpanjaka. 15 Dia nanafika fanindroany tokoa izy; tafik'olona maro mpankahala ny fivavahana no niakatra niaraka taminy, mba hanampy azy, hamely ny zanak'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1443